mbola mahafehy ny kolon-tsaintsika ve isika?

41. miangalyandria ( 17/08/2006 20:25)
Io anie naritsimba na inona ataontsika eo na inona dia tsy maintsy hisy foana ny fanakianana sy ny tsininy kely e, ny fahaizantsika mandanjalanja no tena mila atao mafy orina, tsy hirona hanara-drenirano nefa koa tsy hanosika ny hafa satria araka ilay noteneniko teo hoe mila misokatra amin'ny hafa foana raha tiana ny hahita zavatra. Ny zavatra ataon'ny hafa tsy voatery hoe ho tsara foana, eo no ilana an'ilay mafy satria mba tsy haka tahaka fotsiny. Ny Top 16 dia aza adino mihitsy fa miraika aminy ilay hoe "2" dia ny olana dia rehefa hira amin'ny teny frantsay no nohirain'ilay nandresy dia ho avy indray isika hanao hoe : "fa dia maninona no hira teny vahiny no nandresy fa angaha tsy misy dikany ny hira amin'ny teny malagasy ?" Efa nisy io tranga io nefa ilay fifaninana ka dia tsy maintsy misy iray mandresy foana :°)! dia izay :)
42. Herimiafina ( 17/08/2006 20:30)
Farito tsara le hoe kolontsaina vao afaka hiteny zah hoe inona no voafehiko inona no tsy voafehiko.
fa raha ny marina manbtsy hatramin'ny fomba fisotroana toaka dai efa kolontsaina, ka mino marimarina zah fa ny bandy akama dia efa manome kely ny razana ery anjorofirarazana foana raha vao hisotro! :wink:
43. miangalyandria ( 17/08/2006 21:19)
hihihi HM ié koa ny fetin'ny beaujolais nouveau zao ao anatin'ny sivilizasiona frantsay ka nahoana ny taoka gasy sy ilay fanomezana ny razana moa no tsy ho ao anatin'ny antsika ! saingy eo izao dia misy tsy tia izay satria mifandraika amin'ny razana sy ny tariny ka ... nefa ny razana koa sy izay mikasika azy dia isan'ny fototry ny kolontsaina malagasy :)
44. Herimiafina ( 17/08/2006 21:30)
Ohtra fotsiny ihany anefa io fa raha ny kolontsaina rehetra dia mila jerena hoe inona sy inona avy no tokony ho fehezina.
Raha hiteny kolontsaina ankapobeny mantsy dia ny ory hava-manana dai azoko raisina ho anisany, tsy miteny aho na tsara na ratsy! :roll:
45. naritsimba ( 21/08/2006 05:57)
salama daholo eh!
Anjaran\'ny tsirairay no mijery izay kolontsaina mety aminy sy mifanaraka @ sainy.
Ny zava-misy ange dia hoe ratsy daholo rehefa kolontsaina malagasy e, imehezan\'ny sasany ny fanaovana didim-poitra ka mively aponga sy maka rano mahery. Odiana tsy hita na tena tsy rarahiana intsony mihitsy ny fanateram-bodiondry eo @ fanambadiana, ny fanaovana ny hala volon-jaza sy ireo fomba amam-panao izay tena mampiseho ny RIBA tena Malagasy.
Andosiran\'ny sasany ary tsy jereny akory ny olona raha manao Malabary ary misy aza ny sahy maneso mihitsy. Izaho manokana dia nisy fotoana nanao malabary t@ fifampiarahabana tratry ny taona tato am-piasana, dia gaga ny olona ary nihevitra fa tsy hahazo hanatrika izany aho, kanjo ny nifanohitra tamin\'izay no niseho fa ny Ministra mihitsy no nangataka ny hiara haka sary tamiko. koa dia asakasak\'izay manaratsy na manambany ny maha malagasy azy ihany e!
46. xxx ( 22/08/2006 09:45)
Tsy hoe manisy sira aho fa nanao mariazy ny zandriko dia malabary no akanjon'ny garçons d'honneur dia i neny nanao akanjo malagasy sy nitafy lamba dia nisy olona mihomehy tokoa fa nisy dia niteny hoe hay mba tsara fa mivoaka amin'ny mahazatra no sady tena malagasy ! Izaho anefa nahita hoe sady tsy nandany vola ilay izy no mihaja be.
