Ny Finoana Islam

1. soanja ( 19/06/2006 23:47)
Islam dia mihevitra fa izy no faran\'izay hiparitaka indrindra eran\'ny vazan-tany efatra satria izy no mitondra ny teny farany nomen\'Andriamanitra (Allah) sy fanazavana ny fiafaran\'ny fiainan\'ny zanak\'olombelona izay vakiana ao anatin\'ny ireo toko farany ao amin\'ny Koran. Ka ny mpaminanin\'i Islam no antsoina hoe \"ireo mpaminany farany\", nadikako amin\'ny teny gasy nefa tsy fantatro na mahalaza azy na tsia (khatam al-anbiya).
Ny Islam dia mahita ny fizotran\'ny fitohizan\'ny teny faminaniana nanomboka tany amin\'i Adama izay Ray ny olona rehetra (abu\'lbashar) no sady mpaminany voalohany. Tsy misy afa tsy finoana iray ihany izay Fitambaran\'ny fahamasinan\'Andriamanitra (al-tawhid), izay mitondra ny hafatra rehetra avy any amin\'ny lanitra ho eto an-tany dia ny finoana Silamo (Islam).

Ny finoana Silamo izany tsy inona afa tsy ny fanekena ny hoe Iray ihany Andriamanitra (al-Ahad) sy ny fanarahana antsakany sy andavany Azy (taslim), izay mitondra amin\'ny fiadanana na fitoniana (salam) ka izay no mahatonga ny anarana hoe Islam na fanetrena, fanekena, fanarahana / surrender ny Sitrapon\'ny Andriamanitra Iray ihany\" izay antsoina hoe Allah amin\'ny teny arabo. Raha te ho silamo ianao dia mila misy vavolombelona 2 eo izay silamo koa ka izao no tenenina hoe \" Tsy misy andriamanitra afa tsy i Andriamanitra (la ilaha illa\'Llah) ary i Muhammad no mpitondra hafatra (Muhammaddun rasul Allah).
Ny teny hoe \"Allah\" dia milaza fa izy no Andriamanitra ary farany ambony indrindra. Ny Arabo Kristianina sy ny Arabo Jiosy dia miantso ny Andriamanitra (God) hoe Allah na dia tsy silamo aza izy na dia tsy mifanaraka ilay trinite ny kristianina aza ny hevitra hoe Andriamanitra eto.

Ny Islam dia milaza ny fisian\'Andriamanitra eo amin\'ny fiainan\'ny zanak\'olombelona mandrakariva sy ny fahafahany manampy azy mandrakariva ka afaka Mamela sy Manome fahasoavana araka ny maha IRAY azy. Na dia tamin\'ny fanombohan\'izao tontolo izao aza na ny fisian\'ny zanak\'olombelona dia efa teo Izy ka izay no nahatonga azy nanonatany ny olombelona hoe: \" Moa va tsy izaho no Tompo-nao (the Lord)?\" dia ny valiny hoe : \" Ekena indrindra, ary izahay dia tena vavolombelona\" Suran 7:172.
Ny fahamarinana ny maha Iray ny Andriamanitra dia mitondra amin\'ny fanjakan\'Andriamanitra ho Iray izay ny Fiverenan\'ny finoana tany amboalohany sy ny anarany araky (din al-fitrah, ny finoanan\'ny fanomboan\'ny zavatra rehetra, na din al-hanif na hoe fototry ny fiombonam-pinoana).

