Akanjo vao sy lamba tonta, divay vao sy divay tranainy.

41. booboo ( 20/06/2006 15:08)
hihihihi
42. Fiffi ( 20/06/2006 16:17)
prime tena tsara mihintsy ny famakiana ny tohiny fa mifameno tsara. Ary vao maika mazava tsara koh .
43. prime ( 21/06/2006 10:38)
Fiffi> :-*
Majakely> :-D:-D:-D
44. JOCH ( 22/06/2006 12:35)
Izao kosa ny ahy no mba holazaiko.
Misy ho raisina daholo ny teninareo rehetra.
Raha lazaina sy adika amin\'ny fiteny tsotra io versé io de hoe:
tsy misy mividy ravindamba any analakely mba hanampenany ilay akanjo efa natao serpiera.
Matoa mividy ravindamba vaovao ianao de hanaovanao akanjo vaovao iny.
Isika moa tsy misy mpanao divay fa mitovy ihany ny hevitr\'io fanoharana momba ny siny hoditra fasiana divay io sy ny momba ny lamba na tapa-damba
Izao no tena hevitr\'io tenin\'Andriamanitra io:
Andriamanitra de tena lehibe sy masina ary ny olombelona de faran\'izay bitika eo anatrehany.
ohary amin\'ny tenanao sy ny prezida Ravalomanana
farafaharatsiny.
Tsy moramora izany hoe olon-tsotra hangataka fihaonana amin\'ny président izany.
Tsy moramora izany hoe mivavaka sy miresaka ary mifandray sy mangata-javatra amin\'Andriamanitra izany.
Firifiry moa ny olona mivavaka eto ambonin\'ny tany, firifiry moa no marary mafy eny amin\'ny hopitaly ka entina ambavaka, firifiry moa no olona miseho sy tena hita hoe mivavaka kanefa firy amin\'ireny no valian\'Andriamanitra.
Iza no olona sahy hilaza fa vao mangataka amin\'Andriamanitra de homeny, iza no olona afaka milaza fa akaikin\'Andriamanitra indrindra eto ambonin\'ny tany.
Iza no olona sahy milaza fa masina indrindra eo anatrehan\'Andriamanitra.
Izay indrindra, arak\'izay nolazainao izay, tsy misy, ary za milaza amintsika fa tsy amin\'izao ihany fa efa hatramin\'ny taloha izany.
Eo indrindra no hidiran\'ilay resaka fifadiankanina.
Amin\'ny fifadiankanina no fomba tsara indrindra hanantonana sy hifandraisana amin\'Andriamanitra.
Jereo tsara, samy mahalala ilay tantaran\'i Jonah angamba isika, tsy de hiditra amin\'ilay tantara hoe Jonah tany ankibon\'ny hazandrano lehibe na baleine aho fa ny amin\'ny mission nampanaovin\'Andriamanitra azy.
Nirahin\'Andriamanitra izy hilaza any amin\'ilay tanàna atao hoe ninive fa horavan\'Andriamanitra tahaka an\'i Sodoma sy Gomora izany tanàna izany satria tena ratsy ny olona rehetra tao amin\'izany tanàna izany.
Ary rehefa Andriamanitra izay no miteny de tsy misy mahaova iny heviny iny fa amin\'ny fony no hitenenany iny. Tena horavany tokoa ilay Ninive, saingy ity;
tonga saina hatramin\'ny président tao amin\'ilay tanàna ka de nasaina nifady hanina haingana ny olona rehetra, eny tsy nisy tsy nifady hanina hatramin\'ny zazakely ka hatramin\'ny omby sy ny biby fiompy rehetra de tsy nisy navela na de hisotro rano aza mba hifonana amin\'Andriamanitra tsy hahatongavan\'ny loza.
De tena nohenoin\'Andriamanitra tokoa ny fifonan\'ireo olona rehetra tao amin\'io firenena io.
Ianao ve mihevitra fa raha nivavaka nifona tsotra fotsiny ny olona tao de tsy tonga ilay loza.
Matoa io tantara io nosoratan\'Andriamanitra de mba hianaran\'izay te hahafantatra an\'Andriamanitra rehetra aty aoriana koa.
Ary izany no nahatonga ilay ady hevitra tamin\'ny andron\'i Jesosy hoe: nahoana ny mpianatrao hoy ny mpianatr\'i Jaona miantso an\'i Jesosy no tsy mba mifady hanina tahaka anay sy ny mpianatry ny fariseo.
