Akanjo vao sy lamba tonta, divay vao sy divay tranainy.

21. Silo ( 20/06/2006 07:42)
Lalina indray izany !
8O8O8O8O8O:):):)
22. diamondra27 ( 20/06/2006 08:28)
II KORINTIANA toko faha 5


andininy faha:17====> Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
23. little ( 20/06/2006 08:34)
za alou tsy mopera sy pasitera fa tena terre a terre be fa mazava io ka, avelao ny lasa ho an'ny lasa ary ny @ zao ho @ zao. izay efa lasa omaly avalony fa manjary manimba ny fiainana sy manaratsy ny fiainana tokony ho manja, de nandray an'le hoe koa anie io e, avelao zay an'i Kaisara ho an'i Kaisara ary ho an'Andriamanitra zay azy. Misy zavatra tsy azo afangaro zany e! fa mety misy dikany hafa koa aio an!
24. hery ( 20/06/2006 08:41)
Tokony tsy raisina mitokana io lahatsoratr'i Matio io fa jerena miaraka amin'ny maha-izy an'i Matio manontolo.

Raha mamaky ny Evanjely na Filazantsaran'i Matio ianareo dia mahatsikaritra ny dualité (fifandanjan-javatra roa) misy eo amin'ny Taloha sy ny Ankehitriny.

Vakio hatrany amin'ireny Toko faha 5 ireny.

"Efa renareo ny didy hoe... (didy taloha)
Fa izaho kosa milaza aminareo hoe ... (didy vaovao)"

Io dia tsy midika hoe avelao ny taloha... satria rehefa dinihana dia vao mainka mafimafy kokoa noho ilay taloha ilay didy vaovao. Ka ny heviny dia hoe ny taloha dia làlana iray ahafahanareo miditra amin'ny vaovao.

Dia toa izany ity resaka divay sy lamba ity. Tsy misy fitenenana eto hoe "Avelao ny tranainy"... fa hoe "Aza afangaro amin'ny vaovao izy"... amin'izay dia "Samy ho voatahiry".

Izany hoe ny tanjona dia ny mba tsy hahasimba ilay tranainy kanefa hahatsara ilay vaovao.

Raha mamaky lalindalina isika dia hahatsikaritra fa mbola betsaka ny zavatra tahaka an'io ao amin'ny Bokin'i Matio...

Ny antony dia satria ny bokin'i Matio dia nosoratany indrindra ho an'ireo Jiosy izay nanodidina azy.

Sao lava loatra :-)
25. prime ( 20/06/2006 08:43)
Lalina indray izany !

Silo> lalina ahoana ary??? :-D:-D
26. majakely ( 20/06/2006 08:45)
zah njay ry zareo tena miombon-kevitra am cutie aaa,marina ny azy hoe:aza manaonao foana am fiainana zany fa mba mandika alony éé..zay mintsy no dikanîo hihihihi.-...marin zay cutie aah
27. diamondra27 ( 20/06/2006 08:48)
[b]I KORINTIANA Toko faha15 andininy 13 à 19

13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;

14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.



15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.

16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;

17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo;

18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.

19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
28. prime ( 20/06/2006 08:54)
Misaotra diams ah!!!:D
29. diamondra27 ( 20/06/2006 08:57)
version LOUIS SEGOND

IKORINTIANA 15:13-19

13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;

14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.

15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.

16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;

17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo;

18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.

19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
30. prime ( 20/06/2006 09:03)
diams> maninona no naverina in-2???:-P
31. diamondra27 ( 20/06/2006 09:19)
prime: naveriko indroa satria tsy mitovy le version e!

le faharoa version Louis segond
de le voalohany version americain standard

ka ilay faharoa no mahazatra ahy.:wink:
32. LazaRandri ( 20/06/2006 09:44)
ohatran'ny mahita aho hoe toa te handrebireby fotsiny i Herimiafina :wink: . Angamba ny valin-teny tiany ho hita dia hoe:
- aza mikafiry akanjo rovitra
- aza misotro divay

voavaha ny adihevitra amin'izay? hahaha!
33. diamondra27 ( 20/06/2006 10:11)
HM: inon hono no tianao fantarina e!
LazaRandri::lol:
34. Fiffi ( 20/06/2006 11:31)
LazaRandri:
ohatran'ny mahita aho hoe toa te handrebireby fotsiny i Herimiafina :wink: .
fa ahoana kosa ? LazaRandri: novakianao ve ireo nosoratan'i hery ireo ? raha novakianao de ho hitanao eo ny valiny.


