SECTE hono ka hoe....

21. patrick2002 ( 04/04/2006 17:09)
Fiffi misaotra anaho nampitombo fahalalana ahy indray ,momba ny secte,efa ela no nahafantarako an'izany ,satria devoir de groupe -ko io tamin'ny izaho nianatra katekomena efa ho 15 ans passée izay.
Ka io anie mbola ady hevitra mipetraka hatramin'izao ,hoe IZA MARINA NO FINOANA MANARAKA NY TENIN'ANDRIAMANITRA EH!.
Samy mahita ny hitsikerana ny iray ,dia samy mahita hanoanana ny heviny fa izy no tena mitandrina ny tenin'andriamanitra izany hoe tsy secte izany ,araky ny document nasehonao ahy tetsy ambony.
22. Herimiafina ( 04/04/2006 17:18)
Fa inona le sujet le resaka secte ve no tsy mazava sa le resaka hoe fanantrana sy fivavahana e?

Marina hoe miroborobo ny antonkompivavahana ao Madagasikara, ary izany dia vokatry ny fahantrana daholo.

Tsy ny fivavahana irery no tartarN,io fa ny fampianarana koa, miroborobo ihany koa ny trano fianarana etsy sy eroa, sns.

Ny antony dia resaka filana avokoa, ny olona mitady securité sy hahare izay mahafalifaly ny fony eo anatrehan'ny fahoriana sy fahantrana, ny mpandinika mahita izay dia lasa mirongatra hanome fahafahampo hahazoana vola.

Lasa zary famoronank'asa ho an'ny sasany ny fivavahana, ny fampianarana, sns.

Ary ny tena loza dia fanangonambola no tena tanjona fa tsy fivavahana loatra.

NB: mba hitohizan,ny resaka dia tsy aleo ve atao hoe antokompivavahana ilay hoe sekta eto fa manjary lasa hors sujet ny resaka sy ny votoatiny?

Ahumm ahummm :-w:-w

23. marozevo ( 04/04/2006 21:53)
Ka raha araka ilay "jereo eto" aroson'i Hery ho'aho dia tsy fivavahana izany ny Sekta fa fangalarana, na fisolokiana amin'ny fomba an-kolaka. Noho izany, izay antokom-pivavahana rehetra akory, na kely na lehibe izy, dia sekta avokoa, fa misy critère manazava ao amin'ilay "jereo ary". Noho izany koa, izay antokom-pivavahana rehetra, na kely na lehibe izy, ka misoloky amin'ny fomba an-kolaka, dia sekta izany ko inona indray.
24. Fiffi ( 05/04/2006 04:45)
Noho izany koa, izay antokom-pivavahana rehetra, na kely na lehibe izy, ka misoloky amin'ny fomba an-kolaka, dia sekta izany ko inona indray.
mazava ho azy.
25. Herimiafina ( 05/04/2006 13:42)
Efa hoe tsoahy hoa le teny hoe "sekta" de soloy hoe "antokompivavahana" dia valio ilay fanontanian'i lemenakely aloha e!
Lasa miova hoe: inona no atao hoe sekta le sujet!
Ahummm ahummm :-w:-w
26. dadabe ( 05/04/2006 14:15)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 05-04-2006 02:53:01
Lohateny : Re : SECTE hono ka hoe....
Ka raha araka ilay "jereo eto" aroson'i Hery ho'aho dia tsy fivavahana izany ny Sekta fa fangalarana, na fisolokiana amin'ny fomba an-kolaka. Noho izany, izay antokom-pivavahana rehetra akory, na kely na lehibe izy, dia sekta avokoa, fa misy critère manazava ao amin'ilay "jereo ary". Noho izany koa, izay antokom-pivavahana rehetra, na kely na lehibe izy, ka misoloky amin'ny fomba an-kolaka, dia sekta izany ko inona indray.

humm de i Kristy sy ny antokom-pivavahana notarihiny ve izany de nisoloky sy nangalatra ??satria sekta izy ireo ?:-w

sao dia misy mandringa aza izany vala famaritana izany
27. Fiffi ( 06/04/2006 07:33)
hoy Herimiafina:
Lasa miova hoe: inona no atao hoe sekta le sujet!
marina ny anao , nefa anie "secte" ny lohan-kevitra eh! saingy lasa miparitaka be ny hevitra.
28. petsambava ( 06/04/2006 15:04)
fandemen-tsaina amiko ny secte ...mampalahelo fa misy namako iray izay dia nifamaly tamiko mafy @ resaka secte io !!!!ny zavatra voaremarquéko dia ny pasteur @ ireny secte ireny dia manankatao asa noho ny ampahafolonkarena omen'ny mpiangona ve sa aide avy any ivelany ?
29. marozevo ( 06/04/2006 21:19)
Fa angaha tsy hoe "inona ny secte" ny sujet eh? Sa misy sujet hafa koa?
Ny Sekta ho'aho mpangalatra sy mpamitaka ireny ?
30. Fiffi ( 07/04/2006 05:49)
tsy arako intsony :(
31. Herimiafina ( 07/04/2006 15:28)
Any amin'ny famoronana antokompivavahana no ahitan'nys asany pouvoir rehefa voahilikilikin'ny fiaraha-monian izy fa tsy alehany!
Tiany ny manjaka ka rehefa tsy azony ny harena sy ny toerana politika dia ny fanangonana disciples na mpanaraka ny heviny azony vokisana kobaka ambava sy lambolamboiny, hisehoany ho andriamanitra mba entiny mi-vehiculer ny heviny, sns ni any hifaranany.

