Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia

1. hafaliana ( 20/07/2006 12:15)
Mba nahazendana ihany ry zareo ny maheno ny olona malagasy mandeha eny an-dalana eny fa dia toa lasa lamody mihitsy ny mampifangaro teny ah!asa na le tenin-drazana mihitsy ve no tsy misy ilana azy sa ahoana?Ary ny tena mahasosotra dia toa voninahitra be ho an'ilay mpiteny izany hoe tsy mahay ny dikan-teny amin'ny teny malagasy fa raha izany hoe za tsy mahay teny frantsay izany anefa dia toa henatra.:oops:asa angaha iza indray no andrasantsika hamelona azy io fa raha ny tenin-drazana kosa dia hoy izy ireo manao hoe raha ny afo tsy mirehitra ,hono,adidin'ny vanja,ny sakafo tsy masaka adidin'ny fatana fa raha ny teny gasy kosa no voazimbazimba ,tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao.:D
novalian'i elsami ny 27/07/2006 11:30
2. soanja ( 20/07/2006 12:28)
Marina ny tenin'i hafaliana.
Ka ry zareo ve tsy miteny gasy mihitsy sa mampifangaro fotsiny?
Tsy izany mantsy fa tena voafetra be ny teny gasy amiko ohatra. Tsy mahateny daholo ny tiako ambara. Dia tsy misy fika tsy maintsy mindrana ny an'ny hafa aloha.
Fa manaiky ny zavatra voalazanao aho ka. Ny hany heriko izao dia miezaka hiditra ao amin'ny Akademia Malagasy mba hanovo voambolana ao.
Sambatra isika manana ny tenin-tsika mbola velona tsara.
Mankany Amerika Latina izany ianao dia teny espaniola daholo no sisa resahina sy hafa fa ny azy efa very daholo.
3. lapino ( 20/07/2006 12:29)
Ny olana amin'ilay teny malagasy koa ange, tsy feno ny voambolana e. Misy zavatra be dia be iainana andavanandro kanefa tsy manana anarany/dikany amin'ny teny malagasy (na ity clavier anoratana ity fotsiny aza ohatra), na misy manana anarana ihany ny sasany fa tsy fantatra. Indraindray anefa misy mahita voambolana hitenenana ihany, fa lasa ihomehezana ilay izy satria hafahafa be. Dia manjary tsy maintsy mampifangaro teny ihany. Dia ny teny frantsay no tena ampiasaina satria izay no akaiky antsika indrindra.
4. lapino ( 20/07/2006 12:30)
Hmmm, dilan'i soanja lety e ;)
5. fasaly ( 20/07/2006 12:46)
lapino: ny clavier ve tsy hoe: tondro:roll::roll::roll:
sarotra be kosa alou ny hiteny hoe tsy maintsy ho teny gasy ranoray tsy hisy na teny vahiny aza rehefa miresaka e! tsy maintsy misy tsefatsefany kely teny vahiny foana eny! aleo dia tsorina ny marina fa zà raha manafangaro ato am forum de manàla azy an!:wink:
mais enfainnnn! zèmmm be lay dinika:wink::wink::wink::-*
6. Herimiafina ( 20/07/2006 12:57)
hafaliana:

Mba nahazendana ihany ry zareo ny maheno ny olona malagasy mandeha eny an-dalana eny fa dia toa lasa lamody mihitsy ny mampifangaro teny ah!asa na le tenin-drazana mihitsy ve no tsy misy ilana azy sa ahoana?Ary ny tena mahasosotra dia toa voninahitra be ho an'ilay mpiteny izany hoe tsy mahay ny dikan-teny amin'ny teny malagasy fa raha izany hoe za tsy mahay teny frantsay izany anefa dia toa henatra.:oops:asa angaha iza indray no andrasantsika hamelona azy io fa raha ny tenin-drazana kosa dia hoy izy ireo manao hoe raha ny afo tsy mirehitra ,hono,adidin'ny vanja,ny sakafo tsy masaka adidin'ny fatana fa raha ny teny gasy kosa no voazimbazimba ,tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao.:D


ny vaha-olana ry ise dia tsy tokony hionona fotsiny amin,ny efa hay sy ny fikarohana ny Akademia Malagasy fa tokony hanao izay hanaparitahana ny teny vaovao sns an.
"tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao" RF'I.
7. tsoupou ( 20/07/2006 14:02)
Eto koa anie afaka manome soso-kevitra amin'ny dikan-teny teknika be ireny e, alefa paositra na mailaka any @ akademia izy avy eo. Sa ahoana ???
Na eo @ resaka ara-informatika fotsiny aza dia efa tsisy dikan-teny malagasy izany fa dé izay hay no tenenina e
8. Herimiafina ( 20/07/2006 14:28)
Ka mety tsy ho raharahian-dry leirony satria gasy no miteny knou. Ny menasofian ihany no toa ohatry ny be mpihaino tsy misy fanontaniana any. :wink:
9. tsoupou ( 20/07/2006 14:42)
Herimiafina:

