Tsy teo ambony rano hono ...

21. Fiffi ( 05/04/2006 18:23)
Jesosy mantsy rehefa naniraka azy ireo hitory dia nasainy nahintsana ny vovo-kapa raha tsy mandray azy ireo ny olona , dia mety mbola nanaovany ny an'i PEtera na dia efa ao anaty sambo aza izy
nasainy nahintsana tokoa ny vovo-kapa saingy rehefa hihiditra ny trano io an! Fa taiza no nahitanao na namakianao hoe nitaingina sambo i Petera ?
22. kiali ( 05/04/2006 18:25)
mamelaha ny heloko fa tsy fantatrao zay ataoko!!
23. mandalo ( 05/04/2006 19:54)
f'angaha tsy teny ambony sambo Petera no natsoin'i jesosy hanatona Azy
24. Fiffi ( 06/04/2006 05:22)
kiali: ny ahy indray dia "mamelà ny heloko fa fantatro ny nataoko ary hitandrina tsy hamerina intsony"
25. jentilisa ( 06/04/2006 05:50)
fa mety ho tsy nifanaraka amin'ny rano ny planche nentiny nanatonana ny Tompo an!
26. ikalakintina ( 06/04/2006 06:52)
tsisy lagilasy reto tany am toerana nisy andry zareo a!, tsy azo prouvena ara tsiantifika dolo ane ny zavatra retra fa ny an amerikana de na ny hanohitra izay voalazany baiboly iany no tiany e!
27. Fiffi ( 06/04/2006 07:29)
ka tena marina akosa aloha zany eh! hoviana no nisy glasy tany ? indrindra t@ izany andro izany ?
28. marozevo ( 06/04/2006 21:12)
Tsy tokony hamaivanina ve io voalazan'ilay olo-"mahay" io? Amiko dia tsy hitako izay tsy tokony hanamaivanana io heviny io, toy ny nanamaivanany ny fikarohana efa nataon'ny tena "olo-mahay" talohany.
Ankehitriny, atao hoe olo-"mahay" ny olona iray rehefa mahita argument hanoherana "olo-mahay" teo alohany, fa tsy hoe raha nahavita karoka vaovao.
Izany tokoa ka olo-"mahay".
29. eprom ( 07/04/2006 05:18)
Nisy bandy namako izay taloha niteny hoe poisson ny signen'ny Jesosy matoa izy afaka nandeha teny ambony rano. Fa tsy sahiko ny nihomehy teo imason'ny leiry fa niova efitra aho aloha vao nikakakaka...
30. Fiffi ( 07/04/2006 05:43)
epron: fa inona aloha no nampikakakaka anao t@ io ?
31. marozevo ( 07/04/2006 21:46)
Fa angaha tena serieux be ilay naman'i eprom no tsy sahy nihomehy teo imasony ianao? Fara faharatsiny aloha mba misy hihomehezana tokoa izany eh...
Fa oviana anefa no "établi" ilay signe zodiacal eh ? sao dia mifamototra ? Asa anefa ?
32. Fiffi ( 08/04/2006 05:05)
fa inona aloha hoa ny nahatapa-tsinay an'i "eprom" ? satria sao dia tsy resaka signe zodiacal arakin'io lazain'i marozevo io tokoa ilay heritreretiny satria tadidinareo ve fa rehefa andeha hivavaka ny olona nefa tsy nahazo natao izany dia ny fomba fiantsohina ireo olona ireo dia nanao signe de poisson ireo olona ireo satria ny poisson koa tsinona t@ nanomezan'ny tompo sakafo . (mofo sy trondro" ka sao dia io signe io no tiany lazaina , nefa asa tokoa ?
33. marozevo ( 08/04/2006 06:45)
Misy resaka trondro karazany roa eto : Voalohany dia ilay signe voalazan'i Eprom, na voalazan'ny namany. Iny dia tena resaka signe zodiacal araka ny fahazahoako azy. Fa ity voalazan'i Fiffi ity dia tena zavatra hafa mihitsy. Ny trondro manko amin'ny teny Grika dia IXTUS no dikany, ary noraisin'ny Kristianina voahenjika fahiny izy io ho abreviation hilazana an'i Kristy : "Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra Mpanavotra".
34. Fiffi ( 08/04/2006 08:18)
marozevo: izaho mihintsy no nanao fahadisohana kay ka! :( tsy niheritreritra loatra , hay ve hoe "signe zodiacal" ilay izy !:oops:
35. marozevo ( 10/04/2006 22:04)
dia maninona no manao hoe :oops: ?
36. diamondra27 ( 11/04/2006 00:06)
Raha ny amiko aloha dia izay lazain’ny Soratra masina ihany no inoako fa ny chercheur tsy maintsy mba mikaroka sy milaza izay hitany e !