35. Fiffi ( 20/06/2006 11:33)
hery:

Tokony tsy raisina mitokana io lahatsoratr'i Matio io fa jerena miaraka amin'ny maha-izy an'i Matio manontolo.

Raha mamaky ny Evanjely na Filazantsaran'i Matio ianareo dia mahatsikaritra ny dualité (fifandanjan-javatra roa) misy eo amin'ny Taloha sy ny Ankehitriny.

Vakio hatrany amin'ireny Toko faha 5 ireny.

"Efa renareo ny didy hoe... (didy taloha)
Fa izaho kosa milaza aminareo hoe ... (didy vaovao)"

Io dia tsy midika hoe avelao ny taloha... satria rehefa dinihana dia vao mainka mafimafy kokoa noho ilay taloha ilay didy vaovao. Ka ny heviny dia hoe ny taloha dia làlana iray ahafahanareo miditra amin'ny vaovao.

Dia toa izany ity resaka divay sy lamba ity. Tsy misy fitenenana eto hoe "Avelao ny tranainy"... fa hoe "Aza afangaro amin'ny vaovao izy"... amin'izay dia "Samy ho voatahiry".

Izany hoe ny tanjona dia ny mba tsy hahasimba ilay tranainy kanefa hahatsara ilay vaovao.

Raha mamaky lalindalina isika dia hahatsikaritra fa mbola betsaka ny zavatra tahaka an'io ao amin'ny Bokin'i Matio...

Ny antony dia satria ny bokin'i Matio dia nosoratany indrindra ho an'ireo Jiosy izay nanodidina azy.


hery : tena mazava be ! zay vao tena azoko koh ny tiana lazaina @ io.
diamondra: mahay koh ndry an! :)


36. prime ( 20/06/2006 11:53)
Mbola manamafy izay voalazako aho... Ny Fanahy Masina dia mila trano vaovao itoerany fa tsy ny trano taloha intsony... Olom-baovao mibebaka t@ nataony, ka efa nateraka indray, ka ny Fanahy Masina ilay tsara indrindra amin\'Andriamanitra satria Izy tenany mihitsy no monina ao amin\'io olom-baovao io... Etsy ankilany Jesosy nanambara fa raha mbola eto an-tany Izy dia tsy afaka raisintsika mihitsy io Fanahy Masina io ary izay no antony tena nankaherezany ny mpianany fa omeny ny tsara indrindra sady isan\'olona mihitsy dia ny Fanahy Masin\'Andriamanitra...
Manaraka, ny fomba fivavaka fanao t@ fotoan\'androny dia tsy nahitan\'ny Tompo loatra tsininy akory (fifadian-kanina io) fa ilay olona mihitsy no tiany handinin-tena mafy mba hitandrina satria mifanohitra mihitsy @ fampianarany (vaovao rahateo).
Hatreo aloha fa lava loatra...
37. Herimiafina ( 20/06/2006 12:34)
Misaotra betsaka ry zareo fa ziay aho vao nahita fanazavana mazava tsara an, io resaka fomba taloha sy fomba vaovao io no tena hitako mitombon amin
38. diamondra27 ( 20/06/2006 12:55)
prime sy HM/ dia mbola miverina ihany t@ teniko testy aloha aho fa resaka momba ny fifadiankanina no nahatonga ity resaka ity.
Dia nande ny resaka ka novalian'i Jesosy.
Dia avy eo @izay izany mila fantarina oe: inona ilay dikany sy tiany ampitaina t@ le olona nametraka ilay fanontaniana(tsy i HM an, fa le ao @ baiboly)
39. prime ( 20/06/2006 13:10)
dia mbola miverina ihany t@ teniko testy aloha aho fa resaka momba ny fifadiankanina no nahatonga ity resaka ity.
eny e tsy mandà izany aho kah! fa tenin'i Jesosy tsy "figée" fotsiny t@ circonstances nilazàny azy io... fa mbola mitohy @ toko manaraka rehetra io nanambaràny ny tsy maintsy hahafatesany ka anomezany ny Fanahy Masina amin'izay rehefa tsy eto an-tany intsony izy...
40. majakely ( 20/06/2006 15:02)
sady divay efa milay kosany ve mbola tapohana divay ratry ihany??hihihi,,,,sa mangetaheta be ve ,,de aleo apina ??hihihi,,,oupsss,,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1383