Fahagagana

41. marozevo ( 30/04/2006 09:08)
Sady koa ny teny teny ihany, fa ny atao no tena tarafin'ny olona.
Fa izao Achia ah... Mba afaka manao ezaka kely ve ianao. Kely fotsiny : "Mba soraty feno re ilay hoe "Andriamanitra" raha azo atao ah. Fiangaviana fa tsy tery sanatria, ary raha tena tsy vitanao tsy misy tsiny akory.
42. Achia ( 30/04/2006 15:51)
Sao tezitra ve Andriamanitra sa we maniratsira azy ve ?
43. Fiffi ( 01/05/2006 06:29)
Sao tezitra ve Andriamanitra sa we maniratsira azy ve ?
Raha ny hevitro aloha ny momba an'io dia izao: Tsia ! tsy tezitra Andriamanitra , enao ve aloha efa naheno hoe efa mba tezitra Andriamanitra ?
maniratsira ve hoy ianao ? Tsia ! amiko aloha dia tsy midika io hoe maniratsira , nefa aloha samy manana ny heviny ny tsirairay. Raha zah manokana indray no jerena ary hialako tsiny aminao ry Achia ary koa arakin'ny nolazain'i marozevo hoe tsy hiyovy amin'ny finoako ny finoanao , satria samy manana ny finoantsika isika tsirairay avy. Fa raha ny amiko dia tsoroko fa manelingelina ahy ny fomba fanoratana an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy raha hahena io fa hoe lava loatra hono hoy ianao. Nefa na izany aza , afaka tsara manao izay tianao hatao ianao.
Miheritreritra fotsiny aho hoe raha hanoratra ny anaran'ny namanao ianao , mino aho fa ho soratanao manontolo io sa diso ve zah ry Achia ?
44. marozevo ( 01/05/2006 22:58)
Ankoatra io lazain'i Fiffi io, dia ny mpamaky rehetra koa koa no tsinjovina eh. tsy fantatra mety misy ho tsy mahazo manko. Izaho aloha dia tena very indraindray eto, satria be loatra ny teny miova endrika eh...
Ny Tompo antra sy marina mahay mangoraka.
Mitsinjo ireny madinika, mijoro ho heriny".

Hitan'i Achia io ? Hira io, ary io "antra" io dia tena hoe antra (= misericordieux) no heviny. Natao ary ny hira indray alahady tany Ambihitsilazaina, dia nihira mafy izato Ramatoa eo am-pijerena ny bokim-pihiranany. Hainy tsara ilay feon-kira hoe "mizotra ny làlako ampian'Andriamanitra...". Nony teo amin'ny andininy faharoa (sa fahatelo tsy tsaroako tsara), dia novakiany hoe Andriamanitra io "antra" io... Dia inona fa tsy niavaka be teo izy... diso ilay hira satria noheveriny ho fanafohezana kay...

Tsy ianao akory no maniratsia, na Andriamanitra no ho tezitra aminao, fa tsy misy mahafaty antoka koa ny manoratra azy feno ry Achia.
Aux bons entendeurs.. Salut !
45. methode ( 01/05/2006 23:33)
Momba ilay hoe fahagagana aloha dia azo lazaina hoe misy milaza an'io ao amin'ny Evanjely na Filazantsara dia ny tenin'i Jesoa hoe "raha manana finoana tahaka ny voatsinapy ianareo dia...dia hanaiky anareo izy". Izy anefa manamafy fa tsy tokony hisy fisalasalana. Iza amintsika no sahy milaza fa tsy miandry izay nangatahiny hoe nomen'Andriamanitra ilay izy sa tsy nomeny? Le fiandrasana de efa milaza sahady fisalasalana. Mbola tsy ao zany le finoana raha ny marina!!!
46. marozevo ( 01/05/2006 23:45)
Ka ilay miandry ange fampianaran'Andriamanitra fa tsy hoe izaho no te hiandry eh...
Mahareta amin'ny fivavahana, hoy i Paoly.
Ary angaha tsy tsaroan'i methode ilay fanoharana momba ilay nagataka mofo tamin'ny alina fa nisy namany tonga tampoka. Ahoana moa ny fintim-pampianarana amin'iny ?
sao dia mba methode hafahafa ary izany vavaka tsy mila faharetana sy fiandrasana izany.
47. Fiffi ( 02/05/2006 14:57)
4 fa amin' ny zavatra rehetra dia nampiseho ny tenanay ho mpanompon' Andriamanitra izahay, dia amin' ny faharetana be, amin' ny fahoriana, amin' ny fahaterena, amin' ny fahantrana, 5 amin' ny kapoka, amin' ny fatorana, amin' ny tabataba, amin' ny fisasarana, amin' ny tsy fahitan-tory, amin' ny fifadian-kanina, 6 amin' ny fahadiovana, amin' ny fahalalana, amin' ny fahari-po, amin' ny fahamoram-panahy, amin' ny Fanahy Masina, amin' ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, 7 amin' ny teny fahamarinana, amin' ny herin' Andriamanitra, amin' ny fiadian' ny fahamarinana, na amin' ny ankavanana na amin' ny ankavia, 8 amin' ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin' ny laza ratsy sy ny laza soa.
48. Fiffi ( 02/05/2006 15:02)
de tsy aiko indray aloha zany hoe "vavaka tsy mila faharetana sy fiandrasana zany . De raha mangataka an'Andriamanitra ve hoe mba hampio aho nefa tsy misy faharetana de ahoana zany ? tsy hivavaka intsony ve ?
49. marozevo ( 02/05/2006 22:52)
Zay no tsy hafoizako an'ity Fiffi. Izaho tsy mahay mitadidy referansy, fa izay Tenin'Andriamanitra eritreretiko tonga dia hitany avy hatrany.

