FIAINANA ANY AN-DANITRA, IZA AVY NO HO ANY?

41. jimna ( 24/02/2006 03:44)
Raha ny voalaza ao amin'ny Baiboly no jerena,dia tsy ny olona tsara rehetra no makany an-danitra, fa misy koa ny honina eto an-tany araka ny SALAMO 37:9 SY NY 11 MANAO hoe: Fa ny mpanao ratsy hofongorana;ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.Fa ny mpandefitra no handova ny tany ka hiravoravo @ haben'ny fiadanana.

Jesosy koa dia nilaza ao @ MATIO 5:5 manao hoe:Sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany.

hita @ireo andininteny ireo ary fa ny mpandefitra ,malemy fanahy,dia honina eto @ ity tany ity.

Hita ao koa nefa ireo izay honina any an-danitra.

IZA IZY IREO ARY FIRY NY ISANY ARY INONA NO HO ATAON'IZIREO ANY?

(APOK 14 :1,3 )144000 no isan'izireo, ary hiara-manjaka @ Kristy any an-danitra.

(mbola hitohy)
42. Achia ( 24/02/2006 05:29)
Fa le baiboly ve tonde milaza ara bakiteny fona e
43. diamondra27 ( 24/02/2006 06:15)
hay to nga eto @ity 144000isika ny fiafaràny an!

miandry ny hevitrao aza 'zahay ry jimna
44. moi ( 24/02/2006 07:58)
Tsy nasiako resaka ny tononkira hafa ankoatry ny kopa-mosoara ;
izany hoe mba fampieritreretana izay hira fanao ny ahy fa tsy hanao boloky mihira fotsiny.

Ka raha kolontsaina mampiteniteny foana aleo tsy ho ahy.

Misy koa ireo malama vava ery rehefa mihira ilay Andriamanitra fitiavana an'i Bessa manao hoe "Tsy namorona helo, fa Izy dia fitiavana", ka raha tsy teniteny foana io dia ho any an-danitra daholo isika, sady tsy misy làlana hafa e, tsy maintsy any ihany no farany.

Vetsovetsom-po tokoa ho'a e !

Jimna-> Dia ahoana ilay hoe ny lanitra sy ny tany ho levona ?
45. jimna ( 24/02/2006 08:15)
Ka tsy ny hira anie no milaza hoe ahoana fa ny tenin'Andriamanitra ,dia ny Baiboly izany ka tsy maintsy mifototra @io isika ary mandalina tsara e.
mbola hitohy)
46. diamondra27 ( 24/02/2006 10:35)
ilaina ny hira.
Nasain'Atra hidera Azy isika , anisan'izany ny hira...
Miderà an'i Jehovah....
Miderà azy @ fantsona sy lokangaSALAMO 150:3b
Ny fiainana kristiana de fifaliana lalandava= Mifalia mandrakariva.I TESALONIANA 5:16
47. vale ( 24/02/2006 10:54)
Marina daolo ireo voalazan'i jimna ireo raha ny teny

voalazan'ny baiboly no jerena kà. Mety ireo mpitondra

fiangonana angamba ireo 144.000 ireo:roll:
48. jentilisa ( 24/02/2006 14:21)
fa tahaka ny ahoana aloha izany fiainana any an-danira izany araka ny fahalalanareo? sao dia miteniteny foana eo ary?
49. marozevo ( 24/02/2006 23:40)
Tena manana ny maha izy azy ny kolon-tsaina amin'ny fiainam-pinoana ka... isika olombelona dia manana kolon-tsaina samihafa satria samihafa fomba amam-piteny isika. Avelan'Andriamnitra hilaza sy hivelona ny Finoana araka ny kolon-tsaina misy antsika avy anefa isika. Raha mahita olona avy any Asie na Amerika du sud na Afrika isika dia gaga fa tsy mitovy ny fiainana ny Finoana, nefa samy finoana io ary finoana tokana, fa ny fomba iainana azy no samihafa satria samy hafa ny kolon-tsaina.
50. Beinjy ( 25/02/2006 05:38)
Tsisy manana ny ampy fa sambatra ze mifanampy .Za klo ra mandinika le izy de zao ra oe ara bakiteny le 144000 de sika retra teraka taty @ @ 1900 no makaty rehetra zany de may daholo satria ireo ol AV JK sy AP JK hatr@ 1900 ve tsy efa mihotra ny 144000 ny tany nefa ho dorana sy ho levonina mmmmmmmmmmmmmmm :roll:
51. marozevo ( 25/02/2006 23:52)
Raha atao ara-bakiteny io 144000 io dia maty ho tany amin'ny premier siecle sy deuxième dia efa feno io, mba marina eh... Jereo fotsiny ny isan'ny Martiry sy ny olona novonoina tamin'izany.
ka raha ara-bakiteny io dia tsy hisy ho any an-danitra na ny katolika na ny Protestant na ny Silamo, satria tamin'izany mbola tsy nisy hoe Silamo na Katolika na Protestant. Dia ho aiza fotsiny izany isika rehetra ? faty antoka iray lavaka raha izany.
ka tandremo... aza raisina ara-bakiteny fa battu-moral eo ialahy isany, isika manko eh.
52. dadabe ( 26/02/2006 10:19)
marozevo> inona lety io 144 000 io a?? tsika lahy ve ao anatin'io le??:-w

iza aloha no mahay le hira hoe

"...omeko anareo ny fitiavako .....

..sambatra sambatra izay mifankatia

ety antany sahady ,hisantatra ny lanitra ets ...omeo eto hoe izay mba mahay de aleo aloha isika hihira kely eo anelanelan'ny ranombavaka fa henjana lotra le fifanakalozankevitra hatrary ka hatraty :(
53. jimna ( 27/02/2006 04:40)
Ekeko fa samy manana ny kolon-tsainy daholo ny firenena ,tsy dia hoe jerena @izay akory ny finoana ,fa ny finoana miorina @tenin'Andriamanitra (BAIBOLY)no jeren-tsika.
54. moi ( 27/02/2006 06:48)
tsy table 12 par 12 ve no manome ny 144mille e !
55. marozevo ( 28/02/2006 00:09)
table 7 koa mety raha tsy diso aho. Fa na 12 na 7 dia midika izany fa symbolique io.

Mamoiza ialahy ry dadabe fa na izaho na ialahy tsy ao anatin'io 144000 io... mbo kozy eh. Dia hiara hitono mangahazo any amin'ny afobe indray izany isika roalahy... enga anie tsy ho any i veloo sy i Achia.

za mahay le hira fa tsy haiko tsenjery ka sao diso eo. Aleo amin'ny manaraka.
56. diamondra27 ( 28/02/2006 19:30)
marozevo: mangahazon'iza no nangalarinareo roalahy?
57. fijo ( 28/02/2006 22:18)
raha misy kaly any dia hoany aho,nefa toa ny devoly no misy afo ko;any izany be masikita,ka aleoko indray mankany.
58. lapino ( 01/03/2006 01:51)
Ireo 144.000 ireo:
Apokalypsy.14:4:
4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy; Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin'ny olona no voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.

Voaloham-bokatra ireo izany, fa tsy ny vokatra rehetra!
59. marozevo ( 02/03/2006 15:30)
lapino > raha izay indray no izy dia tsy ho any amin'ny afobe aho, fa mety mba ho anisan'ireo tsy voaloham-bokatra. Tsy mampaninona ahy na fara vokatra aza rehefa tonga any.
60. Achia ( 03/03/2006 19:21)
144.000 : 12x12=144 + 1000= fahamaroana
12: zanak'Isiraely 12 lahy
12: apostoly mpianatr'i Jesosy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008