SECTE hono ka hoe....

1. lemenakely ( 03/04/2006 20:08)
Raha nandinika aho dia mihamahazo vahana ny SECTE ao MADAGASIKARA ao ,tsy hanonona aho hoe iza no secte ary iza no tsy secte sao miteraka polémique ....fa na any @ toerana ambanivohitra tsy ampoizinao aza dia ahitàna fiangonana kely etsy sy eroa...Amiko manokana dia matoa miroborobo izy ireny taratry ny fahantràna avokoa asa ny eritreritry ny hafa?
novalian'i aly ny 01/06/2006 17:21
2. Achia ( 03/04/2006 20:13)
fa inona koa zany secte zany e ?
3. Veloo ( 03/04/2006 20:17)
zay mihitsy z=ko zao retsy ry achia no saika anontaniako?
4. hery ( 03/04/2006 20:40)
HO an'izay tsy mahalala ny atao hoe secte alohan'ny hirosoana bebe kokoa amin'ny adihevitra dia afaka mijery eto ambany
http://fr.wikipedia.org/wiki/Secte

Rehefa avy mamaky an'io ianareo dia afaka miresaka eto amin'izay isika.
5. lemenakely ( 03/04/2006 21:05)
bon na dia tsy te hanonona ary aho mba hazava kokoa ilay izy dia misy ohatra vitsivitsy ireto fiangonana secte ao MADAGASIKARA ao hitako moa izany:

-EURD(Eglise universelle du royaume de dieu)izay nakàtona moa izy io fa nisy olana
-RHEMA.
-fiangonana pentekotista mitambatra.
-MORMOND
-JESOSY MAMONJY.
-eglise adventiste du 7é jour .
-sns ..
miala tsiny aloha raha misy tafitohina fa secte ireo !
6. marozevo ( 03/04/2006 22:06)
Raha araka io "jereo eto" atolotr'i Hery io dia tsy misy ifandraisany amin'ny fivavahana ny secte fa zavatra mifanohitra amin'ny fivavahana no ataony, saingy ampiasainy izanuy ny fivavahana haharoboka ny olona.
mampalahelo loatra.
7. patrick2002 ( 04/04/2006 01:25)
Tsy hitako mihintsy izay mahatafi-tohina ny finoana sasany raha atao hoe secte,satria misy ny antoko-pinoana sasany izay tsy secte izy ao madagasikara nefa secte izy any @ firenena hafa ,oh: ny protestant presbyterien izay F J K M dia secte any amerique latine,ny fiangonana katolika romana dia secte any Norvege na Finlande.
Taratry ny fahantrana hozy ianao ny secte,tsy dia miombona hevitra aminao loatra izaho,fahantrana ara-panahy angaha dia marina satria ny antokom-pinoana secte matetika dia mirona betsaka kokoa any @ fifohaza-panahy.
Fa raha ohatra hoe fahantrana materialy,tsia hozy izaho satria ao etats-unis no tena miroborobo ny secte, ary ao no foiben'ireo secte rehetra ao dago ireo.
8. LazaRandri ( 04/04/2006 01:38)
patrick> Voalazanao tsara mihitsy! Izaho aloha dia resy lahatra fa secte manao saron-tava ny FFKM, sy ireo zanany kely be dia be notanisain'i lemenakely ireo. hahaha!

Ny famaritako azy indray tsy araka ny toerana sy firenena fa araka ny Baiboly.
9. dadabe ( 04/04/2006 02:17)
HO an'izay tsy mahalala ny atao hoe secte alohan'ny hirosoana bebe kokoa amin'ny adihevitra dia afaka mijery eto ambany

boky nosoratan'i Pasitera RABEHANTONINA James "INONA NO ATAO HOE SEKTA?"
Rehefa avy mamaky an'io ianareo dia afaka miresaka eto amin'izay isika.
10. LazaRandri ( 04/04/2006 02:22)
dadabe> hahaha! milaza ny marina noho ny Baiboly ve izany boky izany? hahaha.
11. dadabe ( 04/04/2006 02:26)
tsy hoe milaza ny marina fa zah aza mba manampy anreo hiditra @ asatanan'olombelona ko:(