Izay tsy mahay sobiky mahay fatam-bary,
izay tsy miandry vorona kosa mba mitoto ny vary.
50. Fiffi ( 03/05/2006 05:01)
"Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra"
Matio 28 : 19a
marozevo: zany hoe tsy dia mahatadidy ny referansy rahatra kosa aloha zah an! fa ny zavatra mba tsapako dia ny nanombohan'ny nandraisako anjara amin'ny fandraisana ireo ankizy izay mpianatra ny Sekoly Alahady dia mba matadidy eh! :)
51. marozevo ( 03/05/2006 23:44)
Tsy possible kosa aloha raha ny hitadidy ny rehetra izany eh... Tena tsy matoky anao aho raha sanatria ka mahatadidy ny referansy rehetra ianao. Ny zava-dehibe dia ny fahaizana mitady sy mampiasa ny referansy fa tsy ny fitadidiana be fahatany.

Fa na izany na tsy izany dia mibaboka amin'ny fahaizanao mampiasa ny referansy aho.

Za mba ampianaro sekoly alahady !!...
52. diamondra27 ( 04/05/2006 05:41)
ataoko ho mpanarato olona ianareo: izany hoe ampiasain'i Tompo isika mba ahatonga ny hafa hino sy hanaiky Azy

iero mpianatra ireo= Petera sy ny namany ange ka professionnels e! de mba tian'i Jesosy ampiasaina ihany koa izany izy ireo mba hitaona olona ho Azy
53. marozevo ( 04/05/2006 15:07)
Tena professionnels tokoa ry zareo ireny ka !... Marina izany, nefa isika koa mba mini-professionnels, innona moa no olana ?

Jereo ange ny vokatry ny fahasahirantsika eto eh ! Eto koa moa ny fahafinaretana azo, ny adidy vita rahateo.
54. diamondra27 ( 05/05/2006 05:39)
:lol:

mba manao ze azo atao e! na de tsy pro fa mini-pro
55. marozevo ( 05/05/2006 23:37)
Erikerika no mahatondra-drano..

Izay ataonareo amin'ireny ... dia izaho no nanaovanareo azy.

Ny finoana toy ny voatsinapy.

Izay mandray ny Teny dia tahaka ny lehilahy iray nanorina trano eo ambony vatolampy.
56. Fiffi ( 06/05/2006 11:08)
marozevo: tsy nilaza , ary tsy hilaza mihintsy aho hoe hahatadidy ny referansy rehetra . Ny hatao fotsiny dia mitady , mikaroka , misy ny referansy izay tsy mety afaka ao an-tsaina nohon'ny antony samihafa , ny vintana azoko fotsiny angamba dia ny dinika izay mandeha dia mba nihanjera tamin'io dia mba namoaka azy.
57. marozevo ( 08/05/2006 15:17)
taoko dia izany tokoa eh
58. jimna ( 15/05/2006 05:49)
ho avy tsy ho ela ô
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.056