Faut pas rever FR3 - Fanambaràn'ny Ambasadaoro Malagasy

41. ravakamalala ( 10/03/2006 11:21)
lasa lavitra be ilay resaka, tsy maharaka intsony aho fa tsoriko, tsy te hiditra lalina amin ny resaka politika sy ny fomba fiasan ny mpanao gazety aho fa ny tiako tsindriana fotsiny dia izao :

amin izao vanim potoana iainantsika izao dia manan danja be ny "média", avy amin ny alalany no ahazoan ny olona ny information voalohany.Manao ny asany ny mpanao gazety arak izay heveriny fa mampety azy.

raha ny hitako momba ilay reportage ka nahatonga ahy hanome ny hevitro dia ny zava misy (satria izaho avy eo nahazo confirmation avy amin olona avy any dago hoe mbola misy tokoa ny ohatran i mme victoire).

Ka ny olana nipetraka dia ny hoe tsy mahazaka ve isika ho e taterina ny zava misy , izay mbola tsindriako fa tsy fanaratsiana mihitsy, fa ny zava misy no efa ratsy indrisy.

Manaratsy ny image hoy nareo, mampisy sakana ny fivoaran ny fizahan tany izay efa ilokalokan ny governemanta amin izao fotoana. Amiko dia tsotra : ny mpizaha tany izay mety sakana izany dia mpizahan tany tsy dia hitondra zava tsoa ho an i madagasikara loatra.

Manao tatitra ny mpanao gazety, anjarantsika avy eo ny mi vérifier na mampitombo ny fahalalantsika momba ilay resaka. Fa tsy hiaino feo ndakolosy tokana fotsiny koa!!

fa tsy hitako inona no tokony hampisendaotra rehefa ny marina no lazaina?
PS : tsy kaopy an ilay resaka lalam by aho fa i mme vistoire ihany no hitako.
42. kitjo ( 10/03/2006 16:34)
tsisy hoe rehefa ny marina no laziana dia misendoatra.

efa nolazaiko atsy ambadika ihany fa raha Gasy fts no nahita ilay fandaharana toy irney "taxi-brousse" t@ TVM taloha irney d tsy manin.

fa firenena hafa no manao azy ary ankoatra ireo voalaza tetsy ambony hoe sary taloha nalefa sns....dia tadidio fa ho an' ny olon aizay tsy mahalala an' i Madagasikara, dia izay hitany t@ ilay fandaharana ihany no heveriny fa zava-misy any.

Raha tsy nampiseho afatsy plage tsara be ohatra izy hoe Izao ny any madagasikara, mety misy olona tsy te ho any Maurice tsn fa hoe aleo any Madagasikara satria izay no image hitany momba na' i Madagasikara.

Amin' ny mahaGasy anao ve yr ravakamalala, raha hiteny ianao hoe Gasy, ka oy ilay frantsay hoe "hay, ny fianakavianao any madagasikara ve tsy marary @ilay fitsindrohana zoridira any aminareo ireny?"

Dia ahoana ny fihetsikao? kanefa diso ve izy raha miteny an' izay koa satria izay ihany no fantany sy nasongadina taminy?

Mitovy @ ilay cartoon Madagascar ihany io fa ny fiantefany no samihafa sy ny idee....za zao at ySingapour vao miteny hoe avy any Madagasikara dia gaga ry zareo hoe "Fa ngah misy olona (human being) any?"
satria ny fiheverany dia ala sy biby ihany no any amizany Madagascar zany araka ny hitany t@ ilay film oe "real junggle".
Tsy diso izy satria tsy nahare anzany Dago zany akory izy raha tsy nahita an' iny film iny ary izay ihany koa no hitany t@ilay izy sy hany mba fantany.

