Franc macon

1. Solitikabe ( 27/06/2006 23:29)
Ia no mba mahalala ny mikasikasy an'io? Andao indray io no hadihadiana eh
Iza marina no hiafenan'ny mpikatroka ao anatiny?
novalian'i Achia ny 12/08/2006 06:02
2. majesty ( 28/06/2006 03:38)
raha ny fahafantarako azy de anisan'ireo olona mpitondra fanjakana ambony sy manam-boninahitra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no mpikambana ao amin'izy io,nisy nilaza fahiny i François mitterand,Didier Ratsiraka,George Bush ...sns dia mpikambana ao amin'io antokom-pinoana angamba no azo ilazana azy io,dia zay no mba fantatro!
3. xxx ( 28/06/2006 05:28)
nilozany toetrandro!
FRANC: neny olona zao efa EURO sy DOLARA
ma-CON: mba honnete kosa ry zala miteny oe CON!
:-D:-D:-D:-D
4. Fiffi ( 28/06/2006 05:37)

Tsara angamba aloha ny hahafantarana hoe inona no hatao hoe "Franc macon"
Ny fahafantarako azy aloha de "SECTE" io .

-Fanompampivavahana amin'i satana , magie noire ,famadihana ny baiboly , fanosorampotaka an'Andriamanitra , izay no hahafantarako an'io.

-Secte ny Francs macons ary mifandray tendro amin'ny satanisme sy ny gnotisme . De ny fihantsohana azy de ny hoe "ORDRE" sahalan'ny "ordre du temple solaire" ohatra. http://perso.orange.fr/glrf/rejoindre.htm
5. booboo ( 28/06/2006 05:44)
F'angaha tsy misy branches 2 ny francs-maçons ? dia ilay iraika tsy miankina @ antokom-pinoana fa mandray zay te-hiditra ao fotsiny rehefa manana parrain( tsy tadidiko ny fiantson-dreo azy ).

Bof, tsy mahagaga ahy raha mpikambana @ io raha io aby ny ankamaroan'ny manam-pahefana eto an-tany raha ny karazana raha hivoriana sy iadiana hevitra ary tapahina ao isaka zay mivory ny loges.



6. prime ( 28/06/2006 07:22)
Fiffi> izaho koa mitovy hevitra @ Fiffi fa tena "zava-doza" no ao ambadik'io...:?
7. dadabe ( 28/06/2006 08:42)
resaka efa lava be nataoko sy ny namako rhevinilsen t@ taondasa ity ary be ny tsy nahazaka , satria misy zavamiafina hipotsaka ao

ohatra
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 28-06-2006 10:37:03
Lohateny : Re : Franc macon

Tsara angamba aloha ny hahafantarana hoe inona no hatao hoe "Franc macon"
Ny fahafantarako azy aloha de "SECTE" io .

-Fanompampivavahana amin'i satana , magie noire ,famadihana ny baiboly , fanosorampotaka an'Andriamanitra , izay no hahafantarako an'io.

-Secte ny Francs macons ary mifandray tendro amin'ny satanisme sy ny gnotisme . De ny fihantsohana azy de ny hoe "ORDRE" sahalan'ny "ordre du temple solaire" ohatra.

marina tanteraka io fa saingy
Mpandefa : majesty [ Valio ] 28-06-2006 08:38:40
Lohateny : Re : Franc macon
raha ny fahafantarako azy de anisan'ireo olona mpitondra fanjakana ambony sy manam-boninahitra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no mpikambana ao amin'izy io,nisy nilaza fahiny i François mitterand,Didier Ratsiraka,George Bush

tsy ampy io satria na ny mpitondra @ izao fotoana izao aza ao anatiny koa:roll:
humm MAMAMIA aza hitako ka hisy tsy ahazaka indray , zah tsy te hanome site sy porofo fa aleo hijanona @ hoe ao anatiny izy , sady zah tsy dia handalo eto firy fa sao hisy hamono eo zah kle :wink:
8. Fiffi ( 28/06/2006 09:02)
dadabe: ahoana koa zany hoe hisy hamono eto enao ? Hanaovanay tambabe raha misy manao an'izany an! :-D

booboo: " Pour entrer dans l'Ordre, il est d'abord indispensable de faire acte de candidature écrite.
D'être parrainé par deux membres, et d'avoir 21 ans.
Il est nécessaire d'être libre de ses propres choix sans être inféodé à qui que ce soit.
Dès lors que la candidature est retenue, des enquêtes suivent, puis la loge prend sa décision. "


