Ny olana eo @ firaisana ara-nofo

1. Fiffi ( 04/02/2006 05:40)

OLANA EO AMIN'NY FIFANDRAISANA.

Eo @ mpivady rehefa tsy mifandray ny tadin-dokanga dia mampiato ny filàna sy ny faniriana izany , na mitohana tanteraka mihintsy aza. Ny lehilahy moa @ ankapobeany dia mahay manavaka ny fitiavana sy ny filan'ny nofo, noho izany indrindra no mahatonga azy ireny tsy mahazo ny fihetsiky ny vehivavy raha manana fahasahiranana ireto farany eo @ fanaovana firaisana ara-nofo, ary mety hihevitra mihintsy aza ny sasany fa manana olana ny vadiny.
nefa mazàna ny hany olana eo @ vehivavy raha tsy mahatsapa ny fihetsiny ny vadiny, tsy hanehoana fitiavana izy dia tsy mamaly intsony ny filàn'ny vadiny ny vatany. Tsy fivaona akory izany fa voajanahary eo @ vehivavy ny mampiaraka ny fihetseham-po ny filàny nofo!
novalian'i Fiffi ny 05/04/2006 04:13
2. Fiffi ( 04/02/2006 05:47)
Ka mandritry ny herinandro dia ho hitantsika eto ny anton'ny olana eo @ firaisana ara-nofo.
-Ny fanafody
-Ny holatra amin'ny vatana
-Ny fivaona eo amin'ny hormona
-Ny olana eo amin'ny fahazarana
-Ny fahalemen'ny hozakery
-Ny pilina (pillule)

(nalaina avy @ gazety fahasalamana Madagascar laza)
3. Fiffi ( 04/02/2006 05:59)
nisy iray hadino !
-Ny hareraham-panahy aman-tsaina
4. watafon ( 04/02/2006 06:17)
Fiffi,inn le fivaona kay?
misy antony atao hoe : psychologique, koa anisan'ny mahatonga io olana eo @ firaisana ara-nofo io
5. Fiffi ( 04/02/2006 07:00)
watafon a! io ambany io ilay hadinoko ny psikologika an! fa andraso kely fa hanomboka rahampitso dia ho hitanao eto avokoa ny momba an'ireo.:)
6. watafon ( 04/02/2006 08:12)
Fiffi, hay moa zany no dikan'ny hareraham-panahy aman-tsaina ? eny ary fa d miandry zay e!
7. Fiffi ( 04/02/2006 08:38)
watafon: :)fa araky lay gazety aloha io an fa mety tsy io angamba aminao fa aleo ho jerentsika eto ny manaraka e!
8. watafon ( 04/02/2006 11:26)
ok !:-*
9. Veloo ( 05/02/2006 00:05)
fiffi :-w:-w:-w:-w
10. Fiffi ( 05/02/2006 05:34)
Veloo a !! maninona andriko indray aho izao ? ka mba nahita an'ity lahatsoratra ity tao @ gazety fahasalamana aho dia mba niheritreritra hoe sao dia mba tsara hiany ny fahafantarana an'izany ko ! Ary raha nalefa indray mandeha daholo izy ireo dia tsy mety fa manjary lava be loatra sa inona indray no tsy nety nolazaiko ? 8O8O8O
:-*:-*:-* ndriko
11. Fiffi ( 05/02/2006 05:50)
NY FANAFODY
Ry zareo frantsay dia mahery mihinana fanafody. Ary ny sasany amin'ireny fanafody ireny koa dia poizina ho an'ny filahiana na ny fivaviana! Ny fanafody mpanohitra ny vaingan'afero, ny fanafody mpanohitra ny bay mandoaka ny vavony, ny fanafody mpanohitra ny fiakaran'ny tosi-drà dia mety ho anisan'izany avokoa! Tsy midika akory izany hoe tonga dia ajanona haingana ny fihinanana izany fanafody izany raha toa ka sendra ny fitohanana eo amin'ny filàn'ny nofo na ny fahafinaretana . Fa kosa tsara ny manontany ny mpitsabon'ny tena! "Misy vokany mampidi-doza eo amin'ny fahalehilahy na fahavehivavy ve ny fihinanana ilay fanafody ? " Ary ny lisitr'izany dia tsy voafakafaka tanteraka. Betsaka anefa ny fanafody hampidi-doza izany filàna eo amintsika olombelona izany.
12. Veloo ( 05/02/2006 21:44)
:-w:-w:-w aleo aho aloha hieritreritra raha izany
13. Fiffi ( 06/02/2006 05:24)

NY HOLATRA AMIN'NY VATANA :

