Akanjo vao sy lamba tonta, divay vao sy divay tranainy.

1. Herimiafina ( 19/06/2006 17:24)
Misy tenin'i Jesuah iray izay, rehefa niresaka ny momba ireo mpianatr'i Jean-Baptiste Izy ka manao hoe:

"Tsy misy olona ka andeha hanampina akanjo vao amin'ny ravindamba nalaina tamin'ny akanjo tonta".

"Tsy misy olona andeha handraraka divay nialon'andro anaty famarana misy divay vao".

Fa sady hanimba ny divay vao izy no hanimba ny famarana misy azy. sns.

Tsy tadidiko tsara ilay toko sy andininy fa efa ela no nahalasa saina ahy hoe, inona no tian'ny Tompo hambara teo? Asa misy afaka ny hanazava ve ianareo? :roll:












novalian'i prime ny 10/07/2006 08:55
2. Fiffi ( 19/06/2006 19:12)
aleo aloha hiheritreritra...
3. cutie ( 19/06/2006 19:29)
Zany ve tsy midika we aza manaonao foana :-D:-D:-D fa mba mandinika aloha:-D
4. Fiffi ( 19/06/2006 19:35)
cutie: tsy azoko !!

Satria raha hamaly ny dinika manko , indrindra fa ny fivavahana sy ny finoana , amiko de hilana ny fandinihana sy ny fiheritreretana fa tsy ho valiana fotsiny @ zao.
5. cutie ( 19/06/2006 19:38)
fiffi, tsy resaka fivavahana fotsiny no nitondrako azy ka, @fiainana andavan'andro :wink:
6. cutie ( 19/06/2006 19:54)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 20-06-2006 00:35:22
Lohateny : Re : Akanjo vao sy lamba tonta, divay vao sy divay tranainy.
cutie: tsy azoko !!

Satria raha hamaly ny dinika manko , indrindra fa ny fivavahana sy ny finoana , amiko de hilana ny fandinihana sy ny fiheritreretana fa tsy ho valiana fotsiny @ zao.

hummmm heverin-jy fa namaly fotsiny t@ zao zany za a :-D:-D:-D:-D:-D
7. diamondra27 ( 19/06/2006 21:07)
misy dikany tokoa io matoa notenenin'i Jesosy.
Fa aleo hiandry an'i LazaRandria sy ny namana hafa.

Mila mamaky tsara le circonstance notenenanay an'io aloha fa tsy mandika ara-bakiteny fotsiny

Ndao ary hijery hoe: aiza ho aiza ao @ baiboly aloha no misy an'io, de avy eo miara-mamaky azy
8. cutie ( 19/06/2006 21:41)
fa manin no mbola handeha hamaky baiboly?
tonga de diniho @io fotsiny ry DM le izy a .
Lasa mihitatra njay le dikany raha mbola handeha hamaky baiboly
9. diamondra27 ( 19/06/2006 21:45)
cutie: tsy maintsy vakiana le toko sy andiny satria avy tao @ baiboly no nahitana an'io ka!
'za tsy miteny hoe: baiboly rehetra no ho vakiana fa le misy an'io ihany aloha ny lesona androany.
10. cutie ( 19/06/2006 21:46)
vakio zany de ento eto :wink:
11. LazaRandri ( 19/06/2006 22:29)
diamondra27:

misy dikany tokoa io matoa notenenin'i Jesosy.
Fa aleo hiandry an'i LazaRandria sy ny namana hafa.
Fa angaha moa izy io ry Diamondra tsy efa nohazavain'i Jesosy? (ny fanazavana an'io dia ilay antony nahatonga Azy niteny an'io):)

PS: Somary nampitsiky kely ahy ny nanononanao ny anarako hoe fa maninona loatra ary? :wink:


12. diamondra27 ( 19/06/2006 22:55)
MATIO toko 9 /and16 : Ary tsy misy olona manampina lamba tonta @ tapa-damba tsy mbola voalona ; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.

andininy 17 :Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta ; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra ; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa
13. diamondra27 ( 19/06/2006 23:05)
Isaorana mialoha izay afaka mi-taper ny Matio toko faha 9 manomboka @ andininy faha9 ka hatr@io andininy faha-17

Dia ho hita ao ny nahatonga an'i Jesosy nilaza an'io

LazaRandri:tonga de io fotsiny ange no tadidin'i HM sy maha lasa fisainana azy de izay no nilazako hoe: aleo jerena aloha ny circonstance an'le izy e!

