Fahagagana

1. LazaRandri ( 05/04/2006 05:30)
Samy mahavita fahagagana na ny olon'Andriamanitra na ny olon'i Satana. Ny iray herin'ny fahazavana moa ny iray herin'ny haizina.

"Ahavita fahagagana mihoatra noho izaho ianareo" hoy i Jesoa. Mino izany ve ny Kristianina ankehitriny?
novalian'i jimna ny 15/05/2006 05:49
2. Fiffi ( 05/04/2006 06:28)
"Ahavita fahagagana mihoatra noho izaho ianareo" hoy i Jesoa.
aiza ho aiza ao anatin'ny baiboly no ahitana an'io ? fa tena tsy hitako!
Mino izany ve ny Kristianina ankehitriny?

raha izany no nolazain'ny Tompo , raha Kristianina , inona moa anefa no tsy hinoana raha izany no nolazain'ny Tompo ? fa miankina @ tsirairay koa io finoana io .
3. ravatorano ( 05/04/2006 09:25)
mino kah
mino aho
4. cutie ( 05/04/2006 13:18)
fahagagana zany ve magie magie e :roll:
5. dadabe ( 05/04/2006 14:06)
8O8O asa retsy
6. mandalo ( 05/04/2006 16:59)
Jean 14:12 fa tsy fahagagana no teneiny fa asa
7. Fiffi ( 05/04/2006 18:16)
mino aho hatramin'izay ka hatramin'izao ary mandrakizay.
8. kiali ( 05/04/2006 18:22)
minoa fotsiny ihany ozy le rangah zay!!
9. Fiffi ( 05/04/2006 18:23)
hoy ny Tompo
10. marozevo ( 06/04/2006 21:04)
Ny tena dikan-teny marina dia FAMANTARANA (Semeion) no nataon'i Jesoa fa tsy fahagagana. Sady izy koa tsy niteny an'izany hoe "hahavita fahagagana mihoatra noho izaho ianareo", fa hoy izy hoe "Izay mino ahy hahavita ny asa vitako, ary hahavita mihoatra noho izany aza, satria ho any amin'ny Ray aho".
Ka noho izany dia diso ny sujet ...........
11. xxx ( 07/04/2006 14:44)
pouvoir zany ka sa aona !tsiky
12. marozevo ( 07/04/2006 21:43)
Mety misy mahavita fahagagana tokoa ny olona (Ohatra : Mitady zavatra very amin'ny fomba !!??), fa tsy miankina amin'ny famantarana nataon'i Jesoa akory izany, fa zavatra hafa mihitsy.
Noho izany tokony hahitsy aloha ilaly sujet.
13. Fiffi ( 08/04/2006 04:55)
Samy mahavita fahagagana na ny olon'Andriamanitra na ny olon'i Satana. Ny iray herin'ny fahazavana moa ny iray herin'ny haizina.
marina ny anao ry marozevo satria raha tena dinihina io voalaza io dia fahagagana inona tokoa moa izany no hidirany ato @ finoana ? Raha izany angamba dia tokony ho dinika 2 samy hafa izy ity satria ny iray asa inona no hatao hoa "samy mahavita fahagagana ny olon'Andriamanitra na ny olon'i satana" nefa etsy ambany koa misy hoe "Ahavita fahagagana mihoatra noho izaho ianareo" hoy i Jesoa.io aloha mbola tsy hitako hatramin'izao ny valiny satria tsy nahita an'io tao anaty baiboly aho.
14. marozevo ( 08/04/2006 06:40)
"Hahavita fahagagana mihoatra noho izaho ianareo,hoy i Jesoa" ... tsy misy an'izany ao amin'ny baiboly ka... efa nahitsiko ao ambony ao io.
15. Fiffi ( 08/04/2006 08:10)
marozevo koooo :)
16. marozevo ( 10/04/2006 22:02)
fa maninona koooo !!! Ko ita f'izany eo ko n'ian Fiffi koooo:)
17. diamondra27 ( 10/04/2006 23:19)
aza dia raisina arabakiteny mot par mot loatra moa ilay izy e!
hoy Jesosy hoe: izay mino Ahy ny asa ataoko no hataony koa. Koa anisan'izany ny fahagagana. Izany hoe : zavatra tsy hain'olombelona atao kanefa hay sy vitan'Atra, fa miankina @ finoanao io.
Ny olon'i satana manao fahagagana matetika de zavadratsy foana satria misy takalony

Izaho aloha dia Kristiana ary mino io fahagagana ataon'i Jesosy io aho satria na hatr@izao aza dia hitako fa miasa amiko ny Tompo ary mampiseho ny fahagagany mandrakariva, na @zavatra madinika indrindra na ny @zavatra lehibe eo @ fiainako andavanandro, ary isaorako Azy izany
18. Fiffi ( 11/04/2006 05:43)
iza anefa moa no tsy gaga @ zava-bitan'ny Tompo ? raha kristianina . marina tokoa izany satria na ny fomba fihainantsika aza ka nahitantsika fa nisy fihovana @ lafiny tsara io an! dia isaorana foana ny Tompo satria sitrapony avokoa izany.
19. marozevo ( 11/04/2006 11:06)
Diamondra27 > Marina ny anao, saingy izao ange eh.. raha hoe "hahavita fahagagana ianareo", dia izay fotsiny izany fa ahoana ny asa sasany. Fa raha hoe "hahavita ny asa vitako" ao anatin'izay ny fahagagana, fa tsy izay ihany. Mbola misy asa maro dia maro nataon'i jesoa miandry ahy sy ianao hahatomombana azy.

Mahavita fahagagana tokoa isika ankehitriny, saingy endruika hafa no hisehoan'izany ankehitriny. Tsy mofo mitombo na rano tonga divay na marary sitrana tampoka. Raha mandinika lalina anefa isika, dia maro ny fahagagana vitantsika olombelona manam-pinoana, anisan'izany ohatra ity serasera ity. Moa tsy fahagagana ve izao ?
20. Fiffi ( 11/04/2006 13:49)
fahagagana marina aloha raha ny fahitako azy an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.221