Misaotra ny ambasady aloha ary mankasitraka antsika rehetra maneho ny ts fahafaliana @ MahaGasy satria misy "fierte" ary sahy mijoro fa ho an' ny sasany manakiana sy manohana ilay fandaharana ireo angamba inoako fa "ireo ilay menatra raha fantatry ny olon ahoe Gasy", manaiky lembenana foana ary tsy mba sahy mijoro!
43. kitjo ( 10/03/2006 16:36)
Mba vakio kely ange ity e....anampiako azy ilay tenin' ny namana tetsy ambony hoe iza moa no nampahantra an' i Madagasikara raha tsy Frantsa?

http://forums.france3.fr/france3/fautpasrever/Ne-plus-mettre-pieds-Mada-sujet-266-1.htm
44. mirana5 ( 10/03/2006 20:08)
ravakamalala:
momba 100%ny hevitrao aho=D=D=D=D=D
ooouuuddrrryyyyy!
tsy tena mbola nodinihiko lalina ilay taratasy fa raha ny fijeriko azy ambangovangony dia tsy ilay reportage mihitsy no "décalé" araka ny filazany fa ity taratasy nosoratany ity.

1/ angaha moa nisy montage nataon ireo mpanao reportage fa ny zava misy no nampisehoany, ary ny zava misy izay inian ny malagasy (indrindra ireo eo ambony) tsy jerena.

2/ raha ny resaka henoko mandehandeha dia efa mihozongozona ny toeran ny ambasadaoro Razafy Andriamihaingo ao Paris ao , ka raha ny fijeriko ity fihetsika nataony ity dia fisolelahana ny governemanta fotsiny tsotra izao.

Manakiana aho satria hita mibaribary amin izao zava mitranga izao ny fanaon ny governemanta : saromina amin ny endrika ivelany ny fahantran ny malagasy (fanamboarana lalana, fisian ny fifanekena sy ny fdinika atao ampandroso ny firenena,...) resaka ambavahady no betsaka fa dia iny iaraha mahit ainy ny "réalité"



45. mirana5 ( 10/03/2006 20:10)
Miomba 100% ny hevitrao aho=D=D=D=D
46. mirana5 ( 10/03/2006 20:13)
NY HEVITRY ravakamalala no OMBAKO 100% fa tsy ny taratasin'nalefan'ny Ambasadoro akory fa azafady é!!!:oops:oops::oops:
47. RADOUXE ( 10/03/2006 21:06)
So d tsy tokony ho 100% kose satria hoy aho oe marina d marina toko fa zava misy le izy iza monamako ny Malagasy tsy mahafantatra fa misy anireny zvt reny any amitsika ka izay no tsy nankafiziko tam le izy satry tsy Malagasy doly no naita le izy fa ny rehetra ka na tsy sorena aza enao mba gêné kely iany e,ka eto lo tsy aiko fa otrany faly zany v enao ry mirana ra ankalazaina erakizao tontolo zao oe mahantra tsika otrany afahafa zany sa aona ?Hevitra klo no apedina eto fa tsisy mifamaly eto an,inoko fa samy tia an'iMadagasikara doly eto
48. sipagasy ( 11/03/2006 08:13)
fa nahoana anefa isika no sendoatra @ zava misy sy iainan'ny maro amintsika e!??? tsy azoko mihintsy sa ny havanareo kosa tsy misy mijaly any @ tanàna fa itony mpandoto rivotra @ 4x4 itony aby??? ny ahy aloha tsy izany fa tena sahirana tokoa e! aza manao saron-tava e! atreho ny ankehitriny ary hatsarao ny ho avy, tsy ny tsikera akory ny hampiova an'i Madagasikara fa ny fiaraha-miasantsika rehetra ny diaspora sy ny eo an-toerana izany, gaga mantsy aho fa ny diaspora no tena be wawawa @ ilay reportazy nefa inona ny anjara-biriky tokony ho entin'izy ireo any @ tanàna???? sa wawawa efa nahavita nampandroso ny tany mahatra 1??? teneno ahy raha nahavita zavatra izany wawawa izany sao tara lamasinina indray aho t@ iny ka mila mijapy.
49. xxx ( 11/03/2006 08:54)
sipagasy:
fa nahoana anefa isika no sendoatra @ zava misy sy iainan'ny maro amintsika e!??? tsy azoko mihintsy sa ny havanareo kosa tsy misy mijaly any @ tanàna fa itony mpandoto rivotra @ 4x4 itony aby??? ny ahy aloha tsy izany fa tena sahirana tokoa e! aza manao saron-tava e!
complexe daholo zany ry sipa a! na firenena mandroso be aza madagasikara no ataon'ny gazety hoe mahantra tsy itako ze olana raha tsy misy complexe!
50. sipagasy ( 11/03/2006 11:36)
xxx maninn izao miafina ao nefa manana hevitra tsara hihihi
51. mirana5 ( 11/03/2006 20:35)
RADOUXE:

