Fampirafesana
1. Lalah
(
29/05/2006 12:12)
Rangahy nampirafy. Raikitra ny ady saritaka, samy nitokona tsy nety niala tao an-trano izy roa vavy
29-05-2006 / 09:31
Somary nampihomehy ihany ny zava-nitranga satria raikitra ny ady saritaka fa samy nitomany ho tompony avokoa izy roa vavy.
Hafakely indray raha ity zava-nitranga teny amin'iny faritra Atsimondrano iny ity, tamin’ny herinandro lasa teo, satria resaka fampirafesana no niandohan'ny tantara. Voalaza fa efa niaraka taman'olona ity tovolahy ity. Tsy mbola nisy na inona na inona vita tamin'izany kanefa dia efa niara-nipetraka ry zareo. Taty aoriana anefa dia tapa-kevitra ny hisaraka tamin'io vehivavy niarahany io izy. Na izany aza anefa, tsy mbola nisy ny fisarahana mazava teo amin'izy ireo fa tsy dia nifanerasera matetika intsony fotsiny.
Noho izany, niaraka taman'olon-kafa indray izy. Nony fantatr'ilay vehivavy niaraka taminy voalohany anefa ny fisian'izany, dia nitady hevitra amin'izay izy. Inona tokoa fa tamin'ny fotoana tsy naha-tao an’ilay lehilahy iny indrindra no nandeha nankany an-tranony ilay vehivavy taloha io niandry azy tao. Efa fantany mantsy fa tsy maintsy hody ao ilay lehilahy sy ilay rafivaviny. Nony vantany vao niditra tao an-trano izy roa kely, dia ilay vehivavy no hitany ka akory ny hatairan'izy ireo.
Very hevitra
Tsy hitan'ilay tovolahy izay natao teo anatrehan'izany satria tsy sahy nandroaka ilay vehivavy niaraka taminy taloha akory izy no tsy mbola niteny tamin'ilay vaovao ny fisian'io ihany koa. Noho izany, raikitra teo ny ady saritaka satria samy nitokona tsy nety niala tao an-trano izy roa vavy fa samy te ho tompony avokoa. Ilay taloha moa nilaza fa mbola tsy nisaraka izany ry zareo, ilay faharoa indray kosa nanamafy fa izy no miaraka aminy. Ilay tovolahy teo anoloan'izany, tsy nanan-kambara mihitsy fa dia nijery ny adin'izy roa vavy teo fotsiny, izay samy nivonon-ko tompony avokoa.
Tsy nilamina mihitsy ny raharaha noho izany ka nony farany dia tapa-kevitra ny hitondra ny raharaha tany amin'ny manampahefana ilay vehivavy faharoa fa hoe nandrahona azy ho faty mihitsy io rafivaviny io. Voalaza anefa fa samy mbola tsy vita soratra tamin'ilay rangahy avokoa izy roa vavy ireo.
R.C
< Raha ianao no teo amin ny toerana dia inona no nataonao?>
novalian'i mandrindra ny 13/06/2006 07:53
2. Lalah
(
29/05/2006 12:16)
Efa tratra hoatran io aho, fa ny ahy notsofiko rano ho azy( za ilay 1 an), tsy tiany aho matoa izy miaraka amin olon-kafa, zay ilay hoe mbo manana fitokisana amin ny valeuranao. Ny zvt tsy tiako anefa amin izao dia lazainy fa tsy tiany indray io sipa io fa azon ody hono angamba izy. Misy mahatsikaiky mihintsy ilay lhl:lol::lol::lol::lol::lol:
3. pissoa
(
29/05/2006 12:47)
Hihihi, tsofiko rano (angamba). :-D:-D:-D
Lalah ve vehivavy sa lehilahy e :roll: Toa lahy ny ao am'mombamomba nefa otsan'ny vehivavy tampoka aty am'forum kle :-w:-w:-w
Lalah ve vehivavy sa lehilahy e :roll: Toa lahy ny ao am'mombamomba nefa otsan'ny vehivavy tampoka aty am'forum kle :-w:-w:-w
6. diamondra27
(
29/05/2006 13:53)
Lalah: tena nitapô ny sambo izany, de samy nilentika sa nisy iray tafita ihany?
:P le izy fa tantara fa raha iainana io tena mampalahelo sy mahatezitra.
Tena nanao ataky kosa ilay vhv voalohany e! izao no atao hoe: tena fantany ny ataony.
