Tsy teo ambony rano hono ...

41. marozevo ( 11/04/2006 18:23)
Io efa lazain'i diamondra ao ambony io anie izany eh.
42. Fiffi ( 12/04/2006 04:51)
eny eh! fa ho jereko sy ho dinihako no tiako lazaina fa tsy hoe andeha ho tadiaviko indray ka! satria manko ny zavatra hataoko dia isakin'ny misy hevitra na valiny iray dia ny ahy aloha dia mijery an'io , mandinika , manadihady fa tsy tonga hoa dia hamaly !
43. marozevo ( 17/04/2006 23:43)
Mazava Fiffi... enga anie mba hanana io metodinao io daholo ny mpiserasera eto.
44. Fiffi ( 19/04/2006 08:38)
marozevo: enganie tokoa moa izany satria tsy hitako mihintsy aloha izay hanadihadiana hevitra raha toa izay eo imolotra fotsiny hiany no havaoka fa tsy izay any am-po , ary feno fahendrena koa.:)
45. marozevo ( 19/04/2006 20:35)
Fa natahotra aho... navadiko im-pito aloha ny lelako.
46. Fiffi ( 20/04/2006 13:47)
zany hoe tsy tena natahotra ka! satria raha vao tsapako fa misy tahotra dia hasiako vavaka aloha fa na izany kosa aza dia namadika marina im-pito ny lelako alohan'ny hamaliana.
Fa hono hoy aho an! mba mahaliana ahy ary mba mitady aho @ izao fotoana izao hoe inona no nahatonga ny Malagasy hanao hoe "ranomasina" (la mer) satria rano+masina .
47. marozevo ( 20/04/2006 15:01)
Talohan'ny nahaizan'ny Malagasy ny teny hoe masina = Saint na sacré, ny dikan'ny hoe "masina" amin'ny malagasy dia misy tsiron'ny sira. Hatramin'izao dia mbola fiteny any amin'ny faritra sasantsasany eto Madagasikara io. Ohatra hoe "masina be izany laoka izany = Be sira izany laoka izany".

Avy amin'io no nahatonga ny hoe :
"ranomasina = ranomasira".
48. Fiffi ( 21/04/2006 10:05)
ary angaha tsy azo raisina @ maha-masina azy zany ? nefa moa inona no maha-masina azy satria toa lasa be loatra ny tsy fanajana ny ranomasina ankehitriny.
49. marozevo ( 22/04/2006 22:40)
Au contraire aza kooo !!.. Raha ara-baiboly no jerena, dia toeran'ny ratsy ny ranomasina, na ny ranobe (ony na farihy). Io indrindra no dikan'ilay hoe Jesoa nitety ny ranomasina (na ranobe), satria tsy mba ao anatin'ny ratsy izy fa afaka manitsaka ny ratsy.

Asa moa na aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly ilay hoe "Ireo ranobe tsy ho afa-manafotra ny fitiavana. Ny ony manonja tsy hahatohitra azy, ny herin'ny maizina tsy haharesy azy...". Tsy tena siora amin'ilay version aza aho fa mitovitovy amin'izay ilay izy.
50. Fiffi ( 26/04/2006 08:12)
mbola mitady aloha..
51. marozevo ( 27/04/2006 21:23)
Jereo fa raha tsy diso dia ao amin'ny boky fahendrena ireo.
52. Fiffi ( 28/04/2006 07:31)
tena tsy hitako an! fa ny fahendrena hitako dia ny hoe" 10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?

11 Dia hoy Andriamanitra tamin' i Solomona: Satria tao am-ponao izany, ka tsy nangataka vola aman-karena hianao, na voninahitra, na ny ain' ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, 12 dia omeko anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa hianao, mihoatra noho izay nananan' ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.

Fa mbola tena mikaroka.
53. marozevo ( 28/04/2006 14:53)
Io lazainao io tsy ao amin'ny Bokin'ny Fahendrena fa ao amin'ny Samoela na Tantara. Ary akaikin'ny Salamo ary misy hoe "Bokin'ny Fahendrena", na Sagesse amin'ny teny Frantsay. Any ho any angamba io.... Ao fa mba hitady koa aho e.
54. Fiffi ( 29/04/2006 14:58)
tena mbola tsy hitako mihintsy io an!
55. marozevo ( 30/04/2006 09:09)
Hitako le izy fa adinoko ndray no nitondra azy eto, fa adinoko any ambony. Amin'ny manaraka eh.
56. Fiffi ( 01/05/2006 06:01)
:( tena tsy hitako fa dia aleko aloha zany miandry anao.
57. diamondra27 ( 01/05/2006 11:47)
II TANTARA 1 : 11-12

fa tsara raha vakiana manomboka eo @ andininy faha-7

:-*
58. Fiffi ( 01/05/2006 13:36)
diamondra: misotra akia an! :-*:-*
59. marozevo ( 01/05/2006 23:01)
Io no efa itenenako an'i marozevo lava izao fa tsy mety miova i lery. Mangataka andro lava nefa tsy misy manome azy akory eo... nangataka andro loatra ialahy ry marozevo ka tongan'i diamondra ny zavatra.
Io izany ilay referansy eh. Fisaorana mitafotafo no atolotra an'i diamondra.
60. Fiffi ( 02/05/2006 14:14)
marozevo miteny amin'i marozevo hihihih
elaela indray zay tsy nandalo ny namana sasany ato.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0091