Misy ve Andriamanitra
163. khoto
(
09/06/2006 09:33)
Efa azony ny valim-panontaniany kah: Misy andriamanitra; marobe fa tsy tsy fantatra ny isany satria samy manana ny azy; eo ambony eo misy milaza fa raha vao andriamanitra aaminy dia jesosy zany no miaraka @ io (izany hoe andriamanitry ny kristiana zany no fantany); ka samy manana ny azy io fa tsy azo atao bango tokana(à priori)!Izay ilay izy, kah aoka tsy ho voafitaka isika!
Rélativité ihany io e: tout est relatif (Einstein)
Rélativité ihany io e: tout est relatif (Einstein)
164. xxx
(
13/06/2006 06:25)
Aleo manaporofo hoe misy andriamanitra toy izay manaporofo hoe tsy misy izy.
Mba dinihonareo ity valin-tenin'i pascal ity :
Raha misy Andriamanitra dia ho azoko ny lanitra antenaiko, azoko ny zavatra rehetra...
raha tsy misy Andriamanitra kanefa aho nino azy dia tsy maty antoka aho ary tsy very na inona na inona...
Noho izany dia amafisiko fa misy Andriamanitra.
Dia zah koa manamafy hoe : Tena misy Izy.

165. marozevo
(
15/06/2006 23:24)
Si Dieu n'existait pas, tout serait permis. Karl Yasper moa izy izay sa iza ?
168. JOCH
(
23/06/2006 17:40)
Manaiky ve isika fa ny olona de fitambaran'ny nofo sy ny fanahy.
Iza amintsika ary no milaza fa efa nahita ny fanahin'ny namantsika.
Mba omeo kely hoe raha misy mahay hoe ohatran'ny ahoana no forme misy lohany ve de tongony sy tanany sa ve tonga de boribory be ohatran'ny baolina sa kilavalava mitohitohy ohatran'ny sosisy sa tonga de zavatra miloko mangamanga be ohatran'ny lanitra.
Andriamanitra de fanahy ka atao ahoana no fanazavana ny fisiany ara-materialy.
Fa ny porofo tsotra de izao misy Andriamanitra ary velona izy satria misy ny fanahin'olombelona izay tsy hay aseho nefa velona sady misy? koa de heritrereto ny tenanao de minoa amin'izay.
Ho an'izay tsy mino de izao tsy tokony hanonona ny anaran'Andriamanitra akory izy satria zavatra efa tsy misy ve mbola hisy anarany ihany

170. prime
(
28/06/2006 05:52)
Ny milaza tsy mino ato raha narahin'i joch dia mino ihany fa ny tenany mihitsy no lazainy andriamanitra... mivadibadika eo e!!!
172. prime
(
29/06/2006 10:51)
ralay:
Zah miantehitra amiko ihany fa tsy miantehitra amin'Andriamanitra fa hiandry an'i paoly eo raha izay no andrasana hay moa efa tsy paoly intsony zao no andrasana fa i Benoit
khoto::lol:
Fahatahorana ny fahafatesana ny namoronan'olona an'io satria mba revirevuny ny hoe tsy tokony hisy maty izany: Efa fiainan'ny zavaboary rehetra izany (farafaharatsiny mi recycler)na ny biby tsy manana notion an'io aza maty , na ny tany aza mbola ho levona: ny fotoana (période) nany fotsiny samihafa mety @ tapitrisa taona ny sasany, mety iray segondra ny iray!
175. marozevo
(
07/07/2006 19:24)
tapa-tsinay irery ato aho marina moa....
Soa fa tsy ato ny ankizy fa nanao vakansy, angamba heveriny hoe....
Soa fa tsy ato ny ankizy fa nanao vakansy, angamba heveriny hoe....
176. soanja
(
08/07/2006 15:50)
Ary mba ahoana hoy aho ny eritreritr'Andriamanitra (Kristianina) ho an'ny olona mivadibadika na miovaova saina ary indrindra ny mivadika finoana? Misy sazy miandry ho an'izany ve voalaza ao anaty baiboly?
178. soanja
(
10/07/2006 17:50)
soanja:
Ary mba ahoana hoy aho ny eritreritr'Andriamanitra (Kristianina) ho an'ny olona mivadibadika na miovaova saina ary indrindra ny mivadika finoana? Misy sazy miandry ho an'izany ve voalaza ao anaty baiboly?
Ohatra hoe zaho Kristianina lasa Jiosy na Silamo. Na koa hoe izaho Katolika lasa Protestanta.:)Io no atao hoe mivadika finoana. Ny an'ny namako izay dia hafa mihitsy ny hiantsoany azy.