Aorian'ny fandidiana mikasika ny faritry ny taovam-pananahana dia mila fotoana lavalava vao manolatra izany. Ny fahita sy faheno matetika dia ny fandidiana ny ivelan'ny lava-pananahana @ vehivavy . Mandritra ny fiterahana ny dokotera na ny mpampivelona dia manalehibe ny fisokafan'ny lava-pananahana mba ahafahan'ny zazakely mivoaka moramora. Dia mazava ho azy fa tsy maintsy zairina izany rehefa avy eo, nefa ilaina manolatra hiany koa . Misy ireo vehivavy sasany no vetivety dia manolana izany, fa nyhafa kosa izay manana hoditra malemy dia mora tohina mandritra ny volana maromaro. Ary tsy ny saina akory no voadona @ izany fotoana izany. Ny fanolarana dia mety aharitra, misintina ny hoditra, may, miririrotra ary marary. Ny faharetana mazava ho azy no vahaolana tsara indrindra: ny faharetan'ny vavy sy ny ....lahy ! Eo @ lehilahy koa anefa dia mety hitranga izany zavatra izany: sady mora tohina dia mora tohina tokoa ireny faritra ireny !
14. Veloo ( 06/02/2006 20:15)
mila mieritreritra mihitsy ka:-w:-w:-w
15. Fiffi ( 07/02/2006 04:47)
NY FIVAONA EO AMIN'NY HORMONA

Olana eo amin'ny hormôn'ny tiroida, eliain-dotson-dronono....Ny hormôna rehetra ao amin'ny vatan'ny olombelona dia mifamaly asa avokoa. Ka rehefa tsy miasa tsara ny iray amin'izy ireo, dia mety hitarika fiantraikany samihafa, ary indrindra eo amin'ny lafinny filahiana na fivaviana manokana izany. Mialoha ny fiheverana hiany noho izany fa ny saina no mampitohana ny tena dia aleo manontany ny hevitry ny mpitsabo.
16. watafon ( 07/02/2006 09:18)
mbola misy v sa tapitsa ?
17. Fiffi ( 07/02/2006 13:15)
watafon: :-D:-D andraso fa alefak daholo ny ambony ary fa saika nataoko 1 isan'adro ilay satria manjary lava loatra fa tsy maninona fa ireo ary ny tohiny :)
18. Fiffi ( 07/02/2006 13:28)
NY OLANA EO AMIN'NY FAHAZARANA

Misy ny vehivavy sy ny lehilahy sasantsasany no manana fahasarotana eo amin'ny firaisana ara-nofo, ary tsy araky ny fanirian'izy ireo izany. Mihevitra mihintsy ary izy ireo fa "tsy ara-dalàna". Ny tena marina dia izao: matetika dia olana eo amin'ny fahazaran'ny vatana no mahatonga izany. Ny lehilahy iray ohatra dia mety ho haingana be ny fandefasan-tembo satria tsy nianatra nampiasa ny vatany mora sy miadana izy. Ny vehivavy iray indray dia mety hanana fahasahiranana ho tonga amin'ny fahaheni-tsirom-pilàn'ny nofo noho ny antony tsifahampian'ny fanaovana firaisana ara-nofo teo aminy. Ka dia anjaran'ny tsirairay izany no mampiana-tena e !
19. Fiffi ( 07/02/2006 13:45)
NY FAHALEMEN'NY HOZAKERY

Betsaka ny vehivavy no sahirana amin'ny fahatongavan'ny fahaheni-tsirom-pilan'ny nofo. Na efa ela be vao tonga, ary sarotra be na tsy tonga mihintsy. Ankoatra ny tsifisiann'ny famotsorana ara-tsaina dia hita matetika hiany koa ny fahalemen'ny hozakery eo @ takiban'ny vehivavy. Ary noho izany antony izany indrindra no mahatonga ny mpitsabo hampanao fanatanjahana ny hozatra mialoha ny hilazany hoe tohana avy ao an-tsaina izany! Marina mihintsy tsinona fa ny takiba dia miasa sahala @ fanatanjahana azy aorian'ny fiterahana. Mitovy ihany ny fanatanjahana atao azy fa kosa ny resahina eto dia ho an'ny fahafinaretana !
20. Fiffi ( 07/02/2006 13:55)
NY PILINA (pilule)

Eo @ vehivavy sasany dia misy fiantraikany tsara ny fihinanana ireny pilina ireny eo amin'ny firaisanan ara-fo : mampilamina ny sain'izy ireo satria tsy mitaintaina ny hitoe-jaza tsy ampoizina izy ireo. Ary amin'izay fotoana izayizy ireo dia manararaotra tsara mihitsy ny fahafinaretana azony! Ho an'ny hafa indray dia manana fahazarana izy ireo mampihitsoka ny herimpilàn'ny nofony... Noho izany ra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4137