So d tsy tokony ho 100% kose satria hoy aho oe marina d marina toko fa zava misy le izy iza monamako ny Malagasy tsy mahafantatra fa misy anireny zvt reny any amitsika ka izay no tsy nankafiziko tam le izy satry tsy Malagasy doly no naita le izy fa ny rehetra ka na tsy sorena aza enao mba gêné kely iany e,ka eto lo tsy aiko fa otrany faly zany v enao ry mirana ra ankalazaina erakizao tontolo zao oe mahantra tsika otrany afahafa zany sa aona ?Hevitra klo no apedina eto fa tsisy mifamaly eto an,inoko fa samy tia an'iMadagasikara doly eto


Non tsy hoé faly aho raha ankalazaina oatran'ireny ny Malagasy, fa entina kosa ampiheritreritra sy ampisainana ny tsirairay, dia zay no mahatonga ahy hiteny etsy ambony hoé mahatonga déclic iny documentaire iny,jereo fotsiny ny comentaires azo vakiana eto, tena mobilisation générale mihitsy fa ny tokony ho atao fotsiny dia hoé, inona no mba hanavotana an'io lesoka be io ary indrindra indrindra ho tolona lavitrezaka sy hateza dia hisy vokany, Madagasikara lasa rehereha eran-tany ndray avy eo , mais en attendant AU SECOURS!!!!!!:snif::snif:
52. Rainikarabo ( 12/03/2006 15:13)
mirana5> natao hampisaina ny tsirairay iza? France ange no firenena nandefasana iny fandaharana iny e, ka natao hampieritreritra ny frantsay ve zany ilay izy hoe sao manonofy ianareo ry frantsay fa sahala amin'izao ange zany Madagasikara izany e, izay no tianao lazaina? Mobilisation gle ho an'ny frantsay ve zany ilay tianao lazaina? hoe vonejo madagasikara ve? raha ny frantsay indray dia aza manonofy ianao fa tsy hanavotra ny madagasikara izy fa ny vao maika handentika azy any anaty lavaka aza no ataony mba afahany manohy ny fanjakazakana. Jereo ny tantara.

xxx> aza dia atao sahala amin'izany ny olona tsy mitovy hevitra aminao fa ianao aza tsy sahy miseho sa complexé amin'ny hevitrao angamba ianao?

Raha ny malagasy no tiana hieritreritra amin'ireny, azo anato reportage mirona any amin'ny hoe "reflexion" ilay izy.Fa izany hoe ireny journaliste ireny moa zany ilay atao hoe "pro" e, ka dia gaga ihany ny tena izay tsy dia mahay loatra.

Momba ilay taratasy nataon'i Ambassadeur: samy manana ny heviny koa io e, mety hoy ny sasany, tsy mety hoy ny sasany, fa hoy aho hoe ny tsirairay no aoka samy andray ny andraikitra tandrify azy sy ny fahefana eo ampelatanany.
53. mandrindra ( 13/03/2006 12:49)
Raha mahatsiaro ho voadona ianao dia miezaha, mitrakà, mitantarà zavatra tsara momba an'i Madagasikara amin'ny manodidina anao fa tsy ny fitabatabana eto hoe tsy manaiky an'ireny zavatra ireny ianao no hampiova inona akory.
Hampiena ny mpitsangatsangana any amintsika ve ireny ? raha izay no fijerinao dia manangana hotely be, miara miasa amin'ny tour opérateur, dia manaova plan de communication hoe madagasikara destination favy. izay ihany no fanafodin'ireny fa tsy hoe andeha hanoratra any amin 'i de carolis na hamaky ny vavan'i bignolas akory.
farany, aza hadino fa nampiseho zavatra maro tsara mikasika ny fiainana malagasy amin'ny akapobeny koa iny fandaharana iny. ka noho izany aza manao tapimaso hoe izay tsy tiana ihany no lazaina fa nangataka isika mba ho marina ny fandaharana dia aoka koa isika mba ho marina.
54. xxx ( 14/03/2006 00:50)
mandrindra:
fa tsy ny fitabatabana eto hoe tsy manaiky an'ireny zavatra ireny ianao no hampiova inona akory.
mampiova mihitsy ny fitabatabany toy ireny ka! izao vao maika fantatr'olona ny toe-tsainy!:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D