Classer-ko @ jalousie (very seza, = convoitise izao); satria tian'ny hafa de ataoko daholo ny fomba rehetra mba hahazoako azy (ilay olona io na objet). Amiko dia diso ilay vhv voalohany satria sady efa tsy niaraka intsony (satria sipa izany amiko), no mbola manao ataky ihany koa no mbola nigera.
Teo @ toeran'iza no tianao anontaniana? Les 2 femmes sa le kof?

7. totofy
(
29/05/2006 14:17)
tsy tokony nadaboka daholo ve ? dé mitady fahatelo :-D:-D:-D:-D, amin' izay tsy misy blem tsouny : voaloham-pitia :-D:-D:-D , na hitazona ny iray aza enao dé indray andro any mbola mety hisy resaka foana ... :-w:-w:-w=))=))
8. Lalah
(
29/05/2006 14:38)
Za ankia vhv an, fa mety ho sarindahy an! who knows:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
9. Lalah
(
29/05/2006 14:41)
diams> le toeranan iray amin izy reo kah! ra lhl de in no nataonjy, ra vhv 1 dia in no nataonjy, ra ilay vhv 2 de inona no nataonjy, azon-jy ve?
10. diamondra27
(
29/05/2006 15:39)
Lalah: lol,
raha vhv1 dia/
Tena tsy sérieuse aloha le vhv 1 e! tokony mianatra ny mamehy tena ihany izy. Tu es dangereuse, tu s capable de tuer pour ta jalousie; mila fitsaboana.
Raha teo @ le toeran'ny vhv2: dia tena choquer, raha namono ahy ilay vhv1 dia mba miaro tena aho fa tsy manaiky vonoan'olona @tsy antony. 'Za aza mba victime kou. Nefa tokony hanadihady ihany alohan'ny hidirana . Manontany ny fiaraha monina( ze olona mety en relation avec lui), dia tsy miaraka amin'ilay lhl intsony aho rehefa avy eo na dia tiako aza izy satria tsy nanaja ahy izy. Marika fa tsy nampisaraka akory le lhl fa navelany niady izy 2 vavy. Tsy miady izany lhl izany , tsy manana hazondamosina amiko. Au moins mba niteny hoe: stop aza miady nareo fa aleo 'za hanazava.
Raha teo @ plasin'nilay lhl: dia nalaiko mora² ilay vhv1 dia noresahiko, nazavaiko azy fa tsy mety ny nataony satria nanafika. Dia naveriko taminy fa efa nisaraka izahay ary tsy misy relation aminy intsony aho ka tsy tokony korontaniny. Nefa moa le fisarahana tsy nazava na mbola tia ilay lhl na tsia?
Mpandefa : Lalah [ Valio ] 29-05-2006 19:38:37
Lohateny : Re : Fampirafesana
Za ankia vhv an, fa mety ho sarindahy an! who knows
raha vhv1 dia/
Tena tsy sérieuse aloha le vhv 1 e! tokony mianatra ny mamehy tena ihany izy. Tu es dangereuse, tu s capable de tuer pour ta jalousie; mila fitsaboana.
Raha teo @ le toeran'ny vhv2: dia tena choquer, raha namono ahy ilay vhv1 dia mba miaro tena aho fa tsy manaiky vonoan'olona @tsy antony. 'Za aza mba victime kou. Nefa tokony hanadihady ihany alohan'ny hidirana . Manontany ny fiaraha monina( ze olona mety en relation avec lui), dia tsy miaraka amin'ilay lhl intsony aho rehefa avy eo na dia tiako aza izy satria tsy nanaja ahy izy. Marika fa tsy nampisaraka akory le lhl fa navelany niady izy 2 vavy. Tsy miady izany lhl izany , tsy manana hazondamosina amiko. Au moins mba niteny hoe: stop aza miady nareo fa aleo 'za hanazava.
Raha teo @ plasin'nilay lhl: dia nalaiko mora² ilay vhv1 dia noresahiko, nazavaiko azy fa tsy mety ny nataony satria nanafika. Dia naveriko taminy fa efa nisaraka izahay ary tsy misy relation aminy intsony aho ka tsy tokony korontaniny. Nefa moa le fisarahana tsy nazava na mbola tia ilay lhl na tsia?
13. Lalah
(
29/05/2006 16:16)
Ny ahy zao indray no fahitako azy
- diso aloha le lhl satria ahoana koa zany hoe te hisaraka amin ilay 1 tsy misy ady tsy misy inona fa tonga de mandeha fotsiny zany, nefa ny zanak olona efa matimomoka niaraka nipetraka t@ tao, ary raha te hisaraka izy, maninona raha natao mazava ny niresaka fa tsy vitan ny tsy fifaneraserana ny hoe misaraka. Ilay vhv 1 anie mety mieritreritra hoe mbola maka saina izy zay any e!.
