hirotsaka hofidiana izany i Rolland Ratsiraka!

41. Solitikabe ( 27/01/2006 04:41)
Ilay izy fotsiny anie ry Madrindra tsy hoe averina daholo ny lasa eh. Fa saingy kosa tsy atao hoe rehefa ny ahy sy BLANCO fa rehefa azy dia BIANCO. Anontanio aho aloha raha tsy dia mazava ilay lazaiko an. Fanoharana fotsiny io fa atao an'heritreritra fotsiny ny tohiny. Dia asiana fihainoana SARERAKA eh.
42. jentilisa ( 27/01/2006 07:04)
Fa iza koa moa ny mpitondra hanatsikafona ny lamba malotony amin'ny fotoana itondrany raha tsy olona adala izy koa!
43. fijo ( 27/01/2006 20:50)
izay mantsy.io politika koa.tadidio,fa talohan'ny fifidianan tamin'ny 2001,dia nandefasana inspekteran'ny impot matetika koa i tiko.ary nokarohina daholo izay ahafahana manidy ny volany,saingy tsy nandaitra le fika.
amiko manokana,dia mila atao rafitra manokana mahaleo tena ,no mikarakara ny fifidianana vao hisy raharaha vanona any amintsika
44. Herimiafina ( 27/01/2006 21:20)
Na i Roland Ratsiraka na i Ravalo, ny eo foana no ho eo satria efa manomboka mamemtraka ny fomba hanjanahany rahatrizay ny amerikana sy ny multi-nationaliny e! hehehehe:-D:-D
45. Solitikabe ( 28/01/2006 02:46)
Angamba kosa tsy dia ilay hoe manjanaka na tsia. Fa io na te hanjanaka ireo na tsia. Izay mokon-dohan'ny mpitondra ihany no mahavoazanaka na tsia antsika. Saingy rehefa zatra mangataka dia voazanaka. Sady ilay fitiavana ny tanin'ny tena mihintsy no tsy ampy amin'ny mpitondra ny tany Afrikanina toa antsika. Hany ka mitady firenena ivelany lava iankinana. Dia lasa atao mpirahavavy amin'ny tanana any ivelany daholo ny tanana raha tsy izany tsy vita ny paompy, ny manampina lavaka amin'ny lalana, ny manadio ny sekoly. Izay zavatra mahamenatra nefa dia izany no misy.
Dia ny tananan'Antananarivo izay idirana vola be isan'andro avy no miankina amin'ny RIF vao hanao zavatra. Izay ilay zatra mangataka mba ataoko ohatra.
Jereo ny fandroson'ny karana sy ny Srylanika ary ny tailande tonga teto , noho ny fitrandraha ireo harena ankibon'ny tany teto amintsika. Dia nahoana ny fitondrana nifandimby no tsy nahita izany ho entimiotra amin'ny fahantrana?
Izao indray dia tsy menatra tsy matahotra akory ny Forantsay nametra injenieran'ny vato ho ambasadaoro. Hitily sy hitrandraka vato an. Toa nanamarina ilay tatitra an-gazety fony 2002 mikasika ireo vato naondrana tany Frantsa, dia nolazaina fa vato tsy sarobidy, nataon'ny fikambanana Frantsay iray.
Aza fady somary niala ilay fifidianana aho eh.
Dia miandry anareo ry Herimiafina an. Fa mandroso io rehefa ianareo no mpitantana.
46. fijo ( 28/01/2006 04:11)
solitika be,tena marina tokoa ireo voalazanaoireo.fa le fahavononana politika mihintsy no tsy misy.io anefa no tena fanohitra ilaina raha tena te hatanjaka isika.
47. Herimiafina ( 28/01/2006 05:05)
Ka afak ahaninona moa izay mpitondra rehefa ny Fonds de conter valeur azo avy amin'ny fiscalité no 20% ny budget fotsiny e? Ny 80% mbola avy any ivelany avokoa, de tsy maintsy manaiky na tiana na tsy tiana.
Raha izaho klou no eo de aleoko manodina knou, vola adala tompo knou, hehehehehe8):-D:-D8)
48. jentilisa ( 28/01/2006 12:31)
Dray kosa! loza!
49. Solitikabe ( 29/01/2006 02:15)
Dray dray dray. Ka aleo indray nareo tsy hirariana hitondra raha izany k'ty.
Betsaka ny tokony amboarina eh.
50. fijo ( 31/01/2006 22:04)
samy miara manaiky anie fa betsaka no tokony hoamboarina e.fa samy mafy loha koa rehefa misy hevitra tokony hodinihana
51. jentilisa ( 01/02/2006 11:55)
ny fitsipi-dalao no tsara resahina e! na dia odian'ny mpitondra fanina aza!
52. fijo ( 01/02/2006 19:58)
izay aloha di amarina.ny olana dia izao.raha tonga eo ve ry zalahy ireo,hanaiky hidinika an'izay koa??????
53. dnl ( 07/02/2006 22:17)
Ha, ha ! Sahady ve de mampangovitra an ireto pro ra8 reto, mbola aiza anefa eee, ca ne fait que commencer hoy ny fitenenana, maro ireo nilaza ny hirotsaka kanefa nahoana no i Rolland RATSIRAKA no anaovana resabe eran izao filazambaovao izao ka??, TSOTRA, satria adversaire redoutable araka ny fitenenana ho andra8 izy de zay no antony, ho hitantsika eo ny tohiny fa aza mora mikorapaka toa io moa ee!! lery aloha reven ny pokn na dia feno aza eto ny latsa sy fanesoana ataon ny sasany azy e1, ARY ROLLAND RATSIRAKA de ho lany @ salan isa ambony mihitsy ka tsy hisy anaovandra8 hosoka zany na ho faly ny sasany na tsia.:-$
54. fijo ( 08/02/2006 04:22)
dnl,inona indray ity mahita biby alohan'ny hafa ity e.ny arema ihany dia efa mahasakana azy ko inona indray ary
55. dnl ( 08/02/2006 08:43)
Tetika politika ranofotsiny io ry fijo, aiza re nareo zany e!! Raha tsy lany 1 er tour zao izy ( RR io ) de heverinao fa tsy hanohana azy ny arema??De mazava ho azy ny fandresena ho azy, ho hitantsika eo ny tohiny fa aza malaky mikoropaka hoa:-$
56. fijo ( 08/02/2006 20:57)
ny arema sy ny mpanohitra toa tsy mahazo an'i lery ko.misaina izy ka tsy tiandry zalahy
57. dnl ( 08/02/2006 21:00)
:-$De mihevitra ve zany ianao fijo fa hanohana andra8 ny arema na ny 3fn, ,,, raha hisy ohatra ny 2 eme tour??
58. jentilisa ( 09/02/2006 05:45)
dnl> ny mpanohitra no tena manohitra ny filatsahany koa. very tetika manko ry zalahy!
59. dnl ( 09/02/2006 13:06)
Mazava ho azy fa tsy hahazo vato firy ny mpanohitra noho io filatsahany io (RR io),ka hizarazara zany ny vato noho izany de mety ho hisy zany ny 2 eme tour de eo anie no hivadihan ny mpanohitra ho amin ny campd Rolland RATSIRAKA e. Mazava be zany:-$
60. xxx ( 09/02/2006 13:51)
Ny vahoaka no mifidy fa tsy ny Arema na ny 3fn akory, aza afangaro izany, ny an'ny vahoaka dia i Ra8 ihany aloha izao.
Satria ilay sasany dia tsy aleany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.9935