Sabata ihany !!! ??? ...

1. marozevo ( 30/03/2006 23:00)
Anisan'ny loha hevitra nafàna ny momba ny resaka Sabata, nefa indrisy fa navadiky ny pejy. Tsy fitia te-hifamaly amin'i dadabe sy ry Fiffi akory raha mamerina izany etoana.
Manaja ny Sabata : Tafiditra ao anatin'ny andro fitsaharana ankehitriny ny Sabata (week end = miala sasatra = tsy miasa, na voafetra ny asa atao - Tsy manao asa fanompoana - tsy misy resaka patron sy mpiasa fa asan'olona afaka no atao amin'ny andro Sabotsy = Sabata. Sabotsy ve egal Sabata aloha ?).
Fa raha ny hoe hivavaka amin'io andro io kosa, amin'ny maha Sabata azy, amin'ny maha Sabata azy ho'aho, dia aleo hataon'izay mazoto amin'izany. Nefa koa moa izahay koa ange mivavaka andro Sabotsy eh... Inona moa ny olana? fa ilay andro Alahady kosa aloha tsy atakalonay Sabata na iza na iza hiteny eh...
Fa izao kosa ary ry dadabe sy ry Fiffi : Ianareo ve izany miasa rehefa Alahady ? Satria efa vita omalin'iny ny Sabata ?
novalian'i Achia ny 26/05/2006 18:44
2. Fiffi ( 31/03/2006 04:55)
Tsy fitia te-hifamaly amin'i dadabe sy ry Fiffi akory raha mamerina izany etoana.
fa ahoana kay ? nga nisy fifamaliana tao ry marozevo ?
Fa izao kosa ary ry dadabe sy ry Fiffi : Ianareo ve izany miasa rehefa Alahady ? Satria efa vita omalin'iny ny Sabata ?
marozevo: raha tena ny finoana no hampiasaina dia tsy tokony hiasa ny alahady saingy misy mihintsy ny miasa alahady , misy ny "entreprise" na "fonctionnaire" voatery miasa ny alahady ka inona no azon'izy ireo hatao ? io no fotom-pivelomany ary hanana choix ve izy hoe andeha tsy hiasa ny alahady fa andro fivavahana io ? miasa @ administration aho ary tsy misy andro hoe tsy miasa aho rehefa alahady na ferié fa dia rehefa mianjery amiko io andro io dia voatery hiasa aho satria tsy na ny 1er Mai , na ny Paska , na ny 1er janoary , na 25 rehefa mianjery amiko io dia voatery hiasa aloha aho an! indrisy anefa fa tsy tompon-tsafidy ka akory hatao ?
3. Achia ( 31/03/2006 07:48)
ye za lo miasa refa alahady e ,andro voalohany io mantsy
4. Fiffi ( 31/03/2006 07:50)
indrisy akia ry Achia an! raha mba afaka manaotra moa eh ? :(
5. sonwin ( 31/03/2006 08:46)
tsy mitovy ny cas misy anareo roa raha ny fahitako azy:
Fiffi voatery miasa
Achia manao fanahiniana miasa

6. booboo ( 31/03/2006 08:48)
Fiffi > fitia mifamaly tsy midika oe nisy oul nifamaly tao kah :wink:.
7. annie ( 31/03/2006 08:49)
adventiste mandala ny andro sabata zany i Fiffi?
amiko indray an! de olona hafaka isika, ny fitandremana ny andro sabata dia ao @ ancien testament, fa nony tonga jesosy dia afaka izy io kanefa, kanefa hoy aho tokony hanana fotoana kosa isika mba hanompoana an'Aa na dia izany aza fa tsy de hiasa foana akory, tsy ny sabata sy ny sisa koa anie no atao hoe mivavaka e!fa ny fonao sy ny sainao mifantoka tanteraka amin'Aa, ny fanajana ny lalàna ao @ Baiboly, tsy ny fisehosehoana, filanjana Baiboly ho hitam-bahoana akory dia lazaina fa olomasina"tsy izay rehetra miantso hoe Tompoko Tompoko noatao hoe mpianatro fa izay manao ny sitrapon'i Raiko zay any andanitra"
namana
8. sonwin ( 31/03/2006 08:52)
tena tsara ilay voalazanao faramparany ireo
9. kabotal ( 31/03/2006 09:15)
Marina ny an'i Annie fa samy manana ny sabatany ange e, fa ny mampalahelo de tena misy mihitsy ny mampiasa alahady, enao asainy miasa alahdy nefa izy milanja baiboly, za kou manana zandry mitovy cas @ Fiffi, tena tsy rariny fa de akory atao, raha mbola te hiasa de zay, fa aza adino ny manankina ny fiainanao @ an'Aa, enao ange afaka manao sabata ho anao samy irery e!
10. dadabe ( 31/03/2006 11:45)
marozevo> misy resaka dadabe dia mba niditra kely aho.

