Ny Finoana Islam

21. LazaRandri ( 20/06/2006 11:15)
vao maika loza fa tsy mba hanampy ny minisitera akory ry zalahy fa hitsetsitra ny volantsika hamatsiany ny jiolahy any Syrie, Liban, Gaza, Indonesie....dia ny Gasy miha-mahantra hatrany
22. LazaRandri ( 20/06/2006 11:18)
prime> hahaha
23. Zina ( 20/06/2006 12:44)
Mpandefa : prime [ Valio ] 20-06-2006 11:08:44
Lohateny : Re : Ny Finoana Islam
Voalaza teo :
Ny didy folo ary tsy harahin'i Islamo akory ko ahona no izy no farany????

Zina> raha misy ny finoana anisan'ny hentitra indrindra @ fanajàna didy sy lalàna dia ny silamo voalohany ka moramora ihany...


Diso mihitsy io hevitrao io
Za ry Prime dia tena tsy manaiky an'io mihitsy. Mety manaja ny lalana iry zareo fa tsy ny rehetra...

1- Aza manana Andriamanin-kafa afa tsy izaho - Hoy andrimanitra...
nefa ry zareo mino an'i Mohamed (sa iza moa)
2- Mahatisarova ny andro sabata hanamasin'azy - tsssss ry zareo tsy manaja ny sabata akory
3- Aza mijangajanga - Firy ny vadin-ndry zalahy??????

24. Zina ( 20/06/2006 12:45)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 20-06-2006 11:15:20
Lohateny : Re : Ny Finoana Islam
ny silamo ambanin'ny lalàna, (baiko)
ny kristianina ambanin'ny fahasoavana


Zany mihitsy
25. Zina ( 20/06/2006 12:47)
hoy i Jajaf401
Tsy mankany @ paradisa izany mamono olona amindry zareo fa lasa maritiora arakaraka ny degré n'ilay evenement, ohatra : jihad; kamikazy sns ...
Fa paradisa zany selectif be!!


Ka tena marina mihtsy anie nolazainao io e....
a moins ka mibebaka kosa aloha ry zareo an...
26. Zina ( 20/06/2006 12:50)
tsy misy finoana izay oe ho selectena ho tsara...
Ny finoana izay manaraka ny baiboly atsakany sy andavany ary manoro ny fahamarinana izay ao @ baiboly izao no tena atao oe finoana na religion, na denomination eken'Andriamanitra...
Ho betsaka ny islamo ho voavonjy, ny bouddhiste kristiana rehefa ho tonga ny fanahy Andriamanitra hanokatra ny sainy...
27. prime ( 20/06/2006 13:03)
Zina> misy tsy azonao ny tiako ambara, izaho izay miteny manaiky ny hevitrao satria izaho kristiana toa anao.
Fa ny resaka eto dia resaka "islam". Mazava ho azy fa manana ny "coran" izy fa tsy mamaky baiboly izany. Ary raha mijery ny "textes coraniques" ianao dia hentitra mihitsy izy @ lalàna. Ny azy tsy maintsy mivvavak in-5 isan'andro, manao fifadian-kanina, izay mangalatra tapahina ny rantsan-tanany... sns...Tsy finoana mihitsy ny azy ny fanamaivanana ny lalàna... d'ailleurs, ny didy folo ihany no nadikan'izy ireo ho base'ny lois coraniques... Raha ny baiboly koa aza anie (testamenta taloha) tsy nanohitra mihitsy ny "polygamie" e! ohatra... Abrahama, Mosesy, Elia, eny fa na Jesosy koa aza voasoratra ao @ coran e... fa amin-dry zareo Jesosy dia mpaminany tsotra toa an-dry Samoela sy ry Elia. Fa satria Mohamet no farany dia io no to-teny kokoa aminy, fa kosa mpaminany io aminy fa tsy Andriamanitra akory...
28. Zina ( 20/06/2006 13:14)
prime a ie marina zany ...
fa zao ndray ary e ilay fomba entitra lasa mahatonga an-drizareo ho romotra.
29. soanja ( 20/06/2006 15:35)
Ny teny hoe "Religion" dia mifandray akaiky amin'ny teny arabo hoe "al-din". Ka ny religion dia avy amin'ny teny latina hoe religate na hoe mifandray, mifaningotra ka isika no mifaningotra amin'Andriamanitra. Ny "al-dayn" izay mifanaraka amin'ny al-din dia midika hoe "Trosa". Noho izany dia manana trosa amin'Andrianitra ry zareo ary ny fiainany iray manontolo dia mifandray amin'izay trosa tsy maintsy aloha amin'i Allah izay. Anisan'izany ny antony hilazan-dry zareo hoe ny zava-drehetra dia an'andriamanitra : " Andriamanitra dia manankarena (ghaniy)ary Isika dia mahantra (fuqara)" 47:38.