Kanefa Jesosy de nitory tamin\'izany fa izy de avy amin\'Andriamanitra ary ny olona rehetra aza tamin\'izany de niala tamin\'ny fariseo sy Jaona ka lasa mpianatr\'i Jesosy avokoa.
De teo no nahatonga ny ady hevitra tamin\'izany hoe ity Jesosy ity miseho ho avy amin\'Andriamanitra kanefa ny mpianany aza tsy mba mifandray amin\'Andriamanitra amin\'ny fifadiankanina.
De tsotra moa ny valintenin\'i Jesosy, de io mahatonga ady hevitra eto io koa.
Izao no tena hevitr\'io tenin\'ny Tompo io:
Tena ilaina ny fifadiankanina ary io no tena lalana sur fa hihainoan\'Andriamanitra ny vavaky ny olombelona sy ny fifonany. Saingy kosa tamin\'i Jesosy tonga tety de nofohanan\'Andriamanitra aloha io fifadiankanina io, fa izay rehetra izay rehetra nila vonjy sy nangatampamelana sy nangataka fanasitranana tamin\'izany de nohenoin\'Andriamanitra avy hatrany, de jereo fa n\'iza n\'iza marary sy jamba sy nisy problème tonga teo amin\'i Jesosy de nohenoiny sy nositraniny sy navelany ny helony.
Jereo anie ilay mpijangajanga (na makorelina) saika hotorahimbato tamin\'izany e! nony tonga teo amin\'i Jesosy izy de navotany tsy hotorahimbato ary tsy vitan\'izany fa navelany koa ny helony sy ny fahotany.
Tsy nila nifady hanina ilay vehivav, na ireo olona rehetra nila famonjena tamin\'izany.
Fa rehefa lasa niakatra any an-danitra kosa Jesosy de izay vao miverina amin\'ny laoniny ny mikasika ilay fifadiankanina.
Izany hoe tsy misy dikany izany ny fifadiankanina izay natao tamin\'ny andron\'i Jesosy fa vao maika aza ohatran\'ny hoe fanaovana tsinontsinona azy.
Izay no nahatonga azy niteny hoe ny tapa-damba vaovao de handrovitra ny lamba tonta ary ny divay tonta de hampitriatra ny sinyhoditra vaovao.
Izany hoe ilay fifadiankanina de manjary lasa fanaovana tsinontsinona ny fahatongavan\'i Jesosy, ary Jesosy de nahatonga ny fifadiankanina ho tsinontsinona ka de tsy afaka niaraka mihitsy ireo zavatra roa ireo.
Raha misy izany olona nifady hanina tamin\'izany de tsy nohenoin\'Andriamanitra fa izay nanantona an\'i Jesosy no nohenoiny.
Ny hafatro amintsika mpamaky de ity, tena mbola ilaina ny fifadiankanina amin\'izao ary vitsy ny olona mahalala izany fa tena secret izany ary efa io nambarako aminareo io ny secret, ka raha misy aminareo mahay mandray ny teny nolazaiko de sambatra indrindra ianareo.
Hoy Jesosy raha nanao ohatra mitovy amin\'io ihany izy hoe:
tsy mahay mifady ny havan\'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny ampakarina fa rehefa lasa ny hampakarina vao hifady izy.
Ny dikany de araka io fanazavana ery ambony io ihany,
tsy misy dikany ny fifadiankanina raha mbola eo Jesosy fa rehefa lasa Izy vao tokony hifady amin\'izay ny olona.
Za mamporisika antsika, raha misy olana be na manoloana ny zavatra tena tsy misy fanafana intsony isika, eny rehefa mety zavatra tsy misy solution intsony, mety ho aretina , mety ho fonja, mety ho fahafatesana no eo aloanao, mivavaha mafy amin\'Andriamanitra miaraka amin\'ny fifadiankanina fa ho hitanao hoe tena mbola misy Andriamanitra, tena mbola mihaino ny olombelona Izy, tena tsy miova tokoa Izy.
Inty anefa no tena zava-dehibe sy tadiavin\'Andriamanitra amintsika.
Tsy rehefa tojo loza na araka ireo voalaza eo ambony ireo isika vao hitady an\'Andriamanitra sy hifady hanina fa ny mifanohitra amin\'izany aza no tena tadiaviny.
De ny hifadiantsika hanina mba hanantonantsika azy sy hahafantarantsika azy ary hahaizantsika mandeha amin\'ny fahamarinana sy araka ny sitrapony
Rehefa mifady hanina de tena tsy mikasika na de rano aza.
