Faut pas rever FR3 - Fanambaràn'ny Ambasadaoro Malagasy

61. sipagasy ( 17/03/2006 20:00)
mmhhhh io aza ilay efa nahiako tssssssss izao ve dia mba rariny????,io ilay teniko hoe tsy mahatoky ny fitondrana mijery vilana e!!! ny fahantrana no tokony aseho ny vahiny hoe izao ny iainanay fa tsy fampiderana 4x4 sy ny ambohitahiazinndry zareo mpanana akory tssssssssss
62. xxx ( 18/03/2006 19:05)
ka manina refa misy vahiny ao @ nao no tsy any andakozia no ampidirina na hoe avela eo @ sallon ny pot nao @ zay hita tsara hoe manana pot enao
Tsy hoe mampitovy ny 4mi @ pot aho akory fa mba fampitahana ny ahy .Ary ho anle mankasitraka ve sahinareo no aboridana eny @ arabe
Ary maninona moa ra mba manao asa soa nareo e faly mitsikera fotsiny mba mangata nge vola any @ le vaza nanao reportage e de ho hitanao e .Fa ny frantsay de olona mpiatsaravelatsy tantarao @ nge ny fiainanao e de ho hitanao fa za efa nahita de ho avy @ zay profiteny nareo mba any andafy ihany no mipetraka za aloha tsy de mahavoa azy e
63. xxx ( 18/03/2006 22:08)
xxx:

ka manina refa misy vahiny ao @ nao no tsy any andakozia no ampidirina na hoe avela eo @ sallon ny pot nao @ zay hita tsara hoe manana pot enao

izaho tsy misy pot ao @ salon, ary tsy manova ninoninona ao an-trano aho rehefa misy vahiny fa asehoko azy daholo hatrany an-dakozia ka hatrany @ garage. tsy mahamenatra ahy izany ary tsy hiatsarako ivelantsihy :)

64. sipagasy ( 19/03/2006 15:03)
izaho koa dia tahaka izany kannnn, tsy manova na inona na inona eo @ fiainako aho nohon'ny hoe "hisy vahiny" looool anontanio ny efa tany amiko anie izany e! hihih maro ihany ireo efa tany an-trano ka nahita ny rehetra tao, fa inona moa ny anafenana???? tsy nangalatra aho ary tsy namono olona ihany koa ka hanafina ny zavatra misy iainako.
65. ds ( 20/03/2006 12:53)
Mampihomehy koa ianareo... Angaha dia tena tsy voatana intsony no asiana "pot" hatrany amin'ny fandraisam-bahiny :-)
Koa tsy aleo tonga dia taty no isalahana.
Mba manala azy aho fa sao misy mora misendaotra :))
66. sipagasy ( 20/03/2006 18:58)
hihihih ds koa mampme hihihihi:P
67. frandria ( 27/03/2006 22:45)
Mba hanome hevitra amin\'ity resaka ity aho izay mety mikasika ny fiainan\'ny mponina eto frantsa ankehitriny (na gasy na tsia).

Marina fa mahantra i Madagasikara ary misy ny zavatra tsy tokony hafenina. Ekena fa asan\'ny mpanao gazety ny milaza ny zava-misy. Ny zavatra tsikaritro anefa dia toa voasivana ny zavatra avoakan\'ny mpanao gazety amin\'ny ankapobeny. Ohatra fotsiny rehefa misy girevy eto frantsa dia aseho daholo ny \"interview\" an\'ireo olona tsy faly satria vitsy ny transport en commun na mikatona ny toeram-pianarana.

Misy ohatra iray hafa omeko anareo, vao nifanaovako tamin\'olona androany. Io olona io dia handeha any madagasikara amin\'ny volana aogositra ka nividy \"guide\" tany amin-na librairie. Raha vazaha no mamaky izany boky izany dia tsy te-handeha any Madagasikara intsony satria dia fitsikeràna fotsiny no ao : Aza misotro rano raha tsy tavohangy mihidy avy any @ super marché, aza mihinana \"légume\" raha tsy any amin\'ny hotely lehibe, aza mihinana hena vidiana eny an\'arabe, aza milomano raha tsy any an-dranomasina (et encore), ...

Hofaranako ny resako sao lava loatra : misy lafiny ankasitrahako ny fanambarana nataon\'ny Ambasadaoro (momba ny asan\'ny mpanao gazety) nefa koa isika Malagasy (indrindra ny politika) no tena mpanafina ny zava-misy : afenina ny fahantrana, roahina tsy hipetraka an-tanàn-dehibe ny mahantra ary tsy misy ny fanampiana ho azy ireo. Mampieritreritra ary manohina no mahita fa maro ireo malagasy miaina eo anivon\'ny \"décharge\", hitsindroka ny efa narian\'ny sasany, tsa mandia fianarana, tsy afaka akory ny mieritreritra ny ho aviny.

Am-bava homana (ho an\'ny manan-ko hanina) ary am-po mieritreritra (samy manana fo)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1694