miala tsiny raha mivaona kely fa manararaotra ity lohateny ity aho mba hampita ny hevitro momba io fahagagana io indrindra

Jaona 21 :4 Ary nony efa nazavaratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany

Raha jerentsika io toko21 io dia mampianatra antsika fa tsy tokony ho kivy isika eo @ fiainana raha mbola miaraka @ Jesosy satria Izy no manome antsika izay zavatra ilaintsika.

Raha nanjono tontolo ny alina Petera sy ny namany , tsy nahazo na dia trondro iray , kanefa professionnels dia tian’i Tompo ampahafantarina fa tsy maître ny fiainatsika isika ,tsy hoe akory : za mahay an’izao na izatsy (tahaka io Amerikana io ohatra) dia hisosa foana ny zavatra rehetra ;fa raha tian’Atra aseho ny voninahiny dia hainy foana ny mampiseho ny heriny.
Nahoana no tao @ côté droit no tsy maintsy nalatsaka ilay harato ?
Fitondran’Atra sy fampisehoana daholo izany mba hamantarana ny voninahiny. Tsy t@ alina na maraina no nasain’I Jesosy nalatsaka ilay harato fa t@ fotoana iray précise, au bon moment,à un endroit précis, à la bonne circonstance. Eo @ fiainantsika koa matatetika dia ahitana an’io ; mangataka zavatra @Atra, tiana hivaly eo no eo ilay vavaka, kanefa rehefa mandinika tsara ianao dia jereo fa @ ora sy fotoana tena ilànao ilay vavaka no anomezan’Atra ilay valimbavakao.
Inona no antony nahatonga ilay hoe : 153 hazadrano be ?
Hatr@izao dia tsy fantatra mihitsy ny tena dikan’io chiffres io fa ny fantatra dia hoe: nanjono ireto mpianatra , tsy nahazo trondro na de iray akory aza; kanefa rehefa nankato ny tenin’I Jesosy izy ireo, de nahita ny vokany; midika izany fa rehefa mangataka isika de tsy araka ny eritreritsika no valimbavaka omen’Atra fa mihoatra lavitra noho izay nantenaintsika (avereno dinihina ange izay valimbavaka efa azonao ary mesurer_o ny habeny e!= abundance)
Na dia izany aza anefa dia tsy triatra ilay harato.
Eritrereto hoe: raha hazandrano 154 no tao, mety ho triatra ilay harato… donc izay no fantan’I Tompo fa mety 153 gros poisons pas un de plus
Na dia izany aza no niseho dia nasain’I Jesosy ny mpianany mba hiara-hisakafo aminy.
Mazotoa koa ianao mizara izay efa nomen’I Tompo anao ho an’ny hafa , na dia kely azan y fahalalanao dia zarao fa Jesosy hanampy anao miandalana


37. Fiffi ( 11/04/2006 05:45)
marozevo: raha manao an'ity :oops: aho dia nahatsapa fa nanao hadisoana ka! dia hanintsy.
38. marozevo ( 11/04/2006 11:12)
Fiffi > Noheveriko hoe tezitra manko no dikan'io, kay moa izay.. mazava.

Tsara be io referansy raisin'i diamondra 27 io. Raisiko kely ilay isa 153, fa tsy 154 na 152. Tsarovy fa misy dikany lehibe io isa io, ary ny dikany dia hoe "mponina eran-tany", ny olona rehetra. Tamin'izany fotoana izany manko (fotoana nanoratana ny baiboly) dia 153 no karazana trondro fantatra, ka representés tao daholo izany izy ireo moyennement.

Raha nirahina ho mpanarato olona i Piera sy ny Apostoly avy eo, dia tsy misy voaavakavaka ny mponina eran-tany. Saingy ny trondro tsy manan-tsafidy fa ny olona manan-tsafidy hilaza hoe TSIA. Ohatra matavy tapaka.
39. diamondra27 ( 11/04/2006 11:35)
marozevo: misaotra @ le chiffres e!
de tena mahagaga tokoa nge izany e!tao doly ny retraretra tsy nisy nanampianana na nanalàna
40. Fiffi ( 11/04/2006 13:53)
ho jerena indray izany chiffre 153 izany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0722