Ny Finoana Islam

41. xxx ( 21/06/2006 10:28)
Allah is great
42. prime ( 21/06/2006 10:36)
Misaotra eeeee!!!!:)
43. LazaRandri ( 21/06/2006 11:16)
"an old English word that is a very common term of abuse"
44. prime ( 21/06/2006 11:28)
LazaRandri,xxx> Dia tariho ary ny adihevitra mba anarahanay azy e!8-)
45. bonaventure ( 21/06/2006 11:31)
soanja:
Slt,maharaka kosa ange nareo izany e, efa ho folo taona no niarahako t@ olona silamo fa tena ohatra ny mifanipaka be ny ataondry zareo nefa ny ao anaty coran dia mampilendalenda ka tsy hita intsony fa hatr@ izao aloha dia i Jesosy ihany ny ahy,raha io kozy io dia tena tsy hovita satria Andriamanitra dia iray ihany ok
Islam dia mihevitra fa izy no faran\'izay hiparitaka indrindra eran\'ny vazan-tany efatra satria izy no mitondra ny teny farany nomen\'Andriamanitra (Allah) sy fanazavana ny fiafaran\'ny fiainan\'ny zanak\'olombelona izay vakiana ao anatin\'ny ireo toko farany ao amin\'ny Koran. Ka ny mpaminanin\'i Islam no antsoina hoe \"ireo mpaminany farany\", nadikako amin\'ny teny gasy nefa tsy fantatro na mahalaza azy na tsia (khatam al-anbiya).
Ny Islam dia mahita ny fizotran\'ny fitohizan\'ny teny faminaniana nanomboka tany amin\'i Adama izay Ray ny olona rehetra (abu\'lbashar) no sady mpaminany voalohany. Tsy misy afa tsy finoana iray ihany izay Fitambaran\'ny fahamasinan\'Andriamanitra (al-tawhid), izay mitondra ny hafatra rehetra avy any amin\'ny lanitra ho eto an-tany dia ny finoana Silamo (Islam).

Ny finoana Silamo izany tsy inona afa tsy ny fanekena ny hoe Iray ihany Andriamanitra (al-Ahad) sy ny fanarahana antsakany sy andavany Azy (taslim), izay mitondra amin\'ny fiadanana na fitoniana (salam) ka izay no mahatonga ny anarana hoe Islam na fanetrena, fanekena, fanarahana / surrender ny Sitrapon\'ny Andriamanitra Iray ihany\" izay antsoina hoe Allah amin\'ny teny arabo. Raha te ho silamo ianao dia mila misy vavolombelona 2 eo izay silamo koa ka izao no tenenina hoe \" Tsy misy andriamanitra afa tsy i Andriamanitra (la ilaha illa\'Llah) ary i Muhammad no mpitondra hafatra (Muhammaddun rasul Allah).
Ny teny hoe \"Allah\" dia milaza fa izy no Andriamanitra ary farany ambony indrindra. Ny Arabo Kristianina sy ny Arabo Jiosy dia miantso ny Andriamanitra (God) hoe Allah na dia tsy silamo aza izy na dia tsy mifanaraka ilay trinite ny kristianina aza ny hevitra hoe Andriamanitra eto.

Ny Islam dia milaza ny fisian\'Andriamanitra eo amin\'ny fiainan\'ny zanak\'olombelona mandrakariva sy ny fahafahany manampy azy mandrakariva ka afaka Mamela sy Manome fahasoavana araka ny maha IRAY azy. Na dia tamin\'ny fanombohan\'izao tontolo izao aza na ny fisian\'ny zanak\'olombelona dia efa teo Izy ka izay no nahatonga azy nanonatany ny olombelona hoe: \" Moa va tsy izaho no Tompo-nao (the Lord)?\" dia ny valiny hoe : \" Ekena indrindra, ary izahay dia tena vavolombelona\" Suran 7:172.
Ny fahamarinana ny maha Iray ny Andriamanitra dia mitondra amin\'ny fanjakan\'Andriamanitra ho Iray izay ny Fiverenan\'ny finoana tany amboalohany sy ny anarany araky (din al-fitrah, ny finoanan\'ny fanomboan\'ny zavatra rehetra, na din al-hanif na hoe fototry ny fiombonam-pinoana).

Ny Koran dia milaza fa i Abraham dia efa niaina lavitra talohan\'ny fisian\'i Islam. Tamin\'ny andron\'i Adam no izay nilaza ny finoana an\'Andriamanitra ho Iray ary ny fitohizany izay nitoetra tamin\'ny olona vistivitsy na dia nisy aza ny fahalavoan\'ny lehilahy sy vehivavy arabo tamin\'izany fiainana izany, ka nahatonga taty afara ny fitsanganan\'ny finoan Islam satria nisy ny fanompoan-tsampy sy ny fananana andriamanitra be dia be izay noheverin\'ny silamo ho tamin\'ny andron\'ny tsy fahaizanay (al-jahiliyyah). Ny fiverenan\'ny Isalm dia tsy ho an\'ny finoan\'i Abraham fotsiny fa an\'i Adama koa aza, izay famerenana ny Andrimanitra iray ninoana\'ireo olona ireo. Ao anatin\'ny Koran no milaza ireo mpaminany isan-karazany izay nanomboka talohan\'ny Abraham sy taty aoriana rehetra ka anatin\'izany i Noah sy Adam.
Izay no itondran\'ny Islam ny finoana farany izay ho Iray ihany eto ambonin\'ny tany ka ny famerenana ny finoan\'i Adam sy ny taranaka rehetra aty aoriana. Ny alpha sy ny omega.



