Ravitoto maina

1. soanja ( 17/05/2006 13:35)
Mba handefasan'ny havako ireny ravitoto maina anaty sachet ireny avy any Dago. Dia mahandro azy fa tena tsy haiko mihitsy. Sao mba misy havanana amin'ny fandrahoana an'ireny eto. Hanambahiny gasy aho rahampitso dia mbe te hahandro an'ilay izy mafy. Vonjeo haingana re! Ravitoto sy henakisoa no laoka an.
novalian'i cutie ny 18/08/2006 22:27
2. lemenakely ( 17/05/2006 14:13)
ratsy ireny fa tsy misy ohatrany frais ihany e tsy mety malemy mihintsy fa sahàla @ vovo-kazo ...
3. booboo ( 17/05/2006 14:15)
nenà ny nanaovako azy, nalonako 24h mitsy klou dé nandrahoiko tanay cocotte tsy haiko adiny firy fa elaaaaaaaaaaaaaaaaa ! dé mba tsy nasirasiraka ratsy avy teo ! rehefa hitanao fa masaka tsara vao atao ôtra fahandro ravitoto sy henakisoa tsotra @ zayyyy.

Manomana laoka gasigasy hafa ihany au cas où tsy afaka tsara lé masirasiraka iny.
4. Fiffi ( 17/05/2006 14:32)
raha mahita magazay sinoa ianareo de jereo fa mivarotra koh ry zareo ka Sakasaka no anarany , fa raha ravitoto maina aloha de tahak'izao ny fanaovako azy an!
Hendasina kely aloha ny hena , rehefa somary mendy kely iny , de harina aloha le menaka iny fa iny tena ratsy be , manavoa ny cholestérol iny. Halako ny hena de ataoko ao aloha ny ravitoto maina de eo amboniny ny hena sy sakamalaho de aleo handrahoana tsy cocoty fa manjary miparitaka be ny hena fa handrahoana normal de 2h30 eo ho eo! Mazotoa homana eh !
5. vahatra22 ( 17/05/2006 14:42)
marina lo nen'i lemenakely hoe tsisy otran'ny frais e! nefa mety lafo b ko le frais any an-dafy ! sady efa nahazo an'iny v mo enao! ra mampiahiahy anao d aleo ary laoka hafa no atao ho an'ny vahiny d andrahoina hohaninareo ao an-trano le izy:):):)
6. tisera ( 17/05/2006 15:00)
Zà koa aloha tena mpividy lé sakasaka surgelé io fa tsy lafo izany mihitsy ilay izy é! 1.60€ angamba izy izay ilay fonosana iny fa tsy tsaroako tsara koa hoe firy ny lanjany : matsiro ihany io na dia tsy tena tsara toto loatra aza . Fa dé efa nahandro ilay maina koa aho ; nataoko ohatry ilay lazain'i Booboo hoe nalona iray alina dia nandrahoina avy hatrany niaraka t@ henan-kisoa sy rambon-kisoa avy eo fa tsy mety afaka ilay tsirona mafaipaitra ! Dia nampiako menaka tournesol efa ho 1/4 l vao mba netinety fa dia mazotoa e!
7. Fiffi ( 17/05/2006 15:55)
1 kilao ny sachet ny sakasaka :)
8. fijo ( 17/05/2006 18:08)
ny fandrahona ravitoto maina :
-alonao anaty rano mangotraka aloha iray alina.
-ny ampitso vao handrahoy anaty cocoty minuta,ary ataovy bebe menaka fa raha tsy izany iny handatra.eo ho eo amin'ny adiny adiny telo eo iny vao tena masaka tsara,ary ataovy matavy ny hena miaraka aminy fa ratsy raha mahia.
ary tandremo ny hena tsy miara handrahoina aminy,fa ataovy manokana aloha.
dia rehefa vita mihintsy ny ravitoto vao afangaro atsasakadiny.
dia tandremo;aza hadino ny miantso ahy rehefa ihinana.
9. cutie ( 17/05/2006 20:01)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 17-05-2006 18:35:58
Lohateny : Ravitoto maina
Mba handefasan'ny havako ireny ravitoto maina anaty sachet ireny avy any Dago. Dia mahandro azy fa tena tsy haiko mihitsy. Sao mba misy havanana amin'ny fandrahoana an'ireny eto. Hanambahiny gasy aho rahampitso dia mbe te hahandro an'ilay izy mafy. Vonjeo haingana re! Ravitoto sy henakisoa no laoka an.

mandehana mividy any @ african store na sinoa fa any misy mivarotra ravitoto:P
10. ravakamalala ( 18/05/2006 09:37)
ary raha ravitoto au coco dia ahoana?
11. ds ( 18/05/2006 10:38)
Ny anay alona amina ronono mangatsiaka ora vitsivitsy mialoha ny fandrahona azy. Matsiro an ;-)
Rehefa mahandro azy indray rano tsotra fotsiny dia ampy. Raha asiana coco, dia ny vovona coco atao anaty rano no fiazana atao solon'ny rano. Mazotoa homana e.
12. cutie ( 18/05/2006 10:40)
ravakamalala le lait de coco ampesaina na coco tena izy de kikisana de alona anaty rano mangotraka,de fihazina, de le ranony iny no arotsaka, fa matetika koa le coco aty tsy matavy ohtran'ny any Dago. De ny ahy lait de coo no ampesaiko.
13. Fiffi ( 18/05/2006 10:51)
de aza hadino koa ny mihantso ahy rehefa masaka ô ! :)
14. ravakamalala ( 18/05/2006 11:09)
manana boaty na lait de coco mits aho fa iny fotsiny ve dia mapy sa tapohina rano ihany?

15. cutie ( 18/05/2006 11:14)
aisan rano kely ref amahndro azy njy nga, fa refa masamasaka iny le ravitoto de arotsaka le coco,de refa mangotraka de ajanona.
16. mandrindra ( 18/05/2006 11:59)
ny sakasaka dia tsara kokoa raha verenany totoina kely fa haché grosièrement mantsy ny andry zalahy afrikana
17. cutie ( 18/05/2006 12:01)
za nefa tena nahita voatoto tsara:P
18. mandrindra ( 18/05/2006 12:13)
tsy mialy noho ny toto gasy na izany aza
19. cutie ( 18/05/2006 12:18)
tsy tadidko tsony ny toto gasy :-D^^^^
20. mandrindra ( 18/05/2006 12:21)
ampatsiahiviko ao aorianan'ny spektakla :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.4788