FIAINANA ANY AN-DANITRA, IZA AVY NO HO ANY?

1. jimna ( 17/02/2006 03:48)
Ny olona rehetra tsara ve no ho any?
novalian'i marozevo ny 23/03/2006 00:28
2. moi ( 17/02/2006 04:16)
betsaka ny mikasa ny ho any, fa izay nanaiky ny Zanak'Andriamanitra ho mpamonjy ihany no raisina any.
Tsy voatery hoe ny tsara ihany no ho any, fa voasoratra koa hoe tsy ho avy hiantso ny marina aho fa ny mpanota mba hibebaka... ary tsy ny finaritra no mila fanafody fa izay marary.
Zaho aloha ho any e
3. dadabe ( 17/02/2006 04:28)
yee zay
4. Fiffi ( 17/02/2006 06:16)
ho any daholo isika rehetra tsy misy fanakavahana ,jereo anie eh! rehefa misy olona nodomandry dia atao hoe" nalain'ny Tompo hody any aminy" Ny Tompo no nanome aina dia rehefa tonga ny fotoana hiantson'ny Tompo dia any an-danitra izany no mody. Dia hoy ilay hira hoe " any an-danitra any no fonenako , any aho no mody raha vao miala ety"
5. zah ( 17/02/2006 06:29)
Raha Andriamanitra no anontaniana dia tiany ho samy ho any aminy ny olona rehetra. Tsy manery kosa anefa Izy satria anisan'ny toetrany io manaja ny safidin'ny tsirairay io. Na izany aza atorony antsika ny lalana izay hita sy voasiritra ao anatin'ny Baiboly (Baiboly avoakan'ny Fikambanana Mampiely Baiboly na ny Alliance Biblique Universelle no lazaiko fa tsy ny Baiboly avoakan'ny sasany ! aoka hazava!). Tsotra ny lalana : na iza na iza olona mahatsiaro fa mpanota sy meloka eo anatrehan'Andriamanitra raha ny fiainany no jereny, dia io olona io rehefa manaiky fa izy no tokony hovonoina sy hahantona @ hazo fijaliana saingy efa i Jesoa no nisolo vaika izany toerany izany dia hovonjena sy hiditra ampifaliana any an-danitra ao @ Andriamanitra io olona io raha miaiky ny fahotany @ Andriamanitra ary Mino fa Jesoa no namonjy azy ary avy eo DIA manolotra ny fiainany manontolo hotantanin'i Jesoa mba hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Manomboka @ fotoana hibebahany sy iarahany @ Jesoa dia miova ny fiainan'io olona io. Hoy manko ny soratra masina : "Raha misy olona ao @ Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha..." Mahazo fiainam-baovao eo ambany fahasoavan'Andriamanitra tanteraka io olona io ary isan'ny zavatra tiany ny mivavaka, miresaka @ Tompo ary mamaky ny teniny hanaovany sy hiainany izany. Eto dia lazaiko fa tsisy resaka fiangonana (FFKM, ista ista isankarazany... zah zao FJKM fa tsy ny FJKM no hiditra any) tsy resaka titre koa (pastera, mopera, mpiandry, diakona, mpandray kominio na fanasan'ny Tompo...), tsy resaka fomba hafa ihany koa fa ny finoanao io famonjen'i Jesoa io no hany lalana idirana ao an-danitra. Zah koa aloha ho any e! Efa sur 100%. Na iza hilaza fa tsy mbola hay izany de Izy Tompo no milaza izany ka inn no isalasalako ? Ndao mba samy hoa any daholo e! Tena tsara nge zany fiainana rehefa tena miaraka @ Tompo e!
6. sonwin ( 17/02/2006 08:55)
zah> iza ilay sasany?
Tsy izay rehetra manao hoe Tompoko tompoko no hiditra ny fanjakan'ny lanitra fa.........

