Vady tsy tia fety na mivoaboaka

1. soanja ( 10/06/2006 23:24)
Hono hoy aho azafady fa hiresaka tokatrano indray eto. Inona no azo atao amin'ireny lehilahy tsy dia tia fety ireny na hoe aleony ao an-trano foana fa ao no mahafinaritra azy ary tsy manana namana firy fa ny vadiny no best friend-ny ary tia ordinateur be mihitsy. Rehefa feno ireo dia afapo izy. Rehefa anontaniana anefa izy dia sambatra tsara mihitsy ary afapo amin'ny fiainany. Izaho anefa mahatsapa hoe misy tsy ampy ary mampalahelo ahy izy satria hafa ihany izany mba mifandray amin'ny any ivelany izany, mamonjy fety matetitetika ary mandehandeha mahita raha.
novalian'i tanie ny 02/09/2006 07:56
2. Ralay ( 11/06/2006 02:45)
Ka izy aza izany efa afapo ka ianao njay ve no ho sahirana alohan'ny tompony fa dia samy manao izay mahafalifaly azy io. Tsy maintsy hisy fotoana hiarahany mivoaka @ vadiny foana fa revy samy manana ny azy e :lol:
3. Fiffi ( 11/06/2006 04:09)
soanja: de ndry no manaova fihaonana na fety kely ao an-trano , @ zay izy voatery hiresaka @ olona ao.
Efa mafana ny andro zao de manaova barbecue , inviteo ny namandry .
Na phatra fotsiny aza hoe tsy manao fety nareo fa hasaindry tonga ao @ ndry fotsiny le namana ne serait-ce ke hoe fahalalam-pomba avy any aminy de tsy maintsy hiala eo @ pc izy mba miresaka @ zay olona ao an-trano.
4. fasaly ( 11/06/2006 04:47)
hummmm! blem hafa kou ity an!
hiresaho kalou izy e! de rehefa tsy mety hiova de
manaova zay tiandry kou kou! mandehàna mamaonjy fety fihaonana de samy manao zay tiany zany io....:wink:
5. tisera ( 11/06/2006 05:47)
Ilay tsy mifanerasera @ olona sy lasa pc addicted aloha tsy dia tsara loatra é! Fa tsara koasa ilay hoe mahasambatra azy ny mijanona ao an-trano miaraka @ vadiny .Ankoatr'izay efa voalazan'ififfi sy fasaly dia ampiako hoe mba manao zavatra iarahana any ivelany : ohatra miaraka manao fanatanjahan-tena kely : tsy voatery hoe olona sportif be no manao io fa dia tsotsorina @ fiarahana milomano adiny 1 ohatra , na mitaingina velo , na mitsangatngana amoron-drano na anaty hazo , na promenade kely eo @ tànana.Na koa miditra ao anaty fikambanana ohatra dia mamonjy ny fihaonana sns.... Fara-fahoriana ny an'nyolona hoe tsy mody an-trano ny vady fa zara raha mandalo miarahaba kanefa ilay milentika ao an-trano koa tsy ahafahana mivoatra loatra é!
6. Fiffi ( 11/06/2006 06:10)
indrindra raha manambady..lasa ohatran'ny hoe ny pc no vady faha-2 ?
7. tisera ( 11/06/2006 06:31)
ié! sao dé lasa mahazo ilay amour virtuel ao koa izy sisa @ farany raha dia e...o foana!
8. booboo ( 11/06/2006 06:45)
Miombo-kevitra @ Ralay. Zà sure fa tia mifety sy mandehandeha zao zany oul zany fa tsy araka lay mifety sy mivôbôka mahita raha araka ny an'ilay vadiny fotsiny...
9. STONG ( 11/06/2006 07:26)
slt!!
Anotanio wé lery ra mahay mandy??:?
10. diamondra27 ( 11/06/2006 07:44)
8)8)8)8)8)8)

tsy aleo ve akia mba izay aza no ataony; (rehefa mahatsiaro sambatra antokatrano) toa izay lasa any @ namany any foana izy de njy rery no ao antrano miaraka @ ankizy.
Raha za no eo @ toeranjy aloha asiako concours jeux vidéo ao antrano hihihih de mi contre aminy 'za , de refa resy izy de oe: mandeha mivoaka kely isika (balade, ciné, sns...), sa njy tsy tia jeux vidéo?

