Iza moa no namako?

41. cutie ( 25/04/2006 20:29)
ndao aza hifankatia daholo e :-D
fiffi
42. Fiffi ( 26/04/2006 14:47)
11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny làlanay ho aty aminareo. 12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin' ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa, 13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin' ny fahamasinana eo anatrehan' Andriamanitra Raintsika, amin' ny fihavian' i Jesosy Tompontsika mbamin' ny masiny rehetra.
43. marozevo ( 27/04/2006 20:43)
Ndao tokoa hifankatia ry reto ah... Tsara anie ny mifankatia eh.
Saingy aoka tsy ho adino fa ny mpifankatia tsy maintsy mifampitsikera fa raha tsy izany mihatsara ivelan-tsihy.
44. Fiffi ( 28/04/2006 05:00)
@ fomba ahoana moa ny hifankatiavana raha tsy misy ny tsikera ? tsy misy tongalafatra ho azy fa tsy maintsy misy ny fitsikerana , ary raha vohatsikarintsika fa rehefa vita ny fitsikerana , ny fifamaliana , ny adihady , dia vao maika nitombo ilay fankatiavana.
45. marozevo ( 28/04/2006 14:19)
Izany no mahatonga antsika eto amin'ity sehatra ity, indraindray misy mandona mafy, na voadona mafy.

Hoy ny Ntaolo Razantsika "Aza mijery arina an-tava"

Hoy ny baiboly (Asa moa na Jeremia na Isaia "Izay tian'ny Tompo no faiziny, ary izay heveriny ho zanaka tiana no tsy itsitsiany ratsan-kazo".

Nefa moa na eo aza izany dia aoka ho tsorina fa tena sarotra ary somary maharary ny mitsikera, fa mbola maharary noho izany koa ny tsikeraina.
46. Herimiafina ( 28/04/2006 17:18)
Marina izany tenin'i Marozevo izany.
Ampiako hoe raha tena tsikera dia raisina sy henoy fa kosa raha fandatsana somary haroharoina tsikera dia tsy izy izay.
satria ny tsikera dia fanantsarana no tanjony fa tsy fanankiviana! :@
47. Fiffi ( 28/04/2006 19:35)
marina daholo izany lazainareo zany ka inona zany ny manakana antsika tsy hifankatia ?
Nefa indray efa mifankatia daholo isika izao satria nanaraka ny tenin'ny Tompo.
48. marozevo ( 30/04/2006 08:29)
Tena mifankatia tokoa isika, saingy ny fifankatiavana toy ny lamba fotsy....
Marina koa io tenin'i herimiafina io, fa misy dia misy tokoa ireo mitsikera somary mandatsa na manao zary tenany, na mikiry biby nihitsy. Tsy atao mahakivy akory izany, sady jereo ange eh ! 'Taoko efa lasa teto ny maro tamin'izy ireny. Tsaroako fa tany am-boalohany tany dia maro mihitsy no nanangam-bovona nanao izay tsy hahatamana antsika teto, nanaratsy antsika, nanaratsy ny finoana sy ny mpitondra...
"Ry Piera, ry Piera, indro i Satana fa mikiry mafy hikororoka anao. Fa ianao kosa, mivavaka aho mba tsy hivena ny finoanao, ary rehefa tafaverina ianao, dia amafiso ny finoan'ireo rahalahinao".
49. Fiffi ( 01/05/2006 04:36)
fa tsy ho resin'ireny isika !
50. sonwin ( 01/05/2006 16:51)
amen
51. Fiffi ( 01/05/2006 18:45)
Amen
52. marozevo ( 01/05/2006 22:04)
En verité en verité ! Je vous le dis.
53. Fiffi ( 02/05/2006 09:20)
"Je vous le dis en vérité, toutes les fois que vous avez fait ces choses à l'un de ces plus petits de mes frères, c'est à Moi que vous les avez faites."
54. pissoa ( 02/05/2006 10:17)
Amen
55. Fiffi ( 02/05/2006 10:20)
Amen
56. marozevo ( 02/05/2006 22:23)
Iza moa ilay nanontany hoe inona no dikan'ny AMEN ? Ny dikany dia io :"En verité, en verité (2fois io), je vous le dis !".
57. Fiffi ( 03/05/2006 13:24)
"Amen, amen, je vous dis que quiconque commet le péché est esclave du péché."
"Amen" = c'est vrai. Il insiste sur l'importance de ce "Je vous dis vrai" quand c'est la Vérité (le Christ) qui le dit"
58. marozevo ( 03/05/2006 22:56)
C'est une déclaration solennelle... Izay ilay tsy nahitako teny hanazavana azy ka nataoko hoe "ozona masina", fa teny tsy fampiasa io, fa mba hahazoana azy fotsiny no nampiasako azy.
59. Fiffi ( 04/05/2006 06:34)
satria tsy misy azo handikana ny teny "ozona" ho hafa.
60. marozevo ( 04/05/2006 14:38)
Inona tokoa no teny Malagasy mety hahalaza ny hevitr'izany eh ? Ilay hoe ozona manko tena tsy zakan'ny vavoniko, nefa ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9746