Ny hahafantarana azy dia manavakavaka dirandoza ny hafa, miteny fa diso avokoa ny hafa.

Matetika izy ireny taritin'ny anti-sociale, izay miady amin'ny olombelona, tsy miheritreritra ny hanatsara ny efa misy fa manangana antoko hafa entina miady amin'ny efa misy.

Vokatry ny fahantrana avokoa izany toe-tsaina izany, exclusion sociale. te hanjaka daholo mantsy ny olondrehetra ary ataony fitraovana hanjakana daholo izao rehetra izao. Guerre des Chefs no entina hiantsoana izay. :-w:-w
32. levelo ( 07/04/2006 17:15)
1°) Inoako fa tsy fantatr'ilay nanokatra ity ady hevitra ity ny atao hoe SECTE, izy io akory tsy hoe izay tsy FFKM dia SECTE.
Hevitra Pôlitika nentina teto amintsika io nentina hanerena ankolaka ny olona tsy hiala ao amin'ny Fiangonan-Drazana.
2°) Ny teny hoe SECTE dia avy amin'ny teny Frantsay hoe SECTION, na koa hoe FITOKOTOKOANA? I Jesoa Kristy ao amin'ny Baiboly dia nampangain'ny Jiosy ho nitarika an'ilay SECTE antsoina hoe NAZARIANA.
Noho izany ireo Fiangonana lazainao ho tsy SECTE ireo ve tsy mitsitokotoko : ohatra EKAR, FJKM, EEM, FLM.
3°) Amiko tsy ny hoe SECTE na tsy SECTE no olana fa raha mitory an'i Jesoa Kristy maty teo ambony hazo fijaliana ary nitsangana nandresy ny fahafatesana, ary manambara mazava fa IZAY MINO IO JESOA KRISTY IO NO MANANA NY FIANANA MANDRAKIZAY dia Fiangonana Kristiana izy ary na SECTE na tsy SECTE dia Kristianina izy izany

33. Herimiafina ( 07/04/2006 17:25)
Ny olondrehetra anie afaka mivavaka sy mandalina any amin'izay toerana tiany e! na any amin,ny secta na any amin'ny tsy secta.

Fa amiko manokana, tsy any no olona fa any amin'ilay izay miseho ho mpitarika ireny atokotokon,olona mivavaka ireny na FFKM izy na tsia? inona no mobile? Manana ny traikefa amin'izany ve izy ireny?

Raha mitarika ny olona hiara-hamono tena dia ahoana?

Misy koa mivarotra vatokely amin,ny mpiangona fa hoe mampidi-bola hono iny.

Misy koa mitarika ny mpiangona ao aminy handroba sy hamono olona, ary ny baiboly no entina mandresy lahatra ny mpiangona amin'izany.

Entina ialana amin'ny zavatra mivoana be toa izany no hanenjehana ny antokompiavavahana sasany satria miteraka trouble sociale, manakorontana saimbahoaka sy ny filaminana eo amin'ny fiaraha-monina. Ny an'ny sasanya za moa miaroaro traffic de femmes sy drogues ny fiangonana hatsangany.

Misy koa ny mampiasa ny vahoaka madinika miangona amin'ireny antokompiavavahana ireny ho fitaovana ara-politika. Hifidy olona iray na hiaro olona iray.

Ny olana aterakizy ireny dia mitarika ady aratsosialy, fiaraha-monina mikorontana sy tsy fandrosona. Maro mantsy no milaza tompon,ny fahamarinana ary manambany sy manaboto ny sasany kanefa tsy mahataty adihevitra fa tonga dia totohondry rehefa tenenina zavatra.

Aiza ny finoana amin'izany rehetra izan, toa lasa Ministera mpanodikondimbola avokoa fa tsy fiangonana akory! :-w:-w

34. marozevo ( 07/04/2006 21:50)
Asa ianareo na efa nahita ilay film hoe "SECTE DE MARRAKECH" ? Mba jereo kely io, raha misy possibilité dia ho mazava amintsika ny atao hoe secte.
35. Fiffi ( 08/04/2006 08:22)
tena somary very kely aloha zah fa dia ho jerena indray izany!
36. dadabe ( 08/04/2006 08:25)
io lazain'i levelo io no tena marina
37. Fiffi ( 08/04/2006 12:59)
3°) Amiko tsy ny hoe SECTE na tsy SECTE no olana fa raha mitory an'i Jesoa Kristy maty teo ambony hazo fijaliana ary nitsangana nandresy ny fahafatesana, ary manambara mazava fa IZAY MINO IO JESOA KRISTY IO NO MANANA NY FIANANA MANDRAKIZAY dia Fiangonana Kristiana izy ary na SECTE na tsy SECTE dia Kristianina izy izany
tsy misy mandaha an'io lazainao an'io anie ry levelo eh! fa angaha koa moa ny mpino an'Andriamanitra hatao koa hoe secte ? ny secte resahina dia ireny ohatra hoe -EURD ireny. olona mpanararaotra ny hafa nohon'ny fivavahany !
38. Achia ( 08/04/2006 16:24)
ny sect tokoa aloha tokony arahamaso ihany e ary ny baiboly ihany koa no tokony hitsarana azy fa tsy ny hevitra ao antsaintsika
39. dadabe ( 09/04/2006 00:10)
misy ny secte tsara , ary misy ny secte dangereux!
40. Fiffi ( 09/04/2006 03:59)
fa inona ary zany hoe secte tsara izany ? mba azavao ry dadabe ah!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.05