Ary ny iray andro tena 24 heures fa tsy hoe manomboka amin\'ny enina maraina de tapitra amin\'ny enina hariva.
De arakarak\'izay maharesy lahatra ny fonao sy ny sainao ihany io hoe:
tena raha hifadiako hanina telo andro ity toe-javatra iray ity de hivaha, ity kosa ohatra mety indray andro, tsy voatery misesy fa mety hoe telo andro ka de asiako indray mandeha isankerinandro.
Andramo ka izahao fa tsara Jehovah




















45. Fiffi ( 22/06/2006 12:43)
tena lavabe ka mila fotoana lavabe koh hamakiana azy miadana.
46. prime ( 22/06/2006 13:09)
Fiffi> ny tena votoatiny raha fintinina dia "raha mbola teo Jesosy dia tsy nilaina loatra ny fifadian-kanina raha te-hanatona an'Andriamanitra (vavaka), fa rehefa niakatra Izy dia mampirisika mihitsy aza hoe ataovy ny fifadian-kanina... dia avy eo manentana izy hoe manaova fifadian-kanina fa tena mahasoa io indrindra amin'ny ady mafy atrehina..."
JOCH> misaotra anao nanome fanampim-panazavàna, fa fanamarihana fotsiny ny ahy hoe, mila mitandrina ihany rehefa hanao fifadian-kanina fa mila alefa tsikelikely fa tsy tonga dia hanao 3 andro izany hoan'ny olona mbola tsy zatra f'andrao manimba fahasalaman'olona... Ary indrindra moa mila fampianarana manokana io ka tsaratsara lavitra manatona Ray aman-dRenim-piangonana (Mpitandrina, Mpiandry, Pretra...) alohan'ny anaovana izany mba tsy anaovanaovana foana fa ady (no sady vavaka rahateo) no atrehina amin'ny fifadian-kanina fa tsy moramora akory...
47. marozevo ( 22/06/2006 23:43)
JOCH > Voalohany aloha dia marina ny an'i Fiffi... lava loatra. Mba meteza ho eo amin'ny toeran'ny mpamaky fa aza mihevitra ho mpanoratra fotsiny.

Tsy haiko na inona no tianao hambara amin'ilay fanoharana hoe Ravalomanana, fa raha ny fahitako azy, dia olona mora atonina mihitsy Ravalomanana. Izaho izao, tsy dia mankaiza loatra, ary tsy mpanao politika kely akory, fa isaky ny mangataka hiresaka aminy aho dia mandray foana izy, ary izaho tsy matahotra moa izy koa tsy mivatravatra.

Tsy haiko ny mampifandray an'ilay fanoharana io, momba ny fifandraisana amin'Andriamanitra.
48. prime ( 23/06/2006 04:38)
JOCH> marina ny ambaran'i Marozevo fa ny vavaka tsy miankina loatra @ halaviran'Andriamanitra fa miankina @ fon'ilay olona mivavaka... Efa misy lahadinika lavabe mikasika ny vavaka koa ary ambadika ary... asaina ianao hamaky an'ireo... mitohy ny dinika... :)
49. Fiffi ( 23/06/2006 05:00)
Tena ilaina ny fifadiankanina ary io no tena lalana sur fa hihainoan'Andriamanitra ny vavaky ny olombelona sy ny fifonany.
heu....ary raha mihinankanina zany de ahoana ? tsy henon'Andriamanitra ny vavaka hataony sy ny finoany ?
50. prime ( 23/06/2006 06:31)
Fiffi> ilay fifadian-kanina (@ mahavavaka azy) tsy dia ilay fifandraisanao amin'Andriamanitra intsony no fototra iorenany raha ny fahalalàko azy fa ny fandavan-tenanao vonona hiatrika an'Andriamanitra (fandinihan-tena lalina araka izay tenin'Andriamanitra omeny anao @ io fotoana anaovanao fifadiana io) ka mba anadinoanao ny tenanao iray manontolo (eny fa na ny nofonao aza) fa iraisanao tanteraka amin'Andriamanitra @ fo, saina, fanahy eny fa ny nofo koa aza... satria ny nofo no fitaovana voalohany fampiasan'ny devoly entina ampisarahana ny olona amin'Andriamanitra... Ka sady vavaka, firaisana tanteraka amin'Andriamanitra (de pure symbiose communion) ka tsy misy mahasaraka anao aminy intsony na dia ny tenanao aza (nofo @ alalan'ny hanoanana, aretina, fanaintainana, filàna...). Ary etsy ankilany, tsy mitsahatra ny fifadiana raha tsy azonao ny sitrapon'Andriamanitra araka izay angatahinao aminy sy avaliny anao... (arakarak'izay ny mahalava na mahafoy azy, 1 na 3 andro na herinandro, ny an'ny Jesosy aza 30 andro mahery...)
