Ny Finoana Islam

61. marozevo ( 24/06/2006 13:56)
Misaotra an'i Soanja ary aloha amin'ny valinteny mazava.
Fa ny fanontaniana manaraka dia izao: Inona marina moa izany no andrasanao aminay namana hafa amin'ity loha hevitra ity.
Fa ilay fanazavanao mazava tsara ka angamba ny adidinay dia ny manaraka ny zohin-kevitra atolotrao tsikelikely, ary amin'ny farany maka conclusion.
62. soanja ( 26/06/2006 18:20)
Ny andrasako amintsika dia ny mba ahafahantsika mifanakalo hevitra eto hoe inona no tsy mety amin'ity finoana ity ka mahatonga azy ho tena masiaka be araka ny fahitantsika azy. Mety koa raha mba misy manone verse toy ny ataon'i xxx saingy tsy voatery avy aty amiko.Raha tsy misy moa dia fanazavana fotsiny ny ahy fa dia isika no mandinika any hoe hay ve izany ny fihevitr'ireto Silamo ireto. Ka hivavaka ho azy isika sy hahatsapa fa tsy fantany izay ataony fa ny finoana no mitondra azy fa tsy ny sainy.
63. ann ( 29/06/2006 07:16)
hoy soanja:
\\\"Ny andrasako amintsika dia ny mba ahafahantsika mifanakalo hevitra eto hoe inona no tsy mety amin\\\'ity finoana ity ka mahatonga azy ho tena masiaka be araka ny fahitantsika azy. Mety koa raha mba misy manone verse toy ny ataon\\\'i xxx saingy tsy voatery avy aty amiko.Raha tsy misy moa dia fanazavana fotsiny ny ahy fa dia isika no mandinika any hoe hay ve izany ny fihevitr\\\'ireto Silamo ireto. Ka hivavaka ho azy isika sy hahatsapa fa tsy fantany izay ataony fa ny finoana no mitondra azy fa tsy ny sainy. \\\"
de hoy aho hoe fanga ny mpanaradia ny finoana silamo masiaka ?
sao de mba diso fihevitra isika [tsy hiditra politika aho ,fa mba diniho tsara ny fiatombohany tantara de ho haintsika hoe iza no tena masika sy mpanakorotana \\\'terroriste\\\'hoy ny fiteny]
ny fiheverako io teninao io dia zao :
\\\"maninona ireo zay mpanaraka ny finona silamo dia tia ady\\\"
ny amaliako azy dia zao : voalaza ao 2 coran zany fa tsy idirako ny momba an\\\'iny fa aleo atao resaka tsotra ihany ,
oh : raha sendra misy olona manao ratsy anao nakoa nalainy ny fanananao na de eo aza ny fandeferana dia tsy maintsy ho tezitra anao ,zany dia tsy ilaina fanazavana intsony ,satria na dia biby aza mahatsapa izany , ka raha tsy ho tezitra enao de ndehana mandeha any @ dokotera mba hanao fizahana fa misy tsy mety kely ao. ka fomba ahona ny tsy hamalianay ny olona izay manao ratsy aminay ,izahay tsy adala ka hilefitra hatramin\\\'ny farany ,niaritra ihany izahay [ireo namana any irak .sns satria ny mpino silamo rehetra dia mpirahalahy ]fa efa feno no kapoaka ka efa raraka @ tany daholo .nilaza koa ianao hoe :
\\\" Ka hivavaka ho azy isika sy hahatsapa fa tsy fantany izay ataony fa ny finoana no mitondra azy fa tsy ny sainy. \\\"
efa nazavaiko io fa ataoko fa efa mazava ,na de eo az ny finoana fa ny saina afaka manoro anay hoe inona no tokony hataoko eo anatrehan\\\'ny olana rehetra ary iznay dia voalaza ao @ coran masina hoe : \\\"ا فلا تعقلون؟\\\" َAtra ilay avo milaza hoe :\\\" moa ve nareo tsy misaina?\\\"
izany dia midika hoe ny saina dia afaka manampy anao @ zay ataonao .
tsymisy resaka mitaritana eto fa fanazavana fotsiny ka misaotra ireo izay nandray anjara ary misaotra betsaka an\\\'i soanja t@ ezaka .
raha misy zavatra tianareo anotaniana dia afaka anotanianareo fa vonona hamaly izahay raha ohatra ka haiknay ny valiny fa mialatsiny raha ohatra ka tsy hainay.
alefaso @ ity adiresy ity ny fanotanianareo soa raha haiko izy de valiako fa raha tsy haiko de hanotaniako ireo mpampianatray :
framco132@yahoo.fr
de mianjy ny fanotaniana .tsy voafetra ny fanotaniana fa ny tiako hamarinina de mba hajao ny hafa ,mba hanajan\\\'olona anao ,ary aza atao tsinotsinona ny finoan\\\'ny hafa ,fa tsy hay izay hiditra any @ afobe sy izay hahazo ny fahasoavana.