- ilay vhv 1 indray de nandramila, matoa ianao ampirafesiny tsy tiany zany, tsy tokony ninsiste teo intsony, olona boka angaha ka tsy hahita vady intsony, marina fa maharary ny mieritreritra ny hoe " ny herimpoko t@ ity lhl ity very daholo, fa saingy tsy vahaolana intsony ny fiarahana @ io olona io, olona efa manitsakitsaka zany ve mbola hiaretako eo? , za kosa aloha tsy ataon olona an izany e, omeko ny lalana mody rehefa tsy tiany, ny mpisolo-toerana aza efa tonga. Mahita foana aho na dia tena vodi-tsobika araka ilay fitenenana aza no azoko eo
- ilay faharoa indray tsy tokony hi-style satria tafara, tokony nangina nanaja tena fa tsy miseho milay hoe toriko bla bla bla. Io fihetsika nasehony io, na tiany na tsia, na manana ny rariny izy na tsia, de mampihena 70% ny fitiavn ilay bandy azy eo no ho eo. Satria ilay lhl neritreritra hoe ity vao ity tsara lavitra na tarehy na toetra noho ilay 1, nefa vao mahita ny fihetsiny tsy mahay mandefitra de efa oust ao anaty orbite indray.Ary zay no antony nampangina ilay lhl. Lava loatra fa aleo faranana

14. diamondra27
(
29/05/2006 16:21)
lalah: ka victime ange le vhv 2 ka nahoana kosa izy no tsy mba hitaky ny zony
15. Lalah
(
29/05/2006 17:01)
Za anie tsy milaza hoe tsy afaka mitaky ny zon izy e!, ary raha misy ny tena victime tsy ilay 1 ve no tena voa mafy aza, sady efa nikolokolo, no mbola vodaka ery ambavafo, ilay vaovao vao omaly ve no tokony handrahona azy, ary raha mitady ny zony izy , tokony any @ ilay lhl izy no mitady fa tsy any amin ilay 1 zany aza efa hoe 1, sady zao koa anie, ny lhl rehefa te hampirafy hitany foana ny fika, ampiany kely ilay mifosa anao any amin ilay vaovao hoe iny anie ka ohatran izao sy zao, na dia tsy misy akory aza, fa entiny fotsiny hidirana amin ilay vaovao e! Iza indray no tsy mahalala an izany, raha tsy hoe efa tena olona tsy misy ilavana azy mihintsy kosa angaha ilay 1, nefa na tsy misy ilavana azy aza, nahoana ra natao mazava ny fisarahana e!
Za ndray kosa aloha ra za no menacena sipa rafivaviko zany, omeko ny sahaza azy tsara e! fa zany hoe soa fa tsy za. Olona maivan-doha zany manao menace menace zany, acte de acte fa tsy akoho akory ka rahorahonana izany. Fa ilay 1 aloha tena nandramila e, marina e.

16. bellla
(
29/05/2006 17:48)
raha zah aloha le vhv 2 reo de samy niala teo e! samy tsy nisy nipetraka teo, ami zay mba any aminy ndray le fanenenana avy eo.
18. sasa
(
30/05/2006 04:22)
bella ny an'ahy indray raha mbola sipako no tratrako amzany d veloma lava ry tiana fa avelako enao enao,raha efa vadiko vita soratra sy misy zanaka indray d eo za vao mety handefitra fa mila misaraka am le sipa kosa izy anefa.
Raha za aloha le sipa 2 d navelako teo e! f'angaha izy irery no bandy klé:-D:-D:-D
Raha za aloha le sipa 2 d navelako teo e! f'angaha izy irery no bandy klé:-D:-D:-D
19. xxx
(
30/05/2006 08:57)
Ary le i Lalah toa mandainga fotsiny eh!
Tsy misy marina ny renseignement momba azy na dia iray aza .
Toa izany daholo ve ny momba antsika rht eto @ serasera?.
Tsy misy marina ny renseignement momba azy na dia iray aza .
Toa izany daholo ve ny momba antsika rht eto @ serasera?.
20. riam
(
30/05/2006 09:11)
izany no hatao hoe "poligamie".
Efa tsy mahavariana intsony izany raha any amintsika.
Efa tsy mahavariana intsony izany raha any amintsika.