55. Rainikarabo ( 14/03/2006 10:30)
xxx> ianao io ilay atao hoe manana toe-tsaina lomorina, sady efa tsy sahy miseho masoandro no mbola maneso ny hafa.
56. mumu ( 14/03/2006 10:48)
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=41445&r=7&d=2006-03-14
57. sipagasy ( 14/03/2006 16:11)
moi je dis BRAVOOOOOO,

"Que ceux qui espèrent en son avenir, fassent tout leur possible ! Quant aux autres, qu'ils cessent de polémiquer ! "

Izay mihintsy ny tena izy e! zavatra marina no naseho fa tsy siosio akory ka nahoana moa ny ho tezitra sy alahelo?? mbola averiko ihany.
58. xxx ( 14/03/2006 22:20)
"une émission négative sur un pays merveilleux"... Quel paradoxe ! Erreur de jugement : soit l'émission n'était pas si négative, soit le pays n'est pas si merveilleux. :-D
59. Rainikarabo ( 15/03/2006 16:44)
ary voafahan-dravazaha lainga kay ny tato :-D
60. xxx ( 16/03/2006 13:03)
Fitsidihan’i Kofi Annan:Noroahina daholo ireo 4’mis
Tsimba
16-03-2006
Tonga manao fitsidihana ôfisialy eto amintsika nanomboka omaly ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana. Fepetra noraisin’ny mpitondra voalohany indrindra tamin’izany fitsidihana izany dia ny fanalana ireo mahantra manemitra ny arabe.

Ny torimaso no itovizana amin’ny mpanan-karena araka ny fomba fiteny, tsy mba toy izany kosa no
nahazo ireto mpatory an-dalàna, fa dia natao “roaka alika” sanatria ny vava miteny, fa tonga i Kofi Annan. Omaly alina tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny 9 ora teo dia nanao be midina ny avy ao amin’ny kaominina, ary ny “délégué” ny firaisana voalohany mihitsy no nirotsaka an-tsehatra nandroaka ireo 4’mi, matory akaikin’ny tonelina Ambohidahy sy Ambanidia. Fianakaviana izay efa ao anatin’ny torimaso tanteraka ny ankamaroany. Atody ve moa hiady amim-bato fa dia nofehezina ny entan-kely ary
nitsaitsaika niala moramora. Ireto mpandroaka moa amin’izany be fiavy tokoa, ka ny mikapoka mikapoka ny mandaka mandaka. Fanontaniana mipetraka ary. Maninona no roahina izy ireo? Ary manaja ny zon’olombelona ve izany fomba nandroahana azy ireo izany? Sa ve tsy tiana ny hahitan’i Kofi Annan ny tena zava-misy marina dia ny fahantrana izay mangeja ny Malagasy maro an’isa? Raha izay no izy dia fihatsaram-belatsihy fotsiny ihany izany ny an’ity fitondrana izao ity. Madio ivelany, nefa ny atiny dia tena poakaty tanteraka. Raha nanontanianay moa ireo fianakaviana vitsivitsy voaroaka ireo dia nilaza fa efa am-polontaonany maro no efa nijanonany teo. Ny hany tiana hatsipy fotsiny dia tsotra. Tsy fidiny ho an’izy ireo ihany koa ny hatory eny. Tsy zarany aza moa mba nipetraka tamin’ny ”villa” hoatran’ireo mpitondra rehetra ireo!
Raha tiana ny hialan’izy ireo eny dia tokony homena trano izy ireo, izay ihany koa ny adidy fara-fahakeliny tokony ho ataon’ny fanjakana amin’izyzy ireo.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2618