64. ann ( 29/06/2006 07:23)
tsy mety mandray teny arabo mhintsy ity
65. soanja ( 29/06/2006 08:07)
Misaotra an'i Ann nanoratra. Ny antony nitondrako ity resaka Islam ity eto dia noho ny fitiavana izay tiako haparitaka amin'ny rehetra. Tsy misy fepetra (sans condition). Izay no tarigetrako. Ny antony dia ny tsy fahazahoan'ny olona ny finoana Silamo ka mahatonga azy hieritreritra hoe fa ahoana ary. Tsy mbola nisy fanambaniana aloha ny zavatra noresahiko teto fa dia fanazavana hatramin'izao rehefa manome ilay fanazavana aho. Ary disoy aho raha misy diso ny fanazavako sady tsarao mihitsy satria mino aho fa tsy ampy ny fianarana azoko satria 6 mois fotsiny.
Ka tsy marina kosa ve ry Ann fa ny basen'ny fiainan'ny Silamo dia amin'i Quran sy ny Hadith ary ny soratra napetraky ny ireo olona nitondra sy nanome ny tradition zany hoe ny finoana no mitondra azy. Raha ny fahitako ny zavatra nianarako hatramin'izay dia i Allah no manome ny zavatra rehetra hiainan'ny Silamo ka avy tamin'ny alalan'ny teny faminaniana no andraisana azy ary misy koa ny modely ny fiainan'ilay Mpaminany.
Malalaka kosa ny Forum hanomezana hevitra izay tokony avy amin'ny tsi1-1 ary tsy tsikera ratsy fa fanadihadihana.
Tsy mbola nanaratsy aho satria fantatro fa safidy ny finoana. Ary mbola tsy nisy tany aby isika rehetra ka hitsara. Saingy ny hanome fanazavana ny mitovy finoana amiko ny momba ny Islam mahakasika ny rehetra no tena natao teto so far.
Hiresaka momba ny Jihad aho rahampitso ka raha vonona ianao dia efa omano daholo izay azonao hanampiana ahy mba hahatafita ny fanazavana ho tomombana. Mankasitraka hatrany. Peace!
PS: Rehafa manome verses (fa tsy references fotsiny) ianareo dia mba azonareo atao ve azafady ny mandika ilay izy amin'ny teny gasy satria ho an'ny ankizy tsy mahazo ny teny arabo ilay izy ary mety tsy afaka ny hamaky ny Quran ry zareo.

66. ann ( 29/06/2006 08:57)
na de zako anie tsy nilaza hoe nanaratsy nareo fa ny tiako ho lazaina de mba tandrovy ny fahendrena malagasy ,tsy manin fa afaka manampy anao aho raha ohatra ka haiko .
ny mikasika ny verses sns ,de ho ezahiko hatao @ teny gasy daholo .zay alo fa dde misaotra anao .
fa raha azo atao de mba alefaso any @ io mail io ny fanotanianareo satria indraindray ny sera2 aty aminay tsy mivaha ka de manahirana ny mamaly azy.
zay alo fa de mianjy ny fanotaniana.
ok,
67. soanja ( 29/06/2006 18:29)
Hamaly fanaontaniana vitsivitsy napetraka tamiko aho rehefa avy eo. Hanome ny resaka Jihad. Dia ajanoko amin'izay ilay izy (Islam) satria efa tonga eto ny tompon'ny finoana ka tsy voatery intsony aho fa aleo omena azy ireo ny sehatra. Hitako any amin'ny blaogy.com moa ny an'i Yassir ka tena vao maika tsara. Misaotra betsaka anareo rehtra nanaraka hatramin'izay ary misaotra an'i Ann sy Yassir hanome fanazavana bebe kokoa.
68. marozevo ( 01/07/2006 22:10)
Energye > Vaky ihany ny resaka nony farany. Hay ianao izany Silamo ? Arahabaina ary aloha.

Asa aloha na aiza na aiza ianao no mipetraka, fa raha any Madagasikara ianao dia aoka hotsorina fa tsy mahalala na inona na inona mikasika ny finoanao akory ianao, ny hafa no mahalala bebe kokoa noho ianao.

Raha any ivelany kosa ianao no miteny toy io, dia heveriko fa olona mikimpy anatrehan'ny zava-misy. Raha olon'ny fandriam-pahalemana ny Silamo, nahoana no tsy sahy mi-dementir ireny zava-nitranga be dia be eran'i Irak sy Afghanistan sy Pakistan sy Indonesie ireny. Sa ve ireny no tena heverinareo fa rariny. sa misy fanaovana tsingala mahalala ombin-tena koa ny finoana ?
69. energye ( 02/07/2006 16:57)
marozevo : zay fandraisanao azy sty manin,
ary ekeko zany fa tsy mahalala na inona na inona aho .tsy hiditra @ resaka politika aho fa tsy haiko zany satria zahay olona tsy mahay raha hoy marozevo
FA IZA DAHOLY AKY NO FOTOTRIRENY ADY IRENY RAHA ARAKAO TSARA NY AFANDEHANY TANTARA?
ADY IRAK?
MIKASIKA AN"IRAN?
ADY AO PALESTINE?
SNS TSY VOATANISA?
LAZAINA FA HOE NY SILAMO MAHERY FIHETSIKA
70. marozevo ( 03/07/2006 07:55)
Tsy misy mpanao politika koa eto, saingy iza moa fa tsy ny Silamo no mampifangaro ny resaka politika amin'ny finoaNY. Io ilay integrisme.
Ny iangaviako an'i Energye fotsiny dia ny hamaly hoe eto Madagasikara ve ianao no mipetraka sa any ivelany. Tsy ny fijeriko ny "mombamomba anao" akory no hamaly izany, fa ny fitokisako izay ho lazainao.

