zaza tsy mety mihinana légumes

1. miantra ( 05/05/2006 13:30)
Inona ry reto ny hevitra amin'ireny zaza tsy mihinana légumes ireny a?

Ilay zanako izao tsy mihinana afa-tsy vary tsy misy laoka (na hena io na légumes). Tsy tia akory na purée aza.

Misaotra mialoha amin'ny hevitrareo.
novalian'i Tokinao ny 15/07/2006 09:51
2. Herimiafina ( 05/05/2006 13:33)
Jereo sao de tsy tiany ny fofona menaka na ny sira na ny siramamay na ny tongolo, resaka organoleptique io. Misy ingredient iray tsy tiany ampiarahina ny legioma de tsy voany.

Jereo ihany koa sao misy fanaviana ilay zaza ka laony fofona sakafo.
3. miantra ( 05/05/2006 13:40)
Izy aloha tsy manavy , efa nandramako na natao nature, na asiana sira na siramamy, tsy nasiana menaka na épices fa eh eh eh!!! . Handray efa-taona izao izy fa na tamin'ny mbola kely aza izy dia aloany daholo.
Ny tena mampitahotra ahy dia sao dia misy tsy fahampiana vitamines ny hiafarany;

4. Herimiafina ( 05/05/2006 13:51)
Ny ankizy aloha normalement malainkomana e! tsy de tena hoe malainkomana loatra fa SELECTIF amin'ny sakafo hohaniny, izany hoe mifidifidy.
Anontanio izy hoe inona no tiny hohanina fa mety hihinana izy.

Matetika izy tsy mahatsapa ny sensation de faim noho ny energie be hananany mampipelipeilka azy milalao iny, kanefa mitsakotsako foana, mihinana kaninkanina sns.

izany hoe ny repas principaux tsy hohaniny fa ilay madinidinika ireny no asaiany (Chips, caca pigeon, sns) eny anelanelampotoana.

Na koa jereo ihany sao dia misy probleme anorexie, resaka hormone sy glandes thyroidienne (+psychologie) indray mantsy iny de azo tsaboina tsara ka ento jeren'ny dokotera.
5. Samoana ( 05/05/2006 13:53)
Andramo ovaina ny présentation-ny sao mba mety: ohatra atao purée de asiana fromage rapé ary alefa lafaoro. Azo afangaro vary raha iny no tena tiany.Aza terena mihintsy fa ezaho ho voasinton'ny hatsarany izy. Na iray sotrokely aza de efa fandresena @ voalohany
Ny ahy koa mantsy tsy tia mihintsy taloha, nihezaka nony 6 taona tany ho any ary izao izy indray no tezitra raha tsy misy légumes eo @ latabatra ( 11 taona izy izao )
6. miantra ( 05/05/2006 14:05)
Izy aloha dia tia sambos sy nem ary io no hany fomba hitako anomezana hena azy.

tia mamy izy dia ezahiko omena compote matetika.

Fa andramako sy hojereko ireo hevitra nomenareo ireo dia lazaiko anareo ihany ny tohiny.

Merci daholo e!!

7. Fiffi ( 05/05/2006 14:18)
miantra: hasioastuce kely akia an! de tetehana madinika ny legumes tsy hatao madinika loatra , de atao anaty vilia , de tsy hafangaro @ na inona na inona fa sira kely fotsiny rehefa mahandro. De rehefa à table , de manaova ndry sauce à base de yaourt nature , de izy hiany no manisy io sauce io @ le legume , de hatao tahakan'ny milalao fa à table an! Andramo anie eh! :):-*
8. Herimiafina ( 05/05/2006 14:19)
Aza zatra mampiasa épice fa tsy tian'ny fanamboloan'ny zaza koa ireny matetika! :wink:
9. Fiffi ( 05/05/2006 14:45)
Herimiafina: tsy misy épice raha manao sauce au yaourt , de @ zay sady mihinana légumes ny zaza no mihinana laitage. Fa marina ny anao fa ho an'ny olon-dehibe anie ka ratsy ko ny fahinanana épice eh!
10. Vaika ( 05/05/2006 14:46)
miantra : aza dia sahiran-tsaina loatra ianao fa norma ny ankizy efa-taona izany no midifidy sakafo. Rehefa tiany ny samosa dia tsy maninona fa omeo izy. Raha tsy mihinan-kanina mihintsy ilay zaza dia izay angaha no tsy maintsy hanantonana dokotera haingana.
Misy mantsy zaza tia mitsaingontsaingoka fa tsy mazoto omana loatra rehefa heure de repas. Mandalo fotsiny daholo ireny zaza mifidy sakafo ireny. Ka izao handramana : asio mofo (pain complet ohatra fa tsy bonbon !) foana eo ambony latabatra dia teneno tsara izy hoe rehefa te-hihinana dia maka fotsiny. Fadio tanteraka ny manao fixation amin'ilay resaka sakafo amin'ny zaza fa sao lasa pathologique indray. Toro-hevitra farany : omeo légumes manta na fruits (voatabia, carottes ets...). Vitsy ny zaza tsy tia an'ireo. Dia aza misahiran-tsaina be loatra fa vao mainka hitany dia araraotiny, taonan'ny mitsapatsapa mantsy ilay efa-taona eo ho eo ka ianao no hainy dia ny limite-nao no tsapainy. Aza forcer-na hipetraka ela loatra rehefa mikaly fa raha vao te-hiala dia aleo handeha. Mbola ho avy ny fotoana hampianarana azy ny fahalalam-pomba...
11. fasaly ( 05/05/2006 15:58)
sao de ny fikarakarana na ny fomba fandrahoina lay legioma kosa no tsy tiany fa ovaly hafa njay ny fahandro azy hoe jerena, ohatra ovy andrahoina de atovy fritte:wink:
12. diamondra27 ( 05/05/2006 16:19)
astuce: rehefa manome sakafo ny zaza de atao jeu foana le izy

