mbola mahafehy ny kolon-tsaintsika ve isika?

21. naritsimba ( 04/08/2006 07:54)
prime> ekeko ireo zavatra lazainao ireo, fa ny tsy tsapantsika ange dia hoe: tsy ny kolontsaina vahiny mihitsy no hampandroso antsika e! jereo koa ange fa ny maha maika antsika dia ny hangala tahaka be fahatany fotsiny ny kolontsaina entin'ny vahiny tahaka ny fitafy, fiteny @ tenim-pirenena hafa sns...
Izany tsy midika fa hoe hiverina hisalaka indray akory.
22. Herimiafina ( 05/08/2006 14:26)
Ny kolontsaian anie tsy mila fehezina e, tokony hipetraka ho azy! :}
23. naritsimba ( 07/08/2006 03:33)
herimiafina> mila fehezina ny kolontsaina ka, raha tsy izany dia mivaona @ tokony ho izy dia manjary lasa manaonao foana.
24. miangalyandria ( 07/08/2006 13:16)
raha fehezina loatra sao manjary manempotra indray koa !
25. naritsimba ( 08/08/2006 07:10)
anjarantsika ange no mandanjalanja ry miangalyrandria e, zay no tsy anaovanaovana foana.
26. miangalyandria ( 08/08/2006 17:01)
Ka izay indrindra mantsy raha tsy lanjalanjaina ny fitondrana ny kolotsaina dia manjary lasa malagasy mahery fihetsika ny sasany ka izay rehetra tsy mitovy amin'ny zavatra eritreretiny dia heveriny fa diso daholo. Izay ilay tiako tenenina amin'ilay hoe sao manjary manempotra.
27. soanja ( 09/08/2006 03:15)
Miankina amin'ny olona tsi-1-1 io fitiavana hamehy ny kolontsaina io ka. Ao ny tena fatram-pandala, ao ny atonotonona ary ao tsy miraharaha mihitsy. Tsy misy ifanomezantsiny.
Zah aloha mahita fa efa taty an-dafy aho vao nahatspa fa mamiko ny ahy ary kajiako.
28. naritsimba ( 09/08/2006 06:08)
soanja> marina zany!

maro ange ny malagasy miaina sy mipetraka any am-pita fa dia tena maro no sahy miteny fa tsy gasy tsony ary hadino hatramin'ny faran'ny kely indrindra dia ny fiteniny.

Fahenoko matetika ny hoe Gasy Vao Tonga, tahaka ny maha menatra ny mifampiarahaba rehefa mifankahita samy malagasy (france no malaza @ io) asa re fa ahoana?

nefa ange ka tena fomba malagasy ny mifanatsafa fahasalamana sy ny mirary soa rehefa mifankahita e! anisan'ny kolontsaina goavana be io fa saingy dia sahin'ny sasany tsy tanterahana.