Ny Koran dia milaza fa i Abraham dia efa niaina lavitra talohan\'ny fisian\'i Islam. Tamin\'ny andron\'i Adam no izay nilaza ny finoana an\'Andriamanitra ho Iray ary ny fitohizany izay nitoetra tamin\'ny olona vistivitsy na dia nisy aza ny fahalavoan\'ny lehilahy sy vehivavy arabo tamin\'izany fiainana izany, ka nahatonga taty afara ny fitsanganan\'ny finoan Islam satria nisy ny fanompoan-tsampy sy ny fananana andriamanitra be dia be izay noheverin\'ny silamo ho tamin\'ny andron\'ny tsy fahaizanay (al-jahiliyyah). Ny fiverenan\'ny Isalm dia tsy ho an\'ny finoan\'i Abraham fotsiny fa an\'i Adama koa aza, izay famerenana ny Andrimanitra iray ninoana\'ireo olona ireo. Ao anatin\'ny Koran no milaza ireo mpaminany isan-karazany izay nanomboka talohan\'ny Abraham sy taty aoriana rehetra ka anatin\'izany i Noah sy Adam.
Izay no itondran\'ny Islam ny finoana farany izay ho Iray ihany eto ambonin\'ny tany ka ny famerenana ny finoan\'i Adam sy ny taranaka rehetra aty aoriana. Ny alpha sy ny omega.
novalian'i marozevo ny 07/07/2006 19:04
2. petakorona ( 19/06/2006 23:50)
dia ahoana aloha ny fipetrak'izany resaka silamo izany eto dago e!
3. LazaRandri ( 20/06/2006 00:01)
ny islam dia mino sy resy lahatra araka ny voasoratra ao amin'ny Koran fa ny famonoana izay tsy mpino silamo no ahatongavany any amin'ny paradisa

amin'ny Kristianina dia tsy vokatry ny asan'olombelona ny fandehanana any amin'ny paradisa, fa vokatry ny famonjen'Andriamanitra tamin'ny namoizan'i Jesoa ny ainy sy nitsanganany tamin'ny maty :)

It is finished! VITA! Jaona 19:30
4. cutie ( 20/06/2006 00:08)
Fa aiza hono zany paradisa zany?:lol:
5. LazaRandri ( 20/06/2006 00:55)
cutie> andao ary isika sy indry hitsangatsangana any e:wink:
6. Zina ( 20/06/2006 01:04)
Islam dia mihevitra fa izy no faran'izay hiparitaka indrindra eran'ny vazan-tany efatra satria izy no mitondra ny teny farany nomen'Andriamanitra (Allah) sy fanazavana ny fiafaran'ny fiainan'ny zanak'olombelona izay vakiana ao anatin'ny ireo toko farany ao amin'ny Koran


Tsy azo ekena mihitsy io satria tsy manaraka ny baiboly.. Fikasana ny an-dri zareo fa tsy ho ry zareo mihitsy no farany... Ny farany dia ireo olona na iza na iza na avy any @ fiangonana na denomination rehetra ka mino ny baiboly , manaraka sy mahafantatra ny fahamarinana sy manaraka an'izay ao anatin'ny baiboly ary manaiky an'i Jesosy ho mpamonjy t@ fahotana, ary manaiky an'i Jesosy ho amin'ny fon'ny manontolo.. izay no ho farany...Ny didy folo ary tsy harahin'i Islamo akory ko ahona no izy no farany????
7. LazaRandri ( 20/06/2006 01:12)
ka rehefa tsy resy lahatra amin'ny Koran ange ry Zina dia tadiaviny vonoina e! Amin'izay tokoa silamo daholo ny olona an! hahaha! Izany ve no mba tetik'ady! Tsy aleo koa vonoana daholo ny mahantra dia foana ny fahantrana? hahaha!
8. jajaf401 ( 20/06/2006 03:39)
zaho mbola mamaky fa lava be ilay izy! :-D
9. jajaf401 ( 20/06/2006 03:43)
Raha samy A/tra ihany no tanjona de inona zany no tena tsy maha-mety ny eritreritry ny Islam @ voalazan'ny baiboly?
De mbola hanontany be fa miamby valiny aloha!
10. xxx ( 20/06/2006 04:58)

Raha samy A/tra ihany no tanjona
Tsy azonao fa samihafa tanteraka ny ny tompoin'ny silamo sy kristianina http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4492a63cdd635


11. xxx ( 20/06/2006 05:00)
soanja:

LazaRandri:

hahaha! Ahoana ary izany fomba famakiantsika teny izany rey olona ah! hahaha!