Enao moa izany angamba efa nahita an'io Matio 9:9-17 io de fantatrao ny tiany ho lazaina fa ho an'ny hafa de tsy nazava, ka de izay no mba angatahin'i HM eto fanazavana e!

cutie: efa io izany le izy fa mba ampio aho hi-taper an'ilay versets
Sa atao copier coller alaina any @ baiboly .org
14. diamondra27 ( 19/06/2006 23:08)
HM: toriteny nataon'i Jesosy ny @ fifandiankanina no nanaovany io teny io
15. diamondra27 ( 19/06/2006 23:11)

MATIO toko faha 9: andininy faha
14 Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

15 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.

16 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.

17 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
16. cutie ( 20/06/2006 00:10)
Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 20-06-2006 03:55:49
Lohateny : Re : Akanjo vao sy lamba tonta, divay vao sy divay tranainy.
MATIO toko 9 /and16 : Ary tsy misy olona manampina lamba tonta @ tapa-damba tsy mbola voalona ; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.

andininy 17 :Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta ; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra ; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa

DM,za tsy mahay ny dikan;io, aleo hianjy an'ny mopera:lol::-D
17. bimanoa ( 20/06/2006 03:56)
Lesona sekoly alahadinay izany !:°)
ny lamba tonta sy ny divay nialon' andro ( divay ela koa ny filaza azy ) dia entina ilazana ny fombafomba taloha izay mbola arahan' ny Jiosy ihany, ny lamba vao sy ny divay vao d entina ilazana ny fampianarana vaovao izay nentin' i Jesoa.
Ny Jiosy mantsy d fatra-panaraka ny fomba sy ny fampianarana nentin-drazana ary na efa tonga aza Jesoa d mbola miandrandra Jesoa hafa izy, milaza fa mbola ho avy foana Jesoa.
Eto Jesoa d mananatra azy ireo fa efa tonga Izy, tanteraka ao Aminy ny soratra masina tao amin' ny testamenta taloha, tokony hanaraka ny fampianarany indray ny Jiosy, tokony hiova ho olom-baovao, ny fahateraham-baovao.
Asa raha mazava @ i Herimiafina sy ny hafa !
18. pissoa ( 20/06/2006 05:06)
bimanoa> Tsy mazava amiko.

Raha hoe
lamba tonta = fampianarana taloha (jiosy sns hoy ianao)
lamba vaovao = ny fampianarana nentin'i Kristy

Dia maninona no io no fanoharana nentin'i Jesoa. Raha adika tsotra be ilay izy dia toy ny hoe tsy tokony ho tampenana amin'ny fampianarana nentin'i Jesoa ilay fombafomba taloha 8O Izaho nefa tsy siora fa izany no tian'i Jesoa nolazaina teo :roll:
19. bimanoa ( 20/06/2006 05:44)
tsy hoe tsy tokony ho tampenana fotsiny fa tokony ialana mihitsy ilay fombafomba sy fahazaran-dratsy taloha : " Efa lasa ny zvt taloha, indro efa tonga vaovao ireo " ," Raha misy olona ao @ i Kristy d olom-baovao izy "
20. prime ( 20/06/2006 06:18)
" Efa lasa ny zvt taloha, indro efa tonga vaovao ireo " ," Raha misy olona ao @ i Kristy d olom-baovao izy "
ny lamba tonta sy ny divay nialon' andro ( divay ela koa ny filaza azy ) dia entina ilazana ny fombafomba taloha izay mbola arahan' ny Jiosy ihany, ny lamba vao sy ny divay vao d entina ilazana ny fampianarana vaovao izay nentin' i Jesoa.

Valin-teny iray tena mahalaza azy @ fomba tsotra tokoa io.
Ny fahafantarako an'io an-dalan-teny io koa dia manambara ny mahasamihafa ny asan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Fa tsy maintsy maty aloha Kristy dia vao mitsangana ary miakatra ho any an-danitra izay vao omen'Andriamanitra ny mpino ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka izany... Izay no mahaandron'ny Fanahy Masina ny amin'izao fotoana izao fa Jesosy efa tsy eto intsony fa any an-danitra. Ny Fanahy Masina (ilay endrika fahatelon'Andriamanitra) no miasa ankehitriny ka mitoetra, tena isam-batan'olona mihitsy (ny mpino)...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1351