Ny Tempolin'Andriamanitra (Islam)

61. soanja ( 19/07/2006 20:26)
Hay zay vao azoko ny tianao resahina ry Prime. Tsy dia mifanalavitra ny hevitrantsika satria efa predicted tao amin'ny baiboly daholo ny manjo an'i Israel sy ny fianantsika olombelona eto ambonin'ny tany. Ny hany tsy nampitovy azy fotsiny dia efa hatramin'ny Testamenta taloha dia efa nisy ny teny faminaniana taminny hatezeran'Andriamanitra ary tamin'izay Jesoa mbola tsy tonga ary efa hatramin'izay no nisy ny famaizana ary mitohy hatrany. Fa tsy hoe noho ny tantara taty afara. Ny faharava'ny Tempoly impiry tao Jerosalema, ny fiparitahan'ny Jiosy sns dia efa famaizana daholo fa tsy tamin'ny fahatongavan'i Kristy fotsiny ka tsy nino azy ry zareo.
62. prime ( 21/07/2006 07:33)
soanja> marina ny anao kah; :) fa ilay faminaniana hahazo ny jiosy mikasika ny fandavany an'i Kristy mbola nihatra mafy t@ jiosy na dia efa taty aorianan'ny filazantsara aza (araka ny apokalipsy)... Ary boky maro no efa voasoratra fa ny t@ ady lehibe faha2 ireny no kapoka mafy indrindra nahazo azy... Satria na nohandevozina tany egypta sy babylona aza izy ireo taloha mbola tsy nisy an'izany hoe 6 millions de morts répertoriés izany en 10 ans (1939-1949)... :wink:
63. dadabe ( 21/07/2006 11:25)
prime a, somary asio versee kely hoe ity voalanao ity fa mahaliana ahy azafady
Ny fanenjehana kristiana indray dia efa vita faminaniana fa hihamafy noho ny taloha aza... ary ny lazain'ny apokalipsy aza dia hoe tena lian-drà sy faly migoka ny ràn'ny marina sy ny kristiana ary ny martiora mihitsy ilay vehivavy janga... Ka ny manenjika tsy vitan'ny hoe izao tontolo izao (ny silamo ao anatiny) ihany fa na ny fiangonana aza dia misy manao izany...
64. prime ( 28/07/2006 08:49)
dadabe> apokalipsy toko faha 17 iray manontolo (mampibaribary an'ilay vehivavy janga sy ny ranomasina manodidina azy)... voalaza fa ny vehivavy no entina anoharana ny fiangonana ary ranomasina no anoharana ny vahoaka...
65. Achia ( 29/07/2006 04:47)
Iza zany vhv janga zany ry prime kaika misy korely koa zengny voalaza ao @ baiboly a ?
66. prime ( 31/07/2006 14:22)
Achia> aza adino fa ny fiangonana ihany no vita faminaniana fa hivadika amin'Andriamanitra... Ny fijangajangàna ambara toy ny ao @ apokalipsy dia mifototra indrindra @ tsy finoana ka ampirafesana an'Andriamanitra @ sampy na andriamanitra na jesosy sandoka maro efa vita faminaniana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0474