fa raha baiboly indray dia ... :D alefao ary , satria zah efa miandry ny origine ny teny hoe sekta ao @ baiboly , iza no sekta voalohany ? ets...
miandry aho ..
12. LazaRandri ( 04/04/2006 02:36)
satana sy ny anjeliny
13. Fiffi ( 04/04/2006 04:49)
Tsy hitako mihintsy izay mahatafi-tohina ny finoana sasany raha atao hoe secte,
O! ry patrick ahhh!! efa hoe raha tsy mahafantatra ny tena dikan'ny hoe "SECTE" dia jereo ary vakio ary diniho tsara aloha ireo alohan'ny hitsikerana! fa tsy misy idiran'ny finoana sasany etsy sy eroa fa SECTE no resahina!
14. dadabe ( 04/04/2006 09:26)
Mpandefa : LazaRandri [ Valio ] 04-04-2006 07:36:33
Lohateny : Re : SECTE hono ka hoe....
satana sy ny anjeliny
Fiffi>yee zay mihitsy

lazarandria>tsy azo le tianao holazaina
15. Fiffi ( 04/04/2006 09:41)
fa ahoana koa izany hoe ny satana ve dia manana ny anjeliny ?
16. dadabe ( 04/04/2006 12:01)
:-D:-D
17. Achia ( 04/04/2006 13:17)
secte hono ka hoe ... alefaso e omeo ny definitiony de mazava :lol:
18. Fiffi ( 04/04/2006 13:31)
secte hono ka hoe ... alefaso e omeo ny definitiony de mazava
fa mba jereo tery @ voalohany tery eh! HO an'izay tsy mahalala ny atao hoe secte alohan'ny hirosoana bebe kokoa amin'ny adihevitra dia afaka mijery eto ambany
http://fr.wikipedia.org/wiki/Secte

Rehefa avy mamaky an'io ianareo dia afaka miresaka eto amin'izay isika.
19. mandalo ( 04/04/2006 15:45)
amiko ny sece dia fiangonana misintaka miala amin'ny fiangonana lehibe.
Ny fiangonana voalohany (eglise primitive) izay notarihin'ny mpianatrin'ny Tompo dia nolazain'ny jiosy fa secte: ny christianisme izany; tadidio fa mifarana amin'ny testamenta taloha ny baibolin'y jiosy ary mbola miandry ny mesiany izy ireo;
Ny kristiana koas dia manaiky fa Jesosy no ilay mesia nandrasana izay nambaran'ny testamenta taloha ary Izy no ilay fifanekana vaovao nataon'Andriamanitra amin'ny olombelona: izay mino sy manaraka Azy dia voavonjy. eken'ny kristianina noho izany fa test. taloha sy vaovao ny atao hoe : Baiboly.
Ireo mpandinika sy mpandalina dia samy manana ny fomba fandinihany sy ny maharesy lahatra manoloana io baiboly io ka samy nandrirotra ny maharesy lahatra azy ka niteraka fivakisan'ilay fiangonana voalohany nohon'ny tsy fitovizan-kevitra.
Izay miala dia secte daholo amin'ny voalohany fa rehefa maro ny mpanaraka ny foto-kevitra hijoroany dia mifanaraka eo ireo dia lasa tsy secte;
Amiko manokana dia tsy miala amin'ny baiboly aho, tsy afaka ny hitsara koa hoe secte itsy na tsia fa
20. mandalo ( 04/04/2006 15:56)
fa izay fomba hahalako ny Tompo no hezahiko sy katsahiko . jaona 17:3 : "fa ny fiainana mandrakizay dia izay ...";
misy any amin'ny antokom-pivavahana itsy no ahitany an'i Jesoa, dia aza tsaraina izy fa rah tsapanao fa diso llana izy dia afafazo ny tenin'Andriamanitra fa izay no anjarantsika ; raha tsy mety mihaino anao izy dia ento ambavaka mba harotsakin'ny Tompo aminy ny fanahy masina hanazava ny sainy sy eritreriny hahalalany ny tena marina momba ilay Jesosy inoany fa mpavaotra azy.
ny baiboly efa nampitandrina fa hisy ny anti-kristy izay mitory manohatra an'i Kristy y ny fampianarany. Raha ny sainao fotsiny no afaka mahatsapa izany dia tsy nalefan'i Jesosy tety ny fanahy masina hiaro sy hanampy anao izay mahatoky azy.
matoa nalefany izany dia hain'i Tompo fa festy tokoa ny fahavalo ka raha tsy Izy no manoro anao izany dia tsy hainao ny manavaka ny vary syè ny tsiparifary.
ka aza maika mitsarz fa hoy Jesosy hoe: "tano mafy izay anananao dia tsy misy haka ny satroboninahitrao"
rehefa tonga ny farany vao ho fantatra mazava izay tena izy na iry ny anti-kristy na iza fa manrampaha aloha dia Jesosy ihany tadiavina sy arahina dia ho avotra ianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1885