Izay no maha SECTE azy.
9. rabaradaka ( 28/06/2006 09:50)
Taminay mbola kely de hoe mpaka fo ireny franc macon ireny. Mbola marina ve zany zao ry reto a !
10. prime ( 28/06/2006 10:15)
dadabe> izaho mahafantatra koa fa ao anatiny ny "sasany"... @ mpitondra!!! tena marina io... ny mahazava-doza azy dia ny fototry ny fiainan'ny mpikambana mihitsy no avadik'io fikambanana io dia miafara @ réligion ilay idéologie any @ farany... :-w
11. Rafotsy ( 28/06/2006 11:45)
Tamin'ireny évènements 2002 ireny koa no nahafantarako kay be ny gasy no isany ! Tsy hoe ireo efa ambony , fa na mbola eo ho eo aza kanefa hitany fa misy potentiel !
Zah moa tsy nisalasala nanontany hoe : f'angaha koa ianao ... , eny no valiny kanefa izy ireo dia miresaka fivavahana kristiana !
12. prime ( 28/06/2006 13:03)
Lava be ny rantsan'io fikambanana io tokoa aloha an. ary efa miitatra any @ mpandraharaha izao izy fa tsy mijanona @ ireo mpanao politika sy mpikaroka fotsiny...
13. majesty ( 28/06/2006 13:12)
dadabe:nen'i mompera ty zany hoe mistery zany ry zanako :D
14. marozevo ( 28/06/2006 20:58)
dadabe > Tsy olana rangah fa omeo ilay site ah...
15. lapino ( 28/06/2006 21:27)
Raha ny zavatra fantatro dia hoe fikambanana miafina ny franc maçon. Vao hoe miafina izy dia efa hafahafa amiko sahady satria:
- ahoana no hahalalana raha ara-dalàna io?
- ahoana no hahalalana izay marina sy diso momba azy raha izy aza miafina?

Ny zavatra fantatra anefa dia hoe, raha manao ny tsara io fikambanana io dia tsy misy tokony hiafenany. Noho izany za mihevitra fa zavatra ratsy no ao.
16. dadabe ( 29/06/2006 01:21)
yee marina izany ry lapino


fehiny : ny fikambanana franc macon dia manaiky ny fangataham-pitahiana avy @ ilay mpanao magie egyptianina efa maty ela be , na ny filoha amerikana -frantsay -malagasy ets...dia manaiky an'io avokoa http://www.eglisedemaison.be/dossiers/dossiers.php?id_dossier=125

...tsy tokony ahagaga ahy sy ianao raha toa ka tany senegal no nataon-dratsiraka ny fanoloram-pahefana feno hitondra ny tany sy ny fankjakana an'i marc ravalomanana ,teo anatrehan'ny filohan'ny franc macon afrika

...sarotra inona , satria vitsy ny olona mahatakatra ny misiterin'ny tontolo tsy hita maso , tsy ny olombelona rehetra no mahalala ny zava-miafina fa izay mahay manetry tena sy mangataka fanomezam-pahasoavana amin'Andriamanitra lehibe

ampahany ihany io fa mbola omeko ny manaraka
17. prime ( 29/06/2006 12:04)
dadabe> mitovy hevitra aminao tanteraka ny tenanay...:-P
18. Fiffi ( 29/06/2006 13:43)
grave zany an!
19. Solitikabe ( 29/06/2006 23:12)
Ny ahy aloha ny tantaran\'ilay dadabeko izay no hitondrako azy eh
Io dadabeko io, raha ny marina dia mpamily fiaran\'ny vahaza mpanjanaka taloha.
\"Taloha rankizy an dia ny mpamosavy, ny mpimasy sy ny mpisikidy ary ny mpanao mazy no mpanolotsaina sy mpanamari-teny ny mpanjaka nisy eran\'ny tany. Ary tsy nisy toerana tsy an\'io na taiza tany nisy fitondrana na taiza. Fa ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Rehefa tonga anefa ny fivavahana Kristianina ary niha-nahazo hery dia nohenjehina sy ny novonoina ary nodorona ireny mpitahy ny mpanjaka sy ny fanjakana tamin\'izany ireny. Fa dia niova ho Kardinaly no mpitahy ny mpanjaka sy ny mpitondra. Tsy dia maty daholo akory ny mpisikidy, na ny mpanao mazy, na ny mpimasy tamin\'ny androny, fa nisy ireo nody nivadika ho kristianina, na olon-tsotra, nefa mbola nanohy miafina ireo asa tsy vitan\'ny namany teo aloha, ary mivavaka mangina ny hamaly faty amin\'ny fotoan\'androny. Ary taty aoriana dia nikambana tsikelikely ry zareo ary dia manao fihaonana mangingina. Maro amin\'ireo no mandeha any ampiangonana, saingy mijery ny fomba handrodanana ny fiangonana no antony. Dia ireo no franc macon. Ny dikan\'ny trano tsy vita amin\'ny marika sasany dia filaza hoe mitohy ny fananganana, na hoe mitohy ny tolona\"
Ohatran\'izay no filazan\'ilay dadabenay an\'io Franc Macon io. Ny hoe misy bibiolona. Dia nilaza izy hoe \"Fantatro aloha fa ry zareo dia maka biby iray ataony ohatran\'ny hoe famantarana na marika ho an-dry zareo mpiaraka manokana, ary tena hajaina io biby io, ary misy mpikarakara mihintsy. Ary dia tahafina ny toetran\'ilay biby amin\'ny fikambanana sasany. Trano fivoriana moa taloha dia tao Mantasoa tao amin\'ny lise teknika, Radio Nederland, ny Fiangonana Adventista Faravohitra amin\'izao fotoana, fa taloha io an, ary La malmaison\"
Ireo izany no mba notanteriko teto amin\'ny anjara birikiko eh
20. dadabe ( 30/06/2006 04:59)
:roll::roll::roll: betsaka indray izao no hilaza fa angano sy hono hono ity

hehehe vita marina ny anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4438