1-efa vita ity resaka sabata ity, ka aleo hifarana

2-tsy haiko izay tena tin'i marozevo holazaina , fa raha zah ianao avy dia teneno hoe" tsy izy ny sabata izay tandreman'i dadabe sy ny tariny "

avy dia ./.
11. jentilisa ( 31/03/2006 11:47)
tsy hoe afaka tamin'ny sabata isika fa tsy nampidirina tamin'izany!
12. Fiffi ( 31/03/2006 12:05)
Mpandefa : annie [ Valio ] 31-03-2006 12:49:58
Lohateny : Re : Sabata ihany !!! ??? ...
adventiste mandala ny andro sabata zany i Fiffi?
an3 , tsy adventista akia zah an! raha ny tena marina dia Anglikana zah , nefa @ tsy fahitako fiangonana Anglikanina dia ao @ fiangonana Katolika aho no mivavaka , ary tsy manelingelina ahy mihintsy koa fa rehefa hivavaka ny handehanako any am-piangonana dia mandeha mivavaka koa aho any @ Protestanta , fa na izany aza dia alohan'ny izany rehetra izany dia efa nisy tokoa fandinihina niraka t@ mpitondra fivavahana ny handehanako hivavaka na kato na protestanta , ary io hiany no nanaovako hoe Ny Tompo Hivavahana dia iray hiany , rehefa mino ianao fa Andriamanitra Naharin'izao tontolo izao dia Iray hiany dia tsy misy olana amiko zany ny andehanako hivavaka any :)
booboo: :):-* misaotra akia an! fa ny mihinam-bary aza hono... :-*
Efa nolazaiko etsy ambony fa tsy afaka manaotra aho raha toa ka miasa alahady , na ny andro hafa io , indrisy anefa :( ianareo aza tsy miasa ny 1er Mai nefa fetin'ny asa , rehefa mianjery ho ahy io dia voatery hiasa aho an! na ny Noely na ny taombaovao :(
13. dadabe ( 31/03/2006 12:12)
hoy i kabotal
manana zandry mitovy cas @ Fiffi, tena tsy rariny fa de akory atao, raha mbola te hiasa de zay, fa aza adino ny manankina ny fiainanao @ an'Aa, enao ange afaka manao sabata ho anao samy irery e!


aiza ny toko sy andininy manambara fa afaka manao sabata irery ianao?? de lasa tompon'ny sabata izany ilay olona ?:-w
14. Achia ( 31/03/2006 13:52)
ra atao ny fanisana ara statistika na et @ serasera ihany aza dia maroanisa ny mankatoha sy manaraka ny alahady donc tsy mandainga ny gaiboly
15. jentilisa ( 31/03/2006 14:32)
f'angaha hoe mankato? miditra amin'ny fanasana hihaona amin'ny Jesoa amin'ny andro alahady tahaka ny fihaonana indroa nataony tamin'ny nitsanganany tamin'ny maty ka. Tsy nisy fitenenan'i Jesoa mihitsy anie hoe dia alahady indray ianareo no mivavaka e! fanasana hihaona io fa tsy fandidiana atao amin'ny zaza tsy akory!
16. Fiffi ( 31/03/2006 16:27)
fa izao fotsiny eh! marina fa ny alahady dia andro natao ary nahazatra hivavahana , fa ny andro rehetra koa anie ka azonao hivavahana eh! raha mijery ny aty amiko aty aho izao dia isan'andro dia misy fotoam-pivavahana ao @ ry masera afatsy ny Alarobia izay natokana ho an'ny "maison de retraite" misy isa-maraina , ny hariva koa , ireo izay olona tsy afaka mandeha miangona ohatra ny alahady dia manana fotoana hisafidianany izy handehanany hivavaka. Ny Alahady dia natokana ho andro tsy fiasana ? indrisy fa tsy ho an'ny rehetra io an!
17. Achia ( 31/03/2006 17:26)
koa na ianao milaza hoe natokana ho andro tsy fiasana aza ve ny alahady tsy ho gaga ihany sady hoe natao ary ahazatra ho andro fivavahana nefa ATRA efa nanome ny sabata andro faha 7 hanomezana voninahitra azy sy hitsaharana :-w:-w
18. sonwin ( 31/03/2006 17:55)
fa Andriamanitra koa tsy niteny hoe aza manome voninahitra ahy rehefa alahady :°), tena tsy niteny izany mihitsy izy ka, sa hita be hoe tsy mahay baiboly za? :°):-w
19. Achia ( 31/03/2006 19:27)
ka ra tsy niteny izany izy de maninona no tsy ze noteneniny no arahana
20. marozevo ( 31/03/2006 23:45)
Marina ilay voalaza ao ambony ao fa tsy voatery hoe misy olana akory raha mamaly (fa tsy hoe mifamaly). Répondre ange no dikan'izany eh...
dadabe > Za kosa aloha tsy afaka hiteny an'io asain'ialahy hoteneniko io eh... Ny sahiko tenenina dia izao "Amiko, marozevo, dia tsy izy ny sabata, fa ho an'ny hafa dia tena izy. Olona afaka isika, fa tsy misy terena toy ny "mole sy ny apondra", na terena tahaka ny "Silamo".
Le miasa Alahady tsy fidiny kosa tsy resahiko amin'ny fanontaniako. Ny valitenin'i Achia no tena tiako. Izaho miasa fanahy iniana, hoy ny fahazahoako ny heviny. Tsotra sady mazava, merci.
Sa hasiana sondage "internetique" kely hahitana hoe iza no be mpankato ? Nefa koa ny fivavahana tsy demokrasia ka izay be no marina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0783