FIAINANA ANY AN-DANITRA, IZA AVY NO HO ANY?

21. onjah ( 21/02/2006 10:58)
Samy mankany daholo ny olona rehetra e.
Fa izao misy ny mankany @ paradisa dia ireo olona nandray ny famonjena izany , dia misy ireo mankany @ helo izay nanda ny famonjena, Ka an'ny tsirairay no misafidy e, malalaka fa tsy antery an.
22. cutie ( 21/02/2006 14:19)
tsy azoko tsara we in le fiainana any an-danitra :roll:
23. jimna ( 22/02/2006 03:38)
onjah:

Samy mankany daholo ny olona rehetra e.
Fa izao misy ny mankany @ paradisa dia ireo olona nandray ny famonjena izany , dia misy ireo mankany @ helo izay nanda ny famonjena, Ka an'ny tsirairay no misafidy e, malalaka fa tsy antery an.


azafady, ilay SALAMO 37:10,1129 ange no tiako hazavaina e

24. diamondra27 ( 22/02/2006 06:52)
Lavitra akaiky ny any aminao Ray o!
vavahady midàna , mankao an-tanàna,
no tazako eto.

Miara- mizotra isika hoa any

Andeha ankafaliana hanatrika an'Andriamanitra

25. diamondra27 ( 22/02/2006 06:58)

Ireo aloha ny zavatra fantako fa tsy maintsy ho hisy e!

Andriamanitra ihany no mahalala oe: iza no lasa any fa ny angatahiny amintsika de ny hitandrina ny didiy sy hanao ny sitrapony araka ny voalazan'ny namama rehetra eo ambony.

Ary koa, iza no mahita, raha tahaka ilay jiolahy teo @ nanombohona an'i Jesosy t@ hazo fijaliana, à la dernière minute izy no voavonjy(tsy mamporisika anao fahotana de hibebaka à la dernière minute fa tandremo an!),

Koa ataovy ny adidinao ze nangatahin'i Tompo taminao de aza variana mijery à droite à gauche oe: iza no ho any @ fiainana any andanitra na tsia
26. jentilisa ( 22/02/2006 07:29)
marozevo> ny baibolin'ny katolika anie izao ka ny Mampiely baiboly no efa notendren'ny katolika hamoaka azy e! sa tsy fantatrao izany?
27. sonwin ( 22/02/2006 09:09)
fa na izany aza tsy mety ilay filazan'i Zah ilay hoe "sasany" satria io teny io dia entina maneso amin'ny fiteny malagasy...
ka izaho koa dia miandry ny valin-tenin'i zah ny amin'ny fanotanian'i marozevo, ary mbola mamerina ihany koa za...
zah> iza ilay sasany??
28. dadabe ( 22/02/2006 17:08)
tsy arako intsony !! aleo zah hitazana :°)
29. cutie ( 22/02/2006 17:14)
ary tsy misy mamaly ny fanontaniako :oops:
30. marozevo ( 22/02/2006 23:31)
Tsia... ny baiboly Katolika pure dia ny Libreria Editrice Vaticana aty Italie no mamoaka azy, ary ny Congregation Pierre Claver no mamatsy azy ara-pitaovana. Fa rehefa vita dia misy ampahany alefa eny Antaninarenina (Asa na mbola eny amin'izao fotoana izao aloha ?) hamidin'ny Mpampiely Baiboly.
Fa nankaiza ilay "zah" manana baiboly tena tsara eh ? Ilay Baiboly tena marina manko eh, fa tsy ny Baibolintsika "sasany" araka izay nolazainy.
31. marozevo ( 22/02/2006 23:34)
diamondra27:

Lavitra akaiky ny any aminao Ray o!
vavahady midàna , mankao an-tanàna,
no tazako eto.

Miara- mizotra isika hoa any

Andeha ankafaliana hanatrika an'Andriamanitra




Mikopa-mosoara ireo olom-boavonjy...

Ho foana tokoa ny adim-pirenena.. hitsahatra koa ny fianarana ady.. tongava ianareo terak'i jakoba... atòny ny fahazavan'ny Tompo.

Ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko, TSY MAHASAKANA AHY tsy hanatona anao Tompo o.


Misaotra an'i diamondra.
32. moi ( 23/02/2006 04:15)
dia vetsovetsom-po tokoa !
Tsy voasoratra mantsy hoe hisy kopa-mosara izany any :idea:
33. diamondra27 ( 23/02/2006 07:23)
moi: fa angaha miandry oe voasoratra vao hanao an'io mikopa-mosara io e!

de tsy andeha-kafaliana koa 'zany enao refa hihaona @ Atra ve?

marozevo: misaotra fa voarainao ny hafatro tiko lazaina eto...

De ho faly sy ravo isika refa tonga le fotoana e!fa tsy hitebiteby intsony e!
34. jentilisa ( 23/02/2006 12:55)
jimna> soraty ny zavatra anontanianao fa tsy hisy hisahirana hikaroka izany any amin'ny salamo izany anie e! soraty eto dia hohita eo!

raha jerena dia fiainana mandrakizay no teny mahazatra, tsy dia henoko loatra ny teny hoe fiainana any an-danitra...fomba fitenin'ny olona io fa moa fitenin'ny baiboly ve?

misy nuance ao!
35. cutie ( 23/02/2006 13:19)
zany ve ry jentilisa, zay koa aloha ny fahaizako azy e.
36. sonwin ( 23/02/2006 13:32)
:roll:
37. cutie ( 23/02/2006 13:38)
mianatra an'i veloo koa i sw :roll:
38. Achia ( 23/02/2006 15:43)
Indro ny faharetan'ny olona masina de ze mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i JESOSY apokalipsy 14 / 12 ireo ihana ngamba no mankany
39. Veloo ( 23/02/2006 17:13)
=D=D=D
40. marozevo ( 24/02/2006 00:06)
moi > raha tsy voasoratra ary ny hoe mikopa-mosoara dia inona no ambaranao kosa fa voasoratra.
Tsy maintsy ilaina sy ampiasaina ny KOLON-TSAINA hiainana ny Vaovao Mahafaly rangahy ity ah.. Aiza ary ianareo izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079