Na dia misy ifandraisany daholo ny fianan'ny silamo amin'ny fivavahana sy ny fiainany andavanandro dia misy kosa ny fianana maha ianao ianao sy ny fiainana amin'ny fiaraha monina. Izany hoe ilay voalohany dia ny fifandraisanao avy amin'ny ao anatinao amin'Atra ary ny faharoa dia ny fahamarinana misy eo amin'ny fiainanao sy ny fiaraha monina.

1- Ny fiananao manokana miaraka amin'i Allah dia ny fivavahana amin'ny lafiny rehatra:
Ny fitalahoana amin'Atra (al-du'a)
Ny fahamasinan'ny fivavahana (al-salah)
Ny fiantsoana ny fiderana an'ny anarany masina (al-dhikr) izay in -5 isan'andro ka io no fivavahana ambony indrindra avy amin'ny fo araky ny mpino Sufis.
Ny fomba amam-panao tsy maintsy arahina dia ny fifadian-kanina sy ny fankanesana mamonjy pilgrimage.
Azo atao daholo ireo fivavahana ireo miaraka amin'ny rehatra na manokana ao an-trano.
Ny
Ny fikarakarana ny tena dia zavadehibe eo amin'ny silamo satria eo ambany mason'Atra. Tafiditra ao anatin'izany ny fisasana sy ny sakafo ary ny firaisana ara-nofo. Izay zavatra manimba ny tena rehetra dia tsy azo atao: famonoan-tena izay tena fahotana goavana tokoa amin'ny silamo, ny fisotroan toaka sns..ny fihinana kisoa koa dia fady (haram). Ary rehefa mihinann-kena dia misy fomba famonoana an'ilay biby amin'ny alalan'ny anaran'Atra (halal).
Ny fomba ifandraisanao amin'ny ankohonanao koa dia isan'ny fianana manokana (private life): ny vady, ny zanaka, ny namana sns... Ohatra ny Zaza dia mila manaja ny Ray aman-dreny.
Ny tiany teneina dia hoe tsy antsika ny vatantsika fa an'Atra ka izay rehetra atao dia mila mifanaraka amin'ny didin'Atra. ka io no fianana anaty io no antsoina hoe " al-batin". Ary Atra dia sady ao anaty no mivoaka any ivelany tena koa (al-zahir) ka araky ny koran dia : " Izy no voalohany (al-awwal) sy ny farany (al-Akhir) sy ny mivoaka ivelany (al-zahir) sy ny ao anaty (al-batin) ary izy no mahalala ny zava-drehetra mandrakizay" 57:3



30. soanja ( 20/06/2006 18:16)
petakorona:

dia ahoana aloha ny fipetrak'izany resaka silamo izany eto dago e!


Tsy dia maharaka loatra ny any Dago aho fa raha fahitako azy dia ny mpiavy (karana, Arabo ary ny Komorianina )no Silamo ao amintsika izay efa lasa gasy amin'izao fotoana izao. Samy manana ny mosques anefa ireo ka ny Arabo sy Comoroniana no mitambatra raha tsy diso aho ary ny Karana manana ny azy. Mbola halalaniko ery ambany ny resaka Sunnis sy Shi'ites ary ny Kharijites.


31. soanja ( 20/06/2006 18:18)
jajaf401:

Raha samy A/tra ihany no tanjona de inona zany no tena tsy maha-mety ny eritreritry ny Islam @ voalazan'ny baiboly?
De mbola hanontany be fa miamby valiny aloha!

Andriamanitr'i Adama sy Abraham ary Noah ny Andriamanitry ny Silamo. Ka anjarantsika ny mahita raha misy ifandraisany amin'ny baiboly ireo. Mpaminany daholo ireo amin'i Islam.

32. soanja ( 20/06/2006 18:20)
xxx:

mazava ho azy fa tsy makany @ paradisa izy nefa indrisy fa izay no finoany!

Mbola hohazavaiko ery ambany ny hiafaran'ny Silamo rehetra raha manaraka ny didin'i Allah izy.


