destin

1. xxx ( 29/01/2006 10:34)
hono hoa ry reto!
aona marina ity hoe anjara sy tsy anjara? mino ny anjara ve ianareo? satria maro lotra ny divorce, ny fisarahampanambadiana moa dia tsy lazaina intsony, na de efa 20 ans de mariage ny zanaka @ efa misy de mbola saraka fona ka tena tsy azoko intsony hoe inona no atao hoe anjara? indrindra @ zao andro ianantsika izao. valio raha mba misy evitra azafady
novalian'i Veloo ny 03/02/2006 19:36
2. fasaly ( 29/01/2006 10:41)
zà aloha resy lahatra amin'ilay anjara e!
kanefa tsy izay zavatra mety hitranga rehetra eo amin'ny fiainana de lazaina hoe izay ny lahatra sy ny anjra foana, indraindray ny zava-miseho eo amin'ny fiainana afaka eviter-na mba tsy hiseho, ka azo lazaina hoe misy adalàna ny an'ny sasany ohatra ny mahatonga azy hivarolavo ohatra.....:wink:
3. sonwin ( 29/01/2006 12:18)
ie :wink:
4. fasaly ( 29/01/2006 13:47)
sonwin: elabe njy tsy hita an:-*
5. Vahinala ( 29/01/2006 14:52)
Amiko misy ny anjara fa tsy azo terena fa tonga ho azy izy.
6. lapino ( 29/01/2006 15:03)
Za tsy nahatadidy ny lesona taloha momba ny anjara sns, fa raha ny fahazoako azy dia ohatra hoe:

Nizara kilalao krismasy ho an'ny zanaky ny mpiasan'ny orinasa iray. Mitoby anaty sobika ireo kilalao, dia samy mandeha ny ankizy maka iray avy. Rehefa avy eo samy mahazo ny anjarany.

Izany hoe ny anjara izany dia misy safidinao. Ary arakaraka ny fanajanao an'iny koa no mampaharitra azy na tsia, fa raha simbainao le izy dia ianao ihany no lasa tsy tia avy eo.

Raha izay dia misy ny anjara.

Ny destin indray tsy haiko. Fa tsy exclu mihitsy!!
7. xxx ( 29/01/2006 16:49)
hihihi, lesona t@ terminal, tsy tadidy intsony. Efa harafesina.Manontania an'ireny vao mbola mpianatra ireny é.
8. vivi ( 29/01/2006 18:52)
ny anjara akia misy an, fa tsy we reny misarampanambadiana ireny tsy manan ny anjarany , fa zay mihintsy ny anjara we 10 taona ianao @ io olona io fa ilay vady faharoa no ela b hoatra , na koa we , raha tsy manambadi anini olona iny ianao d tsy possible ahita anilay anjaranao manaraka , .Izay no mahanjara azy satria tsy natao programa fa tongatonga ho azy teny ! ny hevitro aloa e!
9. Vahinala ( 29/01/2006 21:07)
vivi > Zay mantsy le tiako lazaina hoe tsy tadiavina io fa tonga ho azy amin'ny tsy ampoizina mintsy aza ndraindray e.
10. Veloo ( 29/01/2006 23:58)
misy tokotrany moa izany fa ny olana ankehitriny dia betsaka ny asan'ny satana ny but-ny dia ny handrava ny mariazy izay nataon'andriamanitra..izay zavatra nataon'Andriamanitra dia ravaina doly...:wink: misy izay fiteny zay ao @ baiboly milaza oe:
izay nakamban'Andriamanitra ao tsy saraha'ny olombelona :wink:
11. diamondra27 ( 30/01/2006 06:16)
vous êtes destinés à dinika serasera:-D:-D:-D:-D
12. pissoa ( 30/01/2006 06:25)
Izaho tsy miombon-kevitra amin'izany hoe misara-panambadiana izany dia hoe ilay faharoa no tena anjara. Amiko dia izy mivady no tsy nifanaraka, tsy nanana volontee intsony hanarenana sy hiarovana ny zavatra efa najoro.

Ny fanambadiana na fisaraham-panambadiana amiko dia tsy anjara fa safidy. Ny antony: mila manao sonia vao mpivady. Dia mila manao sonia koa rehefa misaraka. Manao sonia izany matetika safidy, dia indraindray didy - fa tsy anjara!
13. mamzelkely ( 30/01/2006 06:33)
za alo mino ihany am resaka destin ra ny fiainako no jereko eee saingy ts vô tery ho destin fôna ko ny manao ny zvt rht fa io miakina am choix ataonao zany we misy destin fa enao manambôtra ny destinée anao:wink:
14. lapino ( 30/01/2006 07:26)
mamzelkely:
fa enao manambôtra ny destinée anao

Dia lasa tsy destin intsony izy raha izay ko! :wink:
15. Vahinala ( 30/01/2006 08:04)
pissoa:

Izaho tsy miombon-kevitra amin'izany hoe misara-panambadiana izany dia hoe ilay faharoa no tena anjara. Amiko dia izy mivady no tsy nifanaraka, tsy nanana volontee intsony hanarenana sy hiarovana ny zavatra efa najoro.

Ny fanambadiana na fisaraham-panambadiana amiko dia tsy anjara fa safidy. Ny antony: mila manao sonia vao mpivady. Dia mila manao sonia koa rehefa misaraka. Manao sonia izany matetika safidy, dia indraindray didy - fa tsy anjara!



=D=D=D=D=D
16. mamzelkely ( 30/01/2006 08:29)
lapino< ka le destin anie misy fa enao no nanao an le choix e de lasa destinée le izy: ohatra ra manana choix enao we hande fety de ra mande enao de mety hahita ny mety ho vadinao ra ts mande njay enao de mety ts hahita donc asakasakao ny choix fa nefa kosa ra tena destiné ho anao le olona de n'inn n'inn hitranga de mifanena nareo na ts any am le fety aza fa ny fotôna no mi-jouer
17. mandrindra ( 30/01/2006 09:15)
miombokevitra amin'i pissoa
18. lapino ( 30/01/2006 10:39)
mamzelkely: ilay atao hoe "destin" no tsy ifankahazoana angamba. http://fr.wikipedia.org/wiki/Destin
Fa raha io azavainao io dia afaka miala amin'ny destin-ny izany ny olona! Kanefa ny destin hoe tsy azo ialana.

Amin'ny lafiny iray koa raha raisina amin'izay fijerinao izay ihany, ny safidinao izany mety hanova ny destin-n'ny hafa koa (satria mety ho lasa hanambady ny namanao ilay olona tany amin'ny fety)!!! Ny safidin'ny hafa koa izany mety hanova ny destin-nao! Izany hoe tsy ianao ihany izany no manao ny destin-nao ... Raha misy ilay destin!
19. mamzelkely ( 30/01/2006 10:43)
lapino< ny tena tiko tenenina zany de zao ee misy le destin natokana ho anao fa anjaranao no mi-saisir an'iny
20. fasaly ( 30/01/2006 10:46)
ka tsy chane njay ve izy amzay ry mamzel,??tsy haiko aloha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2648