inona no ataonareo...

1. rhaingo ( 01/06/2006 09:24)
rehefa misaraka, mbola mijanona ho mpinamana sa samy maka ho azy
novalian'i cabot ny 01/11/2006 22:04
2. deghany ( 01/06/2006 09:27)
mifapitsaingo kely eny iany njaynjay ka!!
3. Fanja1 ( 01/06/2006 10:05)
rhaingo za miala lavitra (tssy mpinamana zany tsony) ;-)
4. hery ( 01/06/2006 10:22)
Ny vazaha (efa malalatsaina) mbola mifamangy, lasa mpinamana tsotra, misy aza ny efa nivady ela fa nisaraka dia mbola mahay mifampiresaka tsara sy mifamangy ihany. Ary tsisy ratsy saina hoe hitsaingoka sns...

Ny gasy (sasany) tonga dia vita tanteraka... na dia ny fianakaviana (andahy sy anabavy na raiamandreny) nifankahazo tsara iny aza dia manjary lasa mifandrafy koa (tery saina?). Ny Ntaolo niteny hoe "varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana"... fa angamba ny fanambadiana tsy raikitra zavatra hafa. Matahotra inona?
5. Fiffi ( 01/06/2006 10:51)
marina mihintsy ny an'i hery fa misy ny gasy tonga tapahana hareo ny pont ! mampalahelo satria , indrindra raha nisy zanaka. Tsy mety anefa zany , fitiavan-tena fotsiny ireny .
Raha izy mivady no misaraka , tsy tokony hisy hidiran'ny fianakaviana mihintsy ao na dia kely aza.
Misy aza hoe lasan'ny vhv ohatra ilay zaza de , io zaza io tsy rarahian'ny fianakavian'le lhl intsony .
6. mbaliana ( 01/06/2006 11:19)
asa aloha e, raha nandao ange tsy maninona e, ny fa le nilaozana...mbola marary fo dia tsy maintsy mila fotoana elaela aloha vao tonga amin'zany hoe mpinamana zany e...
7. toovs ( 01/06/2006 11:39)
mbaliana:

asa aloha e, raha nandao ange tsy maninona e, ny fa le nilaozana...mbola marary fo dia tsy maintsy mila fotoana elaela aloha vao tonga amin'zany hoe mpinamana zany e...



marina ny anao. sady aleo koa tsy moifanerasera ilay couple nisaraka fa sao de misy fankampanahy hifampitsingoka eo araky ny tenin'ny sasany.Le fahatsiatovana ny zava-bita tsara niarahananao manko mampiova zavatra be. Nefa koa anie samy hafa ny tokony ho fandehan-javatra ra olona nifampiteraka e, sy ny hoe olona nifampisipa fotsiny.
8. cutie ( 01/06/2006 11:39)
Mpandefa : rhaingo [ Valio ] 01-06-2006 14:24:54
Lohateny : inona no ataonareo...
rehefa misaraka, mbola mijanona ho mpinamana sa samy maka ho azy

arakaraky le antony nisarahana io
RAha grave be de aleo samy maka ho azy, fa raha nifanarahana kosa le izy mety mbola samy mifampiarahaba eny ihany raha mifanena:-D:-D:-D
9. toovs ( 01/06/2006 11:45)
hery:

Ny vazaha (efa malalatsaina) mbola mifamangy, lasa mpinamana tsotra, misy aza ny efa nivady ela fa nisaraka dia mbola mahay mifampiresaka tsara sy mifamangy ihany. Ary tsisy ratsy saina hoe hitsaingoka sns...

Ny gasy (sasany) tonga dia vita tanteraka... na dia ny fianakaviana (andahy sy anabavy na raiamandreny) nifankahazo tsara iny aza dia manjary lasa mifandrafy koa (tery saina?). Ny Ntaolo niteny hoe "varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana"... fa angamba ny fanambadiana tsy raikitra zavatra hafa. Matahotra inona?

ny vazaha ange tsy manisy dikany loatra an'ilay fifampitsaingohana loatra refa any aoriana any e. fa amin'ny société gasy tsy mety izany fa fahotana. Ny an'ny vazaha refa moment romantique de mahafinaritra azy. Ny antsika izany dia isan'ny fankam-panahy mandika baiboly ka de aleo mody miady am zay tapaka ny fifandraisana. Enao ve sah mankany antranon'ny sipanao taloha ary e, de mamangy anazy sy ny fianakaviany. De ekenao koa ve ra ny sipanao na ny vadinao manao an'izany foana amin'ny sipany taloha sous prétexte fa niaraka ry zareo taloha ka de mifamangy toy ny mpinamana tsotra tsy miaraka aminao
10. kally ( 01/06/2006 12:30)
Ny tena fitiavana nankarary fo ny faharavany na nisy fahadisoam-panantenana tapaka tanteraka, mpisipa no lazaiko ka amintsika io matetika tsy dia misy idiran'ny fianakaviana loatra.
Rehefa tapaka dia tapaka ka inona indray moa no ananovina amin'izany? Dia lazao hoe tery saina ary aho hoe:wink:
11. radriana ( 01/06/2006 12:36)
Marina ny an'i toovs, za kosa tsy d'accord amin'i Hery hoe tery saina ny gasy, matoa anie nisaraka dia nisy ady izany e, ary matetika tsy adiady fotsiny toy ny mpinamana tsotra fa tena ady be mihitsy matoa tonga hatramin'ny fisarahana, olona miady tsy ho lasa mpinamana raha tsy hoe après quelques années angamba. Attention, ny vazaha tsy hoe tena lasa mpinamana ny couple misaraka fa hypocrisie no betsaka.
12. mandrindra ( 01/06/2006 13:23)
deghany:

mifapitsaingo kely eny iany njaynjay ka!!


ok, ok, izany mihitsy no tena manja
13. majakely ( 01/06/2006 13:23)
Arakaraka anlay nisarahana kosa io ee,,tsy misy anizany hoe nisaraka de hiady na hifampnamana ,,,tsy voatery,,,non...tsy voatery tsy hifampiteny tsony kosa e,mitovy amlehoe tsy voatery ny hifampilonjolonjo sy hifandrora hihihi,zany tsy midika hoe isaky ny mihetsika enao de iry hamangy anlay ex_nao ,,hahaha,,ountsss:-Dko rah tsinona koo
:^):^)
14. vale ( 01/06/2006 13:52)
majakely:wink:
amiko aloha tokony tsy hatao hififandrafiana ilay izy e, na fitiavana io na tsia tsy tsara koa nge le to fo eh! satria na nisy tsy nety nataon'ilay iray ka izay no nahatonga ilay fisarahana, amiko raha olona misaina tsy tokony asiana lonilony fa mamela azy dia basta!:?:
15. Herimiafina ( 01/06/2006 14:33)
rhaingo:

rehefa misaraka, mbola mijanona ho mpinamana sa samy maka ho azy

Arakaraky ny antony nisarahana kah, raha saika notifiriny ve na namposaviny zah de mbola ho mpinamana foana izahay.
Raha nampirafy izy dia aleoko atao namana kah, tena kaozy vrai io an.

16. sipagasy ( 01/06/2006 14:50)
hoy i Toovs:


ny vazaha ange tsy manisy dikany loatra an'ilay fifampitsaingohana loatra refa any aoriana any e. fa amin'ny société gasy tsy mety izany fa fahotana. Ny an'ny vazaha refa moment romantique de mahafinaritra azy. Ny antsika izany dia isan'ny fankam-panahy mandika baiboly ka de aleo mody miady am zay tapaka ny fifandraisana. Enao ve sah mankany antranon'ny sipanao taloha ary e, de mamangy anazy sy ny fianakaviany. De ekenao koa ve ra ny sipanao na ny vadinao manao an'izany foana amin'ny sipany taloha sous prétexte fa niaraka ry zareo taloha ka de mifamangy toy ny mpinamana tsotra tsy miaraka aminao


mmhhhhh fa nahoana moa ny hisy olana izany???? samy olombalona ihany ve dia tsy hifamangy??? matoa ianao matahotra dia ny sainao no tsy mandry e! hhi,
17. soleil ( 01/06/2006 15:30)
misy olonana gasy ary mbola mijanona ho mpinamana foana na inona na inona antony nisarahana saingy ny olana de misy iray miavona sy be hambom-po loatra

nahafantatra olona efa vita mariazy gasy ireo an nisaraka nefa ny fianakaviana eny na izy roa ary samy mbola niresaka sy nijanona ho mpnamana , nanambady ary le lehilahy niverina nanamabdy mbola niantso le vehivavy sy ny fianakaviany ka inona ny olana

ary efa sendra cas hoatr'izany koa aho fony mbola mpisipa zany fa naninona tsy misy mihitsy ny olana fa de mbola mifandray sy miserasera na tsy matetika ary ary tsy misy mihitsy zany hoe mbola ethifamerina sy hitsaingoka zany akory

raha tena madio ny saina tsy misy tokony hisy olaa zan ny hihaonana

io miankina @ tsirairay e

18. sipagasy ( 01/06/2006 15:44)
izay mihintsy mantsy hoa ry soleil kouuu
19. manatiana ( 01/06/2006 15:46)
za ndray tsy d'accord @ le hoe mifampitsaingo eny ihany fa mandratra fon'olona nareo @ zany , refa misarak de misaraka fa aza milalao ny fon'ny le faharoa , mipetrà fotsiny nareo eo @ tôrany de hohitanao fa manarary fo ra ohatra ka hitan'ilay faharoa:*:*
20. pissoa ( 01/06/2006 18:20)
rhaingo:

rehefa misaraka, mbola mijanona ho mpinamana sa samy maka ho azy
Miankina kah. Raha tsy niady (be) dia tsy tokony hisy olana. Raha zah no naditra dia mety ho menamenatsa zah dia miankina aminy - Raha izy no maditra dia ho hitako eo ze atao :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3272