46. LazaRandri ( 21/06/2006 11:35)
Slt,maharaka kosa ange nareo izany e, efa ho folo taona no niarahako t@ olona silamo fa tena ohatra ny mifanipaka be ny ataondry zareo nefa ny ao anaty coran dia mampilendalenda ka tsy hita intsony fa hatr@ izao aloha dia i Jesosy ihany ny ahy

taiza ho aiza i Soanja no niteny an'io ry Bonaventure?
47. soanja ( 21/06/2006 11:49)
Bonaventure, milaza aminao aho fa betsaka koa ny Kristianina efa niara-dalana tamiko ka manao zavatra tsy eritreretin'ny saina mihitsy ka mampanontany tena hoe izany ve no atao hoe kristianina. Tsy nitsara azy aho fa nampitovy fomba fisainana fa tena nifanalavitra.

Omeko ohatra ianao fa nisy famonoana dokotera izay taty aminay ary nopotehin-dry zareo ny clinika niasany satria nahoana Kristianina ry zareo ary mihevitra fa tsy mety ny nataon'ilay dokotera satria izy no mpanala zaza ary io clinika io no toerana fanalana zaza. Ahoana ny hevitrao momba an'io?

Izay indrindra no antony nahatonga ahy hanome ny fanazavana momba ny Islam satria raha jerena ny volazan'i Koran sy ny Hadith dia mba misy horiranana ihany nefa ahoana ny fandraisan'ireo mpanaraka azy sy ny fihetsika ary ny fomba fisainany dia hafa mihitsy ny ankamaroany. Satria nahoana hoy ianao dia noho ny fahatombohan'ny fampianarana (Matomboka ny fampianarana na mahery na hoe mamely / efficient) ny antony dia mbola kely ny olona iray die efa nosasana atidoha ka tsy mahita afa tsy io izy ary tsy maheno afa tsy io ka lasa mahatsapa fa io no marina.
48. LazaRandri ( 21/06/2006 11:53)
soanja> ka isika samy olombelona samy solafaka. Ary izay no maha samihafa ny kristianina sy ny silamo.
Ny kristianina manaiky ny famonjen'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin'ny maty. Fa ny silamo mbola mitady hamonjy ny tenany nefa aiza? Ny hafa aza entiny manaraka azy rehefa raikitra ny .... hainao ny tohiny :wink:
49. LazaRandri ( 21/06/2006 11:56)
soanja> misy ihoriranana ve ny Koran sy Hadith hoy ianao? hahaha! Ahoana ny voasoratra ao mikasika ireo miova finoana? hahaha!
50. soanja ( 21/06/2006 12:03)
Raha milaza kosa ve izy hoe tiavo sy hajao ny Ray aman-dreninao, manaova soa ho an'ny manodidina, aza manimba vatana amin'ny zava-pisotro mahamamo sy ny hafa izay atao hoe common sense hiany fa tsy mampianatra ny mifanohitra amin'io izy dia hiteny ve ianao hoe ratsy io na io atao hoe azo horiranana satria misy ifandraisana tsara koa amin'ny toetra tokony ananan'ny Kristianina.
Izay oa le resaka: io fampinarana omeko indrindra no tiako atao satria hanome fanazavana ny zavatra ao anaty Koran sy ny takian'i Allah fa mety hafa ny fivoakany rehefa any amin'ny mpanaraka azy.
51. LazaRandri ( 21/06/2006 12:09)
Ka le izy ange ry Soanja tsy hoe rehefa misy tsara sy marina ny lazainy dia mahasoa e. Ireo karazana saron-tava fotsiny ihany fa ny votoatin'ny zavatra arosony aloha jerena. Angaha ny hoditr'akondro kosa no hanina fa tsy ilay akondro ao anatiny hoy ianao? hahaha!
52. LazaRandri ( 21/06/2006 12:16)
eto ianao izao malalaka tsara mandroso ny fivavahana silamo amin'ny tsy silamo. Fa mba efa tamin'ny firenena mampihatra ny tena lalana silamo ianao? Milanja Baiboly eny an-dalana aza dia efa voasambotra, maika fa izany hoe hiresaka momba an'i Jesoa ohatra?
Diniho fa be dia be lafiratsiny io islam io fa aza manapi-maso e. hahaha!
53. prime ( 21/06/2006 12:36)
LazaRandri:
Angaha ny hoditr'akondro kosa no hanina fa tsy ilay akondro ao anatiny hoy ianao?
:-D:-D:-D ka misy mihinana kosa ny hodiny kooohhh!!!!:-D:-D:-D ohatry ny misy mihinana koa ny hoditr'ovy (endasin-dry zalahy ohatry ny frity ihany rehefa voasasa tsara...):-D:-D:-D
54. LazaRandri ( 21/06/2006 23:06)
prime> ie, hahaha! ireny ange atao tery vay manta fotsiny e! Dia aleony mihinana hoditr'akondro toy izay vonoin-dry zalahy amin'ny fehikibo feno baomba! mampalahelo e? :wink:
55. prime ( 22/06/2006 09:30)
Io sahala an'ilay hoe : ilay lamban'i Jesosy fony izy zazakely no mahafatifaty ny maro fa Jesosy ilay nofonosiny tsy misy miraharaha. Ilay fombafombam-pivavahana no ezahina amarinina mafy fa ny tenin'i Kristy tsy misy mihaino... :wink:
56. marozevo ( 22/06/2006 23:37)
Soanja ah !!... Tonga dia lazao aloha hoe "Silamo ve ianao sa mandalina momba ny finoana Silamo fotsiny", mba hivoaka tsara ny ady hevitra. Ary fantatrao marina ve ny fisehon'ny finoana Silamo sy ny olona Musulman eto amin'izao tontolo izao amin'izao andro ankehitriny izao ?
57. LazaRandri ( 22/06/2006 23:57)
Izy ange "araka ny nambarany hono" Kristianina e.... [size=14]fa mijoro ho vavolombelon'ny silamo[/size]? :lol:
58. soanja ( 23/06/2006 03:58)
marozevo:

