finoanoampoana

1. xxx ( 30/01/2006 16:43)
mba tiako fantara we, efa nahita olona voany ody gasy v nareo?,sa mbola honohono foana ?, za manokana manko mbola tsy nahita
2. xxx ( 30/01/2006 17:52)
Salut!
tratra tany nga razoky!
tsy misy ody gasy sy vaza zany io e! fa refa tia de tia
3. Veloo ( 30/01/2006 18:15)
tsssssssss za ry reto mino an'ziany a....tena misy ny ody gasy any dago io an.. fa tsy tafita ivelany serieux e
4. zandrikely ( 30/01/2006 18:20)
tena tafita aty ivelany io ry velooo a , indrindra moa ny ratsy , dia zay mahatonga azy eo aloha no miantoka fa rtehefa zohina ny film fa tena hoe avy any @ tanana io zavatra io , misy ny voa , ary ny mampalahelo @ ilay izy dia ny ratsy no manjaka
5. fasaly ( 30/01/2006 18:45)
ny ody gasy dia karazana asan'ny devoly ihany, ary tena mahery io any amintsika any, ka zà mino an'io kalou na dia mbola tsy voa aza e!
6. vivi ( 30/01/2006 18:51)
za aloha efa naheno fa mbola kely za t@ zay, misy tonton anay zay an,nianatra tany ankatso d apres izy nipetraka tany majungua d rehefa tonga tany nitomany foana fa malahelo ny sipany hono nefa t@ zay izy efa ho 30 ans d hay izy ty nandefasany ilay sipa taratasy fa tena nampandainga , tsy tena sipany akory ilay sipa , fa taty aoriana nalainy vady ilay vhv?;d hoy ny olona we voampanafody ,ka tsy fantako aloha we zay marina !
7. akamatiana ( 30/01/2006 19:22)
tsy ilaozan-dratsy ny tany eeeuuh!! ka misy zany fa zah tsy mino a !:-D
8. Vahinala ( 30/01/2006 20:58)
Za aloha efa naheno betsaka mintsy fa tsy haiko ny fahamarinany. Ohatra notantarain'ny olona ana tam zay nipetraka tany am province, rangahy manambady mpanao mission matetika tam toerana iray somary ambanivohitra ihany dia niaraka tamina sipa teo antoerana, isaky ny makany hono nedala dia miaraka amin'io foana ary efa nisy fotoana nijanona tany tanteraka mintsy, ny niafarany dia tapa-kevitra hono izy hoe tsy hiaraka amin'io intsony fa hody am vady amanjanany, fa tampoka teo hono tsy narary tsy naninona fa avy nifamaly be tam ty sipany am hoe hisaraka dia very tadidy lay ranamana io tsy nahalala na inona na inona intsony, tsy nahatadidy izay passé any tsony, ka dia tavela tany somantsara fa tsy tafody mihitsy.
Ny iray indray, mitovitovy amzany ihany dia lasa hono le rangahy niteny hoe vita ny amintsika fa hody any am tokantranoko aho, dia nanontany hono le vhv hoe tsy misy zavatra adinonao ve ? D hoe tsisy ka fa veloma ianao, tena sur enao fa tsisy adino an ? D hoe ie fa lasa aho, teny ambony avion handeha hody amzay nandeha nipipy ranamana tsy hitany tao ny zavany, en fait teo ihany hono le izy fa izy mintsy no efa nisy zavatra nataon'ilay vhv azy d tsy mahita anle zavatra. Nitapody niverina tany amdramatoa !
Ka asa izay fahamarinany fa mety misy tokoa aloha.
9. caprio ( 30/01/2006 21:00)
Efa tsy tokon,ny hinohino foana isika @izao fotoana izao ,
fa aza manaiky hampitahorina @izany ody gasy izany hianareo, nareo ve mino fa ny mpanao politika dia betsaka ny olona tia azy ireny ?tsia avy hatrany ny valiny fa ny mpanao politika dia be fahavalo na dia ny atoko mpanohitra azy fotsiny aza,koa nahoana ireny sarin,ny mpanao politika eran,ny tanàna ireny no tsy misy mahavita mamosavy @ody gasy?Raha ody gasy atao @sakafo hoanina dia manaiky aho fa mandaitra fa raha resaka sary na volon-doha na fitafiana lasan,ny mpanao ody gasy dia resaka fotsiny izany fa aza mba kely atidoha fa ampiasao ny saina e!8O
10. lapino ( 30/01/2006 21:17)
Za aloha mbola tsy nahita (sady tsy te hahita). Tsy hoe mino aho na tsy mino, fa tsy exclu ny fisiana "phénomènes surnaturels", na ny mety fahaizan'ny sasany mi-contrôle an'ireny amin'ny ampahany na tanteraka.

Fa voasoratra hoe: "Aza matahotra"
11. Veloo ( 30/01/2006 23:14)
za tena mino satria efa nisy tratra ny fianakaviko:twisted::evil:
12. diamondra27 ( 31/01/2006 06:48)
misy io satria asan'ny devoly.

Za efa nahita olona voany ary haiko tsara le izy de za no natratra le olona nanisy azy.
Fa za tsy mino de tsy mandaitra amiko le izy sady manana Mpiaro ahy za ze manana force tsy azony satana iadivana fa efa naharesy azy.

