didy mivoaka mikasika fanalan-jaza

1. Lalah ( 28/04/2006 00:55)
Hono hoa ry reto! tsy tokony ho efa ela ve io no tokony nampiarina tao Dago, mahita ny fatin-jaza rano etsy sy eroa ny fanajaka vao mody taitra, mody taitra fa tsy fantatra na tena mba manohina ny fony marina ny mahita ireny na ahoana. Ny tena marina amin izao fotoana izao, tsy tovovavy intsony no maro anisa manao an izy io, fa ny olona manambady aza matetika, vokatrin ny fahasahirana ara-bola misy amin izao fotoana izao, nefa tsy mahavita mahafehy ny filana, ny vidin ny kapoty lafo loatra mahavidy anana atao laoka atoandro, na koa ireo olona manambady mampirafy any ivelan ny tokan-trano dia avy eo bevohoka dia asorina satria manala-baraka, sady matahotra ny vady be.
novalian'i pitchou ny 31/05/2006 03:06
2. Lejim ( 28/04/2006 02:37)
Sarotra be indray ny hamehy olona amin'io ry lalah. Hain'la ihany ny probleme aty Amerika entre pro-life sy pro-choice aty io!
Raha saziana anie ny olona manala zaza dia betsaka ny zazavavy miteraka tsy mahavita fianarana e! Kanefa tsy te hahita an'izany eto @ firenena angamba isika.
3. fijo ( 28/04/2006 03:15)
ny tsaratsara kokoa dia ny manisy fetrany.omena fempotoana hisainanay ilay olona,ka tapitra izay fotoana izay,dia sazina izy raha mbola manala.
4. Fiffi ( 28/04/2006 03:49)
sarotra marina ny hamehy ny olona @ io , izany hoe na dia misy aza ny lalana mifehy an'io dia tsy misy manaraka an'io. Raha jerena ohatra ny lalana mifehy an'io eto frantsa dia zon'ny olona ny fanalan-jaza saingy ny mpitsabo na ny mpanala zaza no manapaka ny hevitra ny hanaovana azy.
Ny mampalahelo anefa dia aiza ho aiza ny lalana any Dago ? tsy any @ hopitaly hiany no ahafahana manao an'io fa etsy sy ero raha manam-bola ny olona. Rehefa tsy manana kosa dia mitazona ny zaza dia hariana etsy sy eroa ny zaza rehefa teraka. Tena mampalahelo ny toe-javara tahak'izao.
5. rurik ( 28/04/2006 06:12)
Matetika koa dia ny fihainana lafo loatra no mahatonga ny olona manao an'io misy ny miaraka @olona mba ahazahoana vola nefa tsy mba mitandritena akory, ny antony dia io voalaza eo ambony io lafo ny vidin'ny kapoty, ny fihainana miha sarotra.
tsy ampy fialamboly ,
Tena mila fiovana be Madagascar vao mety hilamindamina io , fa raha ny fanasazina toa hitako we tsy evitra mety .
Ohatra sazina izy rehefa mivoaka avy eo ohatra inona no ihainany dia efa fihainan'olona iray simba izay nefa mino aho fa tsy irary no voan'io olana io isanandro na isambolana.
Asa anefa fa eritreritra ny ahy.
6. rurik ( 28/04/2006 06:20)
fijo:

ny tsaratsara kokoa dia ny manisy fetrany.omena fempotoana hisainanay ilay olona,ka tapitra izay fotoana izay,dia sazina izy raha mbola manala.

raha ny fahazahoko ny teninao dia avela hanala zany aloha voalohany:?::?::?::?:
ka eritreretinao ve fa dokotera iray ihany no alehany misy ary tsy makany @dokotera akory fa mahandro izao rehetra izao , mihinana izao zavatra atoron'ny namana rehetra izao, nefa tsy hainy fa tena aina no lalaoviny @io fotoana io .
Tsy manome tsiny azy ireo aho fa misy koa ny voafitaka ka ny fihainana no manery azy hanao izany , misy ny mieritreritra we aleo mbola tsy hita dia esorina toizay avela ho tonga soa amatsara dia inona no fihaiana ho avy avy eo :(:(:(:(:(
JEREO TSARA NY FIAHASAROTAN'NY FIHAINANA OLONA IRAY TSY ANASA ,IZAY HO HANINA ANIO MBOLA TSY HAY NA AHITA NA TSIA DIA MIAMPY ZAZA IRAY :(:(



