Hôrera.......

1. fasaly ( 13/07/2006 12:41)
Raha ohatra ianao tratran'i tranga iray tena sarotra, ohatra namono olona tsy fidiny ny olona akaiky anao indrindra toy ny vadinao na ny ray tampo aminao ohatra.....
Tsy nisy "temoin" nahalala sy nahita fa namono anlay oul lay havanao, afa tsy ianao ihany...
Ahoana ny "réaction" nao manoloana ny toe-javatra misy? hiray tsikombakomba sa hilaza amin'ny Police? de ho gadra anefa lay havanao de ahoana????
novalian'i lapino ny 20/07/2006 21:20
2. tsoupou ( 13/07/2006 12:51)
Fa iza no namono tao amnareo Fasaly a :-w :-w :-w.
Ratsy be zany ohatra zany.
Fa ra za alou dé miankina amin'ny hoe havana akaiky be sa lavi-davitra.
Raha hangina za, hotadidiko foana iny kozy iny. hoy ny vaza oe "on peut pardonner mais pas oublier", raha hibaradaka (hi oa fa tsy ra an, rabaradaka io) higadra lé havako. Aleo mangina leisy a, marina e.
Sa ahoana ??? Na dé izany aza anie tsy vita koa zany hoe hitory na hanitsoka havana any am police zany e, sarotra be zany fa raha hoe resaka dé vita tsotsotra fa refa hanatanteraka vo samy miala pa daolo.
3. fasaly ( 13/07/2006 12:58)
tsoupou: msotra namaly:wink:
:-D tsisy havako namono ka!....fa mba eritreritra mandalo io ary mety hitranga raha sanatria ka hitranga....ary ny lazaiko eto hoe havanao akaiky beuh.....zà aloha de tena ho lasa adala angamba rahasendra ny tranga toa izao....
4. tsoupou ( 13/07/2006 13:03)
Tena sarotra be oa io, raha ataontsika resaka eto fotsn lé izy dé moramora, fa raha tena zava-misy, tsy hisy sahy hanitsoka zany.
Io nge Fasaly otranlé ny zandrinao ohatra mamaky vilia ao an-trano e, enao nga sahy manitsoka an'iny raha tsy hoe angé enao no bedy.
Sa ahoana ???
5. dadabe ( 13/07/2006 13:36)
humm nareo mitsam io a :°)
6. vahatra22 ( 13/07/2006 14:27)
ra za ko lo tsy hanitsoka zany mintsy e! ra hoe fianakaviana zany!
7. sechat ( 13/07/2006 14:29)
Raha resaka fotsiny dia aleoko miteny any @ polisy,
fa raha tena mitranga marina mety tsy hahavita hakany akory ary za :lol:
Tsy hita izy ity koa.
8. lapino ( 13/07/2006 14:53)
Za koa aloha tsy manitsoka izany e! Indrindra moa fa hoe "namono olona tsy fidiny". Misy antony ao matoa nitranga ilay izy, fa zany aza tsy fidiny.

Kanefa na fidiny aza, na niniany aza ny namono an'ilay olona, mbola tsy hanitsoka an'izany foana aho. Harovako aza kle!
9. dadabe ( 13/07/2006 15:18)
:°):°)
10. Zina ( 13/07/2006 16:13)
Raha pivavaka ianao dia ahona ny hevitrao @ io? ao angamba no mety hisy ala olana.
11. MTN ( 13/07/2006 16:51)
raha tena hoe tsy possible ny ahafantarana ny marina raha tsy avy aminao ihany dia aleo ny maty homba ny maty eh, ny havana banjinina.

Fa raha hoe mety ho tratran'ny enquete dia aleo iray ny migadra toy izay roa.

Raha mpivavaka ianao, "Aza manao vavolombelona mandainga", tsy manao vavolombelona no mety angamba satria ianao tsy handainga.
12. MTN ( 13/07/2006 16:52)
oups, fa inona ilay Horera fa saika hadinoko?
13. fasaly ( 13/07/2006 17:13)
de hatao aiza aza lay faty e!:°):°):?: tena tratran'ny tsy maintsy miray komplisy ihany zany ....
14. fijo ( 13/07/2006 18:04)
vonoy any ry fasaly,fa za tsy hiteny an.
15. fasaly ( 13/07/2006 18:09)
fijo: :-D:-D:-D:-D:-Dzà ngah hamono na mpamono e!
16. Herimiafina ( 13/07/2006 21:10)
fasaly:

Raha ohatra ianao tratran'i tranga iray tena sarotra, ohatra namono olona tsy fidiny ny olona akaiky anao indrindra toy ny vadinao na ny ray tampo aminao ohatra.....
Tsy nisy "temoin" nahalala sy nahita fa namono anlay oul lay havanao, afa tsy ianao ihany...
Ahoana ny "réaction" nao manoloana ny toe-javatra misy? hiray tsikombakomba sa hilaza amin'ny Police? de ho gadra anefa lay havanao de ahoana????

tsotra fotsiny retsy an!
Torio faty any , atoroy ny polisy dai midoboka.
Anisan,ny fanehoan afitiavana goavana be koa mantsy ny fanasaziana azy fa raha jerenao fotsiny dai naman,ny tsy tia azy ianao izay ary tsy mendrika ny antsoina hoe havany akory ianao!

17. Zina ( 14/07/2006 01:50)
Fa raha hoe mety ho tratran'ny enquete dia aleo iray ny migadra toy izay roa.

Raha mpivavaka ianao, "Aza manao vavolombelona mandainga", tsy manao vavolombelona no mety angamba satria ianao tsy handainga


Marina ny anao na ho ela na aingana tsy maintsy mipoitra eny foana ny ratsy natao na dia tsy intentione ary...
18. mamzelkely ( 14/07/2006 05:12)
za njay aa, de conseiller-ko izy hitono-tena de hanazava am polisy ny rht comme quoi "légitime défense" no natao de amizay zay decision raisin polisy na ho azy na ho an tena amizay le conscience ts hanenjika anao :lol:
19. Zina ( 14/07/2006 14:02)
zany mihitsy ka.
20. pissoa ( 14/07/2006 14:23)
Zina sy Mamzelkely: tsy voatery ho legitime defense anie na dia nahavono olona aza e! Mety tsy nisy ady akory fa nilalao antsy izy ohatra dia nipitika, na tsy tandriny akory dia lasa tao am-bilany ny poizina, sns.

Sarotra be ity ... indrindra ny miandry fitsarana any amintsika fadiran'hovana mihitsy. Fa raha mandeha tsara ny fitsarana dia teneniko :cry::cry::cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1994