Aza dia fatrapitady loatra fa misy olona mijaly be aza ange any ho any e! le vady tsy mody raha tsy efa @ 4H du matin fa any @ cyber café foana micontra @ olonkafa sy miarak a@ copains-ny taritary de le vadiny ao antrano tezitra fa tsy hita izy
t@^ TV io no hitako

11. fasaly ( 11/06/2006 09:01)
ka izy aza zany tsy tia mivoaka kou!
norme ihany lay sipa raha sorena raha de eo am net eo foana lay bandy no tsy tia mivoaka....8)
tsisy fiainana ndray fa de eo foana ary matetika manimba tokatrano mintsy aloha io fitavana net mihoatra ny fefy io e!:^):^):^):^):^)
12. fasaly ( 11/06/2006 09:02)
booboo: ny fivoahana any ivelany ange tsy voatery hoe handaniana vila ve foana e!
afaka miova rivotra kely ohatra fotsiny na mamangy namana na hafa koa:wink:
13. soanja ( 11/06/2006 10:40)
Fiffi:

soanja: de ndry no manaova fihaonana na fety kely ao an-trano , @ zay izy voatery hiresaka @ olona ao.
Efa mafana ny andro zao de manaova barbecue , inviteo ny namandry .
Na phatra fotsiny aza hoe tsy manao fety nareo fa hasaindry tonga ao @ ndry fotsiny le namana ne serait-ce ke hoe fahalalam-pomba avy any aminy de tsy maintsy hiala eo @ pc izy mba miresaka @ zay olona ao an-trano.

Ilay resaka mi-inviter olona dia manao tokoa izahay ka. Fa saingy efa voafetra hoe indray mandeha isaky ny roa volana fa lasa be loatra hono. Ny tena ezaka ataoko dia ny mpiara miasa aminy mihitsy no matetika inviter-ko sy ny gasy namanay aty satria ny mpiara miasa amiko efa miaraka amiko any ivelany matetika (happy fridays sns). Tsy olana mihitsy io. Izahay mitsam indray mandehandeha mivoaka misakafo an'ivelany sy mijery cinema, manao hiking, izay teneniko dia ataonay tokoa fa izahay ihany fa tsy miaraka amin'ny namana fa mahabe aretinandoha hoe sns saingy izy tsy manana namana ity mba hiarahany mivoaka no tena mahavariana ahy. Izaho be namana be mihitsy. Mandeha mandihy, manao camping sns izy tsy dia tiany izay fa aleony ato an-trano. Dia eo no mampalahelo ahy izy hoe dia tsy mba manana namana ve? Izaho rehefa lasa tena mahita fahafinaretana miaraka amin'ny namako. Dia izy tsy mba mahatsapa izany. Nefa izy hoe afapo tsara na tsy manana namana aza. Rehefa ato antrano indray dia milalao scrabble sy manao jeux isan-karazany, mijery film video, documentaires sns izahay ka fa tsy hoe eo amin'i ordi foana akory izy. Izahay koa misy mi-inviter foana dia mila ampatsiahivina azy matetika mba hiomanan'ny sainy. Indraindray rehefa akaiky ilay fotoana dia miteny izy hoe "ianao daholo manao ny resaka rehefa tonga any fa tsy mahita horesahina mihitsy aho." Indraindray alohan'ny hiaingana dia somary marary kely ny andohany fa asa na matahotra na ahoana. Dia amboarina tsara ny sainy hoe resaka izao daholo anie ny any e. Alohan'ny hidirana amin' ilay fety na tranon'ny namana dia miteny amiko amin'izay izy hoe aza hadino mamaky signs na geste amin'ny ataony amin'ny tanany na ny masony satria efa tokony hody fa farano amin'izay ny resaka. Izaho anefa amin'io tena mbola ao anatin'ilay tsy te hody fa ambiance be.


14. Herimiafina ( 11/06/2006 11:36)
soanja:

Hono hoy aho azafady fa hiresaka tokatrano indray eto. Inona no azo atao amin'ireny lehilahy tsy dia tia fety ireny na hoe aleony ao an-trano foana fa ao no mahafinaritra azy ary tsy manana namana firy fa ny vadiny no best friend-ny ary tia ordinateur be mihitsy. Rehefa feno ireo dia afapo izy. Rehefa anontaniana anefa izy dia sambatra tsara mihitsy ary afapo amin'ny fiainany. Izaho anefa mahatsapa hoe misy tsy ampy ary mampalahelo ahy izy satria hafa ihany izany mba mifandray amin'ny any ivelany izany, mamonjy fety matetitetika ary mandehandeha mahita raha.