Amiko, tsy natao ho an'i Kristianina ihany ny lanitra fa natao ho an'izay rehetra tsara sitra-po.
Ohatra: mety malalaka koakoa ho an'ilay "tsy mpino" nefa mpanao asa soa ny lanitra raha oharina amin'ilay "mpamaky sy mahay tsianjery baiboly, sy mivavaka lalandava" nefa na ariary aza tsy foiny ho an'ireny madinika ireny fa ny "azy" ihany no fantany, ary ny "mitsara ny hafa" ho diso lalana no mibahana ao an-tsainy.(ohatra iray io)

"Tombony" ny maha-kristianina fa "tsy condition" idirana any. Nefa raha miaina ny fitiavana enao dia efa ety an-tany sahady misantatra ny lanitra. Ny ahy aloha ety dia efa ankafiziko!

Asa anefa......
7. Fiffi ( 17/02/2006 09:26)
samy ho any daholo ny olombelona rehetra dia rehefa tonga any vao samy manana ny toerana sahazy azy ny tsirairay. Tao @ Baiboly nisy ny tantaran'i Lazara nohon'ny fijaliany rehefa tonga tany an-danitra izy ary nangataka an-Andriamanitra mba andefasany ety an-tany Anjely mba hilaza ny ralahiny mba hiova toetra mba tsy hijaliany tahaka azy rehefa tonga ny fotoana hodiany , dia namaly Andriamanitra hoe rehefa tsy mahay mitsara tena irery izy dia manana ny anjarany koa izy. Samy ho any daholo isika rehetra dia rehefa tonga any dia Andriamanitra hiany no mahalala ny toerana voatokana ho an'ny tsiriray.
8. moi ( 17/02/2006 09:57)
Fiffi-> Fiteny mahazatra fotsiny ny hoe nantsoin'ny Ray hody any aminy, fa sarotra ny hilaza hoe maty namono tena ranona, noho ny fahadisoan'ny saofera dia maty koa ranona, noho ny aretina tsy sitrana dia maty ranona... sns... Marina fa mety efa any an-danitra ny sasany amin'izy ireny, nefa koa voasoratra hoe Maro no antsoina, fa VITSY no hovonjena. Ao rahateo koa ny efa misafidy ny ho very !

sonwin -> tsy miankina amin'ny fahatsarana na asa soa vita tety ny fidirana any, fa miankina amin'ny hoe Nanaiky an'i Jeso ho mpamonjy ve ianao ? Voasoratra hoe "Fa fahasoavana no namonjena anareo, Tsy avy amin'ny asa, fandrao misy hirehareha"
9. ravakamalala ( 17/02/2006 10:02)
Marina ny tenin i sonwin fa mifameno ny finoana sy ny asa, ary ny toetra.
afaka mino sy manaiky tokoa anie fa Jesoa no mpamonjy nefa ny toetra sy ny fomba fiaina andavanandro tsy mifanaraka amin ny sitrapon Andriamanitra.
Dia handova ny fanjakan ny lanitra ve izany olona izany?

Ny olona rehetra tsara ve no ho any?


inn lé atao hoe tsara?
10. rabeflorian ( 17/02/2006 11:06)
Raha ny fiainana mandrakizay no tiana ambara amin'ny hoe fiainana any an-danitra dia ao amin'ny baiboly ihany no ahitana ny valinteny ary tsy araka izay iheverantsika olombelona azy izany. Hoy ny soratra masina hoe "izay manana ny Zanaka no manana fiainana, izay tsy manana ny Zanaka tsy manana fiainana.Jesosy Kristy no Zanakan4andriamanitra ary Izy no manambara hoe:"Izaho no LALANA sy fahamarinana ary fiainana tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa tsy amin'ny alalako." Jaona 14:6
Raha manana an'I Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy anao ianao dia efa voavelany ny helokao ary omeny anjara lova amin'ny fiainana mandrakizay ianao.Nefa aza mijanona amin'izay fa meteza hitombo amin'ny fahalalana tsara an'I Kristy ary sahia mijoro ho vavolombelony. Homba anao anie Kristy
11. Veloo ( 17/02/2006 17:30)
Isika rehetra dia manana opportunite ny ho any an-danitra atsika tsirairay no mieritreritra inn no tokony atao...ary misy ary olona tsy ampoizina ho tonga any an...i Saddam ohatra:wink:
12. Fiffi ( 18/02/2006 06:52)
rabeflorian: =D=D marina mihintsy izany voalazanao izany.
13. booboo ( 18/02/2006 10:19)
mitovy hevitra @ sonwin.
14. marozevo ( 18/02/2006 23:28)
Hoy i "zah" ao ambony ao :

(Baiboly avoakan'ny Fikambanana Mampiely Baiboly na ny Alliance Biblique Universelle no lazaiko fa tsy ny Baiboly avoakan'ny sasany ! aoka hazava!).