47. naritsimba ( 22/08/2006 10:04)
xxx> marina mihitsy izany, sady tsy lafo nefa tena tsara.
48. prime ( 24/08/2006 10:55)
xxx> =D
HM> In no lafitsaran'ny ory hava-manana?:lol:
naritsimba> Mitovy hevitra aminao aho fa adala no tsy tia ny azy, fa mba diso kosa lehiretsy ny fitenenana hoe ratsy daholo rehefa kolon-tsaina malagasy... ireo lazainareo rehetra ireo anie izao mbola ilay resaka "rituels" ny ankamaroany e... fa ny kolon-tsaina malagasy dia nanana rafitra (structure) koa... kanefa toa hodian'ny mpandinika sy ny mpahay tantara tsy hita...
49. naritsimba ( 25/08/2006 07:14)
prime> ny mphay tantara sy ny mpandinika dia miresaka rafitra mihitsy, fa isika no tsy miraharaha ilay izy ange e! sady tsy mihaino satria tsy takatry ny ankamaroan'ny olona ilay izy, eo ihany koa ireo miezaka ny tsy hiraharaha mihitsy satria maneritery azy ilay rafitra (structure).
50. prime ( 25/08/2006 11:39)
Eo indrindra isika, nefa io rafitra nahamalagasy antsika io no fototra nitovo ny hanitra tena naha isika antsika...
51. naritsimba ( 28/08/2006 04:34)
prime> ka izay mihitsy ilay izy, raisiko ohatra fotsiny ity : tsy mahazo mampiakatra sotro alohan'ny ray aman-dreny rehefa misakafo. Mba firy amin'tsika moa ankehitriny no mahavita manaja an'izany? Ohatra ihany io nefa dia izay ilay rafitra tena naha malagasy ny malagasy, indrindra ny fanajana ireo zoky sy ray aman-dreny.

52. miangalyandria ( 29/08/2006 23:01)
naritsimba : io resaka fanajana tenenin'i naritsimba io indray dia ilay resaka safidy hanaraka sy hiaro ny taranany toy ny akondro sa ho iray nefa mandrakizay no nanazavan'ny dadabeko azy taloha. Marina hoy izy fa fanajana ny zoky ray aman-dreny ny famelana azy hampiakatra sotro aloha fa misy fahendrena iray koa fonosin'io : raha izy no mihinana aloha ka raha sanatria misy poizina ny sakafo dia izy no lasa aloha ary tsara izay hoy izy satria izy efa lava andro niainana fa ianao mbola tanora ka mbola mila mahita zavatra maro. Mety hoe izay koa anefa ny fomba hitany hoe hanajanay kokoa an'ilay fahendrena malagasy nefa mbola hita ihany hoe hendry izy sa fetsy raha izay no tanjony hihihi :?::idea::-D:-D
53. naritsimba ( 30/08/2006 05:29)
Raha io lazain'ise io ry miangalyandria dia tanteraka tokoa ilay hoe mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany, sa ahoana hoy ise.
fitiavana no anton'izany ary dia tsara ilay foto-pisainana malagasy na inona dikany na inona handraisana azy fa tsy hoe ny lafiny ratsy hatrany no jerena.
Mahafinaritra ange ny kolontsaina malagasy raha mahay manaja sy mahafehy azy eh!
54. miangalyandria ( 30/08/2006 16:50)
mbola misy iray hafa izay aza fa andraso amin'ny manaraka teneniko fa sahirana kely aho anio fa marina ny tenin'ise ry naritsimba a, fitiavana ilay izy sady safidy koa ny azy e dia izay fa na izany aza fetsy ihany dadabe ka :-D:-D
55. naritsimba ( 31/08/2006 05:32)
hafetsena mahatsara ny hafa izany fa tsy hafetsena hanimba ny hafa akory.
56. miangalyandria ( 02/09/2006 10:42)
:-D:-P
57. naritsimba ( 05/09/2006 09:40)
:idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1872