Soanja ah !!... Tonga dia lazao aloha hoe "Silamo ve ianao sa mandalina momba ny finoana Silamo fotsiny", mba hivoaka tsara ny ady hevitra. Ary fantatrao marina ve ny fisehon'ny finoana Silamo sy ny olona Musulman eto amin'izao tontolo izao amin'izao andro ankehitriny izao ?


Marovezo a, tena Kristianina tanteraka mihitsy aho ary tena mino ny " Izaho ny lalana sy ny fahamarinana ary ny fiainana " hoy I Kristy.
Aza manahy ianao fa tsy mampihontsona ny finoako ny Finoana Silamo. Tsy ampahafirin'ny finoana efa nandalo teo ambany masoko ity finoana ity ary mafy orina ny finoako. Velona atao anatiko Jesoa ary sambatra aho manana Azy ho Andry manampy ahy amin'ny lalan-tsarotra.
Mety tsy namaky teny ambony teny ianao angamba fa ny tanjoko dia ny hanazava momba ny Islam amin'izay isika rehetra mahafantatra hoe nahoana ireto olona ireto no dia mino be izany zavatra inoany izany ary maninona no mahatonga azy ho mahery fihetsika ho an'ny hafa izay tsy mino ny inoany. Ny fomba ahafantataranao an'izany dia ahafahanao mahazo ny ataony ka tsy hankahala azy. Andriamanitra dia FITIAVANA ary tsy voafetra izany fitiavan'Atra izany ka na dia tsapanao aza fa mety ho fahavalonao dia azonao tiavina ihany ary tsy manome tsiny azy fa tsy fantany izay ataony. Satria nahoana hoy ianao: io no novoizina taminy fa tsara ary voasasa ny atidohany ka tsy afaka mandanjalanja intsony izy na hoe koa nifidy izy hanaraka an'io ka tsy misy azonao atao fa dia ny mitia azy tsy misy fepetra. Safidy koa anefa ny mamaky an'ity fanazavako ity ary ianao moa izany efa mahafantatra dia efa tsara. Afaka manampy ianao raha mazoto satria izaho anie ka tsy hoe mahay be an'ity ohatry ny ahoana fa manome ny zavatra nianarako fotsiny. Farany fa lava be ilay resaka dia hoe Finoana sy fivavahana no ato. Tsy hitako izay tsy maha finoana an'i Islam ary fivavahana ho andry zareo koa ilay izy. Tadidio fa 6% mahery eo angamba amin'ny Gasy no Silamo.
Ny faniriako dia ahafahantsika rehetra manampy eto manadihady amim-pahendrena ilay fomba fisainan'ny Silamo sy nanoratana ny Quran ka ahitantsika fa tsy io tokoa ilay Andriamanitra tompoantsika fa mahery, mandresy ary mandrakizay.


59. prime ( 23/06/2006 04:30)
soanja:
Aza manahy ianao fa tsy mampihontsona ny finoako ny Finoana Silamo. Tsy ampahafirin'ny finoana efa nandalo teo ambany masoko ity finoana ity ary mafy orina ny finoako. Velona atao anatiko Jesoa ary sambatra aho manana Azy ho Andry manampy ahy amin'ny lalan-tsarotra.
=D
60. soanja ( 23/06/2006 18:26)
prime:

soanja:
Aza manahy ianao fa tsy mampihontsona ny finoako ny Finoana Silamo. Tsy ampahafirin'ny finoana efa nandalo teo ambany masoko ity finoana ity ary mafy orina ny finoako. Velona atao anatiko Jesoa ary sambatra aho manana Azy ho Andry manampy ahy amin'ny lalan-tsarotra.
=D


Misaotra Prime :-*:-*:-*:-*


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1676