FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!
181. prime
(
05/09/2006 08:14)
cutie> :roll::-D:-D:-D - tsy diso!!!:°)
pissoa> Marina ny ambaranao raha resaka ny finoana an'Andriamanitra ao amin'ny tsi11 no resahina... angamba iny tsy dia ivalamparana satria resaka finoana velona an'ny tsi11...
Ny tsy azonao dia izao, misy antony manokana (finoana an'Andriamanitra) matoa ny jiosy (ohatra) nametraka ny rafitra ara-panambadiana ho azy fa tsy mahazo manam-bady hafa firenena izy... Misy antony manokana ny katôlika matoa nametraka ny finoana ho anisan'ny fototra mahatsara ny fiainan-tokantrano ka tsy hanambadian'ny taranany hafa finoana... Toy izany koa ny protestanta...
Ary raha tsy hiteny ny resaka fihaviana sy firazanana intsony koa fa mbola ao koa io...
Ka tsy resaka hitaiza na tsy hitaiza fiaraha-monina no fototra resahina eto fa hoe ahoana no iatrehana ireo... izay tsy dia tena olana loatra kanefa mba ametrahan'i lemenakely fanontaniana...

182. pissoa
(
05/09/2006 10:08)
Prime, nametraka fepetra ny Jiosy sns. Dia maninona? Averiko indray ny hevitro mikasika ny "fepetra" aman-dalana (eo amin'ny fiangonana sy ny moraly amin'ny ankapobeny): Natao hiaro anao ireo amin'ny zavatra mety mitranga fa tsy natao hamatopatotra akory na sanatria hanandevo. Izany hoe -
1 - afaka mandika lalana ianao, raha ohatra ka mihevitra fa olan'ny "fiaraha-monina" io resaka finoana io fa tsy olanao. Dia teneno izy hoe izao no tsy maha-olana an'io ry fiaraha-monina. Matoa ny fiaraha-monina tsy miova dia
(Eo no hidiran'ilay mitaiza sy taizaina. Ny taizaina dia mitsaoka fotsiny, ary mankahala ny fiaraha-monina, miteny ao am-po hoe tsy hiova eo izany io ... na manara-drenirano. Ny mitaiza kosa manitsy sy milaza ny heviny.)
2 - Raha olanao kosa ilay izy, dia tsy tokony hoe satria nametraka fepetra ny fiangonako - fa hoe sao hanalavitra an'Andriamanitra aho (ohatra). Miaro sy manoro hevitra anao ny fepetran'ny Fiangonana fa ianao ihany no tompon'ny teny farany.

- na tsy marina ny zavatra noteneninao azy,
- na tsy ampy ny fanazavana narosonao azy.
(Eo no hidiran'ilay mitaiza sy taizaina. Ny taizaina dia mitsaoka fotsiny, ary mankahala ny fiaraha-monina, miteny ao am-po hoe tsy hiova eo izany io ... na manara-drenirano. Ny mitaiza kosa manitsy sy milaza ny heviny.)
2 - Raha olanao kosa ilay izy, dia tsy tokony hoe satria nametraka fepetra ny fiangonako - fa hoe sao hanalavitra an'Andriamanitra aho (ohatra). Miaro sy manoro hevitra anao ny fepetran'ny Fiangonana fa ianao ihany no tompon'ny teny farany.
183. cutie
(
05/09/2006 13:56)
Mpandefa : prime [ Valio ] 05-09-2006 10:14:08
Lohateny : Re : FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!
cutie> - tsy diso!!!
prime diso :-D
184. prime
(
07/09/2006 10:49)
cutie> tsy diso...:-D:-D
pissoa> ilay lazainao faharoa no akaikikaiky kokoa ny tiako lazaina... ny mahasaropiaro ny fiangonana dia tsy ny hamatopatotra na ny hanandevo sanatria... fa ny itoeran'ny fiainanao tsy ho lavitra an'Andriamanitra (efa voalazanao rahateo io), ka marina fa anao ny teny farany (satria safidy tokoa fa tsy an-tery) fa Andriamanitra mbola ambonin'ny safidinao ka tsy maintsy mbola hasehony anao foana ny tsaratsara kokoa noho izay safidinao... Ary izay herin'Andriamanitra izay dia matetika @ fiarahamonina no anehoany ny fankasitrahany na tsy fankasitrahany ny safidinao...

