mbola mahafehy ny kolon-tsaintsika ve isika?
1. ralevha
(
04/07/2006 14:53)
maro isika @izao fotoana izao sodokan'ny kolon-tsaaina vahiny.8)
novalian'i naritsimba ny 05/09/2006 09:40
2. sipagasy
(
04/07/2006 15:24)
mmhhh sao dia ny teneneo ihany ny teneninao aza hihih
matoa miditra ato @ ity tranonkala ity dia mandala ny tenin-drazantsika izay, ka tsy efa kolotsaina voatahiry ve ny fifaneraseran-tsika eto???
mba farito aminay hoe aloha aminao ny hoe kolotsaina???

3. dailynews
(
05/07/2006 01:30)
raha ny fahafantarako ny kolotsaina dia tafiditra ao daholo ny fiteny, ny fomba amampanao:ny sakafo ohanina, ny fandraohana izany, ny fety ankalazaina, ny hira henoina, ny dihy....ny fanabeazana ny ankizy.....ny fomba fitafy, .....mety mbola tsy ampy, ampio aho ry reto a
ka izao, raha ny fahitako azy dia ny malagasy mivoaka any ivelany dia tena tsy mahatana izy io loatra , indrindra fa ilay fomba fiteny...i dada sy neny ihany no mba miteny gasy..i dada sy enny aza indraindray tsy miteny intsony..fa vao manana zanak tonga dia io zaza io tsy miteny gasy intsony anefa vao 2e generation.....jereo fotsiny anefa ireo sinoa sy karana ao madagasikara fa ny azy na efa any aminy 10 e generation aza mbola miteny ny teniny tsara, ny antsika ..ilay 1 ere generation aza vao mandalo kely any atanindrazana f anipetrak ana amambolana na taona vitsy tany andafy dia mody tsy mahay teny gasy ranoiray intsony.....
tsy haiko aloha e, tys mbola nahita aho hoe frantsay na sinoa na japoney na tsy haiko niala kely ny taniny dia mody tsy nahay ny teniny intsony ary tsy mbola nahita ihany koa aho hoe ny zanany tys mahay ny teniny ihany koa......
mahafehy ny kolontsainantsika ve isika ?? ny valiny raha amiko dia tsy mahay isika fa mila manao fanahy iniana mihitsy mifehy izany bebe kokoa

5. arson
(
05/07/2006 07:12)
so mba diso toerana io lohahevitra io e!ato anie ka namana vaovao e!
hahahaha to mampiomehy be izy zany ralevha.Mahay mamaky teny gasy nareo sa aona.:-D:-D:-D:-D:-D
aza tezitra fa diso toerana kely fotsiny io e!:?::?:

6. soanja
(
05/07/2006 18:24)
Miezaka mifehy azy isika ka. Anjarantsika no manao izany raha tiantsika tsy ho very ilay izy. Fa raha kosa hoe mihevitra ianao hoe very tanteraka dia diso izany.
Ny fisian'ny olona tsy mandala intsony ny kolontsaintsika kosa dia misimisy ihany tokoa fa aleony ny an'ny hafa hitany mamiratra kokoa angamba.

7. Aino
(
05/07/2006 20:16)
fa inn no tianaolazaina @ izany!! fitafy sa fombafomba isan-andro sa firesa sns?
8. rasah
(
11/07/2006 06:17)
ny fiarovana ny kolotsaina tsy hovry dia ny fiainana an-davanadro ireo zavatra mandrafitra io kolotsaina io toy ny teny ny fomba sy maro hafa
mila fahavononana izany
mila fahavononana izany
9. naritsimba
(
27/07/2006 05:13)
Voafehintsika ny kolontsainantsika fa saingy isika no minia tsy manaja sy tsy manaraka azy fa sodokan\'ny rendrarendra ivelany.
Ny internet ohatra dia anisan\'ny fitaovana iray natao hampitana izany kolontsaina izany saingy dia ampiasaintsika hanaratsiana ny kolontsainantsika indray ilay izy raha vao mba miezaka manazava izany ny hafa.
Raisiko ohatra amin\'izany ny resaka Famadihana, didim-poitra, ala volon-jaza sns...
Firy amintsika izay milaza ho malagasy moa ka lasa niova ho Kristiana no tsy manaratsy ny famadihana, nefa tadidio fa ny zanak\'Israely dia nasaina nitondra ny fatin\'i Josefa rehefa hiala tany Egypta ka hamonjy tany izay nomen\'Andriamanitra azy, moa ve tsy endri-pamadihana izany? Ny fatin\'ny Jesoa rehefa nalevina ka afaka hateloana dia nisy ireo izay saika hanosotra menaka manitra Azy, moa tsy endriky ny famadihana izany? Ny fanaovana didim-poitra na hasoavana ka hanaovana fety, sy ivelezan\'amponga dia isika no manaratsy azy nefa dia tena fety lehibe izany famorana izany ary voalaza ao amin\'ny soratra masina. Koa aza gaga isika izay milaza tena ho Kristiana raha toa ka lazain\'ny olona tsy kristiana fa manompo razam-bazaha, fa isika ihany no manaratsy ny kolontsaina tena malagasy.
Ity no tsarovy:
Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao
Deotoronomia 32:18
Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an\'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
Isaia 51:1
Ireo dia andin-tsoratra masina izay natao sy hahatsiarovana ny Ray aman-dreny efa lasa nodimandry. Izany ve dia midika fa manompo sampy?
Ary nentin\'i Mosesy niaraka taminy ny taolan\'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak\'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala aty miaraka aminareo hianareo.
Eksodosy 13:19
Ny iangaviako antsika izay namana ato na iza na iza dia aza manaratsy na manambany ny kolontsaina anananao fa tsy hampandroso antsika mihitsy ny fanarahana be fahatany ny kolontsaina vahiny, hajao ny kolontsainao fa hampandroso anao.

