Fanairana mena : tazo eto Toamasina

1. eprom ( 06/02/2006 05:30)
Tsy fantatro na le tsikongona avy any la Reunion io tazo io na tsia fa ny fantatro de mahery be io tazo io eto Toamasina. Omaly de efa nisokatra daholo ny fivarotam-panafody fa tsy navela ho an'ny mpiandry raharaha ihany ny asa.Raha ny marina de voatsabo tsara aloha izy io saingy atahorana raha tara loatra ny fitsaboana. Heveriko aloha fa misy tsy ampy ny ataon'ny fanjakana : efa hatramin'ny novambra no betsaka tsy toy ny mahazatra ny olona voan'ny tazo nefa toa izao vao mikoropaka daholo ny rehetra. Misy lesoka izany ny fampitam-baovao. Ny lay misy ody moka koa no ifotoran'ny ady @ moka .Mafana be nefa ny andro eto ka betsaka ny tsy mahataty lay. Nahoana raha aparitaky ny fanjakana koa ireny ody moka elektrika na ireny baomba famonoana bibikely ireny?
novalian'i Fiffi ny 05/04/2006 04:12
2. agoago ( 06/02/2006 06:55)
Tsy fantatro na tsingona ohatra ny ao La Réunion tokoa ny miseho ao Toamasina na tsia satria ny tenako tsy mpiasan'ny fahasalamana dia tsy arako loatra ny vaovao.Ny hita aloha izao dia efa miely hatrany Maurice io aretina io ka asa isika raha ho tsy ho voakasika tokoa, ny fifandraisna misy satria samy nosy mifanakaiky moa eto amintsika koa ny moka tsy mety foana hatrizao.
Maninona hoy eprom raha mba aparitaky ny fanjakana ny bomba sy ny recharges famonoana moka. Misy anie ireny eny @ mpivarotra fa vidiana e.Sa hoe omen'ny fanjakana fotsiny ny tianao lazaina?
Ny bombes, recharges, spirales , lotions anti-moustique tafiditra antin'ny protection individuelle ireny a@ ady @ tazo.Ny olona tsirairay no entanina hividy ireny hiarovany ny tenany sy ny ankohonany a@ moka na manao chimiothérapie koa, mihinana fanafody .toa ziany ny manala ny lobolobo manodidina ny tena, toerana manangona rano malototsy isian'ny moka ao anatiny.
Tsy miditra @ ireny ny fanjakana fa ny azy protection communautaire no ataony, ary mazana aza hiarahany @ organismes internationaux ireny OMS, Banque Mondiale ohatra tafiditra @ izany ny fizarana lay, tsy ny rehetra aza fa ny groupes vulnérables no filazandry zareo azy dia ny reny sy ny zaza, ny bevohoka no omena lay, toa izany koa ny fandrarahana fanafody mamono bibikely amin'ny trano, a@ vohitra maro (aspersion intradomiciliaire).
Ireny fizarana lay sy aspersion intradomiciliaire ireny tsinona matoa atao dia misy étude sy surveillance ataondry zareo.

3. watafon ( 06/02/2006 07:49)
Raha ny fahitako azy sy ny nambaran'ny MIN SAN d tô tsy ilay tsikongona ilay izy fa tazo sy gripa mahery;k ny azo atao izany zao d ireo voalazanareo rehetra ireo d ny ady @ moka e!
4. jentilisa ( 06/02/2006 14:20)
Ilay tsikongona dia voalaza fa lasa mivonto na mitombo hadiry ny tongotra! lasa tsy afa-mhetsika firy izany araka ny reko! saingy matetika moa rehefa mifamahofaho ny vaovao tsy hita intsony izay raisina.
5. Veloo ( 06/02/2006 19:55)
kongona ve zany tsikongona zany sa hafa? tena mamps be ilay izy kle...ny tena efa mahantra mbola idiran'ny aretina ko. Dago dia ao @ fivavahako mandrakariva:(
6. ravatorano ( 07/02/2006 06:29)
rraha ilay tazo avy ao al reunion aloha d avy amin ny moka izy io ary azotsika jerena eto ny fandehany farany araky ny navoakan ity gazety ity anio http://www.lexpressmada.com/article.php?id=40451&r=13&d=2006-02-07 .Ialako tsiny fa d teny frantsay no mamoahany ny lahatsoratra eh.
7. ravatorano ( 07/02/2006 08:39)
Tazo sa bemangovitra ?