179. heirzo
(
05/10/2013 07:15)
miranto:
Tena misy Andriamanitra , na de tsy hita maso aza,
hoany olona mino azy de mahatsampa isanandro ny fisiany, ary tsy mety raha tsy mifandray @ matetika fa mahatsiaro azy foana @ zavatra atao rehetra,
fa hoany tsy mino de tsy misy Andriamanitra
Misy zavatra miforona avy amin'ny tsy misy ve ? Inoako fa "Tsia" no valinteninareo, koa avy taiza ary afaka porofoinareo amin'ny hevitrareo ve izany fa tsy voaporofon'ny baiboly ny fisian'izany Andriamanitra izany? Ary inareo izao dia milaza daholo fa ny baiboly no boky tena marina; afaka porofoinareo daholo ve izany ? Tsy miteny izaho hoe ratsy ilay mino a! Fa mba tiako raha porofoinareo daholo ny valinteninareo.
180. Nehemiah
(
05/10/2013 13:11)
heirzo:
Ary inareo izao dia milaza daholo fa ny baiboly no boky tena marina; afaka porofoinareo daholo ve izany ? Tsy miteny izaho hoe ratsy ilay mino a! Fa mba tiako raha porofoinareo daholo ny valinteninareo.
Asakasakao aloha fa izahay, rehefa mahita fa :
- na dia nosoratan'ny olona 40 t@ vanim-potoana 19 samihafa mirakotra 1 600 taona, mahatalanjona ny mah1 ny Baiboly (tahaky ny fifanandrifian'ny fiandohan'ny Genesisy sy ny fiafaran'ny Apôkalipsy eo ambanin'ny lohahevitry ny Paradisa very sy ny Paradisa azo indray),
- voatahiry amin'ny fomba mahatalanjona ny Baiboly satria na dia nenjehina tsy misy toy izany ilay izy manomboka amin'i Dioclétien, mandalo amin'ny Inquisition, ny Revôlisiona Frantsay, Ranavalona I ary ny mpitondra jadona komonista, ka miafara amin'i Richard Dawkins, dia nanjary ny boky tena amidy indrindra amin'ny tantaran'ny olombelona,
- tsy misy diso na iray aza ny zavatra tantarainy, ary na dia ny manam-pahaizana ngezalahy maro, tahakan'ilay andrarezin'ny arkeôlôjia Sir William Ramsay, dia niaiky an'izay,
- marina amin'ny lafin'ny siansa tanteraka ny Baiboly, ohatra rehefa milaza fa boribory ny Tany (Is. 40:22), mihantona amin'ny tsy misy anatin'ny habakabaka (Job. 26:7), tsy tambo isaina ny kintana (Gen. 15:5, ny tsingerin'ny rano, ny fiterahan'ny zava-manan'aina araky ny karazany, ny maha-zava-dehibe ny ra (oh. Lev. 17:11), ny lalàna voalohany sy faharoan'ny termôdinamika (oh. Is. 51:6), sns,
- maro dia maro ny faminaniana amin'ny Baiboly izay efa tanteraka 100%, oh. ny faminaniana 61 momba ny fahaterahana sy ny ministera ary ny fahafatesan'i Jesoa Kristy, izay tsy hainy fehezina ka amboamboarina ny maro aminy,
- ny fandrosoana omban'ny sivilizasiôna entiny, tahaky ny nahazo ny Nosy Britanika, ny Papouasie Nouvelle-Guinée, ny Philippines na i Madagasikarantsika mihitsy aza,
- ny tsy fanafenan'ny Baiboly ny marina, na dia mahamenatra aza, tahaky ny toetra tsy mety nataon'ny olo-mangan'ny finoana tahakan'i Noa izay nimamo, Davida izay nijangajanga sy nikononkonona tetika maloto, Petera izay nandà ny Tompony in3, Elia izay nanary toky na Mosesy izay naneho tsi-finoana, na ny fideràna izay azon'ny faha8n'ny vahoakan'Andriamanitra, tahakan'i Artaksersesy (Ne. 2), Dariosa Mediana (Dan. 6) na ny kapiteny Jolio (Asa 27:1-3),
- ary indrindrindrindra ny fahefany manova fiainana ambany ambony (raha mikaroka @ Google vetivety ianao dia ho hitanao fa mora foana ny mahita video-n'olona nivarilavo t@ fivarotan-tena na fidorohana zava-mahadomelina na fiainan-jiolahy sns izay nahita fiovam-piainana mahatalanjona rehefa nandray ny hafatry ny Famonjena atolotry ny Baiboly),
dia resy lahatra fa tena tenin'Andriamanitra ranoray tokoa io boky io