destin

21. lapino ( 30/01/2006 10:59)
mamzelkely: raha ratsy izany ilay destin dia tsy misy hi-saisir an'iny eo :)

Ny fahazoako an'ilay destin izany dia hoe: efa voasoritra mialoha ny lalam-piainanao. Ka na tonga amina toerana misy sampanan-dalana aza ianao, dia izay voasoritra no hosafidianao amin'ny safidy malalaka. Ny planina sy ny programanao, ny tanjonao amin'ny fiainanao dia efa voasoritra mialoha daholo mandrafitra an'ilay destin-nao. Dia ianao izany mihevitra fa manan-tsafidy, kanefa ny safidinao efa vita mialoha.

Izany hoe ny destin izany tsy ianao no misafidy azy, tsy ianao no mi-saisir azy, fa tena indépendant tanteraka amin'ny sitraponao.

Izay no fahazoako azy ... raha misy ilay destin!
22. mamzelkely ( 30/01/2006 11:07)
ary mety marina io lazain lapino io aaa iny njay mantsy no ts tao atsaiko fa za nieritrertra fôna we on a l choix dans le vie de ra its lalana itsy no alehanao de hafa ny zava-nitranga de ra le lalana iray njay de hafa:roll:
23. lapino ( 30/01/2006 11:14)
Ka ny fanontaniana dia hoe misy ve ilay destin?
24. diamondra27 ( 30/01/2006 11:27)
lapino/ ie misy ny destin:wink:
25. Vahinala ( 30/01/2006 11:35)
Hanampiako ny tenin'ni lapino dia atovy toy ny hoe efa vosoratra mialoha anaty boky be "any andanitra" ohatra ny fandehan'ny fiainanao eto antany, tsy ianao no misafidy izay mety aminao fa tonga ho azy io, tahaka ny hoe na misy olona tianao be tahaka ny ahoana aza rehefa tsy iny no anjara natokana ho anao dia tsy ho tanteraka mihitsy. Mbola averiko hoe "faniriana ny an'ny olombelona fa Andriamanitra no mandahatra".
26. mamzelkely ( 30/01/2006 11:42)
de nefa ko misy le fiteny we "aide toi et le ciel t'aidera" :roll:
27. Vahinala ( 30/01/2006 11:47)
Ka zany anie tsy midika hoe aza manao inon'inona fa miandrasa fotsiny eo e, fa tsy terana fotsiny ny fandehanjavatra satria zay no mahatonga ny sasany milaza fa hoe misara-panambadiana afaka 20ans d hoe tsy anjara, lasa ala olana le izy fa amin'ny maha olombelona antsika tsy afaka maminavina ny mety sy ny tsy mety isika, ny zavatra tokony atao dia mivavaka foana manankina fiainana amin'Andriamanitra dia izy no hanoro anao izay tokony ho ataonao.
28. lapino ( 30/01/2006 12:39)
Ny ahy aloha ny fantatro ry zareo dia izao a: Manan-tsafidy isika!

Raha entina ity adihevitra ity amin'ny fomba fisainantsika olombelona fotsiny (siantifika), dia hanome tsiny an'Andriamanitra no farany!
29. mandrindra ( 30/01/2006 13:40)
efa voasoratra fa hanoratra eto aho amin'izao lera izao, hay va re e?? aiza izany boky izany?
30. xxx ( 30/01/2006 14:30)
SLT vahinala! za no nametraka ilay fanontanina de misaotra anareo namaly, ka raha araka ny teninao hoe efa voasaoratra any ambony ny anjara sy lahatra retraretra, dia A/tra no manao azy ko dia sitrak'A/tra ve ny hampisaraka ny mpivady, mijaly ny ankizy, simba ny ho aviny retraretra, de maro koa ny mpangalabadil'olona, manimba ny fitiavan'olona de A/tra ve no mety maniraka any reny?
31. lapino ( 30/01/2006 14:38)

:!::!:Io àry ilay izy fa miala any:!:!:!:

Raha entina ity adihevitra ity amin'ny fomba fisainantsika olombelona fotsiny (siantifika), dia hanome tsiny an'Andriamanitra no farany!
32. Vahinala ( 30/01/2006 14:43)
xxx > Sitrapo sy safidin'ny olombelona ny misara-panambadiana fa tsy avy amin'Andriamanitra akory. Izay no ataoko hoe lasa fanilihana andraikitra ny filazana fa tsy anjara raha toa ka afaka 20taona ohatra misaraka.

mandrindra > Samy manana ny eritreriny io, afaka tsy mitovy hevitra amiko ianao fa ny ahy aloha d zay.
33. mandrindra ( 30/01/2006 14:45)
vahinala, izaho anie tsy mbola namoaka ny hevitro fa nametraka fanontaniana ho aloha, :D. dia raha misy manana ny valin'io fanontaniana napetrako op dia ho hitako eo ny tohiny. ny safidy hanaraka hevitra iray dia malalaka. :D
34. Vahinala ( 30/01/2006 14:46)
Ka raha za no anontanianao dia izay no hevitro hoa ange e, tsy haiko ny any hafa !
35. mandrindra ( 30/01/2006 15:07)
ka aiza ary ilay boky milaza ny efa voasoratra e
36. lapino ( 30/01/2006 15:10)
Misy ve aloha izany boky izany e?
Misy milaza ange ny sasany hoe eo amin'ny fela-tanana ihany ny destin no misoratra e! :wink:
37. Vahinala ( 30/01/2006 15:12)
Ohatra anie no lazaiko anareo e, efa misoratra any ho any hoa hoe izao avy ny lalanao eo amin'ny fiainanao, boky hozy za fa tsy haiko na izay fa mba entiko hanazavana azy fotsiny zany.
38. mandrindra ( 30/01/2006 15:13)
ka raha efa voasoratra, dia voasoratra amin'ny inona ay aiza ary.
lapino, za tsy mahay mamaky felatanana
39. Vahinala ( 30/01/2006 15:18)
Tsy haiko ny hanazava anareo an'izany fa aleo samy manana ny heviny d zay. Ny anareo ndray mba azavaina fa lasa nena no atao enkety eto kle !:-D:-D:-D
40. mandrindra ( 30/01/2006 15:22)
mbô hampindramo ilay labozianao ary hanazavana azy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6892