namana mpitsabo

21. watafon ( 14/08/2006 08:53)
papounette: hay v njy efa ao anatiny e ! misy an'ireny révue reny zao no mba omendry zareo tsindraindray ! d ankoatr'izay tô tsy hitako koa alou e!
Fiffi! magie -magie !!:-D
22. fijo ( 15/08/2006 19:38)
papounette,le miditra kosa ngamba araka ny fahalalako azy dia tokony ho "obligatoira"satria izay tsy ao,dia tsy mahazo miasa aradalana.fa ny tombony araka ny fahalalako azy,dia raha misy olana ianao,miaro anao ny ordre
23. watafon ( 15/08/2006 20:29)
fijo: izany mihitsy no asan'ny ordre k !
24. fijo ( 16/08/2006 21:21)
de aiza indray ary rakalakely teo lo
25. papounette ( 17/08/2006 10:45)
Raha azoko tsara de rehefa misy pb zany vao ilaina ny ordre?
Fa rakalakely iza no tadiavinao Fijo?
Maninn moa raha manangana association MATANJAKA des médecins malagasy miasa eto madagasikara sy ny any ivelany mba hifanakalo hevitra,documents,vaovao,hiady sy hiaro ny tombontsoa ny Dr rehetra any @ Ministera.
Mampalahelo ange ny mahita an'reo Dr namantsika afféctés any ankodahoda any reny e!Raha tsy mahitahita de lo any.
Vao vety2 nisy Dr maty fa lavitra lôtra ny nisy azy pour l'éva.san.Nolanjaina alo avy eo nalefa sarety de zay vao nahazo tômobilina.Mendrika antsika ve zany?
Zany ange no mahatonga ahy manontanitena momba ny ordre io.
26. Fiffi ( 17/08/2006 13:43)
wata: ndry nanao magie teo an! :-D :*
27. fijo ( 17/08/2006 19:30)
papounette,
le hoe tokony manangana fivondronana mpitsabo aty sy any aloha dia hevitra tsara,satria ilaina io hifanakalozana.
raha le resaka hoe nalefa any amin'ny dezaka kosa,tsy mitovy hevitra isika sy ndry,satria ianareo mpitsabo natao hanavotra olona,ka na ny any ambaiaka ,na ny any an tanana dia mila anareo.

le rakalakely tadiaviko de ndry ka
28. papounette ( 19/08/2006 08:59)
Ka le izy ange ry Fijo raha mba misy ho entina miasa ange tsy maninn.Trano foana tsy misy na inn na inn,kidoro ratsy no sady gôkagôka, fandriana harafesina,tsy misy jiro,manao accouchement @ labozy,paracetamol,cotrim,ganidan....etc,zany no entina miasa.Misy zavatra mbola ao anatin'ny compétencesna Dr de tsy maintsy alefa aty antanandehibe satria tsy misy fitaovana e,tsy misy fnfd.Manao asana infirmier fotsn(je n'ai rien contre les infirmier(es) an.:wink:
Lasa harafesina e!de aleon'Dr any ambanivolo mamboly sy miompy.
Zà zany rireto de revoltée be mihitsy an!
29. watafon ( 21/08/2006 10:57)
papounette : njy alou aiza no miasa e? marina mihitsy ny lazaindry rehetra reo ary nisy namako zay mihitsy nahazo place tany amabanivohitry fianaratsoa fa tsy tadidiko ilay izy , fa nitomany wa izy nahita ny toerana hivantanany d niverina niaraka t@ fiaran'ny ministera nanatitra azy fa ten tsss! isolé antampon-tendrombohitra, tsy misy jiro, tsy misy rano, sns ..... Izany no antony tsy d mbola mahasarika anà hiditra @ fanjakana alou zao e!
fijo: tsy azo lavina mihitsy fa ilaina ny dr any @ kizo ary tena mbola tsy ampy mihitsy izy amin'izao fa tokony mba hodinihina akaiky ny toerana handraisana azy ireo !
mampalahelo akia zany nanjo le dr zany kle! tsy rariny aloha zany e!
misy associations na médecins zay anie akia eto dago e: les confrères de mada(cdm) io ndray aloha resaka informations momba ny nouveautés @ resaka fitsaboana e! misy rantsana any ampita izy io fa zamantsy vao haingana no niditra membres d andefasany revue sy vaovao momba ny zava-baobao momba ny fitsaboana @ alalan'ny internet e!
