Ny Tempolin'Andriamanitra (Islam)

1. soanja ( 07/07/2006 13:25)
Ny Tranon'Andriamanitra

Toy izao ny tantaran'i Silamo momba ny Ka'aba: Rehefa nandika ny lalan'Andriamanitra i Adam dia noroahina tao anatin'ilay paradisa ka teny antampon- tendrombohitra ny India na Ceylon izy no nianjera. I Adama dia tena lehilahy lava dia lava tokoa ary goavana be (zany hoe toy i Rapeto amin'ny tanataran'i Gasy) mihoatra lavitra ny zavatra misy rehetra eto an-tany izy. Ary rehefa nitsangana teo ambonin'ilay tendrombohitra izy dia henony ny hiran'ny anjely avy lavitra ka nihaino tsara izy. Ary rehefa nahita ny azy ny anjely noho ny alahelon'ny sy ny tolokony dia niantra azy ka nangataka tamin'Andriamanitra ny hanaovana azy ho mitovy habe amin'ny zavatra ety an-tany ka hisy toerana homby azy sy ipetrahany aty. Nanaiky Andriamanitra ka niteny taminy fa anjarany na adidiny ny mitady ny fiketrahan'Andriamanitra eto an-tany. Dia izay no nahatonga an'i Adama nanomboka niriaria nifindra toerana foana (migration). Avy any Asia Minor izy ka hatrany Hejaz. Tany izy no nahita lohasaha iray hodidinina tendrombohitra goavana sy mainty be. Ny fahitany an'io dia mitovy amin'ny oron'ny tany, izay mifanitsy amin'ny mari-boninahitr'Andriamanitra eo amin'ny fiketrahany. Eo ampovoan'ilay lohasaha dia nisy toerana na trano evaeva izay tazomina zavatra mahitsy mitsangana 4 vita amina emerody ary ny tafony dia vita amin'i robia goavana be. Eo ambanin'io dia misy vato fotsy manjelatra sy mamiratra be. Nataon'i Adama ho ao ny toeran'andriamanitra ka rehefa maty izy dia ny iray tamin'ireo zanany no nandevina azy niaraka tamin'io vato io. Aman'arivo taona lasa taty aoriana i Ishmael zanak'i Abraham no nitsangantsangana tany Hejaz. Taona maro taty aorian'ny namangian-drainy azy (satria nisy koa tantara nilaza fa namangy an'i Ishmael zanany i Abraham indray andro) dia nanapakevitra ry zareo fa hanangana tempolin'Andriamanitra. Natoron'ny olona azy ny tempolin'i Adama sy nentin-dry zareo tamim-pahagagana ilay vato niara nilevina tamin'i Adama. Ny tempoly izay natsangandry zareo dia ny Ka'ba- ilay hany ary tena tranon'Andriamanitra.
novalian'i prime ny 31/07/2006 14:22
2. marozevo ( 07/07/2006 14:23)
Hono ho'aho ry Soanja. Ao anaty Coran koa ve io ?
3. soanja ( 07/07/2006 15:09)
Tsia. Muslim Legend io. Ka tao amin'ny "A Mosaic of Mullah and Mosques: Religion and Politics in Iranian Shi'ah Islam" Georges W. Braswell Jr no nakana azy.
4. dadabe ( 07/07/2006 15:41)
Soanja > zah manana ny sarin'i Ka'aba :wink: asehoko anao ve ?
fanampiny kely: ny misy azy io izao dia any Arabia saodita, ary eo @ andrompiainan'ny vahoka silamo dia mino izy ireo fa tokony handalo any @ io toerana io in-1 mandeha ao anatin'ny tantaram-piainany
5. Achia ( 07/07/2006 17:34)
Soanja mamorona ngamba ry zalahy ka otran'ny angano zany le zavatra , mba ampiohary @ lazain'ny baiboly ne io e t@ namoronana an'i Adama sy ny sahin'ny Edena e
6. soanja ( 07/07/2006 18:25)
Dadabe alefaso haingana fa miandry ah. Misaotra mialoha. Mba te ahita an'izany toerana nitsanganan'i Adama izany aho na dia hoe lainga aza fa hafa ihany izany hoe teto hono i Adama no nilevina. Na hoe ity ny fasan-dRapeto.
Achia, sarotra be ny hino an'io saingy dia rehefa miresaka amin'ny Silamo ianao dia mino izy fa marina io. Finoana daholo moa ny zava-drehetra.
7. marozevo ( 07/07/2006 18:38)
Dia ahoana ny lanja (valeur)n'io eo anatrehan'ny Coran ? Mitovy lanja amin'ny Coran ve sa ambony noho ny Coran ? Mbola misy zavatra hafa koa ve mitovitovy amin'io nefa ivelan'ny Coran ?
8. soanja ( 07/07/2006 22:37)
Efa novaliako tary amin'ny havitra hafa tary ilay izy ry Marovezo fa zava-dehibe tena mandanja tokoa amin'ny fiainan'ny Silamo ny mankany mamangy sy mitsidika ary miara mivavaka amin'io toerana io satria isan'ny filamatra iray apetrany amin'ny fiainany io ka araka ny volazan'i dadabe hoe 1 mandeha eo amin'ny fiainan'i Silamo iray dia mila mankany mitsidika an'io izy saingy raha mbola tsy manambola manao izany izy dia afaka mankany amin'ny hafa madinidinika tsy manalavitra ny misy azy. Misy iray ao Mecca dia misy iray ao Medina. Any Iraq koa misy any amin'ny fasan'i Hussein ary ny Shi'ite no mankany. Haj no fiantsoina ny pilgrimage na pelerinage ary Hajji izay olona efa nahavita izany ka voninahitra manokana io amin'i Silamo raha nahavita izany satria toy ny hoe nahazo fahasoavana ambony kokoa. Noho izany dia manan-danja tsy lavitra ny lanjan'i Qur'an io toerana io. Saingy mety tsy hahavoaly hoe iza no ambony raha izany aho fa aleo ry zareo hamaly azy raha afaka izy. Mazotoa indray ary e.
9. dadabe ( 08/07/2006 05:15)
:D:D:D any pakistan ihany koa misy iray any @ fasan'i profeta Mohamed