Izaho izao tena ohatr'izany mihintsy fa ny nahatonga ahy ohatr'izany anefa dia ilay ambiance any amin'ny fety mihintsy e!
Hitako fa faharerahana no azo, ny vola mivoaka, nefa ny fahafampo tsy azo akory fa aretintsaiana za no entina mody noho ny toetr'ireo olona sasany niara-nifety (mikaoty ny vadinao, mandinika ambony ambany, mifosa, sns).
Mody avy eo sady marary ny andoha no tsy ampy torimaso.
Fahafinaretana no tadiavina nefa toa pire no zavatra azo avy any klé.
Dia aleoko mitady zavatra mba misy resultat palpable ho ahy, toy ny internet.

Ny hany azo atao dia ny manadihady manokana ny antony tsy itiavany mivoaka manao fety. Fa ao ny misy ny vaha-olana.

15. tisera ( 11/06/2006 12:57)
Ilay mivoaka ange ry Herimiafina tsy voatery hoe mamonjy fety é! Ianareo roa no mivoaka miaraka dia efa izy izay... Dia izay olona mahafinaritra ny tena : tsy be fosafosa , tsy mikôty vady sns... ihany koa no ifaneraserana mba hahafahana mivelatra sy mivoatra...Raha izaho no eo @ toeran'i soanja dia tsy ataoko olana intsony io leiry tsy tia mivoaka io : mety efa ho izay mihitsy izy sady i soanja izany afaka manala azy miaraka @ naman'i soanja ihany ka dia reveo manja fa sao vao mainka mankaleo be an'ilery lé dridraina hivoaka nefa leiry mba te hakahaka aina ao an-trano ...
16. Herimiafina ( 11/06/2006 13:20)
Ka izay izao no tiako kah, mandeha mivoaka izahay roa, manao voyage, mandeha mitsangatsangana na mamonjy spectacle hariva fa tsy alina, mamy mantsy ny torimaso.
izaho raha vao miraty someill reparateur le entre 10alina-12alina iny de malemilemy ny ampitso dai mihena ny saosy entina hamelomambady amanjanaka e!
17. Fiffi ( 11/06/2006 13:45)
ny zavatra mora sy tena tsotra hatao angamba de zao fotsiny: maninona raha hasaina tonga ao @ ndry ny namany ? tsy hoe bdb fa rehefa hitandry fa milona ao @ pc ao izy de manararaotra ? Heu...mba mahagaga ahy indray ity resaka ity an! raha tsy hoe mi-tchat angaha fa na izany aza , de io ve no antony tsy hivoahana intsony ? ihihihih tapahako ao ny net raha izany hihihihih
18. Herimiafina ( 11/06/2006 15:11)
Tsy dia mety loatra angamba izy ry Fiffi an!
Ny namany mety tsy tiany ho any aminy moa ny interenet no mba tena loisir-ny.
qui peut oser priver une personne de son bien être.
Gravy anie io e "mi envahir ny espace vitale-ny ianao" raha izay.
19. cutie ( 11/06/2006 15:53)
Mpandefa : Ralay [ Valio ] 11-06-2006 07:45:07
Lohateny : Re : Vady tsy tia fety na mivoaboaka
Ka izy aza izany efa afapo ka ianao njay ve no ho sahirana alohan'ny tompony fa dia samy manao izay mahafalifaly azy io. Tsy maintsy hisy fotoana hiarahany mivoaka @ vadiny foana fa revy samy manana ny azy e


miobon-kevitra @ Ralay za:P
20. fasaly ( 11/06/2006 18:10)
toa niova version hafa mintsy njay nge zany blem n'i soanja zany ka tsy hay trony e!
raha io soratra lava beuh io ndray no ampitahaiko am itsy dinika nipetraka ambony itsy de samy hafa beuh...
heu......indry mintsy no midy blem na maitady blem zany raha ny fahitako azy satria nareo zany mba misy soritie iraisana ihany, izy mba tsy skotché foana eo am ordi zany....fa fotsiny tsy manana namana, inona no olana amzany....? tena tsy azoko ka!!!!!:roll::roll::roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2039