Offre d'emploi
101. dadabe
(
24/02/2006 12:27)
hummm ary maninona raha avadika e, ndao hoe hiasa alahady indray:°):°)
102. sonwin
(
24/02/2006 21:05)
ie refa alahady dia mandeha miasa manambara ny Vaovao Mahafaly, tena miasa tokoa moa izany:°), mandeha miasa manao asa soa araka izay tratra, vao maika asa be 8), raha misy marary mila vonjy aza moa ka na alahady aza ny andro dia hiasa tsy amimpisalasalana:D
103. marozevo
(
25/02/2006 00:07)
dadabe:
hummm ary maninona raha avadika e, ndao hoe hiasa alahady indray:°):°)
Ka mitovy lenta mihitsy anie ilay hoe sabata amin'izay mandàla azy sy ny Alahady ho an'izay manaraka azy eh.
Ny fitoviany lenta dia satria samy manome hasina azy ireo, ny mpandala azy tsirairay avy.
mampihomehy fa any Jerosalema rireto ah samy manana ny maha izy azy ny finoana telo : Silamo, Judaisme ary ny Kristianina. Tena mifanaja ry zareo fa tsy mba misy olana lehibe loatra ara-pinoana. Dia samy hajaina ny andro tsy fiasana. Tsy hoe samy manaja ny azy fa miara-manaja ny rehetra, hany ka ny Zoma tsy misy miasa fa manaja ny Silamo, ny sabotsy manaja ny Judaisme ary ny Alahady manaja ny Kristianina. telo andro be izao ny week-end any.
Dia hoy aho mieritreritra irery hoe : Raha tonga any angamba ny Taranak'Andriana any Madagasikara dia tsy miasa koa ny Talata, dia antsoina koa ny Sihanaka avy any Anororo (Alaotra), dia tsy miasa koa ny Alakamisy. Dia Alatsinainy sy Alarobia ihany no miasa. Mety ho tsara fa mety ho matin'ny mosary koa ny vahoaka.
104. boliboliky
(
14/03/2006 19:44)
Ny mahagaga de toa resaka manadala ny anareo fa tsy mba mahasoa ;-:roll:
105. marozevo
(
17/03/2006 01:05)
Fa iza moa ianao ry boliboliky no afaka mitsara anay fa resaka manadala ny anay fa tsy resaka mahasoa ? Dia mba arosoay ary izay resakao mahasoa hojerena. Bigre!
