Antananarivo tsy kitay, tsy varimaina

1. Solitikabe ( 19/06/2006 05:43)
O ry Antananarivo, lehibe aman'isa ianao raha mibaby ny antapitrisany mponina. Saingy lehibe tsy hihinanana toa vilin-tsahona. Fa dia zary rajakom-bazaha sy tompon-tanana matsaka rano maloto. Ny nofaritan'ny karana, ny vatosoanao ambenana miaramila tsy ho azonao trandrahana. Fa ianao tsy misy vola tsy misy vary fa akanjo mijidina sy paosy goaka. Na tsara trano aza tranom-bazaha sy tranon-karana. Ny tovovavinao miasa mihoatra noho ny omby: miala maraina tsy mody raha tsy maty masoandro, maty mitsangana anaty trano tsy misy varavaran-kely anefana ny vidin-tsaribao.
Ny zanakao lahy, noheverina ho andry sy kiady, miady aina isan'andro mamadi-tanimena efa sola hanatsatohana mangahazo, izay tsy vokatra raha tsy afaka roa taona. Raha tsy izany dia mivezivezy toa firaka atakalo. Tsy an'asa lalandava izao.
Ny tranonao miha-rotiky ny tsy fahampiam-bolam-panamboarana. Ny sezanao mitolila, rovi-daro noho ny taona mitambesatra.
Ny fahasalamanao dia miankina amin'ny hoe aza marary ihany. Ary ny fahaizanao dia miankina amim-bola tsy takatry ny Ray sy Reninao izay tsy mahita afa tsy ny vary manta na sosoa be rano.
Dia inona no hatao?
(Mbola hitohy)
répondu par prime le 07/08/2006 10:55
2. Fiffi ( 19/06/2006 06:25)
inona no hatao ? aza generalizena kosa le izy. Marina fa misy ny mahantra , marina fa mafy ny fiainana , fa ahoana zany hoe "Fa dia zary rajakom-bazaha sy tompon-tanana matsaka rano maloto" ?
3. Fanja1 ( 19/06/2006 06:33)
fa de nahona no we "Antananarivo tsy kitay , tsy varimaina"?
4. sareraka ( 19/06/2006 07:22)
ANTANANARIVO anie ka malàza maditra vahoaka e! hoy ny namana lolo sy ny tariny...
raha ditra hitondra @ hasoavana moa ka haninona ditra vao maika mamarina an-kady!!!
5. LazaRandri ( 19/06/2006 08:14)
Solitikabe> tena mpikabary marina lesy ialahy ry Zoky an! hahaha! Fa aza atao ato amin'ny lohahevitra miresaka politika fa manjary lasa mi-Solitikabe. hahaha!
6. hery ( 19/06/2006 09:12)
Ny atao? Mandehana any ambanivohitra mamboly... tsisy fika ao Tanà ao.
7. diamondra27 ( 19/06/2006 09:19)
de inona no tokony atao?
8. LazaRandri ( 19/06/2006 09:23)
mivavaha sy mangataha amin'Andriamanitra:

ho tanteraka ety an-tany anie ny sitraponao tahaka ny any an-danitra :)
9. LazaRandri ( 19/06/2006 09:29)
ho tanteraka ety an-tany anie ny sitraponao tahaka ny any an-danitra

io vavaka io dia mifono hevi-dalina hoe:
"Atsipazo any amin'ny lavaka tsy hita noanoa sy any amin'ny fikatroha-nify ireo devoly be ireo. Aoka ny fiadananao no iainanay isan'andro ety an-tany"
10. pika ( 19/06/2006 10:15)
nefa izay mety miaritra ny fijaliana sy ny fahoriana eto an-tany no mety ho sambatra rehefa any an-danitra any:lol:
ilay any ambanivohitra anie ry hery raha vao tsy misy saosy entina @ voalohany ampiasaina dia tsy tafa koa e