Hafa ihany ny eto an-tanindrazana
29. miangalyandria ( 09/08/2006 17:49)
tsara ny eto an-tanindrazana hoy aho fa ilaina koa ny mijery ny hafa satria amin'izay hitanao kokoa hoe inona no mahatsara ny ahy ary inona no mbola azoko ampiana aminy mba hahatomombana kokoa ny fifandraisako amin'ny hafa. Nosy isika, ny olona tsirairay koa toy izay : mila mifandray amin'ny hafa raha ohatra ka :-*
30. naritsimba ( 11/08/2006 10:51)
miangalyandria> mila mifandray @ hafa izany hoe manaja ny kolotsainy, fa tsy hoe manaova ny kolontsainy dia haratsio ny an'ny tena.
31. miangalyandria ( 11/08/2006 11:33)
fa izaho angaha moa miteny hoe manaratsy ny an'ny tena e ! ny mifanohitra amin'izay aza io teneniko io : " mijery ny hafa satria amin'izay hitanao kokoa hoe inona no mahatsara ny ahy !"
32. prime ( 11/08/2006 11:54)
miangalyandria> ny tiako lazaina dia hoe ny kolon-tsaina dia tokony iainana tokoa no sady ianarana sy fantarina ary ampitaina koa aza...
fa te-hampiditra fotsiny aho hoe, ny tena kolon-tsaina vongana sy mivaingana tena mahamalagasy dia ilay vatan-tena mihitsy, izaho sy ianao, fa na hiozona @ lanitra sy ny tany aza hoe tsy gasy aho dia lainga izany...
ny tiako lazaina manaraka dia ny hoe, ny mahamalagasy, tsy ary tsara avokoa fa anjaran'ny tsi11 no mamantatra ny mahasoa azy ka na hita izao aza hoe kolon-tsaina rehefa hanary any an-davaka dia tokony ialàna...
naritsimba> tsy hoe hiverina hisalaka kosa aloha e... fa ny fomba ivelany ireo ambaranao ireo fa ny ny tena kolon-tsaina gasy mifandraika @ fanahy no tena raharaha...
ao ohatra ny kolon-tsaina mikasika ny fihavanana lazaina mahaisika antsika, nefa "ory hava-manana" izay tena tsy mampandroso ny gasy fa izay tafita tokony tohanana bebe kokoa aza mbola ho lasa lavitra dia sintonina hiverina fa hoe "aza maika ny hoeny aloha fa kodiaran-tsarety ny fiainana", ao ohatra ny kolon-tsaina mikasika ny "vorika", lazaina ho fiarovam-pahasoavana sy fitahiana, nefa fampietrena ny mpianakavy mitady hisongona, ao ohatra ny kolon-tsaina mikasika ny famadihana, lazaina ho fanamafisana orina ny fihavanana sy ny fifankatiavana, nefa ny fangataham-pitahiana @ razana sy ny lalao ody sy sikidy ary ny fanandroana no hery mamatotra odian-tsy jerena...
33. Herimiafina ( 13/08/2006 19:18)
Aleo marina fehezina ihany fa ny Peace Corp volunteers aza ve mahafehy azy noho isika klé! :^)
34. naritsimba ( 14/08/2006 04:19)
prime> marina mihitsy io fitenenana ampiasain'ise io hoe ory hava-manana, ao tokoa no tsy faly @ fahatafitan'ny hafa ka misarika azy hidina indray.