ohatra: atao anaty vilia ny oeuf sur plat (atody 2)
dia asiana ketch up atao sary na tête le sakafo= le ketch up= volomaso sy orona ary vava, de le jaune d'oeuf = maso
tonga de mazoto le zaza normalement sady amporisihinao izy resahana oe: andao ho hanina ny vavan'i xxx , de mihinana izy, de tohizana hatrany; de anontaniana izy oe: ahoana tsara ve le vavany?
ary ny masony? omeo kely oe za andramako? de mandà izy na manaiky de ome compliments fa hamporisika azy izany
13. diamondra27 ( 05/05/2006 16:23)
ohatra fotsiny no nomeko iny fa resaka légumes no lazaina eto , donc

efa voalaza etsy ambony ireo ny ankamaroany hoe: sao de misy gout tsy tiany de tsy mihinana izy

fa de question de présentation ihany ny ahy no hamafisiko e!

raha haricot vert izao de azo hanaovana kisarisary(solona volo), sens d'imagination de afangaro @ zavatra hafa tiany (voatabia)...
14. fasaly ( 05/05/2006 16:24)
:°):°):°)hita tokou fa efa nitaiza i diam zany!!!!:-*:wink: de raha epinard zao de ahoana njay nysarisary atao aminy?????ohatsa hoe atao inona ????:wink:
15. Fanja1 ( 05/05/2006 16:42)
fasaly ilay epinard aloha de mety ho sarotra ihany sady bdb kou ny lehibe tsy tia epinard aza (za anisany) :P
16. Fiffi ( 05/05/2006 16:53)
zah koh!
17. fasaly ( 05/05/2006 17:11)
fanja1 sy fiffi, hummmmm zà tia beuh ka! ataoko solona hanana izy ireny an! slurpppppp!fa ny loza de mifitsaka beuh rehefa masaka de voatery mividy bdb zany vao mahalaoka vary nefa lafo ny vidiny de try afa-po:cry::wink:
an an an ! tiko ny epinard fa zà mantry tsy tia hena mena de tsy ampy fer lava kou de fanina lava de ny epinard no haaniko fa otran'ny ravimbomanga ihany ny tsirony:°)
18. Herimiafina ( 05/05/2006 17:13)
Kaninkanina toy ny sambos sy nem izao tiany de alefaso any ny sakafo essentiel tokony haniny.
Manarak'izay omeo fanafody manokatra vavony fa aiza no tsy hisakafo eo e!
19. Fiffi ( 05/05/2006 19:29)
Herimiafina: fa nga akia tsy hoe tsy misy olna maty ny hanohanana zany fa rehefa tsy minana izy dia midika zany hoe tsy noana ? de rehefa noana izy de mihinana ?
20. toubib ( 06/05/2006 06:59)
Fa misy koa vao haingana momba exposition-na resaka trano izay fa voalazan'ny efa nanadrana fa amin'ireny zaza ireny koa dia atao toy ny milalao ny fanomezana hanina azy. Mila faharetana fa "capricieux" loatra. Misy sotrokely miendrika raoplanina izay fa tena môla be izy amin'io.

Raha resaka fanafody eto Madagasikara dia misy azo andramana ireny manaitra ny fahazotoan-komana ireny, ary tsy mila ordonnance toy ny Vicombil,Trésorix fort,Dynamogène, na ny mila tsindraindray toy ny Periactine, ny homéopathie koa manana ny azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2405