1- araka ny Koran dia tsy manan-janaka Allah. Misy anaran'i allah 99 ao amin'ny Koran ary tsy misy ao na iray aza hoe "Ray"

Andriamanitra kosa dia RAY (izay fametavetana io amin'ny islam)

2- Andriamanitra dia antsoina ihany koa hoe Andriamanitry ny Jiosy, tsy Allah Izy fa Allah aza mankahala ny Jiosy ;-) (Vakio Surah 5:51)


LazaRandri misaotra anao nanazava. Io soratrao farany io no nandrasako taminao hatramin'izay. Rehefa misy zavatra hitanao fa tsy ekenao dia omeo eo ny antony milaza ny tsy hanekenao azy. Indrindra raha milaza ianao fa fact ny zavatra iray. Mila support tanteraka mihitsy.
Soa izany fa misy an'io mba hovakian'ny olona hahafantarany fa tsy mitovy i Allah sy Jesoa. ^:^^:^^:^^:^^:^:-*:-*:-*:-*

12. prime ( 20/06/2006 06:08)
Ny didy folo ary tsy harahin'i Islamo akory ko ahona no izy no farany????

Zina> raha misy ny finoana anisan'ny hentitra indrindra @ fanajàna didy sy lalàna dia ny silamo voalohany ka moramora ihany...:wink:
13. xxx ( 20/06/2006 06:15)
ny silamo ambanin'ny lalàna, (baiko)
ny kristianina ambanin'ny fahasoavana
14. jajaf401 ( 20/06/2006 08:17)
LazaRandri:

ka rehefa tsy resy lahatra amin'ny Koran ange ry Zina dia tadiaviny vonoina e! Amin'izay tokoa silamo daholo ny olona an! hahaha! Izany ve no mba tetik'ady! Tsy aleo koa vonoana daholo ny mahantra dia foana ny fahantrana? hahaha!



Tsy mankany @ paradisa izany mamono olona amindry zareo fa lasa maritiora arakaraka ny degré n'ilay evenement, ohatra : jihad; kamikazy sns ...
Fa paradisa zany selectif be!!
15. diamondra27 ( 20/06/2006 08:31)
Misaotra anao nampahalala anay izay tsy nahafantatra momba an'io
Koa anjaranay ny maka ny position-nay @ze fanapahan-kevitra

Tsy misy fitaritana finoana mihitsy eto ny fahalalako azy fa fizarana tsotra fotsinyizay tsy hitako ny maha-ratsy azy
merci:-*:-*
16. xxx ( 20/06/2006 08:32)
mazava ho azy fa tsy makany @ paradisa izy nefa indrisy fa izay no finoany!
17. prime ( 20/06/2006 08:40)
Tsy misy fitaritana finoana mihitsy eto ny fahalalako azy fa fizarana tsotra fotsinyizay tsy hitako ny maha-ratsy azy
=D
18. LazaRandri ( 20/06/2006 09:22)
diamondra, prime> ka ny propagandy kosa angaha moa efa nanomboka? hahaha!

tsetsatsetsa tsy aritra: ho loza ny hanjo antsika raha sanatria tafapetraky ny Iraniens eo i Lahiniriko.
19. jajaf401 ( 20/06/2006 11:03)
F'angaha ho iranien jiaby hataony ministres ??
Raha tsy ho privatiser-na koa ny gouvernement!!
20. prime ( 20/06/2006 11:10)
(miala tsiny fa mitady ho lasa politika izy izany an!):-P
LazaRandri> Ka tsy maninona izany fa izay no lalànan'ny demôkrasia e...! Tsy ilay finoana anie no toa olana fa ilay mpino e! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1099