11. arson ( 19/06/2006 12:22)
Fa zao alo e!enao miteny io ve alo mba ao anaitny izany? Sa de manavary be tsisy apoka toy io fotsiny.Enao zany mantsy raha araka ny hevitrao de otrany mamporisika ny olona tsy hitady vola,fa zao alo e! sitrapo ny 1 1 anie le miasa fa tsy terena e!fa raha tsy zaka de mahazo mipitsika(KATSAKA ANATY LAPOALY IO)Matoa miditra mahatanty izay rehetra atao ao.Aiza mo no tsy ahantra ny firenena Malagasy izany no fomba fisainana;tsy mba avela ny olona hiasa fa hakiviana.
SADY ZAO KOA E! NGA TSY MBA MISY TSARA HO TENENINA MITSY FA DE NY RATSY FONA NO ASESY? SA EFA LEO NY FANANDEVOZANA ATAON'NY VOZONGO ANY?
raha tena favy enao,sady @zay mpanabe maninona no de any no maka ravinahitra fa tsy mankaty antanindrazana manao zay mety,SADY MBA MANABE VOLO NY T/ZANA,zany tokoa angaha le fitenenana oe:"LANINAO AHO RY KAVIM-BARAHANA TSY ANENDRIKA FA ANDROVI-TSOFINA"hahaahhaah:-D:-D:-D:-D
Ny manaraka ko de zao e!isika Malagasy de efa zatra tolorampotsiny hany ka tsy mba misy fiezahana mitsy.
nefa na misy aza ny fiezahana de ny fahitana ratsy fona no hitany sasany.
DE INONA MO ZANY NO ATAO FA DE MIANDRY NY FAHATSAPANTENA NY 1 1 MBA TSY HO TOLORAMPOTSINY, FA MBA MISEDRA FIAINANA NA MAFY NA MORA NY FITADIAVANAN-DRAVOLA MBA @ ZAY MBA TSY ATAONY SASANY HOE"A/rivo tsy kitay tsy vary maina."
12. MTN ( 19/06/2006 12:28)
Ny iarivo lahy :cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:... tsy tomany indray andro.
13. arson ( 19/06/2006 12:30)
marina zany e!:-D:-D:-D
14. soanja ( 19/06/2006 12:47)
Solitikabe:

O ry Antananarivo, lehibe aman'isa ianao raha mibaby ny antapitrisany mponina. Saingy lehibe tsy hihinanana toa vilin-tsahona. Fa dia zary rajakom-bazaha sy tompon-tanana matsaka rano maloto. Ny nofaritan'ny karana, ny vatosoanao ambenana miaramila tsy ho azonao trandrahana. Fa ianao tsy misy vola tsy misy vary fa akanjo mijidina sy paosy goaka. Na tsara trano aza tranom-bazaha sy tranon-karana. Ny tovovavinao miasa mihoatra noho ny omby: miala maraina tsy mody raha tsy maty masoandro, maty mitsangana anaty trano tsy misy varavaran-kely anefana ny vidin-tsaribao.
Ny zanakao lahy, noheverina ho andry sy kiady, miady aina isan'andro mamadi-tanimena efa sola hanatsatohana mangahazo, izay tsy vokatra raha tsy afaka roa taona. Raha tsy izany dia mivezivezy toa firaka atakalo. Tsy an'asa lalandava izao.
Ny tranonao miha-rotiky ny tsy fahampiam-bolam-panamboarana. Ny sezanao mitolila, rovi-daro noho ny taona mitambesatra.
Ny fahasalamanao dia miankina amin'ny hoe aza marary ihany. Ary ny fahaizanao dia miankina amim-bola tsy takatry ny Ray sy Reninao izay tsy mahita afa tsy ny vary manta na sosoa be rano.
Dia inona no hatao?
(Mbola hitohy)


Ntsoo! Mihaino anao aho dia marary kely ny foko satria goavana be gasikara dia i Tana rery no hitanao raha ny fijaliana. Sa ve mbola hanaovanao poezy daholo ny faritra tsi1-1 avy? Aza hadino fa any hoe any ao Mada misy tanana antsoina hoe Behombe. Tsy foiko ary mampalahelo ahy fa mahantra satria tanindrazako koa.


15. Achia ( 19/06/2006 14:56)
tena kofa misolitika koa angamba io ka tsy mba manana fijery mivelatra zany mmmmmmmmmmh
16. Achia ( 19/06/2006 14:59)
kika vhv le solitika kaika leaza ! tsy mahagaga !
17. MTN ( 19/06/2006 18:14)
Efa diska goaka io fahantrana io ry sipa misolitika be ah. Antenaina fa vahaolana ny ho tohiny eo.
18. Fiffi ( 19/06/2006 19:00)
Achia: :-D:-D:-D:-D:-D
19. agoago ( 20/06/2006 04:09)
Raha olona tsisy fidirambola na kelikely fidirambola dia marina io voalazan'i Solitikabe io, mahagaga anefa fa mifikitra sy mitangorona eto @ ty Antananarivo efa tery ity daholo na efa tsisy atokona aza.Aza adino anefa ry solitikabe, fa etsy andaniny misy ary tena misy eto Antananarivo ity miaina tsara mitovy @ vahiny kosa anefa.
20. xxx ( 20/06/2006 04:46)
Fanamarihana kely:
Antananarivo tsy kitay, tsy varimaina

Tsy kitay, tsy vary maina no fiteny. Entina ilazana ny olona tsy mitsinjo vodiandro merika, ka tsy mba nanangona kitay ary tsy mba nanamaina vary tamin'ny andro mafana sy nisy masoandro.

Izay ve ilay tiana holazaina eto sa tsia. Tsy azoko :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0624