7. Fiffi ( 28/04/2006 09:05)
rurik: mety tsy azondry angamba ny tian'i fijo lazaina an ! satria zao:
Aty frantsa zao dia raha misy olona bevohoka ka te-hanala io zaza io izy , dia mijery mpitsabo. Avy eo , omen'io mpitsabo io izy fotoana hiheritreretana tsara raha ho halana hiany na tsia. Refefa vita io fotoam-piheritreretina io dia eo izy no hilaza na hanala na tsia ka eo no hanapahan'ny mpitsabo ny fotoana hanalana azy raha toa ka zay ny sitrapon'ilay bevohoka.
Noho izany , dia io lazain'i fijo io hoe "ny tsaratsara kokoa dia ny manisy fetrany.omena fempotoana hisainanay ilay olona,ka tapitra izay fotoana izay,dia sazina izy raha mbola manala.
izany hoe: ohatra niheritreritra hiany io olona bevohoka io fa tsy hanala ilay zaza , nefa dia taty aoriana dia indro fa nalana hiany ilay zaza fa tsy nandeha nanantona ilay mpitsabo teo aloha fa nanao zavatra hafa nanalana azy , noho izany dia mendrika azy ny sazy ary tokony ho sazina mafy dia mafy tokoa.
8. Fiffi ( 28/04/2006 09:14)
izany hoe tsy dia mazava loatra ny tian'i fijo lazaina satria hoy fijo hoe: omena fempotoana hisainanay ilay olona,ka tapitra izay fotoana izay,dia sazina izy raha mbola manala. io fotoana io aloha dia fotoana hisainana @ inona ? satria raha omena fempotoana hisainany ilay olona fa hisainany @ inona aloha ? hoe hanala ve sa tsia ? sa fempotoana hilaza azy hoe hatramin'izao daty izao no tsy ahazahoanao hanala io zaza i intsony ka raha tapitra io fotoana io ka raha mbola manala dia ho sazina mafy dia mafy.