Ka mety tsy ho raharahian-dry leirony satria gasy no miteny knou. Ny menasofian ihany no toa ohatry ny be mpihaino tsy misy fanontaniana any. :wink:

Aza manao an'izany Ra-Hery a :D, alefa ihany alo izy dé zé anovandry leirony an'azy any e. Refa tsisy ilany azy dé an'azy zany, efa mba mandry fotsiny ny saintsika oe MBA EFA NISORONA E.
Momba anlé vieongo ndray, izy no henoina satria izy no nanome anlé vola é, raha sady tsy hanome koa ve izy no be baiko tsy aleo tonga dé mody any.

10. pissoa ( 20/07/2006 15:33)
Izaho tsy miombon-kevitra tanteraka amin'ny hoe tsy ampy ny voambolantsika Malagasy ka lasa miteny vahiny! Marina io, fa tsy io irery no antony hitenenantsika (na ny sasany amintsika) an'reny teny tsy fantatra ireny.

Ohatra:
Ah, Je vois ...
Vraiment ...
... tellement ...
d'accord!
sns
11. Herimiafina ( 20/07/2006 15:34)
Mba omeo vohambolana any hoe retsy ry pissoa!
Tiens, ke veu dire pissoa? hehehe=))
12. pissoa ( 20/07/2006 15:42)
Ke veu dire ke veu dire d'abaor? :-D:-D:-D
13. tsoupou ( 20/07/2006 16:04)
Ty pissoa ty masika a, marina e, fa masika be ronono (@ fomba fitenenana io an, fa mbola tsy hitako enao oe tena be ronono marina ve) :D :D :D
14. pissoa ( 20/07/2006 16:08)
Aiza koa zah izay masiaka eo zao :roll:

Inona no dikan'izany masiaka be ronono :?
15. xxx ( 20/07/2006 16:14)
Aza tonga dia raisina ho tsy fitiavana ilay teny kosa no mahatonga ny olona hanafangaro teny e, be dia be ny antony : fahazarana ohatra . Diniho koa fa na ny taratasy administratifs (inona izao no dikan'io @ teny malagasy) aza mbola betska teny frantsay ka aiza moa, teraka ho azy ny fahazarana mampiasa teny vahiny.

Ny ahy indray tsy eo @ resaka fitenenana ihany no hitako, ilay fanoratana e ??? kivy ratsy aho indraindray mijery eto @ serasera , asa raha hahay hanoratra teny malagasy intsony isika atsy ho atsy, indraindray dia mila miasa saina be vao mahazo izay tian'ny sasany lazaina eto.
16. Herimiafina ( 20/07/2006 16:17)
Eeeeeh! Raha tsy misy an'izay dai robot daholo no eto fa tsy olona! marian ny anao! :wink:
17. fasaly ( 20/07/2006 18:00)
xxx: d'accord amzay aho e! fahazarana io fa ny oul kou menomenona foana:lol:
18. pissoa ( 20/07/2006 18:51)
Eeeee - ny antsika kosa hoa rehefa misy te hanitsy na hanatsara dia lazaina fa mimenomenona foooooona! :{

Na resaka politika, na resaka sary, na resaka fiteny, na resaka fiakanjo, sns!!!!!!!

Avela ho eo ve izany izy io na dia fahazarana aza fa tsy ahitsy e? 8O
19. fijo ( 20/07/2006 19:17)
za dia momba ny mpanoratra mihintsy.marina fa tsy feno ny voambolana malagasy.ary tsy olana ny mampiasa izay amin'ny teny vahiny raha ilaina hanazavana ny resaka.fa ity toetsaina miseo ho ambony rehefa miresaka mody tsy mahay teny gasy ity no tena tsy voako,satria sady fanambanian tena ilay izy no mariky ny tsy fahaizana ninoninona.
atyfrantsa dia mizesta mihintsy ny olona sasany miteny hoe "tsy mahay teny gasy io zanako io"???????hadinony,fa ny zaza tsy misy fototra,dia tsy ahita zay alehany koa.
"fantaro ny niaviana,dia ho hitanao izay alehanao".
20. fasaly ( 20/07/2006 19:42)
ié: marina kalou zany ry fijo a! misy ny tena te hizesita beuh mahitsy ary hita soritra avy hatrany na am fombafombany na vao miala any izy an! mampi te handàka mitsy :x:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1899