Ny fitiavana sy ny taona !!!!!!!!

1. andoniaina ( 19/06/2006 16:21)
Nisy tovolahy kely 1 notezai-ndrenibeny,15 taona izy mbola mianatra,mipetraka eto tana,efa maty R.A.DR,tsy misy 1tampo fa tokana,ny havana any amoron-tsiraka dôly,nisakaiza tamina tovovavy mitovy taona aminy izy ary mpiray tanana izy 2,sendra tao @ ny fokontany aho no naheno ny tantara,bevohokan'i lery le sipa de tsy nanaiky ny R.A.DR'ny sipa fa nampiakatra teo @'ny fkt aloha,voalaza moa fa ny beben'ny ilay bandy kely mandray vola fisotroan-dronono ka iny no mba fiveloman'izy mianaka,nyR.A.DR'ny le sipa nefa mitaky fa tsy maintsy ataon'le bandy hono ze hamelomana an'le sipa,ary tsy mantsy alain'ny lery vady ny sipakely,tsy maintsy mitokan-trano izy 2,lery nefa mbola mibôsy,hikandra tsy ampy taona,raha manaiky an'reo zany lery de tsy maninona fa raha manda de torian'ny r.a.dr'ny sipa.
fanontaniana hoe: ny fitiavana ve moa miankina @ ny taona?:-w:-w:-w:miam::miam::miam:
novalian'i Aino ny 22/06/2006 19:53
2. Herimiafina ( 19/06/2006 16:40)
Tsy miankina amin
3. Zina ( 19/06/2006 16:42)
kay le tena mampalahelo zany...ilay RADn'ilay kala kosa tokony mba hi-compra oe mbola mianatra anie ity bandy ity , nefa moa sur aho fa matahotra ny RAD fa soa dia tsy hanambady akory ity bandy kely ity...vue l'age...dia tena sarotra ilay izy
4. Fiffi ( 19/06/2006 16:44)
an3 ! amiko aloha de tsy miankina @ taona zany ny fitiavana ! Ny fo tsy azo baikona indray @ io fa de ny tsara zany de aleo ry zareo hivady.
Efa nahafantatra tantara tahak'izao zah ary tena sambatra tokoa le tokatrano satria le lhl efa zokiny hiany ka nahay nitantana tsara an'le vadiny sy ny zanany. Efa ho 25 taona zao no nivadiany ary efa 3 ny zanany.:)
5. Herimiafina ( 19/06/2006 16:58)
Ny efa hitako indray dai toy izao fa ny RAD-n
6. pissoa ( 19/06/2006 17:15)
Tsy mifidy taona ny fitiavana, fa ny taona no tokony atao mifidy fitiavana :roll: Mba atao ohatra hoe rehefa 12 taona dia fitiavana an'Papa no atao masaka be, dia rehefa 15 taona dia fitiavana baolina njay, sns :-D:-D:-D

[quote=Herimiafina]
Tsy miankina amin
7. totofy ( 19/06/2006 17:39)
mitovitovy an' ny Herimiafina no hitako fa ilay izy indray dé navelandry zareo teraka lé vvy kely dé avy eo ilay RAD vvy no nitaiza ny zaza... dé navelany nianatra izy 2....
8. pissoa ( 19/06/2006 17:42)
totofy:

mitovitovy an' ny Herimiafina no hitako fa ilay izy indray dé navelandry zareo teraka lé vvy kely dé avy eo ilay RAD vvy no nitaiza ny zaza... dé navelany nianatra izy 2....
Owaaaaaye ... tena intelijent be le totofy ray olona e :wink:=))=))=))


9. MTN ( 19/06/2006 17:58)
Efa nahita aho fa nivady ry zareo avy eo, dia nikandra ilay kofa. Firy amin'ny ankizy gasy koa moa no niasa na dia tsy ampy taona aza?
Hadalany ny azy ry reto ah.
10. Fiffi ( 19/06/2006 18:27)
heu...tokony hitandrina fotsiny fa tsy kilalao ny fiainana , indrindra fa raha misy zaza na bevohoka.
11. totofy ( 19/06/2006 19:18)
Owaaaaaye ... tena intelijent be le totofy ray olona e

:?: gardéo ny monnaie pissoa :-D:-D:-D:-D


mitovitovy an' ny Herimiafina no hitako fa ilay izy indray dé navelandry zareo teraka lé vvy kely dé avy eo ilay RAD vvy no nitaiza ny zaza... dé navelany nianatra izy 2....


fa ny niafaran' ny tantara dé niaraka kely ihany izy mi-2 dia nisaraka tanteraka.... sniff snifff




12. Silo ( 20/06/2006 05:47)
Mampalahelo izany tantara izany;
De inona no iveloman'izy mi-2 raha hivady izy, ary inona no asa sahaza azy ireo ?