Tsy hita izay ilazana “ilay” tazo mihanaka ao Toamasina ao. Hatrany Vavatenina mihitsy aza.
Toy ny fisehon’ny tazo rehetra, tazo toy ny tazo rehetra. Kanefa, mahalasa saina ihany ny hoe nalefa any Lyon (Frantsa) ny santionan’ny analizy ho dinihan’ny any.
Inona no antony ?
Mahalasa saina ihany koa ilay fihetsika satria , raha ny marina, tsy ny aty Afrika sy i Madagasikara aza ve no hahafantatra sy hahalala bebe kokoa ny tazo, noho ry zareo any andilambato any ?
Firifiry akory ny mararin’ny tazo any andafy any no mitady ny fomba fanaon’ny aty amin’ny tany mafana aty ny hanasitranana ny tazo ? Na mahery na tsia....
Maro ny hetsika sy fomba efa napetraka teto amintsika teto. Ao ny fihinana ny «Nivaquine» isan-kerinandro ho fiarovana aloha. Ao ny fandraisana azy, amin’ny fatra maherihery kokoa, raha toa ka efa mby an-koditra ny aretina. Mbola ao ihany koa ny lay misy fanafody efa naparitaka. Na farany, ny fanafody azo ampiasaina avy hatrany ho an’ireo zaza latsaky ny dimy taona.
Ka tazo sa bemangovitra ? Inona no maha samihafa azy ? Na belamba koa e !! Iray ihany. Dia ho sanatria hanandramana zavatra hafa indray ve isika ?

tribune 07/02/2006
8. Fiffi ( 07/02/2006 08:56)
Tazo any Toamasina:Manamafy ny mponina

Miteraka resabe eto Madagasikara indray izao ny momba an’ity karazana tazo mamely ny mponina any Toamasina ity. Araka ny efa notaterina teto tamin’ny sabotsy teo, dia mbola miandry izay ho vokatry ny fitiliana (analyse) natao tamin’ilay tsimok’aretina nalefa any Lyon Frantsa, ny manam-pahefana ara-panjakana misahana ny fahasalamana eto vao afaka milaza fa tena ilay tazo avy atsy amin’ny nosy La Reunion mitondra ny anarana hoe “chikungunya” na tsia io aretina io. Na izany aza anefa dia misy amin’ireo olona any an-toerana izay efa tratran’io aretina io no manamafy fa tsy aretina hafa ankoatra ilay efa miely atsy La Réunion izy io fa mitovy. Ny antony, araka ny fanazavan’izy ireo, dia niezaka nanadihady sy nanontany ny fianakaviana sy ny namany izay monina atsy amin’io nosy io ny any Toamasina. Nanontaniana tamin-dry zareo ny endrika isehoan’ilay aretina ka tena tsy misy ivoasana, hoy ny fanazavana azo Toamasina.
Tokony tsy hangataka andro amin’ny fandraisana fepetra mihitsy ny fanjakana, hoy ihany ny izy ireo, satria na lazaina aza fa tsy mahafaty io aretina io dia misy akony ratsy ho an’ny toekarem-pirenena ny tsy fahafahan’ny olona tratrany manohy ny asany ao anatin’ny fotoana mankarary azy.
Ny zava-misy any Toamasina izao, araka ny akom-baovao dia ny mpitsabo any an-toerana no miezaka manao izay tratry ny heriny amin’ny fitsaboana sy izay fomba hahafahana misoroka ny fianahan’io aretina io.


