Misy fiangarana ny fiainana mba marina !!!
63. elsami
(
27/07/2006 10:55)
Raha jerena maimaika ny teny hoe fiangarana dia azo lazaina hoe misy zara mitanila ao, izany hoe raha misy olona 2 nozaraina zavatra 1 dia ny iray nahazo anjara bebe kokoa noho ny 1 izany hoe tsy avy @ ny olona hozaraina mihintsy ny hevitra fa avy amin'ilay mpizara. Noho izany isika rehetra dia mipetraka eo amin'ilay hozaraina ary Andriamanitra no tompo-marika amin'ny fizarana , ka sarotra ihany ny hilaza fa nanao zara-vilana izy satria aminy dia zava-boahariny daholo isika ary tsy tiany marin-drano avokoa. Raha mandray ohatra aho ny Malagasy dia anisan'ireo firenena mahantra indrindra eran-tany @ izao fotoana izao io anefa tsy ampy hilazana fa niangarana isika, fa raha mijery fotsiny raha ny filaminana ankapobeny dia Nosy anisan'izay milamina isika, firenena anisan'izay manana harena voajanahary izay tsiriritinireo firenena any ivelany ary ry zareo reo kosa hilaza fa firenena niangarana koa isika, noho izany raha fiainana noresahina tsy dia mitombina loatra ny hoe "misy ny fiangarana" ary tsy azo anankinana ny fiainana mihintsy izany fa ny mety angamba dia hoe mba liste-o daholo ny zavatra tsara eo aminao di amba ampitahao @ manodidina fa ho tsapanao fa toa mba niangarana koa hianao na dia io fahavelomanao ny fahasalamanao io,tsy ny fananana harena ihany no tena fiainana fa na dia ny filaminan-tsaina fotsiny aza dia efa zava-dehibe. Koa dia mankahery antsika fa fiainana daholo izany.Hoy Joba hoe : Tsy ny soa ihany no raisiko avy amin'Andriamanitra fa ny ratsy koa . Mahereza e!:D
64. prime
(
02/08/2006 11:34)
midjoh> tsy misy fiangarana ny fiainana fa samy manana ny anjarany io...
