01 avril, fetin'ny lainga ?

21. onjah ( 28/03/2006 13:51)
lapino:

(...)ohatra an'izao: Jereo eto ?



Tena nadaitra ny poisson d'avril nareo e.
22. marozevo ( 29/03/2006 09:14)
Diso toerana ve ? Ahoana ny hevitr'ilay nanokatra azy ?
Koa efa eto moa izy ity dia valiana, nefa tsy manala tsiny ny maha diso toerana azy akory izany. Ataoko hoe diso toerana, na tsy izay aza ny hevitr'ilay nanokatra azy, satria tsy manamarina na inona na inona mihitsy ny tsy fahalalana.
Tsy misy ifandraisany amin'ny fivavahana sy finoana mihitsy manko ny poisson d'avril.
23. Angie ( 29/03/2006 09:30)
hita wa fa tena marina fa tsy misy ifandraisany amin'ny fivavahana sy finoana mihitsy ity andro natokana ho anny lainga be ity kou,

boulki> fa za ange tsy miteny hoe lasa olo.masina e tena mpanota be aho saingy miezaka ny hanao ny tsara ary resy lahatra fa tsy misy ilana io andro iray io. Dia choix fotsiny ny tsy manao io lainga masina io kah
24. Fiffi ( 29/03/2006 16:10)
Tsy hoe ny fahadisoana nametrahana ny dinika no hanomezan-tsiny anie eh! fa ilay hoe resaka "poisson d'avril" noraisin'ny mpandefa ho lainga.
Tsy tokony hatao zavatra vulgaire @ fiainana andavan'andro ny lainga
marina aloha io nefa ny fanaovana vazi2 @ 1er avril io dia tsy misy idiran'ny hoe lainga!
tsy tokony ho voafandrika amin'ny fanaovana poisson d'avril ny tena kristiana ka hamoron-dainga isaky ny 01 avril hanaovana ankasomparana ny hafa,
marina mafy raha mba hitako izay hidiran'ny tena Kristiana @ io 1er avril io an! Tokony fantarina tsara aloha raha izany no tena dikan'ny hoe tena lainga sy ny vazi2 fanao isakin'ny 1er avril io an! fa tena tsy misy idiran'izany mihintsy!
25. sonwin ( 29/03/2006 17:28)
kivazivazy mifono lainga angamba ny 01 avril. Nefa raha tsy manafitohina ilay "voa" ilay izy dia tsy misy ny olana satria samy faly na ilay
"nahavoa" na na ilay "voa".
26. Fiffi ( 29/03/2006 18:10)
mba indray mandeha isan-taona ve no mba fanaovana vazi2 tahak'izao dia maninona anefa eh?
27. marozevo ( 30/03/2006 22:09)
Raha misy sahy manome toky fa tsy handainga mihitsy afa-tsy amin'ny premier avril, dia izaho mihitsy no hangataka amin'ny Papa mba hatao fety kristianina ny premier avril.
Hatramin'izao dia tsy misy ifandraisany amin'ny kalandrier kristianina io maha fetin'ny lainga io. Noho izany dia averina ihany fa TENA diso toerana ity lohahevitra ity. Nefa efa eto moa izy ka ....
28. Fiffi ( 31/03/2006 07:49)
akory hatao ?
29. xxx ( 31/03/2006 11:01)
jereo eto
30. marozevo ( 31/03/2006 23:57)
Traingo be le fikan'i xxx. Tonga dia fantatra be hoe tsy misy afa-tsy trondroben'aprily no ao. Taiza le trondro no nalaina ? Antenaina kosa aloha fa tsy tetsy Anosy eh..
31. Fiffi ( 01/04/2006 06:24)
toa tsy misokatra izany "jereo eto" izany ry xxx an ?
32. marozevo ( 02/04/2006 18:29)
Fiffi > Efa miteny aho eo ambony eo fa TRIONDROBEN'APRILY io, kay ianao mbola nanokatra ihany ve ! Tratran'i xxx indray izany ianao tamin'iny.
33. Veloo ( 02/04/2006 21:48)
:-D:-D:-D:-D marovezo
34. Fiffi ( 03/04/2006 04:11)
marozevo: :-D:-D:-D:-D
35. felampaiso ( 03/04/2006 13:18)
marozevo:

Raha misy sahy manome toky fa tsy handainga mihitsy afa-tsy amin'ny premier avril, dia izaho mihitsy no hangataka amin'ny Papa mba hatao fety kristianina ny premier avril.
Hatramin'izao dia tsy misy ifandraisany amin'ny kalandrier kristianina io maha fetin'ny lainga io. Noho izany dia averina ihany fa TENA diso toerana ity lohahevitra ity. Nefa efa eto moa izy ka ....


tsy diso toerana mihitsy aho satria ny hevitsika mpiserasera eto @ "fivavahana /finoana " no tiako hivoitra , misy mantsy namana hafa ange tsy mandalo eto @ ity rubrique ity mihitsy izy fa mahavantana azy ny lohahevitra hafa, misy koa anefa mahavita mitety ireo lohahevitra samihafa ireo, manomboka @ " antson'ny fo ", ......mandalo @ "fitiavana",..... ny" takelaka mahaliana".......hatramin'ny "zaridaina".Tsara rehefa samy milaza ny heviny izay SAMIHAFA DAHOLO, misy ary moa nanao poisson d'avril mihitsy......
36. Fiffi ( 03/04/2006 19:16)
ny hevitsika mpiserasera eto @ "fivavahana /finoana " no tiako hivoitra
:roll::roll::roll: fa nanao ahoana hono ny fihevintsika eto @ fivavahana sy finoana ? tsy arakin'izay hitiavanao azy ve ? ka mila mivohitra ? Ary aza afangaro ny finoana sy ny hatsika ry felampaiso ah!!!
37. marozevo ( 03/04/2006 22:33)
Fara faharatsiny, ry felapaiso, mba lazainao hoe "niniako nodisoina toerana ity mba hahafantarana ny hevitry ny eto amin'ny fivavahana sy finoana". Raha izay manko dia marina satria misy olona (izaho anisany), tsy mankany amin'ny loha hevitra hafa loatra, fa eto ihany...
Koa dia mbola averiko ihany fa diso toerana ity loha hevitra ity. Nefa efa eto moa izy ka..... valiana é.
38. Fiffi ( 04/04/2006 05:07)
misy ary moa nanao poisson d'avril mihitsy......
iza hono izany ? zah aloha tena manao an'io fa ny hatsikana sy lalao eh! ary tsy hafangaroko @ fivavahana sy ny finoana mihintsy io satria zava-dehibe amiko.
39. marozevo ( 04/04/2006 22:21)
Ilay "jereo eto" n'i xxx ao ambony ao io ry Fiffi ah. Fika be fotsiny fa tsisy n'inon'inona akory, saingy vao jerena dia fantatra hoe trondro.
40. Fiffi ( 05/04/2006 05:18)
be fika marina tokoa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0391