momba an’ity karazana tazo mamely ny mponina any Toamasina ity. Araka ny efa notaterina teto tamin’ny sabotsy teo, dia mbola miandry izay ho vokatry ny fitiliana (analyse) natao tamin’ilay tsimok’aretina nalefa any Lyon Frantsa, ny manam-pahefana ara-panjakana misahana ny fahasalamana eto vao afaka milaza fa tena ilay tazo avy atsy amin’ny nosy La Reunion mitondra ny anarana hoe “chikungunya” na tsia io aretina io. Na izany aza anefa dia misy amin’ireo olona any an-toerana izay efa tratran’io aretina io no manamafy fa tsy aretina hafa ankoatra ilay efa miely atsy La Réunion izy io fa mitovy. Ny antony, araka ny fanazavan’izy ireo, dia niezaka nanadihady sy nanontany ny fianakaviana sy ny namany izay monina atsy amin’io nosy io ny any Toamasina. Nanontaniana tamin-dry zareo ny endrika isehoan’ilay aretina ka tena tsy misy ivoasana, hoy ny fanazavana azo Toamasina.
Tokony tsy hangataka andro amin’ny fandraisana fepetra mihitsy ny fanjakana, hoy ihany ny izy ireo, satria na lazaina aza fa tsy mahafaty io aretina io dia misy akony ratsy ho an’ny toekarem-pirenena ny tsy fahafahan’ny olona tratrany manohy ny asany ao anatin’ny fotoana mankarary azy.
Ny zava-misy any Toamasina izao, araka ny akom-baovao dia ny mpitsabo any an-toerana no miezaka manao izay tratry ny heriny amin’ny fitsaboana sy izay fomba hahafahana misoroka ny fianahan’io aretina io.

Gazetin'ny Nosy
9. watafon ( 07/02/2006 09:06)
tazo ihany no atao hoe bemangovitra ravato an, fa na za koa aza mba vaky loha oe maninona tokoa moa no alefa any Lyon ilay santionan'analizy e! mety mieritreritra zavatra hafa ankoatry ny tazo angamba ry zareo !! raha épidémie-na tazo mantsy mba efa manana traikefa ihany ny eto amintsika e!
10. Fiffi ( 07/02/2006 14:32)
dia tsy aiko ry zareo fa mampangoritrana ny tena mihintsy izao zava-manjoa izao.
11. Veloo ( 07/02/2006 16:49)
inn aloha ilay izy e kongona ve tsikogona?:roll:
12. fasaly ( 07/02/2006 17:37)
tsikongona aky raha gasiana ry veloo a!:wink:
13. Fiffi ( 08/02/2006 06:08)
ny kongona ve tsy bibikely ?
14. watafon ( 08/02/2006 06:22)
ie bibikely tkou ny kongona k ! ôtran'ny parasy fa ngozangoza !
15. Fiffi ( 08/02/2006 07:47)
ary ny tsikongona ?8O
16. watafon ( 08/02/2006 10:51)
ny tsikongona(chikungunya)d aretina azo avy amina virus k izany no mahatonga azy tsy misy fanafodiny alou hatramin'izao !
17. Fiffi ( 08/02/2006 13:28)
watafon: ok! misaotra e! :-*:-*:-*
18. fijo ( 08/02/2006 20:02)
aty aza izao mahery ny tazo ko.za izao manoratra izao dia tena voa mafy mihintsy.hoatry ny hoafaka izany mihintsy ny aiko
19. Veloo ( 08/02/2006 20:56)
aza manambe ry fijo aa misotra rano betska (jus de citron mafana miaraka @ tantely dia lasopy be jus etc,,, ) rano ihany ny ady eeeeee:°)
wata miciiiiii eee:-*
20. fijo ( 09/02/2006 04:39)
veloo,le lena ihany izany no tsara eto an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1694