Izay vao azoko tsara hiany ny tian'i fijo lazaina kah! rurik: mino aho fa io voalazako io no tiany ho lazaina.
9. pitchou ( 28/04/2006 10:02)
angamba ilay izy d sahala @ ny hoe: raha mbola latsaka ny 3 volana le zaza d azo atao fa raha efa mihoatra d tsy maintsy tazonina.
Ny olana anefa d mety ho sahala @zao: mety hoe natao an-tery le vhv d bevohoka, d nohidina tao an-trano na norahonana mafy na sahala @zany ka efa tsy ho afa-manoatra intsony vao tonga any @ dokotera. D ahoana izany no hatao?
raha misy sazy homena d tsy tokony le vhv fotsiny fa le lhl nahabevohoka ihany koa satria azo atao tsara ny mamantatra, @ ankapobeny io aloha hoe iza le rainy!!! @izay izy equitable tsra fa tsy d hoe aoka ny vhv ihany no ho sazina sy hizaka ity rehetra ity.
10. Fiffi ( 28/04/2006 14:11)
satria tsy ho bevohoka irery ao tsinona ny vhv. Fa hafa indray raha toa ka hoe noterena (viol)
11. watafon ( 28/04/2006 16:19)
za kosa aloha tsy tena miombon-kevitra @ le hoe fanasazina e! le fanalalahana ny fanalan-jaza angamba no mety ho azo atao fa asiana fetrany ohatran'ireo efa manao izany oe hatramin'ny faha 3 volana ihany d raha tsy ampy taona d misy accord avy @ RAR sns....
rehefa tsy izay d ny IEC @ n'ny fanabeazana aizana no atao mafimafy e!
12. pitchou ( 28/04/2006 18:46)
wata> le we tsy ampy taona mila accord ny RAR no tsy azoko! fa ngah le ho avin'ny RAR no en jeu eo? raha tsy ampy taona klou d tokony tonga de miditra ary ananona ary le lhl nahabevoka!
fa le we 3 volana koa araka ny nolazaiko tery ambony d tokony ho eritreretina ihany fa ndrao d hiampy ny terivozona mba tsy ahafahana manala le zaza!
le fanalalahana koa d tokony hatao mazava tsara, ary ara-pahasalamana, fa tsy zao olona rehetra zao no hanao azy! tokony hoe rasazy sy radoko ihany
13. Fiffi ( 28/04/2006 19:06)
potchou: tsy ny hoe ny ho anin'ny RAD no jerena ka !
fa ohatra ny aty ivelany zao dia tsy afaka hanala zaza mihintsy raha tsy misy ny accord ny RAD raha tsy majeur ny ankizy.
14. soanja ( 28/04/2006 23:58)
Raha ny dinidinika nataoko tany Mada farany teo dia ny lehilahy gasy mihitsy hono no tsy tia manao kapoty na dia efa zaraim-potsiny aza io ohatra any amin'ny hotel sns ary misy koa toerana efa afaka ividiana mora an'io ny sasany manome maimaim-poana. Ny filana tsy maintsy atao ihany, marina izany fa ny fanabeazana no tsy ampy. Ny tovovavy tokony hahafantatra fa sarobidy ny tenany (value). Azony atao tsara ny mamonjy toerana hianarana momba ny fanabeazana aizana raha mila izany ka tsy azony any amin'ny RAD-ny.Fa raha misafidy izy fa tsy misy mety aminy io dia ny kapoty ihany no vahaolana. Ka raha lehilahy tsy vonona hametaka kapaoty dia tokony hialana ka raha hoe tsy mety fa raha misy manao forcing dia gadraina ny lehilahy. Efa misy lalana miaro ny vehivavy momba an'io. Beazina hoe ny lehilahy manao forcing de ratsy fa ialao lavitra fa simba ny vatanao sy ny ho avinao. Manaiky kosa ianao hiaraka eo dia mivonona fa ho bevohoka. Dia amiko raha manala zaza ianao ka efa tena mihoatra ny roa volana ny vohoka dia efa mamono olona. Dia tokony hifanaraka amin'izay ny sazy. Fa tsy ny vavy irery no gadraina fa ny lahy koa. Satria sarobidy ny zaza. Olona roa no nanamboatra azy fa tsy iray. Zanakao ve avelanao ho vitaina tsotra izao. Raha tsy hoe Sperm bank angaha no nahazoana azy. Marina fa efa maro sy mitombo be ny gasy fa tsy ny zaza kosa no hovonoina fa ny sakana no tokony atao mafonja. Ity safidy ity indraindray tena manitsoka firenena koa raha aramoraly.
15. watafon ( 29/04/2006 03:21)
pitchou, k izay indrindra ange no hamerana ilay izy ho latsaky ny 3 volana e! mba aha - ara- pahasalamana azy !
le tsy ampy taona indray d mazava oazy fa tsy hahavelona ilay zanany izy raha tsy hoe... d izay no ilàna le autorisation n'ny RAR fa tsy hoe resaka sazy akory k;
soanjy,tena marina io : tsy tia manao kapôty ny ankamaroan'ny lhl gasy mba tsy ilazako oe izy rehetra, d le fampianarana mihitsy no mila atao mafimafy araka ireo voalazanao ireo
16. Fiffi ( 29/04/2006 04:37)
wata: fa mba mahagaga ahy akia zany hoe tsy tia manao kapoty zany an! nefa dia samy mahafantatra fa efa be loatra ny haretina isan-karazany ve dia mbola hihaingitraingitra hiany ?
17. watafon ( 29/04/2006 17:04)
Fiffi; tena vitsy ny mampiasa fimailo zany aty k ! tsy hainjy marina ny olona aty aminay aty alou no fantatro e! aty atsimo andrefana aty ange hono tsy lehilahy raha tsy voan'ny blénorrragie ; le mitsonika no filzantsika azy ; d ny sipa tsy vehivavy raha tsy manala zaza e!
18. Fiffi ( 29/04/2006 19:07)
:roll::roll: anjekaky oooo :{:{:{:{ zany ve ?
19. pitchou ( 30/04/2006 12:42)
anjay!!!! marina ve zany?
nenà klou rehefa tsy ny vavy ihany no sazina @ zany d efa dingana lehibe e! fga aza miresaka lalàna aty fa natao hampandriana adrisa fotsiny ireny fa tsy ampiharina akory!!!
fa zà kosa klou tsy dakôro mintsy hoe ny RAR no hisafidy ze ho avin'"ny zanany e! rehefa mahatsiaro tena izy fa tsy hahavelona le zaza d alao esoriny fa tsy raràna zany!
20. fijo ( 30/04/2006 18:30)
rurik io azavain'i fiffi io no tiako lazaina.
tena io hevitr'i wata io no tsara e,omeo zo hisafidy ao anatin'ny fotoana mampety azy ny olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1788