MTN: aza maano izany ianao, fa sarotra anie ny mitaiza zaza ankehitriny ity e! Satria maroroka sady maranitsaiona loatra ry zareo, Hevero ange fa zaza 10-12 ans anie izao efa jejojejo, sady efa mahay micharme, ny vatany @ izany tsy lazaina intsony tsy mifanaraka @ taonany akory.

Fa ny tsy fahampian'ny fifampiresaha eo anivon'ny RMD sy ny zanaka no mahatonga izany, Satria ny fombantsika gasy mantsy de hoatran'ny saro-pady izany miresaka fady izany, nefa ny ankizy anie tia manandrakandrana e!
13. mandrindra ( 20/06/2006 07:37)
ny tsirairay aoka hijinja izay nafafiny avy
14. xxx ( 20/06/2006 08:00)
mandrindra:

ny tsirairay aoka hijinja izay nafafiny avy



Marina izany , tokony hijinja izay nafafiny ny tsirairay kanefa mety nisy olana koa hoe tsy mba informé momba ny sexualité izy roa kely ka dia tojo accident. Tsy mba nisy nanoro azy ny tokony hataony

Momba ny RàR indray, asa izay tiany na hiezaka hanampy na dia hanery azy 2 hivady fotsiny, dia ho inona no hiafaran'ny fianan'ny zanany ? Izay ve no tena faniriany ho an-janany , manambady fotsiny nefa ao anaty fahasahiranana tanteraka

15. jajaf401 ( 20/06/2006 09:07)
Efa accident moa izy zany ka ny fitsaboana manomboka eo no hatao, raha zaho aloha aleo ihany avela hianatra ilay kofa eh; fa ny fifanarahana fotsiny atao mba hivady izy mitsam refa tonga ny fotoana tokony hanaovana zany fa zao mbola 15 ans zao ve de ......tssssssss!!!!!!
asa moa ho lany daty ny firifiry refa lasa ny taona sy ny volana ?????
16. mandrindra ( 20/06/2006 09:22)
hoy i xxx:
Marina izany , tokony hijinja izay nafafiny ny tsirairay kanefa mety nisy olana koa hoe tsy mba informé momba ny sexualité izy roa kely ka dia tojo accident. Tsy mba nisy nanoro azy ny tokony hataony

aza miandry tolorana fa mitadiava info, rehefa tsy mahay dia tsy tokony hanao
17. jajaf401 ( 20/06/2006 10:50)
sarotra ny fandidiana eh !!!!!!!!!!!!
Mitso-drano an'izy mitsam mba ho tonga @ tanjony fa tsy ny an'ny RàR , :-D
18. Fiffi ( 20/06/2006 11:00)
tsy ampy fampianarana koh zany ankizy zany an! io koh ange no tena olana rehefa mbola hatao tabou ny resaka fitiavana , idrindra fa ny fiharovan-tena @ fiharahana eh!
Raha ohatra zao ka mba nampafantarina an'ireo ankizy ireo fa tsy kilalao nyfiainana ka tokony hitandrina de tsy hisy ny olana tahak'izao.
Nefa jereo kosa ange eh! nahoana ary ny zazavavy frantsay ohatra efa firytaona de mampiharaka ary mihinana pilule ?
19. xxx ( 20/06/2006 11:27)
mandrindra:

hoy i xxx:
Marina izany , tokony hijinja izay nafafiny ny tsirairay kanefa mety nisy olana koa hoe tsy mba informé momba ny sexualité izy roa kely ka dia tojo accident. Tsy mba nisy nanoro azy ny tokony hataony

aza miandry tolorana fa mitadiava info, rehefa tsy mahay dia tsy tokony hanao


Tsy nanana Rasipy (Fr Cyprien) nampianatra azy re izy ry mandrindra fa aza dia enjehina be ohatr'izany a

20. naughtyboy ( 20/06/2006 11:55)
mbo gaga ny saiko inn mo zany no fepetra efa noraisiny fiarahamonn @ tony tranga tony asa na efa misy rafitra mazava ve any dago any miezaka mamaha izany(ambaratongampanjakana na any @ ministera sosialy)? mitaiza ny momba ny firaisana sy ny andraikiny raha sendra ny sarotra toy zao ny kilonga (fanampina re-insertion sociale) fa mba be ihany ko reo hetra raisiny rafanja.. nefa mankaiza? satria ny olana tsy azo avela fotsiny toy izao @ le bandikely irery..reny ko mantsy no tanora vao misondrotra ka ampiana otrany ataony firenena sasany aty ivelany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0567