Misy tokoa ny malagasy dia tena milalao ody mba hamelezana ny hafa, aoka anefa ho tsapantsika fa na ny vahiny aza izany hoe ireo avy any ivelany dia mampiasa ny fanafody (foto-teny : ODY / Medicament). Raha ampiasaintsika entina hanasitranana ny teny lazaintsikana hoe ODY fa tsy hanaovan-dratsy dia izay no tena tsara, fa raha entina hanaovan-dratsy izy dia tsy misy ilana azy.
Jereo tsara ange fa ny tapa-kazo izay nampiasain'ireo ntaolo teo aloha nanasitranana, dia nahodin'ireo vahiny ho lasa tsindrona na pilina dia amidiny lafo amintsika, nefa firy @ tsika malagasy moa no tena sahy manaratsy ankitsirano izao fa raha vao resaka tambavy na tapa-kazo dia lazaintsika fa ratsy?
Izaho manokana aloha dia tsoriko fa dia MAMADIKA e, fa saingy tsy voatery ho isaky ny fito taona na dimy taona tahaka an'ireo izay manao io fomba io, fa ny ahy dia tsotra raha manana ny ho enti-manana ianao ka te hilanonana, ka famadihana no entina hifaliana hanasanao ny tapaka sy namana, ny havana aman-tsakaiza dia ataovy fa raha entinao hanerena ny tsy manana kosa dia tsy eken'ny saiko sy ny eritreritro. Tahaka ny hoe, manao arosage io ka inona moa no maharatsy izany raha manana ny ho enti-manana ka mba fonosina lamba ireo ray aman-dreny teo aloha? toy izay laniana any @ BAR sy entina handihy, @ ity mantsy mba voky ny tsy manana no vita ny adidy sa ahoana?
izay indray aloha fa sao lava loatra.
35. soanja ( 14/08/2006 12:51)
Naritsimba a, soa fa misy anao-*:-*:-* eto.
36. naritsimba ( 16/08/2006 08:31)
soanja> Inona moa no antony hanaratsiana ny kolontsain'ny tena? @ izao fotoana izao dia malaza ny Pazzapa nefa mahagaga fa raha ny Hira gasy no hifaninanana dia tsy mahataitra ny olona, ny kolontsaintsika ange dia misy sahy manao valalan'amboa ka na ny tompony aza tsy tia e,
Dia anjaran'ny tsirairay no mandinika e!
37. soanja ( 17/08/2006 03:28)
Ka ny pazzapa koa anie dia hira Malagasy ary tafiditra ho kolontsainantsika Malagasy na dia nangalatahaka ny an'ny vazah aza isika tamin'io ( akoatr'ilay tsy tena arako foana ilay tonony " Tsikitsiky lava" satria misy teny Anglisy tena tsy azoko mihitsy amin'ilay izy).
Ny tiako resahina dia hoe "Tano ny azo fa sarotra ny mila". Ny fangalahan-tahaka ny an'ny hafa no hitako betsaka amin'ny kolotsaina taty afara. Atao ahoana fa izay ilay fivoarana tadiavintsika angambany.
Raha ny ahy aloha dia aleo indramiko ny fehezan-tenin'olona iray tsy tadidiko hoe "Ny ahy tiaviko ny an'ny olona feheziko" momban'ny teny io. Ka tafiditra amin'ny teny ny Kabary sa ahoana hoy i Naritsimba? Raha zah aloha lehibe tao Tana tao nataoko masaka mihitsy ity fiteny Malagasy ofisialy sy ny kabary ity.
38. miangalyandria ( 17/08/2006 07:33)
Misy marina aloha ny zavatra tenenin'i naritsimba e, tsy mandiso aho. Ohatra fotsiny hoe eto amin'ny serasera raha hitsimpona ny tsipelina diso eto ianao dia ho hitanao fa dia azo raofina amin'ny sobika mihitsy ilay izy. Misy amin'izy ireny atao fanahy iniana satria toy ny kilalao ilay izy, tsy ho an'ny teny malagasy ihany iny fa ho an'ny teny rehetra ampiasana, ny sasany indray moa dia tena ankizy hita mihitsy hoe tsy mahafehy an'ilay teny sy tsipelina malagasy. Io antony iray io no antony mahatonga ahy handefitra sy hilefitra eto amin'ny serasera satria aleoko ry zareo mampiasa sy mamaky teny malagasy na dia diso aza ny zavatra soratany toy izay mijery aza tsy mahay mihitsy. Izaho no miezaka hanoratra marina mba hahitan'izy ireo tsipelina manaraka ny fitsipi-pitenenana malagasy. Ny diso fanoratra fa diso bokotra tsy nisaiko an :-P
39. naritsimba ( 17/08/2006 10:49)
miangalyandria> soanja> izay no tena mahavariana fa voalohany isika raha hala-tahaka fa raha io pazzapa io ange no atao tahaka ny Top 16 izany hoe tena hira noforonin'ilay olona mihitsy no hirainy dia izay no tena hafa. sa ahoana hoy ianareo?
40. prime ( 17/08/2006 11:58)
naritsimba> mitovy hevitra aminao aho raha ny hoe inona no kolon-tsaina malagasy tokony hazonina satria mampandroso dia tsy maninona...
Miresaka ody isika tao ambony tao, fa tena ratsy io, ary hery entina iadiana aminy no atao hoe fanafana ody na fitsaboana ny aretina vokatry ny ody ka nohafohezina hoe "fanafody"... Raha ny tsy fahaizantsika niaro ny kolon-tsaina teo @ lafiny fitsaboana dia marina tokoa ny anao... fa nisy lanja hafa mantsy nanosika antsika tsy maintsy mankato ny fanafody vahiny ka hanafoanana mihitsy aza ny fanafody malagasy (vita @ ravin-kazo)... rehefa nahantra isika dia anisan'ny fepetra takiana amin'ny mpindram-bola izany...
Mikasika ny famadihana, raha tena izany tokoa no foto-kevitra ijoroan'ny famadihana dia tena tsara, fa misy antony ara-pinoana ao ambadika, ka ianao no mety mandray azy toa an'io fa ireo fianakaviana manatrika rehetra, izaho milaza aminao fa maro no manararaotra @ ireny mba handraisana fitahiana, na dia avy @ ilay ray aman-dreny be fonosina fotsiny aza... Ary eo no mahasarotra azy satria ianao mety tsy mino izany, fa ny 99% ny olona manatrika eo tsy azo ferana ho voafitaka @ izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.937