Dia valiako hoe :
Ny ahy Baiboly tsy navoakan'ireo voalaza ireo, dia ahoana izany ? Io manavakavaka io ihany no mahavoa anareo. Ny Baibolinareo irery izany no marina fa ny anay tsy mba marina. Dia tongava soa any an-danitra ary ianareo, fa izahay "diso baiboly" aleo hijanona ety ihany.

Dia tohizan'i "zah" hoe :
Eto dia lazaiko fa tsisy resaka fiangonana (FFKM, ista ista isankarazany... zah zao FJKM fa tsy ny FJKM no hiditra any) tsy resaka titre koa (pastera, mopera, mpiandry, diakona, mpandray kominio na fanasan'ny Tompo...),

Dia anontaniako izy hoe :
Taiza no nahafantaran'i "zah" ny atao hoe finoana eh... sa nilatsaka avy any an-danitra, sa nipoitra avy any amin'ny tany. Sa vendrana be daholo ireo olona mivavaka any am-piangonana ireo, fa tsy ilaina ny resaka Fiangonana mba ho voavonjy. Za anefa manaiky tsara koa fa tsy izay mankany am-piangonana ihany no ho voavonjy, ary tsy izay mankany am-piangonana rehetra no ho voavonjy. Nefa na izany na tsy izany, ilaina dia ilaina ny Fiangonana.

Miangavy an'i "zah" aho mba hamaky izay voalazan'i paoly ao amin'ny Efeziana 5 : "Zavatra lehibe no ambarako amin'izany, dia mankamin'i Kristy sy ny Fiangonana no lazaiko", sy ny andininy manodidina an'io. Ataoko fa samy milaza an'io na ny baibolynareo na ny baibolinay, na dia tsara noho ny anay aza ny anareo.
15. xxx ( 19/02/2006 03:21)
Matio 7:13-14
Midira amin'ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

Asa 4:12
Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa [ankoantran'i Kristy]ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

ml
16. xxx ( 19/02/2006 03:33)
Sonwin,
Tsy izay rehetra manao hoe Tompoko tompoko no hiditra ny fanjakan'ny lanitra fa......... izay rehetra manao ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra. Iza ary no mahavita manao an'io sitrapony io ankoatran'ny fianteherana amin'i Jesoa?

Amiko, tsy natao ho an'i Kristianina ihany ny lanitra fa natao ho an'izay rehetra tsara sitra-po. Misy olona tsy manan-keloka sy tsy manan-tsiny ka tsy mila an'i Kristy?

ml
17. Fiffi ( 19/02/2006 19:05)
Veloo: ka na saddam na olon-kafa nie ka samy ho any daholo eh! fa rehefa tonga any fotsiny dia samy manana ny toerana sahaza azy ny tsirairay
18. Veloo ( 20/02/2006 00:20)
fiffi a ie rehefa mangataka famelan-keloka tanteraka @ so manontolo sy mino ary manaiky an;i Jesosy ho mpamonjy atsika ka:wink:
19. marozevo ( 21/02/2006 01:16)
Raha mbola tafaverina eto i "zah" dia iangaviako hamaky io voalazako eo ambony io, sy hamaly izany amin'ny fo sy fisainana.


Ho voavonjy ve ? Tsy anjarako na anjaranao no mahafantatra izany... ny tokony hiezahana mafy fotsiny, dia izao : Efa fantatra ny làlana, na dia LAVITRA AKAIKY aza, satria kizokizo mifefy alan-tsilo mirenty... Ny manodidina kitroka... Sady (misy ny) tsy mahavita mamoy itony hita, ka minoa miverina... Efa fantatra ilay làlana ka ndao hizorana amin-toky na sarotra aza.
20. jimna ( 21/02/2006 09:59)
Ary mba ahoana ny hevitrareo araka ilay voasoratra ao @(SALAMO 37:10,11,29)?dia mba omeo valiny mazava tsara hoe izay mahita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1936