iza no tsy manaiky fa afrikanina ny gasy ?

21. Fiffi ( 02/04/2006 04:57)
gasy foana ny gasy marina :)
22. kally ( 02/04/2006 08:46)
Hitondra inona moa ny maha-Afrikanina na tsia ny gasy e?
23. Aino ( 02/04/2006 08:47)
izaho tsy manda fa tsy africane ny gasy, ny antony satsia ao anatiny continent ny afrique izy, nefa raha tsy diso aho de avy @ indoneziane no mitovitovy endrika @ tsika! nefa na dia izany aza, gasy ihany tsika ka na eo aza ny fitoviazana kely dia misy samy maha hafa azy!!
izaho milaza fa gasy!!satsia gasy ny nendohany de ihany koa ny hiafarany, na dia efa mifangaro be aza izy ankehitsiny!
24. fasaly ( 02/04/2006 09:34)
gasy trika fa afriakanina e! afrikanina fotry raha mihoatra am sonegaly:°) zà raha misy manontany aty antanin'olona aty hoe avy aiza de valiako trotra zao hoe afrikanina:wink: de eo vao tolagaga ny mpanontany:roll::roll: k'ita fa afriakanina kou!!!!!
25. vale ( 02/04/2006 11:08)
fasaly::lol:
ny ahy koa aloha dia tsotra be ny teniko rehefa misy manontany oe aiza ho aiza le mcar? dia valiko oe ao @ continanta afrikana,....rehefa miresaka ny olona dia miteny hoe "ny aty erôpa", rehefa miresaka @ olona koa aho dia miteny hoe ny any aminay any afrika.tsy hitako ntsin ze hanazavàna azy ankoatran'io ko:roll:sa atao hoe eo akaikin'i afrika no misy an'i mcar? dia nefa nge mcar afrika ê:idea::idea:
26. Fiffi ( 02/04/2006 11:37)
zah ndray ry zareo dia tsy miteny an'izany mihintsy fa hoa gasy fotsiny de zay! Avy any M/car , satria anie tsy misy hitovizan'ny gasy @ afrikanina mihintsy eh!
27. fasaly ( 02/04/2006 11:45)
fiffi ka misy tsy mahalala akory ny fisian'i madà kouuuuu! koun tsy tonga de valiko hoe afrikanina:roll::-D kozy zany!!!!:-D
28. Fiffi ( 02/04/2006 11:52)
fasaly: :-D:-D:-D de tonga de lazaiko hoe madagascar tsy fantatrao ? :-D:-D:-D:-D:-D
29. lapino ( 02/04/2006 12:05)
4mimananelatra:

Mbà atsangàno hoe ny tanan'izay tsy manaiky fa afrikanina ny gasy?

Ara-jeografika aloha dia mazava be ao anatin'ny kontinanta afrikanina ary sub-saharienne mihintsy ary membre ao @ OUA (na Organisation de l 'Unité Africaine)

Ara-politika dia ekena koa fa afrikanina ny malagasy mpanongam-panjakàna matetika koa soa aloha fa tsy misy ady an-trano ..zana-tany frantsay ary niara-nahaleo tena t@ ireo tany afrikanina maro .

Ara-toe-karena dia afrikanina koa ny gasy isan'ny firenena mahantra indrindra eto an-tany na ACP(Arique Caraibe Pacifique)sy PMA na (Pays les Moins Avancés)izany hoe firenena tena sahirana izay bokan'ny trosa ary @ ankapobeny dia miaina @ fanampiana.

Ka atao ahoana e raha mbà tany @ continent européen angamba mbà mety netinety kokoa !!!


Raha ara-jeografika dia ny kaontinanta afrikana no akaiky indrindra an'i Madagasikara. Avy tamin'ny vataben'i Afrika io nosy io no nihataka hoy ny mpanao siansa, izany hoe sombin'ny ainy.

Fa isika kosa aloha tsy subsaharien, ary ny fidirana ao amin'ny OUA tsy ara-jeografika. F'angaha koa moa voatery miditra ho mpikambana ao amin'ny OUA raha vao afrikana ara-jeografika?

Ny ara-politika sy ara-ekonomika indray tsy masontsivana ahafahana milaza antsika ho afrikana na tsia. Mety hahitana toetra iraisana, fa tsy maha afrikana mihitsy izany na tsia.

Fa ny tena tokony horesahana dia ny ara-bahoaka. Ny gasy dia fifangaroan'olona: indoneziana, maleziana, aziana pasifika, arabo, jiosy, eoropeana, afrikana, sns ... Vitsy ihany ny afrikana no tonga tao. Noho izany, dia tsy azo lazaina ho afrikana ny mponina raha izay fiaviany izay.

Eo am'zay no mipetraka ny fanontaniana: ny fiaviana ve sa ny toeram-ponenana ara-jeografia no ilazana fa afrikana isika na tsia?

Raha misy ohatra gasy, mipetraka amin'ny firenen-kafa, ary mizaka ny zon'iny firenena iny, gasy izy sa tsia? Dia hoy isika hoe gasy ra fa vazaha taratasy. Raha izay no lojika dia afrikana ara-taratasy izany ny gasy, fa tsy afrikana ny ra.

Raha ohatra anefa misy gasy eo, ary misy maleziana, dia havahantsika tsara ny maha gasy sy maha maleziana an'ireo olona ireo satria fiaviana tsy mitovy. Raha izay indray no lojika jerena dia afrikana isika satria avy ao Madagasikara.

kally:
Hitondra inona moa ny maha-Afrikanina na tsia ny gasy e?