51. hery ( 23/06/2006 06:40)
prime> hitako hoe tena manindry mafy ilay hoe fifadian-kanina ianao...
Enga anie mba tsy ho fifadiana fotsiny (be dia be ny olona mifady hanina, indrindra ireo tsy te hatavy)... fa fifadiana arahim-bavaka sy fibebahana.
Efa mora tokoa mantsy amin'izao ny mifady hanina fa ny tanjona no tsy mitovy.
52. prime ( 23/06/2006 08:47)
hery> an!an!an! tsy manindry mafy aho fa ilay lohahevitra mihitsy no mitaky fanazavàna an'io (vakio diams ao ambony ao) etsy ankilany koa i Fiffi mba nanontany dia mitondra izay mba kely fantatra e!!! sady mazava tsara io lazaiko ambony io fa fifadian-kanina (vavaka) miray sy mitodika amin'Andriamanitra (amin'ny anaran'i Jesosy) no ambarako ao...:)
53. JOCH ( 23/06/2006 16:34)
Tena fanahy iniako natao lavalava mihitsy ilay anjarako tery ambony mba hanisy lanja ilay ady hevitra
Ny amin'ilay resaka Président Ravalomanana indray de tsotra ry marozevo a.
Ny président anie no tiako holazaina de olona ambony faratampony sady manankaja indrindra eo amin'ny firenena e. Taloha moa izy de mpanjaka, de jereo ny olontsotra rehefa manantona ny mpanjaka, mila manetry tena sy tena manome voninahitra azy, de io fanetre-tena sy fanomezamboninahitra io no soloina fifadiankanina eo anatrehan'Andriamanitra.
54. prime ( 28/06/2006 06:49)
JOCH:
de io fanetre-tena sy fanomezamboninahitra io no soloina fifadiankanina eo anatrehan'Andriamanitra.
tsy mazava... ny fanetren-tena aloha dia tsy soloina izany raha ny fahafantarako azy satria toetra
55. prime ( 28/06/2006 06:54)
Miala tsiny fa tapaka...
ny fanetren-tena aloha dia tsy soloina izany raha ny fahafantarako azy satria toetra anaty tena tian'Andriamanitra iainan'ny mpianany...ka entina mandrakizay satria toetran'Andriamanitra rahateo nanaiky hanetry tena nidina tety an-tany hamonjy ny olona rehetra fa tsy nijanona t@ maha Andriamanitra sy maha Mpanjaka Azy tany an-danitra...
Ny fanomezam-boninahitra koa toa tsy soloina izany kooohhh!!! voninahitra efa Azy Andriamanitra toa tsy azo foanana na soloina izany. Izy ary nanamafy fa rehefa tsy hanome voninahitra Azy ny olona, ny zaza no hanefa izany, ary raha tsy hanao izany ny zaza dia ny vato eny amoron-dalana no hanao izany... :wink:
56. marozevo ( 28/06/2006 21:29)
Za aloha dia tsoriko amin'i JOCH fa tsy nahavaky ilay lavabe ao ambony ao eh... Ireo hevitra mafonja nefa voafintina no tena arako tsara.
Asa iza angaha no tena nahavaky an'iny?
fa na izany na tsy izany dia misaotra an'i JOCH.
57. prime ( 29/06/2006 11:28)
marozevo> =D
58. marozevo ( 01/07/2006 22:12)
nanjary mpampanao devinette indray i prime tato ho ato izay : Ilay sheka mbola tsy voazavany, dia efa arosony indray ny =D.
59. prime ( 04/07/2006 08:51)
mahagaga mihitsy fa manindry sary aho dia =D no mipoitra, ampianaro emoticones ry fiffi fa tsy ao ny tenanay a!!! ka ilay sheka anie miteny hoe "l'ami" e! eka sheka = oui l'ami ou merci l'ami...
60. marozevo ( 07/07/2006 19:05)
Hay ! Mazava fa misaotra.

=D : sao dia mba sary tsy misy akory ary no tsindrianareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008