1)http://www.submission.org/hajj/kaaba.html
2) http://www.al-islam.org/hajj/shariati/11.htm
3)http://www.saudinf.com/main/a832.htm
4)http://www.saudinf.com/main/a84.htm
5)http://www.lcsc.edu/mlevine/Islam/ka'aba.htm

ireto site manaraka ireto no misy ilay sarin'i Ka'aba

6)http://www.al-islam.org/gallery/photos/images_1.htm

10. dadabe ( 08/07/2006 05:19)
http://quran.mangga.com/photo/photo_kaaba.php
11. Achia ( 08/07/2006 05:23)
De inona hono io zavatra eo afovoany io fasana ve sa io zany Tempolin'Andriamanitra zany ?
12. dadabe ( 08/07/2006 05:32)
miala tsiny @ namana fa tsy nety ilay hoe jereo eto dia ireo averiko ireo daholo

http://www.submission.org/hajj/kaaba.html

http://www.saudinf.com/main/a832.htm

http://www.saudinf.com/main/a84.htm

http://www.lcsc.edu/mlevine/Islam/ka'aba.htm

http://www.al-islam.org/gallery/photos/images_1.htm

ireo dia mba amizay ianareo tsy misahirana ny mamerina manoratra intsony e:D

dia mazotoa aary mandinika e 8)
13. dadabe ( 08/07/2006 05:41)
14. dadabe ( 08/07/2006 05:43)
15. dadabe ( 08/07/2006 05:46)
16. dadabe ( 08/07/2006 05:48)
17. dadabe ( 08/07/2006 05:50)
18. dadabe ( 08/07/2006 06:07)
efa nanokatra ihany i Soanja dia aleo hampiana kely

toy izao ny calendrei islamique

http://www.setif.info/forum/index.php?PHPSESSID=7efbf5366e64c855f081f5a2ce15bc8a&topic=218.new
19. jentilisa ( 08/07/2006 06:47)
รด ry dadabe a! fa ahoana e!
20. dadabe ( 08/07/2006 07:27)
fa ahoana ahoana e?? tsy azoko :roll:

"...fantaro ny zavatra rehetra di hazony mafy izay tsara..."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2796