13. xxx ( 31/01/2006 08:28)
caprio:

Efa tsy tokon,ny hinohino foana isika @izao fotoana izao ,
fa aza manaiky hampitahorina @izany ody gasy izany hianareo, nareo ve mino fa ny mpanao politika dia betsaka ny olona tia azy ireny ?tsia avy hatrany ny valiny fa ny mpanao politika dia be fahavalo na dia ny atoko mpanohitra azy fotsiny aza,koa nahoana ireny sarin,ny mpanao politika eran,ny tanàna ireny no tsy misy mahavita mamosavy @ody gasy?Raha ody gasy atao @sakafo hoanina dia manaiky aho fa mandaitra fa raha resaka sary na volon-doha na fitafiana lasan,ny mpanao ody gasy dia resaka fotsiny izany fa aza mba kely atidoha fa ampiasao ny saina e!8O


salut!
iano miteny hoe tsy tokony hino nefa le izy misy mintsy ireny president de la republique reny koa aie tsy hainao izao fiarovana atao ny any e! fa refa mbola tsy tratra ianao de aleo aloha tsy miteny
14. Vahinala ( 31/01/2006 08:30)
Raha olona mpivavaka mino an'Andriamanitra dia tsy matahotra an'izany. Za aloha tsy matahotra e.
15. diamondra27 ( 31/01/2006 10:14)
zao zany le zavatra niseho e!

nisy olona fantako voan'ny ody gasy.Toa izao ny fipetrany: ohatra ny maty mandende= le olona miaraka aminao eo fa le zavatra ataony tsy ao mihitsy satria hono le fanahiny tsy tao aminy intsony.Tsy mitovy @ le olona manana aretina tsy manana présence io an!

Taka izao ny nataon'ny le olona:
mpiaramianatra ry zareo= X et Y, de le olona = X nanao fanafody azy io an! de jalouse taminy = Y, tsy haiko oe inona le mahajalouse azy ( hatsarantarehy ve sa ny fahaizan'ny le sipa Y,). De niteny t@ mamany i X ary de raikitra le ody.
Ny zavatra nilainy de: sary. Aminy mahampinamana moa de miaramaka sary, fanaon'ny olona rehetra io
16. diamondra27 ( 31/01/2006 10:21)
Olona 3 vavy ry zareo no niaraka naka sary ;ka ny nataon'i X an'i Y de nalainy le lohan'i Y de nohetezany de nomeny an'le mpanao ody. De vita soa amntsara le ody de Y zany lasa toa ireny maty mandende ireny. De teo za no niditra antsehatra satri hitako tsy nahy le sary ary nanontaniako ilay rahavavin'i X( zazkely tsy mahatana sekré) hoe: fa maninona kay no tsy eo intsony ny lohan'i Y ? De namaly le kalakely oe: tahaka izao sy zao no nataon'ii zokiko.... de 'zay tratrako ary nilazako ny marina ny maman'i Y , de nande nitsabo de sitrana soa amantsara i Y avy teo, niverina normale ny fiainany ary mamaly ny fanontaniana apetraka aminy fa tsy toa ny taloha: absente, mamaky tsy nahy vilia foana,refa anontaniana de tsy hainy le kestion...

De zay. Amin'ny manaraka inndray za mitantara zvt hafa niseho , fa io de za mitsy no nahita sy natratra fa tsy honohono
17. rurik ( 31/01/2006 13:46)
ho tataraiko aminareo dia anjaranareo ny mieritreritra we misy ve sa tsy fa zavatra niainako sady savatra hitako ,
papako mihinaparaky niasa tany antsaha izy ka lany ny paraky dia nangataka t@ilay olona niasa teo akainy dia rehefa vita ny asa dia nody , nanasa lamba dia ny zavatra tsiarony dia we misy andiana lalitra mandalo eo alohan'ny masony dia kopahany @tanana ,dia afaka iny avy eo dia rehefa vita ny sasalamba dia nisakafo za nivoaka nakany antsena rehefa tonga aho dia feno olona tao atrano , dia hitako ny lelan'ny papako nivonto dia mivonto antrany dia niady evitra teo le olona dia nisy nilaza we ento any @olona dia noetina tany mandra pihomana anefa dia ny nivonto atramin'ny lohan'ny papako ny lohany lehibe nohon'ny soroka, efa tsy afaka mitelina rora intsony izy efa miha sahirana mihaina satria ny lelany miha manakana ny lalandrivotra , rehefa tonga tany @ilay olona dia nasainy nakeo ambaravarakely dia nosasany ny lohan'ny papako dia nasainy nisotro ilay rano avy eo dia nisy zavatra nosorany taminy dia nasainy nody izahay rehefa tonga tany atrano dia naverina matetika io zavatra nomeny io , tena nisy fovana be le izy sady haingana mandrapaharainan'ny andro ohatran'ny tsy nisy inona akory ,
marihiko eto fa handeha hisakafo atoandro izy no nanomboka io zavatra io . dia asa izay fahazahoanareo azy na misy na tsy misy fa za aloha mino fa misy le izy .mazotoa mamaky fa lavalava ihany le tatara efa niezaka aho ny nanafohy azy .
18. Herimiafina ( 31/01/2006 13:56)
Albadira, ambalavelona, efa nisy iray kilasy tany amin'ny Lycée Ambatondrazaka samy voan'ny Ambalavelona jiaby, hehehehehe:-D:-D
19. vivi ( 31/01/2006 14:41)
tany diego ndray za nahita anio albadira io fa tena henjana ,sady reny toa avy @ tavany daholo fa tsy gasy intsony koa
20. Herimiafina ( 31/01/2006 14:43)
Comoriana akia chérie ny albadira an! hehehehe:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1526