Mahery fihetsika : fantatrao ve ny zava-misy iainan'ny Kristianina any Pakistan ? Indonésie ? noho ny ataon'ny Silamo. Oviana anefa tamin'ireo firenena ireo no nisy Kristianina nihetraketraka Silamo.

Fa na izany na tsy izany, ho an'ny Silamo izany dia tsy maninona raha mamaly faty ? jereo ange ity nosoratanao eh :[quote]LAZAINA FA HOE NY SILAMO MAHERY FIHETSIKA
71. energye ( 04/07/2006 04:29)
marozevo , tsy afaka mamaly ny fanotanianao aho fa miala tsiny , de zao fa nanino loatra kay ireo vehivavy izay monina sy mianatr aty @ firenena hafa toa an'i frnace sns no noterena mba hanala fonon-doha rehefa mandeha mianatra ?
zahay koa anie tsy manao ratsy amin'ireo izay tsy mikitika anay [ tsy toa ireo sasany] fa izay nanao ratsy de valinay satria izany no voasoratra ho anay.
marozevo fanga faharatsiana raha ohatra ka silamo zaho, toa gaga be enao raha nahay fa zaho silamo .
mivavaha ho anay ry marozevo fa tsy fantatray ny ataonay [ sa tsy izany ve notadiavinao hataonay]?
72. soanja ( 06/07/2006 01:43)
Energye a, Tsy Silamo mihitsy aho fa Kristianina. Efa nanontaniako ilay mpampianatro fa tsy mety hiteny ny karazana Islam arahany izy fa hoe fampianarana no ataony. Dia izay.
Ny tsy azoko ry Energye dia nahoana koa ianareo no miady nefa samy silamo nefa mazava ny teny ao amin'ny Quran. Ilay resaka Abu Mousab Al-Zarqawi no tena nahagaga ahy. Tena halany lavitra noho ny Amerikanina ny mitovy finoana aminy.
73. marozevo ( 07/07/2006 14:55)
Raha izany no valinteninao ry energye, dia hitako fa tena Silamo ianao.. tsy manana franchise, tsy sincère.

1 - Ny resaka saron-doha tsy avy amin'ny maha Kristianina no mahatonga izany fa resaka lalàn'ny fiaraha-monina. Ianareo no zatra manao integrisme ka ny hafa avy koa no heverinareo fa manao integrisme.

2 - Tena manao ratsy an'izay tsy maninona tsy maninona azy ny Silamo. Jereo tany Indonesie farany iny. Inona no ratsy nataon'ireo zazakely telo notapahinareo ny lohany sy ny ratsam-baty ?

3 - Fantatrao ve ny zava-misy any Pakistan ?

Ekeo fa tsy fantatrao ny ataon'ny Silamo eran-tany eh... tena tsy fantatrao ... Satria raha tena fantatrao mety hiova tampoka ianao.

Soa tsy fantatrao....
74. dadabe ( 07/07/2006 16:46)
andraso hoe....!!! le resaka sarindoha kosa aloha ry marozevo dia ara tsoratra masina a (baiboly), rehefa mivavaka ny vehivavy dia tokony hanao sarindoha
75. soanja ( 07/07/2006 18:28)
Betsaka ny zavatra hitako momba ny resaka Silamo momba ny vehivavy no misy ifandraisany ihany amin'ny finoana Kristianina tamin'ny testamenta taloha. Aleo hadihadihantsika eto amin'ny manaraka. Sa ahoana ry Dadabe?
76. marozevo ( 07/07/2006 19:04)
Eny eh.. ekena izany ry dadabe ah. Fa ny resaka eto anie ilay fisaronan-doha any an-tsekoly any France eh. Ny fandrarana tsy hisaron-doha dia tsy hoe Kristianina mandrara ny Silamo tsy hisaron-doha, fa ny lalànam-panjakana no mandrara. Tsy ny Silamo ihany akory no victimen'io any France fa ny rehetra.

Raha fintinina ilay lalàna dia tahatahaka izao : Voarara ny fampiasana na fitondrana zavatra manambara finoana any an-tsekoly. Ny Silamo tsy mahazo misaron-doha, ny Katolika tsy mahazo mitondra lakroa na sary masina, ny Protestant tsy mahazo miondrika mivavaka. Ny rehetra anefa mahazaka an'izany fa ny Silamo ihany no miziriziry fa tsy mety hono izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3975