11. miangalyandria
(
30/07/2006 19:35)
ny teny no mitondra an'io hoy aho, raha ohatra ka solafaka isika eo amin'ny teny dia ento any amin'ny fisainana indray ary e ! ilay resaka fitafy sy ny tariny mantsy hoy aho efa tena gaigy be mihitsy ! ny maro amintsika izao ohatra monina ivelan'i madagasikara dia mbola handeha hanao malabary sy salaka ve ?
ny fanatontoloana koa etsy andaniny efa tena henjana be !

13. soanja
(
01/08/2006 14:03)
Oay Naritsimba, faly be aho fa namaly ianao. Misaotra betsaka. Ny tiako hanampiana ahy ry Naritsimba dia mikabary foana aho any Mada rehefa manokatra fivoriana na manomboka asa iray ka manoloatra azy eo amin'ny fokonolona sns. Koa mba ampianaro aho raha mety ianao ny hoe Ahoana ny fomba fandaminana ny teny fanolorana amin'ny fomba gasy tsotra.
Fiarabana
Fisaorana ve avy eo?
Fialantsiny. Inona avy no resahina amin'io fialantsiny io?
Fampidirana ilay resaka
Fisaorana
Fanaovam-beloma.
raha misy fombafomba ilay tanana ohatra fanomezana akoho, toaka ny Mpanjaka sns inona no tokony resahiko ary aiza amin'ireo lahatra nomeko ireo. Ary raha tsy misotro toaka aho dia inon ano tokony hataoko? Raha misy hoe iza no ambony amin'ilay tanana (Mpanjaka, lehiben'ny fokontany na Maire sns) dia iza no tokony hisaorako voalohanay.
Ampio re aho Naritsimba fa tena sahirana be mihitsy amin'ireo. Misaotra indrindra. Soanja.

15. soanja
(
02/08/2006 00:16)
Tena ao anatin'ny aizina mihitsy aho raha resaka kabary ka. Inona tokoa kay ny mandeha aloha? Ny ahy mantsy hatramin'izay dia atotaoko any fotsiny dia rehefa mihaino an'ilay izy amin'ny video/tele aho dia menatra fotsiny na mahazo tsiny fa tsy mba nianatra nefa Gasy. Dia aleoko amin'izay mandray antsoroka ny raharaha. Hianatra aho ka hianatra.
16. miangalyandria
(
02/08/2006 05:16)
tsy ny olona rehetra anie ry soanja no mikabary ! angaha moa raha hoe malagasy dia tsy maintsy mahay mikabary daholo, talenta iny hoy aho ! izay no mahatonga azy mila ianarana angamba hoy aho sy mahalafo ny vola omena ny mpikabary !!! mazotoa na izany aza e !
17. naritsimba
(
02/08/2006 08:09)
miangalyandria> zà tsy mba mitonona karama rehefa mikabary fa izay omen'ny olona dia izay, raha mitady mpikabary ianao dia izahay tsy mitonona karama hatramin'izay, fa raha misy frais dia iny no iantohana, raha sendra tena tsy manana ilay olona dia tsy ataonay sakana mihitsy izany resa-bola izany.
soanja> @ fotoana ahatongavanao aty Madagasikara dia azoko atao tsara ny mampianatra anao ao anatin'ny fotoana fohy raha tsy saro-kenatra ianao.

18. soanja
(
02/08/2006 08:57)
naritsimba:

Misaotra indrindra Naritsimba a, Tsy saro-kenatra aho ka indrindra raha zavatra tena ilaiko ny fahaizana azy. Tena vonona mihitsy aho ka rehefa manakany aho dia andefasako mail ianao. :-*:-*:-*
19. prime
(
02/08/2006 11:15)
Naritsimba> Te hitondra fanamarihana mikasika ny lazainao... Ny olombelona nomena saina handinika... Ary na ny Malagasy aza dia nampianarina hoe "ny mamy atelina, ny mangidy aloa..."
Amiko ny tena mahamalagasy dia ny tenantsika sy ny mahaisika antsika teratany malagasy, dia izay vao manamafy izany ny teny, ny firenena, ny sainam-pirenena, ny hiram-pirenena, ny kolon-tsaina, ny fivavahana, ny fifandraisana, ny rafi-piaraha-monina... Ka tsy ny mahakristiana velively no sakana tsy mahamalagasy... ny fivavahana kristiana anie tsy kolon-tsaina velively e! fa lalana "tery" (hoy ny Tompo izay) sy tokana mankany amin'Andriamanitra... Ka izay mahasoa ny tena dia azo raisina ary izay tsy mahasoa dia ariana... efa hitanao izao ve fa lalana mankany an-davaka dia hoe satria mahamalagasy dia tandrovina??? hatreo aloha fa sao lava loatra...

20. miangalyandria
(
02/08/2006 20:13)
tsy azoko ny tianao ho tenenina ry prime :( dia rehefa miteny mikasika ny culture et mentalité judéo-chrétiennes zany dia ....
ampio kely hoe
ampio kely hoe