33. marozevo ( 20/06/2006 22:05)
Inona moa no tanjona eto eh ? Fiezahana hanazava ny finoana Silamo ve ?
34. xxx ( 20/06/2006 22:12)
Inona moa no tanjona eto eh ? Fiezahana hanazava ny finoana Silamo ve ?
ra finoana izany tsy mila azavaina fa tokony mamirapiratra ho azy eny, fa matoa ezahina azavaina dia ... misy maizimaizina ao izay!
35. soanja ( 20/06/2006 23:58)
Manazava aho satria be ny tsy mahazo ny fomba fisainana Silamo. Ka tena manakahala azy tokoa. Toy izany koa ny Kristianina sy izay tsy mitovy finoanana aminy rehatra dia halan'ny Silamo satria tsy nomena azy ny fanazavana.
Maizimaizina? dia ianao ihany mahafantatra azy na maizina na mazava satria nomeko ity ho fanazavana tsotra izao sy ahafahan'ny rehetra mahazo sy mandanjalanaja azy satria izay misy ao dia fanazavana tokoa fa tsy misy hevitro.
Ny tanjoko dia ny hoe hanana fo madio sy misokatra ho an'ny hafa ka na dia fantatrao aza fa fahavalonao dia tiavinao satria miaina ao anatin'ny tsy fahafantarana izany izy raha araka ny fahitanao azy na izy tsy mahazo ny zavatra inoanao.
Tsoaka, samihafa ny olombelona na dia nampitovian'Andriamanitra aza isika amin'ny resaka vatana. Satria nahoana? nomeny ny Saina. Ary ny saina no misafidy. Anjaranao izany ny misafidy eto na hamaky na tsia.
36. LazaRandri ( 21/06/2006 00:12)
soanja:
Manazava aho satria be ny tsy mahazo ny fomba fisainana Silamo
hahaha! ny maizina tokoa no mila hazavaina an! Fa mahatsikaiky anie ry Soanja dia...hahaha tsy feno ny zavatra arosonao e! Ary ny votoatiny mihitsy no tsy asehonao fa miafinafina. hahaha!

Amin'ny Islam dia vokatry ny asan'ny olona no mahatonga azy any amin'ny "paradisa" fa tsy fahasoavana.

Ilay Allah moa efa nekenao atsy ambadika atsy fa tsy Andriamanitra (asa anefa fa ianao toa miovaova be ihany tsy ahitana ny marina mihitsy).

37. soanja ( 21/06/2006 00:32)
LazaRandri:

soanja:
Manazava aho satria be ny tsy mahazo ny fomba fisainana Silamo
hahaha! ny maizina tokoa no mila hazavaina an! Fa mahatsikaiky anie ry Soanja dia...hahaha tsy feno ny zavatra arosonao e! Ary ny votoatiny mihitsy no tsy asehonao fa miafinafina. hahaha!

Amin'ny Islam dia vokatry ny asan'ny olona no mahatonga azy any amin'ny "paradisa" fa tsy fahasoavana.

Ilay Allah moa efa nekenao atsy ambadika atsy fa tsy Andriamanitra (asa anefa fa ianao toa miovaova be ihany tsy ahitana ny marina mihitsy).




Raikitra indray ny antsika an.
I Allah dia tsy i Jesoa mihitsy raha ny fieritreretan'ny Silamo. Fa i Andriamanitra kosa izay eo no tena no tokony mipetraka ny fanontaniana hoe moa ve Jesoa i Andriamanitra? I Jesoa dia zanak'Andriamanitra. Mino ny trinite masina ianao?
Nanaiky aho tary ambony satria mila miavaka ny hoe Ray Andriamanitra amin'ny Kristianina izay tsy eken'ny silamo .Io no nomenao fanazavana.
Ny fametavetana sns indray dia tsy manaiky aho saingy mbola tsy nomeko anao ny fanazavana homeko dia tsy handrera-tena hanazava aminao an'iny aho.
Tsy arifomba ny fanazavako raha tsy manaraka ny fomba nandaminako azy aho ka raha mba manana faharetana kely ianao dia hohitanao eo ny hisian'izany fanazavana izany. Raha tsy maharitra moa ianao inona no azoko atao fa dia alefaso daholo izay manelingelina anao any. Izay no maha forum an'ity sehatra ity.
Aza manahy ianao fa raha manan-tsaina mandinika ny mpamaky sady manana an'Andriamanitra eo akaikiny hanome toro hevitra azy ka mihaino izy dia tsy ho very.
Ny hany iasako mafy eto dia ny fananana ny fitiavana ny hafa na ny fahavalonao aza.
38. LazaRandri ( 21/06/2006 00:39)
soanja:
Ny hany iasako mafy eto dia ny fananana ny fitiavana ny hafa na ny fahavalonao aza


miasa mafy anie ianao izany ry namana e! hahaha! Saingy ho sasa-poana ianao raha tsy manana ny fanahin'Andriamanitra nampanantenain'i Jesoa. :wink:

Fitiavana ny fahavalo hoy ianao? Aiza ho aiza io amin'ny Islam toa tsy resahinao? hahaha

- Fitiavana azy ny fampianarana azy ny marina fa tsy ny lainga noforonin'olona.
- Fitiavana azy ny fanomezana safidy azy fa tsy hoe rehefa tsy manaiky ny didin'ny be sandry izy dia ampihorohoroana (aiza ho aiza io amin'ny islam no tsy asehonao????) hahaha.
39. ravatorano ( 21/06/2006 05:48)
tsy mahita lazaina fa tena liana amin ilay fifandahara kevitra
:idea::wink::wink:
40. prime ( 21/06/2006 10:20)
Soanja> izaho indray dia mankasitraka ny ataonao satria manome fahalalàna bebe kokoa ny ambaranao na dia tsy inoako aza... ary tena deraiko mihitsy aza satria vitsy no sahy manambara lalina finoana hafa noho ny kristiana toy izao... :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1107