185. pissoa
(
07/09/2006 11:03)
Fehiny: Olanao io (raha hoy ianao hoe olana) fa tsy hoe olan'ny fiaraha-monina izany. Fa eo kosa ny fiaraha-monina, endrik'Andriamanira hanampy anao hamaha ny olana (raha tianao hovahana) :-*:-*:-*
186. cutie
(
08/09/2006 01:12)
Mpandefa : prime [ Valio ] 07-09-2006 12:49:04
Lohateny : Re : FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!
cutie> tsy diso...
mbola diso foana :-D
187. prime
(
08/09/2006 10:40)
pissoa> tsy azonao tanteraka ny tiako lazaina... tsy ny olako na ny tsy olako no resahina eto, iray aloha izay, ny faharoa dia eto dago no resahiko fa tsy any aminareo any ivelany... ary eo no fototra itoeran'ny adihevitra, fa ny fiarahamonina malagasy, dia tsy maintsy mametraka foana ny fanontaniana mikasika ireto rehefa hiditra @ atao hoe tokantrano ianao, avy aiza izy? taranak'iza? mivavaka aiza? miasa sa tsy miasa dia amin'ny inona? nahavita vita fianarana sa tsia dia inona? tsy maintsy manontany ireo ny fiarahamonina (ny RAD, ny Raibe, ny Renibe, ny mpiray tampo, ny havana... farafaharatsiny ireo tsy maintsy hanadihady)... ny fanambadiana malagasy tsy miorina @ resaka lhl sy vhv te hiray d entim-pitiavana hono ka hisorasora-poana na hivadivady tsy nahazo tsodrano... fa fanambadiana miorina koa @ fihavanana vao2 ka manaiky fianakaviana tsy iray rà ho lasa antsoina hoe havana... hatreo aloha
188. pissoa
(
09/09/2006 10:18)
:-D:-D:-D
# I Prime miteny hoe tsy olako io olan'ny fiaraha-monina ... ary ny fiaraha-monina tsy hiova eo mihitsy no nanehoako ireo hevitra faramparany ireo.
Marihiko fa olana io amiko ... tsy hoe noho ny RAD-ko na sao tsy rarahin'i zokikolahy, na mba ho ohatra ho an'i zandrikovavy sns FA NOHO IZAHO fotsiny :)
# Tsy misy fanononana firenena ny hevitra nasehoko teo, donk tsisy hidiran'ny hoe any Mada na aty aminay.
# Nivadika RAD sy bebe sns indray angaha ilay fiaraha-monina teo fa tsy hoe nanisy fepetra ny Jiosy, Katolika sns?
# Mino ve ianao fa tsy hisy hahavita ny manambady, tsy mahazo tsodranon'ny RAD rehefa te tiany atao? Vita foana io. Tsy faniratsirana RAD akory io teniko io sanatria, fa fitenenana fotsiny hoe aza atsipy any amin'ny RAD sns ny olana e. Na vady atolotra aza hoa manana safidy handa foana fa tsisy voatery izany. Ny tsirairay no tompon'ny teny farany, ka raha misy ny olana dia azy izany ... Ny olona rehetra hafa dia
*** na mpitazana fotsiny,
*** na manampy azy hamaha ny olana: manan-tsafidy izy eo na handray ny fanampiana na tsia.

189. prime
(
11/09/2006 14:37)
:-P:-D:-D
Mahaliana ny fomba fandalinanao hevitra...
Ny fijerinao mitodika amin'ny hoe "izaho" dia tsy dia mahagaga ahy loatra... ary efa fantampantatro ihany, satria izany no tontolo mamehy anareo any ivelany ka dia fomba fandinihana hafa iny... izay no antony tonga dia nilazàko mialoha fa raha fomba fijery tandrefana no ijerena an'ity lohahevitra ity dia ny "izaho" no miteny dia vita... ny hafa "mpitazana, mpanampy..." fotsiny araka ny voalazanao... azo tsinontsinoavina...
Fa raha mbola malagasy monina eto dago sy ny foto-pisainana tena malagasy dia io voalazako io no mitoetra... "donk" tena mipetraka mihitsy ny hoe aty dago sy ny any ivelany...:lol: fa ny zanaka malagasy tena mbola mandala ny mahaizy azy raha vao tsy mandresy lahatra ny "fiarahamonina" ny eritreretiny ho vady dia miteny aminao aho fa hadino eo @ alitara eo ianao @ ilay andro iray... tsy vitsy no tratran'izany...
Ilay "concept" ny atao hoe "fiarahamonina" koa no tsy itoviantsika... amiko ny fiarahamonina dia miainga @ tokantrano misy anao, ny RAD'be, ny RAD, ny zanaka, ny mpiray tampo, ny havana, ny havan-dRAD, ny mpiara-mivavaka, ny mpiray tanàna, ny mpiray firazanana, ny mpiray foko, ny mpiray firenena, ny mpiara-miasa, ny namana, ny mpiray rà... ka ny fiarahamonina akaiky indrindra dia ny ao an-trano fa tsy olona ivelany fotsiny akory... Ary matetika ny tena masiaka @ resaka fanambadiana dia ireo...
Ny mikasika ny jiosy sy katolika dia ohatra fotsiny iny ilazàna fa na inona na inona rafitra misy eto ambonin'ny tany dia manana ny fepetra sy lamina izy izay tokony hajaina noho ny antony maro... tsy fangejàna fa fisorohana mialoha ny olana rehetra mety hitranga...
Ny @ hoe tsodranon-RAD dia zava-masina io no zava-mahery rahateo... ny hoe vita foana io dia marina tokoa ny lazainao raha resaka vola sy famintàna ara-materialy sy ilay tenantsika kely io ihany no ijerena azy... fa mety tsy hino angamba ianao fa hafa mihitsy izany hoe tokantrano mahazo tsodrano @ fahefàm-piarahamonina misy izany, ny RAD sy ny havana, ny fanjakàna, ny fiangonana, Andriamanitra...:wink:

190. pissoa
(
11/09/2006 15:32)
Tsy hiady hevitra aho, sady tsy mahaliana ahy ny hoe fantatrao mialoha ve ny zavatra hoteneniko miankina fotsiny amin'ny hoe any Dago zah na tsia.
Tsy ady hevitra izany mantsy amiko fa fitsaratsarana sy conclusion generale ... Ou meme BONTOLO :-D:-D:-D
Ny ady hevitra dia hoe ito ny hevitra narosony ...
*** marina tanteraka
*** misy fahamarinany saingy ...
*** diso tanteraka
fa tsy misy idiran'ny hoe tsy mahagaga ahy satria ianao ary no mipetraka na atsy.
Refaveo valiako izay tsy mikasika ny firenena misy ahy :lol:

192. pissoa
(
11/09/2006 21:44)
Hihihi, saika hadinoko hoe mbola mila mankato zah :-D:-D:-D
Prime:
# Tsy namaritra fiaraha-monina mihitsy aho, fa namaly anao fotsiny araka ny fiaraha-monina izay nofaritanao. Ka raha misy tsy fitovizana ny fahazahoana ny fiaraha-monina resahina eto, dia ny hevitra ao aminao no mahatonga azy :-D:-D:-D
# Mila ataoko idole kely ve ny RAR sy ny fiaraha-monina (araka izay tianao rehetra hamaritana azy ao tsy maninona :lol: ) vao tena malagasy aho? Fa ankoatra ny hoe mpitazana sy mpanampy ny olona rehetra manoloana ny fiainanao (ry tena malagasy) dia inona koa aza (fa tsy hain'ny tenako aty an-dafy) e? Mety hoe mpanapa-kevitra ve? :-D:-D:-D
# Izaho tsy niteny mihitsy hoe tsy manan-danja ny tsodrano ka. Ny teniko dia hoe aza atsipy any amin'ny olona ny olana e. Rehefa olanao dia teneno hoe olako io ... fa aza miezaka mandresy lahatra hoe victime an'ilay fiaraha-monina ianao. :-D:-D:-D
Izao no tiako hahatongavana, dia avelako eo angamba ity resaka ity fa lasa resaka fiaraha-monina nefa fanambadiana sy fivavahana :-D:-D:-D
Afaka mifidy foana ianao na inona na inona tenenin'ny fiaraha-monina. Resaka finoana ity, ka tsy misy afaka mandidy anao izany hoe izao, ary tsy izay tenenin'ny fiaraha-monina foana no safidy tsara. Aza ailika any amin'ny fiaraha-moina ny tsiny sy ny olana fa ianao no mahalala izay Tsara arahinao.

193. prime
(
12/09/2006 15:13)
cutie> :lol:
pissoa> "FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana" hoy lemenakely - dia hoy aho hoe ENY raha eto Dago... dia izay ihany... ny hoe olako dia tsy olana amiko loatra na ahy io na an'iza:°)... fa raha mbola hangata-bady eto dago, ka malagasy no angatahina, dia mipetraka io olana ara-pinoana io...
Fa ny tiako ambara mikasika ny fiarahamonina dia satria kolontsaina mihitsy no hevitra ao ambadik'io fa tsy zavatra tsotsotra araka ny iheverana azy...
Kanefa tokoa moa tsy ny hifandresy lahatra no tanjona eto fa fanehoan-kevitra...
=D ho an'i pissoa:-*:-*:-*