VOASARY hiran'i MAHALEO...

1. xxx ( 12/04/2006 16:25)
MOA VE MARINA fa mifono hevitra sexe iny hira iny VOASARY iny..NY TABLIER MANGA an'i LOLO SY NY TARINY aloha mazàva be ...asa misy afaka hanazàva ve?
novalian'i marindra ny 23/05/2006 20:00
2. Fiffi ( 12/04/2006 16:42)
xxx : aza mikiakiaka aloha eh! andraso indray hoe henohina zany hira zany !
3. Fiffi ( 12/04/2006 16:46)
Iny izy fa tazako eny an-tampom-kavoana
Mamikavika mafy ery ambany ery
Mitofatofa amin' ny zipo, zipo lavany
Fafazan' ny orana avy any atsimo izy
Tohan' ny rivotra tsy avelany mandeha
Mavitribitrika anefa izy mitaingina ny kapany
Na dia misy aza ny fiakarana mideza
Izay miandry azy atsy aloha atsy a !
Mavitribitrika izy e , hamangy ilay malalany
Ny famindrany amin' izay e !
Manaraka ny fitempon' ny fony.

Midobodoboka ny fony,
midobodoboka aok' izany an !
Rehefa tonga teo am-baravarana
Nandondona indroa izy e , nefa tsy nisy namaly
Saika handondona fanintelony izy
Nivoha anefa ny varavarana
Ka nampandrosoiko izy e ! tato an-trano
Mangetaheta anefa izy
Dia notolorako voasary
Samary gaga anefa izy nijery ilay voasary
Voasary efa vita vaofy no nomeko azy
Nanontany azy izy e : nankaiza ny odiny ?
Be mpaniry mantsy io voasary io
Ka izay tonga ato an-trano dia mihinana ny odiny
Ny fonin' ilay voasary anefa tsy nomeko an' iza n' iza
Natokako ho anao e , ny fonin' ilay voasary an
Natokako ho anao e , ilay voasary mamy an !

de mba aiza hono ny sexe @ io hira io ? Mba te hamangy ny malalany ary izy dia nangetaheta dia notolorana voasary efa tsy nisy odiny ka aiza ny sexe @ io ? :roll::roll::roll:
4. Mariano ( 12/04/2006 19:29)
Zah koa aza mba gaga ry ise koa, tsy hitako mihitsy, zany hoe mila filozofy mahay mamakafaka tsara angamba aloha fa raha izaho aloha tsy hitako e
5. Fiffi ( 12/04/2006 19:38)
de raha izany dia tsy ihinana voasary efa vita vaofy intsony ve zany isika ? :-D:-D
6. RADOUXE ( 12/04/2006 20:48)
7. fijo ( 12/04/2006 21:14)
hummmm,raha raisina amin'ny heviny somary dimbaka ambony tamoho ,dia toa misy dikany mifandraika amin'izay ihany ka.
"an tampom kavoana..."=tampoketsa
"mavitribitrika ...mitaingina...."
"midobodoboka ny fony...."
"rehefa tonga teo ambaravarana"ambaravaran'ny inona
?ny fafinaretana.
"nivoha le varavarana"varavaran'iza? le sipa
8. Fiffi ( 13/04/2006 04:16)
hummmmmm :-D ka raha tsy raisina @ heviny soary dimbaka ambonin'ny tamboho ? hira milay be io ve ry zareo dia izany ?
9. kiadytsilaitra ( 13/04/2006 05:42)
xxx:

MOA VE MARINA fa mifono hevitra sexe iny hira iny VOASARY iny..NY TABLIER MANGA an'i LOLO SY NY TARINY aloha mazàva be ...asa misy afaka hanazàva ve?


Ilay mahaleo angamba tsy dia izay loatra fa ilay Lolo sy ny tariny kosa aloha dia tena mitantara firaisana ara-nofo mihitsy ka:

Izaho mibanjina ny tany (donne le dos au ciel)
ianao manisa kintana (allongee par terre)
> position du missionnaire

izao somary miala (je vais et je viens)
ianao miantso hoe avia (viens)
> encore, plus vite, plus fort...ouiiiiiiiii sns:D
10. Fiffi ( 13/04/2006 05:52)
dia tsy aiko ry zareo fa dia samy manana ny fandraisany an'io aloha an! nefa na izany aza tena tsy hitako hoe nahoana na nahoana fa hira mba milay kosa an! :)
11. little ( 13/04/2006 06:28)
le hiran'i Mahaleo hoe paoma ry reto no misy ambadika sexe a! jereo anie e! le voasary aloha tsy dia hitako loatra ny ifandraisany e!
12. mamzelkely ( 13/04/2006 06:57)
fa angah mahaleo manan hira we paoma zany ry little :roll:

ts haiko aloh reo hira reo fa le misy hoe:
"areto ny jiro, ny akanjonao apidiro blablabla" ts tadidiko iny no hitako we mifone sex zany ee:-D:-D
13. little ( 13/04/2006 07:47)
hay tokoa moa tsy misy Paoma tokoa ny hiran-dry zareo e!
Ary artista hafa mitay zany le resa-paoma. I annn kay iny e! I Adama sy eva n'i Itompokolahy Lefona.
14. visiteur ( 13/04/2006 08:07)
Lé hira hoe fahavaratra iny no misy ambadika sexe. rah ny hevitro aloha io an
15. Fiffi ( 13/04/2006 08:44)
hoe "fahavaratra ny andro ....... aiza kosa ?
16. little ( 13/04/2006 09:18)
fahavaratra ahoana aza le?
Za ko tsy mahazo..... mila fanazavana o!!!!!
Visiteur sendra mandalo ve io e? sa iza @ le film hoe les visiteur, ( Zakouille la fripouille???)
17. Mariano ( 13/04/2006 11:22)
Ka inona moa no blem raha misy ambadika na tsy misy ambadika e, fiainan-janak'olombelona ange izany e, tsy hitako mihintsy aleo ny artista handefa izay mba aingam-panahiny, rah mahavita koa iano manaovà tsy hitako mihintsy ny olana, sentiment io
18. Samoana ( 13/04/2006 13:17)
Mitady lavitra loatra nareo izany an ! Ny hiran-dry Dama tena miresaka sexa manitikitika anareo dia ilay hoe " Tsiritsiritsiritsiritsy !!(2)
Diavolana fenomanana...manazava ny takariva...
... Hande hande hamonjy hamonjy didim-poitra:lol:"
19. Fiffi ( 13/04/2006 14:31)
zah ry zareo dia tsy mba mamaky loha @ zany an! tiako daholo ny hira , tsy hanana heritreritra @ zany aho hoe "inona tokoa moa no mifono @ izany hira izany " ? fa dia mankafy ny hira de zay eh! la!la!la!la!la!la!la!la!la!la!:):):)
20. pissoa ( 13/04/2006 14:45)
Fiffi, an3 ... mila eritreretina izany kah, na hoe mila fantarina mantsy e! Sao mihira hira tsy tokony hiraina amin'ny fotoana tsy tokony hihirana azy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1475