Noho izay ve dia tsy horesahana? Andray kosa e!!
30. Fiffi ( 02/04/2006 12:10)
Heu..... andraso aloha hiheritreritra tsara !
31. diamondra27 ( 02/04/2006 12:25)
hono hoaa ny lareuinion ve afrikana e
32. Fiffi ( 02/04/2006 12:51)
tonga soa indray ndry ry DM an! elaela zany akia an! :-*:-*:-*:-*
33. xxx ( 02/04/2006 14:02)
misy ny atao hoe DOM sy ny TOM izany hoe departement de l'outre mer sy territoire de l'outre mer ,La réunion ,guyane ,polynesie française ,TAHITI ,...ireo dia manana zo mitovy tanteraka @ frantsay no-proposéna t@ gasy io aprés 72 tao koa ny zone franc fa tsy nekéna ..dia lasa socialiste ny gasy ..INDRISY!!!!
34. Tokinao ( 02/04/2006 14:17)
za aloha de manohana ny hevitr'i Lejim, Herimiafina sy Fiffi e!
Momba ny appartenance ao @ OUA :
Tsy ny appartenance-ntiska ao @ OUA na tsia no maha afrikana antsika na tsia. Jereo anie fa ny Suisse sy ny turc dia eropeana e, nefa zareo tsy ao anatin'ny Union européenne.
Distane mada - Afrique ve :
tsy ny distance misy entre Mcar sy Afrika no ahafahana miteny fa afrikana isika na tsia. satria izao: mba anontanio anie ry zareo avy ao mayotte hoe inona ianareo, fa hoy izy hoe : frantsay zahay. Nefa zareo dia mainty ( satria d'origine comorienne ), no sady akaiky an'i afrika kokoa ra oharina amintsika.

Raha ny fiaviana sy ara-tantara ndray no jerena de izao : ny 80% n'ny amerikana anie ka avy @ anglisy sy eropeana e. Ary vao 400 taona monja zay zareo ireo no nankany Amerika. Ankehitriny anefa dia milaza tena ho amerikana sahady ry zareo, ary faly @'izany. Isika gasy kosa anefa dia efa ela no nisy. Hatr@'ny taon-jato faha-4 sy faha-5 dia efa nisy tantara voasoratra momba an'i Mkara ( arak'ireny boky mitantara fanjakana sakalava sy merina ireny ). Koa na dia misy ampahany avy @ afrikana aza isika dia tsy afrikana velively.

Momba ny fari-piainana de izao :
tsy azo lazaina mihitsy hoe rehefa mahantra dia afrikana. i Afrique du Sud anie ka manan-karena e, nefa zareo afrikana. Ary na de any @ kaontinanta ( mahay manoratra teny gasy tsra kosa za an :)) matanjaka aza anie ka misy firenena mahantra e, ohatra i Mexique ( Ameriq), sy i Turquie (Eoropa), ary i Nouvelle guinnée ( Australie).

ra fintinina de izao :: tsy afrikana isika fa gasy. Ary tokony ho sahy mijoro amin'izany isika. Mahantra ara-bola isika fa manana harena ara-kolotsaina tsy ananan'iza n'iza : dia ny fihavanana, ny filaminana, ny fananam-panahy.
35. Fiffi ( 02/04/2006 15:09)
ra fintinina de izao :: tsy afrikana isika fa gasy. Ary tokony ho sahy mijoro amin'izany isika. Mahantra ara-bola isika fa manana harena ara-kolotsaina tsy ananan'iza n'iza : dia ny fihavanana, ny filaminana, ny fananam-panahy.
^:^^:^^:^ =D=D
36. marozevo ( 02/04/2006 18:15)
Lazao fa raciste aho... lazao fa mpanavakavaka aho... lazao fa "tsy tia mainty" aho.
Izaho manokana dia sahy milaza fa TSY AFRIKANA isika Malagasy na eo aza ireo "critères" voalaza ao ambony ireo.
Ny toe-tsaina : Rehefa tena miara-miaina amin'ny afrikana ianao dia hitanao fa tsy zakantsika Malagasy ny toe-tsauina Afrikana. Roa taona maninjitra aho tany, fa leo, leo, leo tanteraka.
Ny Politika : Samy mpanongam-panjakana angamba, nefa ny tena any Afrika dia lozan-tany mihitsy. Jereo tantaran'i Liberia, Cote d'Ivoire, Tchad ... Drafour... Tsy ho tonga min'izany ny Malagasy.
Jerografia : Araka ny lecture mba nataoko izay, dia nikambana tamin'i Asia i M/kara fahiony elabe fa tsy tamin'i Afrika. Porofo -- Halalin'i Canal de Mozambique; Zava-maniry sasantsasany tsy hita afa-tsy eto M/kara sy any Asia (Indonesie sy Malaisie).
Izaho aloha dia tsoriko fa tsy tia Afrikana.
37. Nickovy ( 02/04/2006 18:27)
cutie:

Ka atao ahoana e raha mbà tany @ continent européen angamba mbà mety netinety kokoa !!!

misy mahantra koa na any @ continent europena aza.



=D=D=D=D=D=D=D
38. cutie ( 02/04/2006 18:54)
Nickovy, zao njay ve vo hita e :lol:
Za Malagasy fa tsy Afrikanina :P
39. Aino ( 02/04/2006 19:10)
izaho gasy ihany fa tsy manaiky afrikanina!!
matetika mifamaly @olona aty ny @ io!! Madagasicar pays hafa mihintsy fa na ao anatiny continent africa aza izy tsy arikanina izany tsika!!
40. cutie ( 02/04/2006 19:13)
sady Madagascar ile koa anie, efa nisitaka t@ Afrika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2421