30. papounette ( 22/08/2006 12:03)
Zà miasa @ ville ary tsy niditra @ fanjakana noho io antony io.
Mba hojereko izany cdm zany fa intérressant be zany.Manana association zahay aty mitambatra ny médecins,pharmaciens,dentistes et véterinaires.Fa tsy tena mbola matanjaka tsara.
Fa ny olona hoa mieritreritra fa ny Dr de manao asa soa.Tsy mieritreritra mitsy io asa io ange no hamelomany vady amanjanaka.Nefa ny olona sasany mahavita miala volabe any @avocat na any @polisy rehefa misy blème na any @mpanjaitra.:twisted::twisted::twisted:
31. watafon ( 22/08/2006 16:09)
marina ny voalazanao aloha e! fa za kosa ndray aloha mitsabo maimaim-poana ireny oul sahirana ireny e!
32. nambina ( 23/08/2006 09:28)
watafon>=D
33. papounette ( 23/08/2006 15:04)
:roll:misy olon sahirana rehefa marary zareo de tsy manambola e!sahirana e!fa rehefa maty mahita vola hividianana omby dimy,vary 03 gony,hividianana tôka ho an'ny mpiandry faty,hanaovana location tômobilina hanaterana ny razana any ambanovolo sy hoan'reo havana tapaka sy namana mantitra.
Tena grrrr:b:b:b sy :snif::snif::snif:be mitsy zà rehefa sendra an'io toejavatra io.
Sa dure ne lôtsa zà?Ratsy fanahy ve zà?:oops:
34. fijo ( 23/08/2006 22:09)
papounette an,ny mpitsaboaloha dia natao hanasitrana ny tanjony voalohany,izay vao mitady vola.ka raha vola no atao tetika masaka,mifandiso le tanjona.
nefa dia ekeko fa marina io tsikera ataondry io,hoe mararay izy tsy manam bola fa maty mahita izao rehetra zao.ny havany eo no miala andraikitra fony fahavelony.
35. papounette ( 24/08/2006 09:57)
Fijo:^:^^:^^:^
36. fijo ( 24/08/2006 21:06)
marina fa ny asa rehetra dia natao hitadiavana vola koa,fa misy asa izay mijery ny hafa aloha.oh:ny fampianarana sy ny fitsaboana.ny mpitsara koa"fa tsy ny avocat "ireo asa ireo dia natao hampita ny fahalalany hoan'ny hafa.nefa matetika dia miova le tanjona.izany mahita mpitsara misikotra vola izany anie ka tena manahirana e.
37. watafon ( 25/08/2006 08:06)
ny tanjona kosa aloha matoa nianatra d heo mba hahazo vola any aoriana any ? izay aloha marina an ? fa arakarak'ilay asa atao kosa aloha io e!
papounette : tsy laviko ny voalazandry fa le olona sahirana tiako resahana angamba no tsy mitovy e!
38. papounette ( 25/08/2006 13:28)
:oAry tô tsika telo fôna hoa no miresaka eto e!
39. fijo ( 25/08/2006 22:28)
ka isika aloha no mahita hevitra dia tohizo e.sady mivelatra tsara ilay ady hevitra izao.
marina mihintsy io voalzan'i wata io.misy olona,mba mila ampiana ,nefa tsy afaka handoa izay sandany.ka eo dia tokony hisy fanampian'ny fiarahamonina azy.amin'ny fitsarana moa dia mba misy ny "aide na assistance juridique" izay raisin'ny fanjakana,fa ny fitsaboaa no tokony mba hitadiavana io karazana fanampiana io.ny fampianarana koa.
40. watafon ( 26/08/2006 07:51)
papounette: tohizo fa ts maninn akia an !
fijo:nefa ny fitsaboana sy ny fampianarana anie no azo lazaina fa ain'ny fampandrosoana e! za mino fa azo atao tsara zany raha tena manana finiavana ny mpitondra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6882